FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w94 1/6 p. 24
  • Tsy Mizaha Tavan’olona Andriamanitra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tsy Mizaha Tavan’olona Andriamanitra
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Mitovitovy Aminy
  • Miandry An’ilay Fanjakana “Tsy Anisan’ity Tontolo Ity”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2007
  • Miaramila
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Tahin’i Jehovah ireo izay maharitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Faly Aho Nanompo An’i Jehovah na dia Nisy Fitsapana Aza
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
w94 1/6 p. 24

Mitantara Ireo Mpitory Ilay Fanjakana

Tsy Mizaha Tavan’olona Andriamanitra

MAHERIN’NY 1 900 taona lasa izay, dia nanao fanambarana tamin’i Kornelio, miaramila manamboninahitra, ny apostoly Petera ka nanao hoe: “Hitako marina tokoa izao fa tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra; fa amin’ny firenena rehetra izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany.” (Asan’ny Apostoly 10:34, 35). Nampiseho fatahorana an’Andriamanitra sy fitiavana ny fahamarinana i Kornelio. Nanaiky ny fanambarana nataon’i Petera izy ary tonga Kristiana.

Mbola marina ihany amin’izao andro izao io fotopoto-pitsipika io — tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra. Manamarika izany isika avy amin’ny fitantarana fanandraman-javatra iray avy tany Alemaina. Hoy ilay tatitra hoe:

“Misy fitambaran-tranona miaramila rosianina lehibe ao anatin’ny faritanin’ny kongregasionanay. Tamin’ny 1989, fotoana fohy taorian’ny nianjeran’ny Rindrin’i Berlin, dia nanontany ireo loholona raha nisy tamin’ireo mpitory nahay ny fiteny rosianina. Nahay ny sasany taminay, ka nandeha niasa io faritany io izahay, ary hita fa tena nahafaly ilay asa. Indro manaraka eto ny iray tamin’ireo fanandraman-javatra maro hitanay.

“Niaraka tamin’ny mpitory tsy vita batisa iray (izay efa vita batisa taorian’izay) aho rehefa niresaka tamin’ny lehiben’ny tafika iray izahay. Nihaino izay tokony holazainay ilay lehibe ary avy eo dia nanasa anay hiresaka tamin’ireo miaramilany. Nilaza izy fa tsy maintsy mandre firesahana momba an’Andriamanitra sy ny Baiboly koa izy ireo, hany ka nifanao fotoana izahay mba hiverina.

“Nangataka tamin’ny anabavy iray izay mahay miteny rosianina tsara izahay mba hiaraka taminay tamin’ny naha-mpandika teny. Tao amin’ny toeram-pivoriana tao amin’ireo fitambaran-trano, dia nampijoro latabatra nisy zavatra vita an-tsoratra izahay ary afaka niteny tamin’ny miaramila 68 sady namaly ireo fanontaniany. Taorian’izay, dia nandray tamim-pifaliana boky 35 sy gazety efa ho 100 izy ireo. Nony nandao ilay toeram-pivoriana izahay, dia nahita antokon’olona vitsivitsy nidinika ireo zavatra vita an-tsoratra.

“Nifanao fotoana mba hiverina izahay tamin’ny 4 Jolay 1992. Tamin’ny fahatongavanay tamin’ny 11 ora latsaka folo maraina, dia nilaza taminay ilay mpiambina teo amin’ny vavahadin’ireo fitambaran-trano fa niandry anay ireo miaramila. Nisy komandà nitondra anay nankao amin’ilay toeram-pivoriana, ary hitanay fa ny vehivavy iray, izay nandray zavatra vita an-tsoratra avy taminay teo aloha ho an’ny fitahirizam-boky, dia nampandre ny fiavianay tamin’ny fametrahana filazana teny amin’ireo fitambaran-trano. Nanao lahateny fohy momba ny asantsika maneran-tany ny rahalahy telo ary nampiseho ny antony ahafahantsika mitoky amin’ny Baiboly. Avy eo dia nandinika ireo fanontanian’ny mpanatrika izahay, ka nanome valiny avy tao amin’ny Baiboly. Anisan’ny fanontaniana ny hoe: Inona no toerana tanan’ny Vavolombelon’i Jehovah eo amin’ny raharaha miaramila, ary misy amin’izy ireo ve miaramila? Izany dia nanome fahafahana ho an’ilay mpitory tsy vita batisa izay niaraka tamiko teo aloha mba hilazalaza ny asa nataony naharitra 25 taona tao amin’ny tafika tany Alemaina Atsinanana, ka ireo taona faramparany dia tamin’ny naha-kapitenin’ny tafika ana habakabaka. Notantarainy ny fomba nianarany ny amin’Andriamanitra sy ny Baiboly ary naniry ny ho tonga Vavolombelon’i Jehovah izy ankehitriny. Nanaitra ny sain’ireo miaramila izay reny. Tao anatin’ny fito minitra dia teny am-pelatanan’ireo miaramila ireo zavatra vita an-tsoratra rehetra izay nentinay, ary maro no naniry hanana Baiboly. Tao amin’ny fivarotam-boky iray, izahay dia afaka nahazo Baiboly rosianina fito, izay nankasitrahan’izy ireo ny fandraisana azy. Tena fifaliana ny nanome ho an’ireny olona noana ara-panahy ireny fanazavana avy ao amin’ny Baiboly, ary manantena izahay fa hanao zavatra mifanaraka amin’izany izy ireo.”

Eny tokoa, tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra. Amin’ny alalan’ny Teniny izy dia manohina ny fon’ireo olona tso-po na iza na iza ary na aiza na aiza mety hisy azy ireo. Manasa azy ireo hianatra momba azy sy i Jesosy Kristy Zanany izy, ary maro ireo avy amin’ny fari-piainana rehetra no manao izany. — Jaona 17:3.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara