FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w94 1/5 p. 27-30
  • Notohanan’ilay Andriamanitra Tsy Mahay Mandainga

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Notohanan’ilay Andriamanitra Tsy Mahay Mandainga
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fanabeazana kristiana nolovana
  • Faniriana aloha be hitory ny filazantsara
  • Fampahafantarana ny “vahoaka betsaka”
  • Fomba fitory vaovao
  • Niverina tany andrefana
  • Fanambadiana sy fianakaviana iray
  • Fitoriana teo anivon’ny Aborizenina
  • Fanampiana tsy miova avy amin’i Jehovah
  • Tahin’i Jehovah Izay Manaiky ny Asa Ampanaoviny
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2017
  • ‘Katsaho Aloha Ilay Fanjakana’
    Vavolombelon’i Jehovah—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra
  • Vonona Handeha Lavitra Kokoa
    Mifohaza!—2005
  • Irery Kanefa Tsy Nafoy Mihitsy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
w94 1/5 p. 27-30

Notohanan’ilay Andriamanitra Tsy Mahay Mandainga

NOTANTARAIN’I MARY WILLIS

Nahatratra ny faritra mitokana any ambanivohitr’i Aostralia Andrefana ny vokatry ny fahasahiranana ara-toe-karena naneran-tany tamin’ny 1932. Tamin’io taona io, raha vao 19 taona monja aho, dia nahazo ny toerana nanendrena anay hitory izahay sy i Ellen Davies. Io toerana io dia nahafaoka velaran-tany 100 000 kilaometatra tora-droa teo ho eo. Ny tanàna kelin’i Wiluna any amin’ny 950 kilaometatra teo ho eo, any avaratra atsinanan’ny fonenanay tao Perth, renivohitr’i Aostralia Andrefana, no toerana nanombohanay.

TAMIN’NY dianay nankany, dia tafaraka tamin’ny mpiasan-dalamby sariaka iray tao anatin’ny fiara voatokana ho an’ny mpiasa tao, izahay sy i Ellen. Rehefa nijanona tao amin’ny gara kely tsirairay nanamorona ny lalamby ny lamasinina, dia nilaza tamin-katsaram-panahy taminay ilay mpiasan-dalamby hoe hafiriana no hijanonanay tao. Izany dia nanome anay fahafahana hivoaka ary hanao fanambarana tamin’ireo olona nipetraka tamin’ny toerana mitokana nanakaiky ny lalamby. Tamin’ny farany izahay dia tonga tao Wiluna, tanàna fonenan’ny mpitrandraka harena an-kibon’ny tany, tamin’ny fotoana iray nisian’ny tafiotram-bovoka.

Ilay gara kely tao Wiluna anefa dia tany amin’ny telo kilaometatra tany ho any avy tao afovoan-tanàna. Tsy nisy tena natanjaka be taminay, ary nanana baoritra telo nisy boky navesatra sy valizy roa koa izahay. Inona no hataonay? Nahantonay tamin’ny tehina hazo ny baoritra iray, ary ny tsirairay dia nihazona ny tendron’ilay tehina. Tamin’io fomba io no nitondranay ny baoritra, tsirairay. Nanao dia nandroso sy niverina intelo sy tapany izahay mba hitondrana ny baoritra telo sy ireo valizinay, nandeha telo kilaometatra hatrany an-tanàna. Niato imbetsaka mba hiala sasatra izahay, satria namaivay be ny tananay.

Na dia teo aza ny vovoka, ny tanana namaivay sy ny ranjo torovana, dia faly izahay nanao ilay asa nandrisika sy nanaitaitra ny saina. Tsapanay mirahavavy fa nomba anay i Jehovah, fa nanohana anay izy mba hiatrika io fanombohana hitory tany amin’ny toerana lavitra be io, dia fanombohana izay nitsapa mafy ny fahatapahan-kevitray. Tsy ela dia hitanay teo amin’ny asanay koa ny fitahiany, satria ny ezaka nataonay tamin’io dia lavitra io dia niafara tamin’ny faneken’i Bob Horn tanora ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Faly izahay noho i Bob afaka nandany taona sasantsasany tao amin’ny fanompoana tany amin’ny Betela ary noho izy nanompo an’i Jehovah tamim-pahatokiana hatrany nandritra ny 50 taona teo ho eo hatramin’ny nahafatesany tamin’ny 1982.

Avy tao Wiluna izahay dia nitory tany amin’ireo toerana nisy olona nandritra ny dianay nisy maherin’ny 725 kilaometatra nankany Geraldton tany amoron-tsiraka. Avy teo izahay dia nanao ny dianay niverina tany Perth. Nandritra ny alina sasany izahay dia natory tany amin’ny efitrano fiandrasan’ny gara tsy nisy na inona na inona ary indray mandeha aza, dia tao anaty antonta-mololo teny an-tsisin’ny lalamby.

Nivimbina fonon’ondana feno mofo vita tamin’ny varimbazaha izahay. Ireny no foto-tsakafonay nandritra ny tapany voalohany tamin’ny dianay. Indraindray izahay dia nahazo ny sakafonay tamin’ny fanasana lovia sy fikosehana gorodona tany amin’ireo pensionnats sy tany amin’ireo efitrano ampisakafoana olona. Tamin’ny fotoana hafa dia niasa teo amin’ny hainandro nigaingaina izahay, nioty pitipoa na tsaramaso. Nanampy tamin’ny fandaniana nataonay ireo fanomezana avy amin’ireo olona liana izay nanaiky zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly.

Izay nanatanjaka ahy mba hihazona finoana an’i Jehovah sy hiatrika amim-pifaliana ireo tarehin-javatra sarotra maro tamin’izany andro izany dia ny ohatra sy ny fampianarana aloha be nomen’ny reniko.

Fanabeazana kristiana nolovana

Ny reniko dia nanana finoana natanjaka ny Mpamorona iray, satria araka ny tadidiko dia niresaka taminay ankizy momba azy io izy. Nosedraina tamin’ny fomba nampanaintaina anefa ny finoany, tamin’ny nahafatesan’ny zokinay lahy fito taona tao amin’ny loza nahatsiravina iray tany an-tsekoly. Tsy nanolokolo fihetseham-po nanome tsiny an’Andriamanitra anefa i Neny fa nanomboka nianatra tamim-pahazotoana ny Baiboly kosa. Ta hahafantatra izy, raha azo atao, ny anton’ny loza toy ireny. Novalian-tsoa ny fitadiavany hahafantatra ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly, ary nanamarika ny fanolorany tena ho an’i Jehovah, ilay Andriamanitra marina izy, tamin’ny alalan’ny batisa amin’ny rano tany amin’ny voalohandohan’ireo taona 1920.

Nanomboka teo, ireo resaka nifanaovany taminay dia nampisongadina ny maha-azo antoka ny hahatanterahan’ireo fampanantenan’Andriamanitra. Nampirisika anay izy hitadidy ao an-tsaina mandrakariva fa, na inona na inona mety hitranga, dia ‘tsy mahay mandainga Andriamanitra’. (Titosy 1:2). Ho vokatr’izany, dia tonga mpidera an’i Jehovah Andriamanitra, amin’izao andro izao, izahay sy ny zandriko vavy ary roa amin’ny zokinay lahy, miaraka amin’ny fianakavianay sy ny zafikelinay. Ry Alan sy Paul Mason, zana-drahavaviko dia manompo amin’ny maha-mpiandraikitra mpitety faritany.

Faniriana aloha be hitory ny filazantsara

Mpianatra tsy nahay aho ary niala tsy nianatra intsony tamin’ny 1926, fony 13 taona. Kanefa, nanolokolo faniriana mafy hizara izay nianarako momba ny Baiboly tamin’ny hafa aho. Nihevitra i Dada fa tsy nandia fianarana firy aho ka tsy ho afaka hanampy olona. Hoy anefa i Neny: “Na dia hilaza fotsiny amin’ny olona aza izy fa antomotra ny adin’i Haramagedona ary handova ny tany ny mpandefitra dia ho fanambarana ny Fanjakan’Andriamanitra izany.” Koa nanomboka nandray anjara tamin’ny asa fitoriana isan-trano aho tamin’ny fiandohan’ireo taona naha-zatovo ahy, na dia tsy vita batisa aza, raha tsy tamin’ny 1930. Tsy ela taorian’izany aho dia nanomboka ny asa fitoriana ny filazantsara manontolo andro tao amin’ny faritra manodidina an’i Perth.

Tamin’ny taona nanaraka, 1931, dia nanomboka nampiasa ny anaranay vaovao hoe Vavolombelon’i Jehovah izahay. Tompon-trano maro anefa no nanohitra ny fampiasanay an’io anarana masin’Andriamanitra io ary nandray anay tamin’ny fomba henjana. Nanohy nitory anefa aho na dia teo aza ireo olona tsy nahafinaritra. Natoky aho fa tsy mandainga Andriamanitra rehefa mampanantena fa afaka ‘miantehitra amin’ny hery homeny’ ireo mpanompony. — 1 Petera 4:11; Filipiana 4:13.

Fampahafantarana ny “vahoaka betsaka”

Tamin’ny 1935 aho dia nahazo fanendrena ho any amin’ilay ilany hafa amin’ny kontinenta midadasik’i Aostralia. Araka izany, nandritra ireo taona nanaraka aho dia nanompo tamin’ny naha-mpitory mpisava lalana nanodidina ny distrikan’i New England ao amin’ny fanjakan’i New South Wales, any amin’ny 4 000 kilaometatra teo ho eo avy teo amin’ny fonenako taloha tany Perth.

Hatramin’io taona io, dia nandray anjara tamin’ireo marika, dia ny mofo tsy misy masirasira sy ny divay mena, aho tamin’ny Fahatsiarovana isan-taona ny nahafatesan’i Jesosy. Na dia noheverina ho ny zavatra araka ny mety tokony hatao aza izy io, indrindra ho an’ireo mpitory manontolo andro be zotom-po, dia tsy niaiky mihitsy aho fa nanana fanantenana ho any an-danitra ny tenako. Avy eo, tamin’ny 1935, dia nohazavaina taminay fa teo am-panangonana azy ny vahoaka betsaka nanana fanantenana hiaina mandrakizay eto an-tany. Maro taminay no nifaly nahatakatra fa anisan’io vahoaka betsaka io ary nitsahatra tsy nandray anjara tamin’ny marika izahay. (Jaona 10:16; Apokalypsy 7:9, NW ). Nihanamirapiratra ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly, toy izay efa nampanantenan’i Jehovah azy. — Ohabolana 4:18.

Fomba fitory vaovao

Teo antenatenan’ireo taona 1930 izahay dia nanomboka nampiasa grafofona teo amin’ny asa fitorianay. Araka izany, dia tsy maintsy namboarina mba hisy fitondrana entana eo aloha sy eo aoriana ireo bisikiletinay natanjaka. Izany no natao dia tsy hoe fotsiny ho an’ireo grafofona navesatra fa ho an’ireo kapila sy kitapo feno zavatra vita an-tsoratra koa. Tsy maintsy nitandrina fatratra aho rehefa navesatra be ny bisikiletiko satria raha nianjera izy io, dia ho navesatra loatra ho ahy ny hanarina azy indray!

Sahabo ho tamin’izany fotoana izany koa izahay dia nanomboka izay nantsoina hoe filaharana hanaovana fanambarana. Rehefa nandeha nanaraka ireo arabe lehiben’ny tanàna izahay dia nitondra takelaka nisy soratra na nibaby sady niambozona takelaka nisy soratra, izay nampiseho teny fanentanana nanintona ny maso. Hitako ho fitsapana ny finoana tena sarotra tokoa io asa io, indrindra rehefa voasambotra aho ary nohidiana nandritra ny alina tao amin’ny efitrano kely iray tao am-ponja, tao amin’ny tanànan’i Lismore. Nanala baraka ny hoe nentina tany amin’ny fitsarana ny ampitso kanefa tsy navela hibango ny voloko akory! Kanefa tamin’io indray koa, i Jehovah dia nanohana ahy, araka ny efa nampanantenainy. Tsy nodinihina ilay raharaha satria ny hany fiampangana nisamboran’ny polisy ahy dia ny hoe namely ny fivavahany ilay takelaka nisy soratra nentiko.

Niverina tany andrefana

Tany am-piandohan’ireo taona 1940, dia nitondra ahy tany amin’ireo tanàna ambanivohitra tany Aostralia Andrefana ny fitoriako tamin’ny naha-mpisava lalana. Teto dia nanohy nifaly aho noho ireo fanandraman-javatra mendrika hotadidina sy ireo fitahiana ara-panahy. Raha teo am-panatontosana ny asa nanendrena ahy tany Northam aho dia tojo vehivavy mpikarakara tokantrano be atao iray, i Flo Timmins, tany amin’ny 11 kilaometatra teo ho eo tany ivelan’ny tanàna. Nandray ilay boky hoe Réconciliation izy, ary tsy ela dia tonga Vavolombelon’i Jehovah Andriamanitra vita fanoloran-tena. Mbola marisika foana izy eo amin’ny fanompoana ilay Fanjakana ary ny zanany vavy, izay vao efa-taona monja tamin’izany, dia nihalehibe ka tonga mpitory mpisava lalana manokana.

Mbola nisy fanandraman-javatra hafa tsy ho hay hadinoina anefa. Indray mandeha, dia teo am-piampitana tetezana iray tao Northam izahay sy ilay namako, nitaingina ilay kalesinay tarihin-tsoavaly, rehefa nanomboka niriotra mafy tampoka teo ilay soavaly, hany ka nanao dia nampahatahotra izahay teo ambonin’ny rano nitambolimbolin’ny Renirano Avon terỳ ambany lavitra terỳ. Rehefa avy nahavita mihoatra ny iray kilaometatra ilay soavaly vao nampiadana ny fandehany.

Fanambadiana sy fianakaviana iray

Tamin’ny 1950 aho dia nanambady an’i Arthur Willis izay mpisava lalana koa nandritra ny taona maro. Nanorim-ponenana tao amin’ny tanàna ambanivohitr’i Pingelly any Aostralia Andrefana izahay ary tao dia notahina tamin’ny fahazoana zanakalahy iray, i Bentley, sy zanakavavy iray, i Eunice. Rehefa nadiva hamarana ny fianarany ireo ankizy, dia nanapa-kevitra hirotsaka ho mpisava lalana indray i Arthur. Nampirisika azy mianadahy hanomboka hanao ny asan’ny mpisava lalana maharitra raha vantany vao nahafeno fepetra izy ireo, ny ohatra tsara nomen’ny rainy.

Matetika i Arthur dia nitondra ireo ankizy tany amin’ny faritra lavitra be tany ambanivohitra mba hitory. Indraindray izy dia nijanona lavitra ny fonenanay niaraka tamin’izy ireo nandritra ny herinandro iray na mihoatra isaky ny nandeha ary nonina an-day isan’alina. Nandritra ireny fotoana tsy naha-teo azy ireo ireny, dia nijanona tao an-trano aho mba hikarakara ilay asa fandrafetana fanaka an’ny fianakaviana, ka izany dia nahatonga azy telo mianaka ho afaka hanao ny asan’ny mpisava lalana.

Fitoriana teo anivon’ny Aborizenina

Indray maraina, raha vantany vao tafaverina avy tany amin’ny iray tamin’ireo dia tany ambanivohitra ny fianakaviana, dia nandray mpitsidika iray tsy nampoizina izahay. Aborizenina iray ilay vahiny, izay nanontany hoe: “Inona no tokony hataoko mba hiverenako?” Sahiran-tsaina izahay tamin’ny voalohany. Avy eo dia tadidin’i Arthur fa lehilahy izay noroahina tao amin’ny kongregasiona kristiana, taona maro talohan’izay, noho ny fimamoana izy io. Nanomboka tamin’izay izy dia nampitombo laza faran’izay naharikoriko noho ny fisotroana tafahoatra sy ny trosa navesatra.

Nohazavain’i Arthur izay nilain’ilay Aborizenina hatao mba horaisina indray tao amin’ny fandaminan’i Jehovah madio. Lasa moramora ilay lehilahy, tsy niteny firy, ary samy ta hahalala izahay rehetra hoe inona àry no hataony. Samy gaga be izahay noho izay nitranga nandritra ireo volana vitsivitsy nanaraka. Saika sarotra ninoana ny fiovana nataon’io lehilahy io! Tsy vitan’ny hoe teo an-dalam-pahasitranana tamin’ny zava-nanahirana azy momba ny fisotroana izy, fa nanatona koa ireo olona teo amin’ilay distrika mba hampahatsiahy azy ireo ny amin’ny trosany ary avy eo dia nandoa izay vola notrosainy! Amin’izao fotoana izao izy dia efa rahalahy ao amin’ny finoana indray, ary nanompo nandritra ny fotoana sasany tamin’ny naha-mpitory mpisava lalana.

Nisy Aborizenina maro be tao Pingelly, ary nanao fitoriana faran’izay nahafa-po izahay tamin’ny fanampiana ireny olona nanetry tena ireny hianatra sy hanaiky ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Fanatanjahana ny finoana toy inona moa ho ahy, ny fananana anjara tamin’ny fanampiana Aborizenina aostralianina maro be teo amin’ny fianarana ny fahamarinana!

Niforona ny kongregasiona iray tao Pingelly, ary teo am-piandohana dia Aborizenina ny ankabeazan’ny mpikambana tao. Voatery nampianatra ny maro taminy hamaky teny sy hanoratra izahay. Nisy fitsarana an-tendrony azy ireny be dia be tamin’izany taona voalohandohany izany, kanefa dia tonga tsikelikely tamin’ny fanajana ireo Vavolombelona aborizenina ireo mponina an-tanàn-dehibe noho ny fomba fiainany madio sy noho izy ireo olom-pirenena mendri-pitokiana.

Fanampiana tsy miova avy amin’i Jehovah

Maty tamin’ny voalohandohan’ny 1986 i Arthur, vady malalako, izay nanompo an’Andriamanitra tamim-pahatokiana nandritra ny 57 taona. Tena nohajain’ireo mpandraharaha rehetra tao Pingelly sy ny mponina tao amin’ilay distrika izy. Tamin’izay indray koa dia nanohana ahy i Jehovah tamin’ny fanomezana ahy ny hery hizakana io famoizana tampoka io.

I Bentley, zanako lahy, dia manompo amin’ny maha-loholona any amin’ny tapany avaratr’i Aostralia Andrefana, ary any izy sy i Lorna vadiny dia manabe ny fianakaviany ao amin’ny fahamarinana. Ny loharanom-pifaliana lehibe hafa iray ho ahy dia izao: manohy ny fanompoana manontolo andro hatramin’izao i Eunice zanako vavy. Manompo amin’ny maha-mpisava lalana izy sy i Jeff vadiny. Miara-mipetraka amin’izy ireo aho izao, ary mandray fitahiana amin’ny fahafahana manao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy amin’ny fomba mitohy.

Hatramin’ny 60 taona mahery izao no niainako ny fahatanterahan’ny fampanantenana feno fitiavan’i Jehovah, dia ny hoe manatanjaka ny mpanompony izy ary manampy azy hizaka toe-javatra na inona na inona, mety ho voatery atrehin’izy ireny. Manome izay rehetra ilaintsika izy raha tsy misalasala na oviana na oviana ny aminy isika na raha tsy mihevitra ny zavatra ataony ho tokony ho antsika isika. Nohatanjahina ny finoako satria tsapako niasa ny tanan’Andriamanitra ary hitako ny fomba nanomezany ny fitahiany mihoatra noho izay azon’ny saintsika takarina aza. (Malakia 3:10). Tena marina fa tsy mahay mandainga Andriamanitra!

[Sary, pejy 27]

I Mary tamin’ny 1933

[Sary, pejy 29]

I Mary sy i Arthur efa be taona

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara