Ny Baiboly — Boky Iray Tokony Hovakina
MORA erỳ ny manapitra ireo teny milaza toetra fara tampony rehefa miresaka ny amin’ny Baiboly. Izy io no boky niely patrana indrindra teo amin’ny tantara. Ny Baiboly no boky tranainy indrindra, voadika betsaka indrindra, voatonona imbetsaka indrindra, manan-kery indrindra, sy hajaina indrindra. Azo inoana fa izy io koa no mahatonga ady hevitra be indrindra. Ary azo antoka fa izy io no boky izay tafita tamin’ny fandrarana sy fandoroana betsaka indrindra ary tamin’ny fanoherana mahery vaika indrindra. Mampalahelo anefa fa misy teny milaza toetra fara tampony iray tsy azo ampiharina intsony amin’ny Baiboly. Tsy azo inoana intsony fa izy io no boky be mpamaky indrindra eo amin’izao tontolo izao.
Na dia manana Baiboly aza ny olona any ho any ao an-tranony, dia maro no mihevitra fa sahirana loatra izy ireo ka tsy afaka tena mandany fotoana amin’ny famakiana azy io. Fandanian’andro be mpitia taloha ny famakian-teny. Izao anefa dia aleon’ny ankamaroan’ny olona mandany ny fotoana malalaka ananany amin’ny fijerena televiziona na amin’ny fanaovana zavatra hafa. Ireo izay mbola manao vakiteny ihany mazàna dia tia kokoa zavatra maivamaivana sy mora azo. Mitaky fifantohan’ny saina ny famakiana ny Baiboly, ary ny ankamaroan’ny olona dia tsy mifantoka lalina intsony amin’izay vakiny.
Matoa anefa ny Baiboly tafita hatramin’izao, dia tsy hoe mba havela hipetraka fotsiny eo amin’ny talantalam-bokintsika. Misy antony tsara tokony hamakiana azy io. Diniho ny zava-misy sasany momba azy io.
Tsy mahagaga raha naharitra izy io!
Ny teny hoe “Baiboly” dia avy amin’ny teny grika hoe bi·bliʹa, izay midika hoe “boky kely”. Izany dia mampahatsiahy antsika fa ny Baiboly dia voaforon’ny boky maromaro — ka ny sasany dia tsy kely velively! Nosoratana nandritra ny fe-potoana naharitra eninjato sy arivo taona izy io. Na dia olona aza no mpanoratra azy, dia nomen’ny tsindrimandry avy tamin’ny Loharano ambony kokoa izy io. Hoy ny mpanoratra Baiboly iray: “Tsy nisy faminaniana avy tamin’ny sitrapon’ny olona tany aloha rehetra; fa avy tamin’Andriamanitra no nitenenan’ny olona araka izay nitondran’ny Fanahy Masina azy.” (2 Petera 1:21). Izay marina amin’ny faminaniana araka ny Soratra Masina, dia marina koa amin’ny tapany sisa amin’ny Baiboly. Ireny “boky kely” ara-tsindrimandrin’Andriamanitra ireny dia feno hevitra mendri-kaja avy amin’i Jehovah Andriamanitra. (Isaia 55:9). Tsy mahagaga raha naharitra hatramin’izay ela izay ny Baiboly!
Ho an’ny mpanompon’Andriamanitra, dia ny Baiboly foana no boky lehibe indrindra. Izy ireo dia miray hevitra amin’ny apostoly Paoly izay iray amin’ireo mpanoratra ny Baiboly mihitsy. Hoy izy: “Ny Soratra Masina rehetra dia nomena ny tsindrimandrin’Andriamanitra sady mahasoa hampianarana”. (2 Timoty 3:16, DIEM ). Mifanaraka amin’izany, dia ny Baiboly no iorenan’ny finoan’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao. Izy io dia mamaritra ny foto-pampianaran’izy ireo sy manapaka ny fitondran-tenany. Ampirisihin’izy ireo amim-pahatsorana tanteraka ny rehetra mba hamaky ampahany sasany amin’ny Tenin’Andriamanitra isan’andro, ary hisaintsaina amim-pankasitrahana ny amin’izay raketiny. — Salamo 1:1-3.
Ny fahazarana mamaky Baiboly
Nahasoa tamin’ny lasa ny fahazarana namaky ny Soratra Masina. Nodidiana ireo mpanjakan’ny Isiraely mba hanao ho an’ny tenany manokana, kopia sora-tanan’ny Lalàna — tapany iray lehibe amin’ny Baiboly amin’izao fotoana izao — sy hamaky izany isan’andro ho fampahatsiahivana tsy tapaka ny sitrapon’Andriamanitra ho azy ireo. (Deoteronomia 17:18-20). Ny tsy fanaovana izany dia nahatonga ny fahalavoan’ny mpanjaka maro.
