FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w94 1/6 p. 8-12
  • Nahita ny Fivavahana Marina ve Ianao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nahita ny Fivavahana Marina ve Ianao?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ahoana no ahafahantsika mahafantatra ny fiheveran’Andriamanitra?
  • Marina avokoa ve izay rehetra mampiasa ny Baiboly?
  • Marika famantarana ny fivavahana marina
  • Fivavahana Ankasitrahan’Andriamanitra
    Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?
  • Fanarahana ny Fivavahana Madio mba Hahatafita Velona
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Ny fomba famantatra ny fivavahana marina
    Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay
  • Ahoana no Ahafantarako ny Fivavahana Marina?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
w94 1/6 p. 8-12

Nahita ny Fivavahana Marina ve Ianao?

“Izao no fivavahana madio sady tsy misy loto eo anatrehan’Andriamanitra Ray”. — JAKOBA 1:27.

1, 2. a) Ao an-tsain’ny olona maro, inona no mamaritra raha ilay misy azy ireo no fivavahana marina? b) Inona no tokony hodinihina tsara rehefa mitsara fivavahana?

ISIKA dia miaina amin’ny vanim-potoana iray isian’ny olona maro afa-po amin’ny fanomezana tapany kely ihany amin’ny fiainany ho an’ny fivavahana. Mety hanatrika fotoam-pivavahana sasany izy ireo, kanefa dia vitsy no manao izany tsy tapaka. Tsy mino ny ankamaroan’ny olona hoe diso avokoa ny fivavahana hafa rehetra ary hoe ny azy no marina. Mety hihevitra fotsiny izy ireo fa ny fivavahany dia marina ho an’ny tenany.

2 Noho izany, moa ve ilay fanontaniana hoe: Nahita ny fivavahana marina ve ianao?, dia midika fotsiny hoe: Nahita ny fivavahana tianao ve ianao? Inona no mamaritra izay tianao? Ny fianakavianao ve? Ireo iarahanao? Ny fihetseham-ponao manokana? Efa nodinihinao tsara ve ny fiheveran’Andriamanitra ny amin’io raharaha io?

Ahoana no ahafahantsika mahafantatra ny fiheveran’Andriamanitra?

3. a) Raha ta hahafantatra ny fiheveran’Andriamanitra isika, dia tsy maintsy misy inona azontsika ampiasaina? b) Fanontaniana inona avy no tokony hataontsika mikasika ny antony inoantsika manokana ny Baiboly ho avy amin’Andriamanitra?

3 Raha ta hahafantatra izay heverin’ny tenan’Andriamanitra isika, dia tsy maintsy misy fanambarana sasany avy any aminy. Ny Baiboly no boky tranainy indrindra milaza ny tenany ho avy amin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra. (2 Timoty 3:16, 17). Kanefa azo lazaina amim-pahamarinana ve fa io boky io dia mirakitra ny hafatr’Andriamanitra ho an’ny taranak’olombelona manontolo, mifanohitra amin’ny boky hafa rehetra? Ahoana no hamalianao io fanontaniana io, ary nahoana? Moa ve satria nanana izany fiheverana izany ny ray aman-dreninao? Moa ve izany avy amin’ny fihetsik’ireo iarahanao? Efa nandinika ireo porofo ve ny tenanao manokana? Nahoana raha manao izany izao, amin’ny fampiasana ireto fitohitohizana porofo efatra manaraka ireto?

4. Raha ny amin’ny fahazoana mampiasa azy, inona no mampiseho fa ny Baiboly, fa tsy ny boky hafa sasany, no avy amin’Andriamanitra?