Ny hasarobidin’ny fianarana ny Soratra Masina dia hazavain’izay nanjo an’i Daniela, ilay mpaminany be taona. Noho izy nianatra manokana ireo tapany ao amin’ny Baiboly izay nisy tamin’ny androny, dia afaka “nahalala tamin’ny boky” i Daniela, fony natao sesitany tany Babylona, fa nadiva ho tanteraka ny faminaniana lehibe iray nosoratan’i Jeremia. — Daniela 9:2.
Tamin’ny fotoana nahaterahan’i Jesosy, dia niandry tamim-patokiana ny hahita ilay ho tonga ny Kristy na ny Mesia, ilay lehilahy “marina sady mpivavaka tsara” natao hoe Simeona. Nampanantenaina an’i Simeona fa tsy ho faty izy alohan’ny hahitany ny Kristy. Ny filazany tsy nivantana ny faminanian’i Isaia fony izy nitrotro an’i Jesosy zaza, dia mampiseho fa i Simeona dia mpamaky tamim-pitandremana ireo bokin’ny Baiboly efa voasoratra tamin’ny androny. — Lioka 2:25-32; Isaia 42:6.
Rehefa nitory i Jaona Mpanao Batisa, ‘ny olona dia mbola niandry’ ny Mesia. Milaza inona moa izany? Izany dia toa milaza fa maro tamin’ireo Jiosy no nifankazatra tamin’ireo faminaniana momba ny Mesia voarakitra ao amin’ny Soratra Masina. (Lioka 3:15). Mahaliana izany, satria tamin’izany andro izany, ireo boky dia tsy azo tamin’ny fomba mora. Ireo kopian’ny boky ao amin’ny Baiboly dia tsy maintsy natao tanana tamim-pitandremana sy tamim-piezahana be, ka noho izany dia lafo sy sarotra vao azo izy ireny. Ahoana no nahatonga ny olona hifankazatra tamin’izay raketin’ireny boky ireny?
Tamin’ny toe-javatra maro, dia tamin’ny alalan’ny famakian-teny ampahibemaso. I Mosesy, ohatra, dia nandidy ny hisian’ny andro raikitra sasany mba hamakiana tamin’ireo Isiraelita tafavory, ny Lalàna iray manontolo nomen’Andriamanitra. (Deoteronomia 31:10-13). Tamin’ny taonjato voalohany am.f.i., dia niely patrana ny famakiana ampahibemaso ireo boky ao amin’ny Baiboly. Nanao izao fanamarihana izao i Jakoba mpianatra: “Hatramin’ny razana fahiny dia manana izay mitory azy ao amin’ny isan-tanàna Mosesy, fa vakina ao amin’ny synagoga rehetra isan-tSabata ny teniny.” — Asan’ny Apostoly 15:21.
Amin’izao andro izao, dia mora ny mahazo Baiboly iray ho an’ny tena manokana. Fara faharatsiny, ny sasany amin’ireny “boky kely” ireny dia misy amin’ny fitenin’ny 98 isan-jaton’ny mponina eo amin’izao tontolo izao. Araka izany, dia mampalahelo ny fisian’olona maro tsy ta hahafantatra izay tian’ny Baiboly hambara aminy. Mety ho vanim-potoana siantifika izao, kanefa dia mbola “mahasoa hampianarana” amin’ny fomba miavaka ihany ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly. Izy io dia manome torohevitra mampiseho fahaiza-mitsara zavatra mikasika ny fari-pitondran-tena sy ny fifandraisan’olombelona ary ny foto-kevitra maro hafa. Ambonin’izany, ny Baiboly dia manolotra ny hany fanantenana azo antoka, dia hoavy feno fiadanana iray.
Vakio tsy tapaka izy io
Noho izany, dia nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah ho tapany misongadina eo amin’ny asan’izy ireo ny fampirisihana ny hamakiana tsy tapaka ny Baiboly. Miseho amin’ny sora-matevina eo amin’ny trano fanontam-pirintin’ny foibe maneran-tanin’izy ireo any Brooklyn, New York, izao fampirisihana izao: “VAKIO ISAN’ANDRO NY TENIN’ANDRIAMANITRA, NY BAIBOLY MASINA”. Mpandalo an-tapitrisany maro no nahita ireo teny ireo, ary antenaina fa maro no nanaraka azy ireo.
Any amin’ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah maherin’ny 73 000 maneran-tany, dia misy fotoam-pivorian’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika atao isan-kerinandro. Anisan’ilay fianarana ny famakiana ampahibemaso ny ampahany voafantina iray ao amin’ny Baiboly. Ny mpanatrika rehetra koa dia manana fanendrena hamaky manokana toko vitsivitsy amin’ny Baiboly isan-kerinandro any an-tokantranony. Ireo izay maharaka io fandaharam-potoana io, dia hamaky ny Baiboly iray manontolo amin’ny farany.
Io fandaharana io dia mifanaraka amin’ny iray amin’ireo boky fianarana ampiasaina amin’io sekoly io. Hoy ny Boky ho An’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika: “Ny fandaharam-pianaranao dia tokony hanokana fotoana ho an’ny famakiana ny Baiboly. Tena ahitan-tsoa ny hamakiana azy manomboka amin’ny voalohany ka hatramin’ny farany. (...) Kanefa ny vakiteninao dia tsy tokony hikendry fotsiny ny hamita haingana pejy vitsivitsy fa ny hahatakatra ny hevitra ankapoben’ilay zavatra vakina sy hitadidy izany. Makà fotoana hieritreretana.”
Ireo zavatra vita an-tsoratra hafa avoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah dia mampirisika ny hamakiana ny Baiboly toy izany koa. Niseho tao amin’ny Mifohaza!, naman’itỳ gazety itỳ, ohatra, izao fampirisihana ho an’ny tanora izao: “Efa namaky (...) ny Baiboly iray manontolo ve ianao? Eny, boky lehibe ny Baiboly, kanefa nahoana raha manapatapaka ny famakiana azy io ho ampahany kely? (...) Ireo Beriana ‘nanana toe-panahy tsara’ dia “nandinika ny Soratra Masina isan’andro, na marina izany, na tsia”. (Asan’ny Apostoly 17:11). Raha manaraka fandaharam-pamakian-teny isan’andro ianao, 15 minitra monja isan’andro (...), dia afaka mamita ny famakiana ny Baiboly ao anatin’ny herintaona ianao.” Eny, mihevitra ny Vavolombelon’i Jehovah fa ny Kristiana amin’izao andro maoderina izao dia tokony hifankazatra tsara amin’ny Soratra Masina, toy ny nataon’ireo mpanompon’Andriamanitra fahiny.
Izany no tao an-tsain’ny Vavolombelona rehefa nampandroso fomba maoderina famakiana ny Baiboly ampahibemaso izy ireo. Ananan’izy ireo amin’ny fiteny maromaro ny cassettes misy famakiana ny Baiboly iray manontolo. Hita fa fanampiana tsara dia tsara izany ho an’ny maro, eo amin’ny fandresena vato misakana sasany amin’ny famakiana ny Baiboly. Misy mihaino ireny horonam-peo ireny eo am-piasana ao an-trano, eo am-pamiliana ny fiarany, na eo am-panaovana zavatra hafa maro. Fanandraman-javatra mahafinaritra ny fipetrahana sy ny fihainoana amim-pilaminana ny famakiana ampahany iray amin’ny Baiboly eo am-panarahana izany ao amin’ny Baibolin’ny tena manokana.
Raha tsy efa mamaky ny Baiboly isan’andro ianao, nahoana raha manao izany ho fahazaranao? Tsy voatery haka fotoana lava be isan’andro izany, kanefa dia ho lehibe ny soa avy amin’izany satria ny fampiharana ny Soratra Masina dia hahatonga anao ho afaka hanao zavatra amim-pahendrena sy hanana fiainana ampoky ny soa ara-panahy. Hanao zavatra mifanaraka amin’itỳ baiko itỳ koa ianao, dia baiko nomena an’i Josoa mpitarika isiraelita, efa ela izay: “Aoka tsy hiala amin’ny vavanao ity bokin’ny lalàna ity, fa saintsaino andro aman-alina, hitandremanao hanao araka izay rehetra voasoratra eo; ary amin’izany dia hahalavorary ny làlanao hianao sady hambinina.” — Josoa 1:8.
Ireo pejin’ny Baiboly dia mampiharihary ny fikasan’i Jehovah feno fitiavana ho an’ny taranak’olombelona mankatò. Ny fahalalana araka ny marina ny Teniny ara-tsindrimandry dia hitondra fahasambarana marina sy fanantenana fiainana mandrakizay ao amin’ny Paradisa, ao amin’ny tontolo vaovao mahatalanjona iray hisy fitahiana tsy hanam-pahataperana. (Lioka 23:43, NW; 2 Petera 3:13). Enga anie ianao hanararaotra ny fahafahanao mamaky sy mianatra ny Baiboly, ary hahazo io fiainana mahatalanjona io.