4 Ny maha-azo ampiasaina azy: Ny hafatra iray tena avy amin’Andriamanitra tokoa sy natao ho an’ny fianakavian’olombelona manontolo dia tokony ho azon’izy ireo ampiasaina. Marina ve izany ny amin’ny Baiboly? Diniho izao: Avoaka amin’ny fiteny maherin’ny 2 000 izao ny Baiboly manontolo na ny tapany aminy. Araka ny voalazan’ny Fikambanana Mpampiely Baiboly Amerikana, efa ho folo taona lasa izay, ireo fiteny nanaovana pirinty ny Baiboly dia nahatonga azy io ho azon’ny 98 isan-jaton’ny mponina eto an-tany eo ho eo ampiasaina. Araka ny voalazan’ny Guinness Book of World Records, dia tsy azo iadian-kevitra fa ny Baiboly no “boky voazara betsaka indrindra eto an-tany”. Izany no ampoizintsika amin’ny hafatra iray avy amin’Andriamanitra, izay natao ho an’ny olona avy amin’ny firazanana rehetra sy ny firenena rehetra ary ny antokom-piteny rehetra. (Ampitahao amin’ny Apokalypsy 14:6.) Tsy misy boky hafa eto an-tany izay fatra-piely indrindra toy izany.

5. Nahoana no zava-dehibe ny fototra ara-tantara ananan’ny Baiboly?

5 Ny maha-ara-tantara azy: Ny fandinihana amim-pitandremana ireo fitantarana ara-baiboly dia mampiharihary fomba hafa iray iavahan’ny Baiboly amin’ireo boky hafa izay milaza ny tenany ho masina. Mirakitra zava-misy ara-tantara, fa tsy angano tsy azo porofoina, ny Baiboly. Nanoratra toy izao i Irwin Linton izay, noho izy mpisolovava, dia zatra ny namakafaka izay notakina ho porofo teo amin’ny fitsarana: “Ireo tantaram-pitiavana sy angano ary teny vavolombelona mandainga dia mitandrina mba hametraka ireo fisehoan-javatra tantarainy amin’ny toerana lavitra iray sy amin’ny fotoana tsy voafaritra iray, (...) ireo fitantarana ao amin’ny Baiboly kosa anefa dia manome antsika amin’ny fomba faran’izay marina ny daty sy ny toeran’ireo zavatra tantarainy.” (Jereo, ohatra, ny 1 Mpanjaka 14:25; Isaia 36:1; Lioka 3:1, 2.) Zava-dehibe tokony hasiana fiheverana izany ho an’ny olona izay mitodika any amin’ny fivavahana mba hitady ny fahamarinana fa tsy mba handosirana ny zava-misy.

6. a) Ahoana no tena anampian’ny Baiboly tokoa ny olona iray amin’ireo zava-manahirana eo amin’ny fiainana? b) Amin’ny fomba telo inona avy no anampian’ny Baiboly ny olona iray hisetra ireo zava-misy henjana?

6 Ny maha-azo ampiharina azy: Tsy ela ireo izay mandinika tsara ny Baiboly dia mahatakatra fa tsy natao hanararaotana azy ireo akory ny didy sy fotopoto-pitsipiky ny Baiboly. Izy ireny kosa dia manome ny ventin-kevitra momba ny fomba fiaina iray izay mitondra soa ho an’ireo manaraka azy akaiky. (Isaia 48:17, 18). Ny fampiononana atolony an’ireo azom-pahoriana dia tsy poaka aty, miorina amin’ny filozofia tsinontsinona. Izy io kosa dia manampy ny olona hisetra ireo zava-misy henjana eo amin’ny fiainana. Amin’ny fomba ahoana? Amin’ny fomba telo: 1) amin’ny fanomezana torohevitra marim-pototra mikasika ny fomba fandaminana zava-manahirana, 2) amin’ny fanazavana ny fomba fahazoana ny fanohanana feno fitiavana izay omen’Andriamanitra ny mpanompony amin’izao fotoana izao, ary 3) amin’ny fanambarana ilay hoavy mahafinaritra tahirizin’Andriamanitra ho an’ireo manompo azy sy amin’ny fanomezana azy ireo antony marim-pototra mba hatokiana ireo fampanantenany.

7. a) Amin’ny fampiasana ireo andinin-teny ao amin’ny fanamarihana ambany pejy, dia hazavao ny valin-tenin’ny Baiboly mikasika ny iray amin’ireo raharaha iadian-kevitra lehibe mampanahy ny olona amin’izao andro izao. b) Asehoy ny fomba iarovan’ny torohevitry ny Baiboly antsika na anampiany antsika hisetra tarehin-javatra mampihenjana.

7 Na dia tsy be mpitia aza matetika ny torohevitry ny Baiboly eo amin’ireo izay mandà ny fahefana sy manana fiainana feno fanaranam-po, dia maro no nanjary nahatakatra fa ny fiainana toy izany dia tsy nitondra tena fahasambarana marina ho azy ireo. (Galatiana 6:7, 8). Ny Baiboly dia manome valin-teny mivantana ho an’ireo fanontaniana mikasika ny fanalana zaza sy ny fisaraham-panambadiana ary ny firaisan’ny samy lehilahy na ny samy vehivavy. Ny torohevitra omeny dia fiarovana amin’ny fidorohana amin’ny zava-mahadomelina sy ny zava-pisotro misy alkaola, sady fiarovana amin’ny fahazoana SIDA amin’ny alalan’ny ra voaloto na amin’ny alalan’ny firaisana amin’olona samy hafa. Asehony antsika ny fomba hananana fianakaviana sambatra. Izy io dia manome valin-teny izay mahatonga ny olona iray ho afaka hisetra ireo tarehin-javatra mampihenjana indrindra eo amin’ny fiainana, tafiditra amin’izany ny tsy fitiavan’ny mpianakavy akaiky sy ny aretim-be ary ny fahafatesan’ny olon-tiana iray. Manampy antsika hanavaka ireo zavatra omentsika ny toerana voalohany izy io mba hahatonga ny fiainantsika ho feno heviny fa tsy nenina.a

8, 9. a) Faminaniana inona, porofon’ny maha-ara-tsindrimandry ny Baiboly, no manaitra ny sainao manokana? b) Inona no porofoin’ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly raha ny amin’ny fiavian’izy ireny?

8 Ny faminaniana: Tsy manam-paharoa ny Baiboly amin’ny maha-bokin’ny faminaniana azy, dia boky iray milaza izay hitranga amin’ny hoavy, sady manao izany amin’ny an-tsipiriany. Nambarany mialoha ny fandravana an’i Tyro fahizay, ny fianjeran’i Babylona, ny fanorenana indray an’i Jerosalema, ny fiakarana sy ny fianjeran’ireo mpanjakan’i Media sy Persia ary Grisia, mbamin’ny fisehoan-javatra maro be teo amin’ny fiainan’i Jesosy Kristy. Nambarany mialoha tamin’ny an-tsipiriany koa ny toe-piainana eo amin’izao tontolo izao izay nitombo tamin’izao taonjato izao, ary hazavainy ny hevitr’izy ireny. Asehony ny fomba handaminana ireo zava-manahirana izay manototra ireo mpanapaka olombelona, ary ampahafantariny ilay Mpanapaka izay hitondra fiadanana maharitra sy tena tsy fananana ahiahy ho an’ny taranak’olombelona.b — Isaia 9:5, 6; 11:1-5, 9; 53:4-6.

9 Tena zava-dehibe ny ilazan’ny Baiboly hoe fitsapana ny maha-Andriamanitra ny fahaizana manambara mialoha ny hoavy araka ny marina. (Isaia 41:1–46:13). Tsy sampy tsy manana aina fotsiny akory Ilay afaka manao izany, na afaka manome tsindrimandry ny hafa mba hanao izany. Tsy olombelona mafana fo amin’ny fivavahana fotsiny izy. Izy no ilay Andriamanitra marina, ary ilay boky mirakitra izany faminaniana izany dia Teniny. — 1 Tesaloniana 2:13.

Marina avokoa ve izay rehetra mampiasa ny Baiboly?

10, 11. Araka ny nasehon’i Jesosy, na dia mety hampiasa ny Baiboly aza ny mpitondra fivavahana, inona no mety hahatonga ny fivavahana izay arovany tsy hisy vidiny?

10 Azon’ny saina ekena àry ve — ary mbola zava-dehibe kokoa, araka ny Soratra Masina ve — ny hanatsoahana hevitra fa ireo antokon’olona mpivavaka rehetra izay milaza fa mampiasa ny Baiboly dia mampianatra ny fivavahana marina avokoa? Moa ve manaraka ny fivavahana marina avokoa izay rehetra milanja na manonona ny Baiboly?

11 Mpitondra fivavahana maro no mampiasa ny fivavahana ho fitaovana hanomezany voninahitra ny tenany, na dia manana ny Baiboly aza izy ireo. Tampohany lovantsofina sy filozofian’olombelona ireo fahamarinana madio. Azo ekena eo anatrehan’Andriamanitra ve ny fanompoam-pivavahana ataon’izy ireo? Nanao toy izany indrindra ireo filoha ara-pivavahana tamin’ny taonjato voalohany tany Jerosalema, ka nampiharin’i Jesosy Kristy tamin’izy ireo tamin’ny fomba mety tsara ny fanambaran’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Isaia mpaminany hoe: “Ity firenena ity manaja Ahy amin’ny molony; fa ny fony kosa lavitra Ahy. Koa foana no ivavahan’ireo amiko, raha mampianatra ny didin’olombelona ho fampianarana izy”. (Matio 15:8, 9; 23:5-10). Mazava fa ny fivavahana mitovy karazana amin’izany dia tsy ny fivavahana marina.

12, 13. a) Amin’ny ahoana ny fitondran-tenan’ireo mpikambana ao amin’ny fiangonana no manampy olona iray hamaritra raha ilay misy azy no fivavahana marina? b) Ahoana no hiheveran’Andriamanitra ny fanompoam-pivavahantsika raha mifidy ny hiaraka amin’ireo izay laviny isika? (2 Tantara 19:2).

12 Ahoana raha lo ny vokatra ateraky ny fampianaran’ny fivavahana sasany, araka ny miharihary eo amin’ny fiainan’ireo mpikambana tsara toerana ao aminy? Tao amin’ilay Toriteniny tao An-tendrombohitra, dia nampitandrina toy izao i Jesosy: “Mitandrema hianareo, fandrao ho voafitaky ny mpaminany sandoka (...). Ny voany no hahafantaranareo azy. (...) Ny hazo tsara rehetra dia mamoa voa tsara; fa ny hazo ratsy rehetra dia mamoa voa ratsy.” (Matio 7:15-17). Marina fa misy olona tsirairay mety hanao ratsy ary mila fanitsiana. Hafa anefa ny tarehin-javatra rehefa ireo mpikambana ao amin’ny fiangonana, ny klerjy mihitsy aza, no manaram-po amin’ny fijangajangana sy ny fanitsakitsaham-bady, ny ady, ny fimamoana, ny faniriana mihoa-pampana, ny lainga, ny spiritisma, ny fanompoam-pivavahana amin’ny sampy — ny iray amin’ireo zavatra ireo, na izy rehetra — kanefa tsy misy fifehezana ampiharina, ary ireo izay manohy manaraka izany lalana izany dia tsy roahina hiala amin’ny kongregasiona. Milaza mazava tsara ny Baiboly fa ireo izay zatra manao izany zavatra izany dia tokony horoahina hiala amin’ny kongregasiona; tsy hanan-toerana ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra izy ireo. (Galatiana 5:19-21, NW ). Tsy mankasitraka ny fanompoam-pivavahan’izy ireo Andriamanitra, toy ny tsy hankasitrahany ny fanompoam-pivavahantsika raha toa isika ka mifidy ny hiaraka amin’ireo izay laviny. — 1 Korintiana 5:11-13; 6:9, 10; Apokalypsy 21:8.

13 Mazava fa tsy izay antokon’olona rehetra milaza tena ho mampiasa ny Baiboly akory dia manaraka ilay fivavahana marina lazalazainy. Inona àry no lazain’ny Baiboly fa marika famantarana ny fivavahana marina?

Marika famantarana ny fivavahana marina

14. a) Miorina amin’inona ny fampianarana rehetra ao amin’ny fivavahana marina? b) Tafavoaka amim-pahombiazana amin’io fitsapana io ve ny fampianaran’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana mikasika an’Andriamanitra sy ny fanahy?

14 Miorina mafy amin’ny Soratra ara-tsindrimandry ny fampianarany. “Ny Soratra Masina rehetra dia nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra sady mahasoa hampianarana ny marina, handresen-dahatra, hanitsiana ny diso”. (2 Timoty 3:16, DIEM ). Aiza anefa ny Baiboly Masina no miresaka momba ny Triniten’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana? Ary aiza ho aiza ny Baiboly no mampianatra hoe ny olombelona dia manana fanahy tsy miara-maty amin’ny vatana ara-nofo, toy ny ataon’ny klerjy? Moa ve ianao efa mba nangataka mpitondra fivavahana iray mba hampiseho aminao ireo fampianarana ireo tao anatin’ny Baibolinao? Izao no ambaran’ny The New Encyclopædia Britannica: “Tsy miseho ao amin’ny Testamenta Vaovao na ilay teny hoe Trinite, na ilay foto-pampianarana mazava tsara.” (1992, Micropædia, Boky faha-11, pejy faha-928). Ary miaiky toy izao ny New Catholic Encyclopedia: “Teo amin’ireo Ray apostolika, dia tsy nahitana na inona na inona mampahatsiahy na dia kely akory aza an’io fiheverana io.” (1967, Boky faha-XIV, pejy faha-299). Raha ny amin’ilay hevitry ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana mikasika ny fanahy izay misaraka amin’ny vatana eo amin’ny fahafatesana, dia miaiky ireo manam-pahaizana manokana momba ny fiangonana fa nindramin’izy ireo tamin’ny filozofia grika ilay hevitra. Ny fivavahana marina anefa dia tsy manao tsinontsinona ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly noho ny filozofian’olombelona. — Genesisy 2:7, NW; Deoteronomia 6:4; Ezekiela 18:4; Jaona 14:28.

15. a) Ahoana no ampahafantaran’ny Baiboly Ilay hany tokony hotolorana fanompoam-pivavahana? b) Inona no tokony ho tsapan’ireo tena mpivavaka mikasika ny fanakekezana an’i Jehovah?

15 Miaro ny fanompoam-pivavahana amin’ilay hany Andriamanitra marina ihany ny fivavahana marina. (Deoteronomia 4:35; Jaona 17:3). Rehefa nilaza tamin’ny fomba hafa ny Deoteronomia 5:9 sy 6:13, i Jesosy Kristy, dia nanambara tamin’ny fomba hentitra hoe: “Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany ho hotompoinao”. (Matio 4:10). Mifanaraka amin’izany, dia nampahafantarin’i Jesosy ny mpianany ny anaran-dRainy. (Jaona 17:26). Moa ve ny fivavahanao nampianatra anao hanolotra fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah? Moa ve ianao nanjary nahalala ilay Persona fantatra amin’io anarana io — ny fikasany, ny asany, ny toetrany — hany ka tsapanao fa afaka manakaiky azy amim-patokiana ianao? Raha ilay misy anao no fivavahana marina, dia eny ny valin-teny. — Lioka 10:22; 1 Jaona 5:14.

16. Midika ho inona ny finoana an’i Kristy ho an’ireo izay manaraka amim-paharisihana ny fivavahana marina?

16 Tapany lehibe amin’ny fanompoam-pivavahana ankasitrahan’Andriamanitra ny finoana an’i Jesosy Kristy Zanany. (Jaona 3:36; Asan’ny Apostoly 4:12). Izany akory tsy midika hoe mino fotsiny hoe nisy izy, na olona niavaka iray izy. Tafiditra amin’izany ny fankasitrahana izay ampianarin’ny Baiboly mikasika ny vidin’ilay sorona ain’olombelona tanteraka natolotr’i Jesosy sy ny fanekena ny toerany amin’izao andro izao, amin’ny maha-Mpanjaka azy any an-danitra. (Salamo 2:6-8; Jaona 3:16; Apokalypsy 12:10). Raha miaraka amin’ireo izay manaraka ny fivavahana marina ianao, dia fantatrao fa eo amin’ny fiainany andavanandro izy ireo dia manao ezaka amim-pitandremana mba hankato an’i Jesosy sy hanahaka ny ohatra navelany ary handray anjara manokana sy amin-jotom-po amin’ilay asa nanendreny ny mpianany. (Matio 28:19, 20; Jaona 15:14; 1 Petera 2:21). Raha tsy marina izany mikasika ireo izay miara-manolotra fanompoam-pivavahana aminao, dia ilainao ny mitady any an-toeran-kafa.

17. Nahoana ireo tena mpivavaka no mitandrina mba hitoetra ho tsy voapentin’izao tontolo izao, ary inona no tafiditra amin’izany?

17 Tsy voapentin’ny fidirana amin’ny politika sy amin’ireo fifandirana eo amin’izao tontolo izao ny fanompoam-pivavahana marina. (Jakoba 1:27). Fa nahoana? Satria hoy i Jesosy mikasika ireo mpianany: “Tsy naman’izao tontolo izao izy, tahaka Ahy tsy naman’izao tontolo izao.” (Jaona 17:16). Tsy nitsabaka tamin’ny politika i Jesosy, ary nisakana ireo mpanara-dia azy tsy hampiasa fitaovam-piadiana ara-nofo izy. (Matio 26:52). ‘Tsy mianatra ady intsony’ ireo izay mandray am-po izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra. (Isaia 2:2-4). Raha tsy mifanaraka amin’izany filazalazana izany izay mety ho fivavahana ifandraisanao, na dia fifandraisana anarany fotsiny aza, dia fotoana fanapahana izany fiarahana izany izao. — Jakoba 4:4; Apokalypsy 18:4, 5.

18. a) Inona no ampahafantarin’ny Jaona 13:35 ho toetra miavaka ananan’ny fivavahana marina? b) Ahoana no mety hahafahanao hanampy olona iray hamaritra hoe antokon’olona iza no tena mifanaraka amin’ny Jaona 13:35?

18 Mampianatra sy mampihatra fitiavana tsy misy fitiavan-tena ny fivavahana marina. (Jaona 13:35; 1 Jaona 3:10-12). Tsy resahina fotsiny ao anatin’ny toriteny izany fitiavana izany. Tena manangona olona avy amin’ny firazanana rehetra sy ny antoko ara-toe-karena rehetra, sy ny fitenenana rehetra ary ny firenena rehetra, ho ao anatin’ny tena firahalahiana marina izy io. (Apokalypsy 7:9, 10). Izy io dia mampiavaka ny tena Kristiana amin’izao tontolo izao manodidina azy. Raha mbola tsy nanao izany ianao, dia manatreha fivoriana any amin’ny Efitrano Fanjakanan’ny Vavolombelon’i Jehovah, ary koa any amin’ireo fivoriambe lehibe kokoa ataon’izy ireo. Jereo izy ireo eo am-piasany miaraka mba hanorenana iray amin’ireo Efitrano Fanjakanany. Diniho ny fomba itondrany ny zokiolona (anisan’izany ireo mpitondratena) sy ny tanora (anisan’izany ireo izay tsy manana afa-tsy ray na reny, na tsy manana azy roa mihitsy). (Jakoba 1:27). Ampitahao amin’izay efa hitanao tany amin’ny fivavahana hafa rehetra izay dinihinao. Avy eo dia manontania tena hoe: ‘Iza no manaraka ilay fivavahana marina?’

19. a) Inona no ala olan’ireo zava-manahirana ny taranak’olombelona arovan’ny fivavahana marina? b) Inona no tokony hataon’ireo mpikambana ao amin’ny antoko manaraka ny fivavahana marina?

19 Miaro ny Fanjakan’Andriamanitra ho ny ala olana maharitra ho an’ireo zava-manahirana ny taranak’olombelona, ny fivavahana marina. (Daniela 2:44; 7:13, 14; 2 Petera 3:13; Apokalypsy 21:4, 5). Misy manao izany ve ireo fiangonan’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana? Oviana no nandrenesanao farany mpitondra fivavahana iray nanazava ny amin’ny Fanjakan’Andriamanitra sy izay asehon’ny Soratra Masina fa hataon’izy io? Mampirisika anao hiresaka amin’ny hafa mikasika ny Fanjakan’Andriamanitra ve ny fandaminana misy anao, ary raha eny, moa ve ireo mpikambana ao, amin’ny fitambarany, mandray anjara amin’ny fanaovana izany? Nanao izany fanambarana izany i Jesosy; nanao izany ireo mpianatra voalohany. Afaka manana tombontsoa handray anjara amin’io asa io koa ny tenanao. Io no asa lehibe indrindra atao eto ambonin’ny tany amin’izao andro izao. — Matio 24:14.

20. Inona koa no tsy maintsy ataontsika ankoatra ny famantarana ny fivavahana marina?

20 Na dia misy aza fivavahana an’arivony maro, dia ampian’ny Baiboly haingana isika hanaisotra ny fisafotofotoan-kevitra mba hamantarana ilay marina. Kanefa dia mila manao zavatra bebe kokoa noho ny famantarana azy io isika. Iankinan’ny aina ny fanarahantsika azy io. Hodinihitsika miitatra kokoa izay tafiditra amin’izany, ao amin’ny lahatsoratra manaraka.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Fanalana zaza: Asan’ny Apostoly 17:28; Salamo 139:1, 16; Eksodosy 21:22, 23. Fisaraham-panambadiana: Matio 19:8, 9; Romana 7:2, 3. Firaisan’ny samy lehilahy na ny samy vehivavy: Romana 1:24-27; 1 Korintiana 6:9-11. Fidorohana amin’ny zava-mahadomelina sy ny zava-pisotro misy alkaola: 2 Korintiana 7:1; Lioka 10:25-27; Ohabolana 23:20, 21; Galatiana 5:19-21. Ra sy firaisana amin’olona samy hafa: Asan’ny Apostoly 15:28, 29; Ohabolana 5:15-23; Jeremia 5:7-9. Fianakaviana: Efesiana 5:22–6:4; Kolosiana 3:18-21. Tsy fitiavana: Salamo 27:10; Malakia 2:13-16; Romana 8:35-39. Aretina: Apokalypsy 21:4, 5; 22:1, 2; Titosy 1:2; Salamo 23:1-4. Fahafatesana: Isaia 25:8; Asan’ny Apostoly 24:15. Zavatra omena ny toerana voalohany: Matio 6:19-34; Lioka 12:16-21; 1 Timoty 6:6-12.

b Ho santionan’izany faminaniana izany sy ny fahatanterahany, dia jereo ilay boky hoe La Bible: Parole de Dieu ou des hommes?, pejy faha-117-161; sy Ny Fomba Fanjohian-kevitra avy Amin’ny Soratra Masina, pejy faha-43-50, 79-81, 193-199. Ireo boky ireo dia samy navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.

Ahoana no Havalinao?

◻ Fiheveran’iza no zava-dehibe indrindra rehefa mamantatra ny fivavahana marina?

◻ Fitohitohizana porofo efatra inona avy no manondro ny Baiboly ho ny Tenin’Andriamanitra?

◻ Nahoana no tsy azon’Andriamanitra ekena avokoa ny fivavahana rehetra izay mampiasa ny Baiboly?

◻ Inona avy ireo marika enina famantarana ilay hany fivavahana marina?

[Efajoro, pejy 10]

Ny Vavolombelon’i Jehovah dia (...)

◆ Manorina ny fampianarany rehetra amin’ny Baiboly.

◆ Manolotra fanompoam-pivavahana amin’ilay hany Andriamanitra marina, dia i Jehovah.

◆ Miaina mifanaraka amin’ny finoany an’i Jesosy Kristy.

◆ Tsy miditra amin’ny politika sy ireo fifandirana eo amin’izao tontolo izao.

◆ Miezaka ny haneho fitiavana tsy misy fitiavan-tena eo amin’ny fiainana andavanandro.

◆ Miaro ny Fanjakan’Andriamanitra ho ny ala olana maharitra ho an’ireo zava-manahirana ny taranak’olombelona.

[Sary, pejy 9]

NY BAIBOLY — inona no milaza fa mirakitra ny hafatr’Andriamanitra ho an’ny taranak’olombelona manontolo izy io?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara