FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w94 15/6 p. 28-31
  • Fandinihana Amim-pankasitrahana ny “Tranon’Andriamanitra”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fandinihana Amim-pankasitrahana ny “Tranon’Andriamanitra”
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Anarana mitaky fandavan-tena
  • Fanaovana izay hahombiazana amin’ny fanompoana ao amin’ny Betela
  • Fiheverana ambony ny fanompoana masina ao amin’ny Betela
  • Fitahiana ao an-“Tranon’Andriamanitra”
  • Mety ho io ve no Asa Tsara Indrindra ho Anao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • Vonona Hanompo ve Ianao?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2001
  • Faly Manasa Anao Izahay!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • Tsy Hadinon’i Jehovah ny Asa Tsara Ataontsika
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2019
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
w94 15/6 p. 28-31

Fandinihana Amim-pankasitrahana ny “Tranon’Andriamanitra”

“ZAVATRA iray loha no nangatahiko tamin’i Jehovah, izany no hotadiaviko, dia ny hitoetra ao an-tranon’i Jehovah amin’ny andro rehetra hiainako, mba ho faly mijery ny fahasoavan’i Jehovah sy mandinika [amim-pankasitrahana, NW ] ny tempoliny.” — Salamo 27:4.

Nandinika tamin-kafaliana, na tamim-pahafinaretana, ny tempolin’i Jehovah i Davida Mpanjaka nahay nankasitraka. Mahatsiaro toy izany ve ianao ny amin’ny foiben’ny fanompoam-pivavahana marina amin’izao andro izao? Ireo trano Betela maherin’ny 95 any amin’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower dia anisan’ny fitaovana izay mifandray amin’ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah amin’izao androntsika izao.

“Safononoky ny fisaorana lalina sy ny fankasitrahana lehibe, izay mitombo isan-taona, aho amin’ny fanaovana jery todika amin’ireo taona maro laniko tamin’ny fanompoana tato amin’ny Betela”, hoy ny fanazavan’i Helga, izay nanomboka niasa tao amin’ny trano Betela any Alemaina tamin’ny 1948. I Helga dia iray amin’ireo mpiasa falifaly ao amin’ny Betela maneran-tany miisa 13 828 izay ‘nijery ny fahasoavan’i Jehovah’ tamin’ny taom-piasana 1993. Inona marina moa no dikan’ny anarana hoe Betela? Ahoana no ahafahan’ny Vavolombelon’i Jehovah tsirairay avy, na manompo an’Andriamanitra ao anatin’ny Betela izy na any ivelany, mandinika amim-pankasitrahana io fandaharana io?

Anarana mitaky fandavan-tena

Anarana tena mifanentana indrindra ny hoe “Betela”, satria ny teny hebreo Behth-ʼElʹ dia midika hoe “Tranon’Andriamanitra”. (Genesisy 28:19, fanamarihana ambany pejy). Eny, ny Betela dia mitovy amin’ny trano voalamina tsara iray, na ‘trano natao tamim-pahendrena’, ka Andriamanitra sy ny sitrapony no ifantohan’ny saina. (Ohabolana 24:3). “Toy ny miaina ao anatin’ny fianakaviana iray amin’izany. Manana fahazarana isan’andro voalamina tsara izahay”, hoy ny nolazain’i Herta tamim-pankasitrahana. Nanompo tao amin’ny Betela misy an’i Helga hatramin’ny 45 taona mahery izy. Manana ny anjara asany sy ny toerany ny mpikambana tsirairay ao amin’io fianakaviana lehibe io, ka mamela azy hahatsiaro tena ho faly sy tsy manana ahiahy izany. Mifanaraka amin’ny anarana hoe Betela, dia mampiavaka ny sampan-draharaha tsirairay ny fandaharana sy fandaminan-javatra tsara. Mampitombo ny fiadanana sy mahatonga ny fitoriana ny vaovao tsara handaitra ary manome antony marim-pototra ho an’ny kongregasiona mba hananana fiheverana ambony indrindra ny amin’ny “Tranon’Andriamanitra” izany. — 1 Korintiana 14:33, 40.

Nahoana no ilaina ny fitaovana toy ireny? Itỳ gazety itỳ, ohatra, dia namboarina tao amin’ny fanontam-pirintin’ny Betela. Ny fitoriana ny hafatra momba ilay Fanjakana sy ny fizarana sakafo ara-panahy, izay samy tsinjon’i Jesosy Kristy mialoha, dia mahatonga ireo fandaharana momba ny fandaminana toy ny Betela ho tena ilaina — tohanan’ireo mpiasa an-tsitrapo sady ananan’ireo mpivavaka amin’i Jehovah rehetra fiheverana lehibe. — Matio 24:14, 45, NW.

Ho tianao ve ny hahafantatra misimisy kokoa momba ny fahazarana amin’ny andro fiasana eto? Any amin’izay ipetrahan’i Helga sy i Herta, dia misy lakolosy mamoaka feon-kira mahafinaritra maneno ao amin’ny fitambaran-trano fonenana rehetra amin’ny enina ora sy sasany maraina, na dia efa mifoha aloha kokoa aza ny maro amin’ireo mpiasa raikitra 800 mahery mba hiomanana ho amin’ilay andro. Amin’ny fito ora maraina, hatramin’ny alatsinainy ka hatramin’ny asabotsy, dia vory ao amin’ireo efitrano fisakafoana ilay fianakaviana mba handinika ny teny natao hovakina isan’andro, na hanao ny fanompoam-pivavahana maraina. Manaraka izany ny sakafo maraina mahasalama. Ny andro fiasana tsirairay dia manomboka amin’ny valo ora maraina ary maharitra adiny valo, ka miato kely fotsiny amin’ny sakafo antoandro. (Miasa tapak’andro ilay fianakaviana ny asabotsy araka ny mahazatra.) Na ao amin’ny lakozia, fanontam-pirinty, fanasan-damba, birao, efitra fanaovana asa tanana, fanambàrana boky, na sampan-draharaha hafa dia samy misy asa be dia be tokony hatao avokoa.

Mandritra ireo takariva sy faran’ny herinandro, ireo anisan’ilay fianakaviana dia miaraka amin’ny kongregasiona eo an-toerana amin’ny fivoriana sy eny amin’ny fitoriana ampahibemaso. Maro amin’ireo rahalahy ao amin’ny Betela no loholona na mpikarakara momba ny asa ao amin’ireny kongregasiona ireny. Mankasitraka tokoa izany fiaraha-miasa izany ireo Vavolombelona eo an-toerana, ka miara-miasa tsara toy ny tena iray ny andaniny sy ny ankilany, amin’ny fifanajana sy fifankahazoan-kevitra. (Kolosiana 2:19). Mahafantatra ny mpiasa tsirairay ao amin’ny Betela fa ny fanendrena azy ao amin’ny “Tranon’Andriamanitra” dia mitana ny toerana voalohany oharina amin’ny asa hafa. Kanefa, ny hafanam-po amin’ny fitoriana sy ny fifandraisana akaiky amin’ny kongregasiona, ampiarahina amin’ny fihetsika voalanjalanja, dia manatanjaka ny fiainana ara-panahin’ilay mpiasa ao amin’ny Betela sady mampitombo ny fifaliany ary mahatonga azy ho mpikambana ao amin’ilay fianakaviana mahita vokatra kokoa. Zava-dehibe toy inona moa ireo toetra ireo rehefa miasa ao amin’ny “trano” izay ny anarany dia mifandray amin’ny fandavan-tena amin’ny fo manontolo!

Fanaovana izay hahombiazana amin’ny fanompoana ao amin’ny Betela

Inona no nanampy an’ireo Vavolombelon’i Jehovah tsy voatanisa hanao izay hahombiazany amin’ny fanompoana ao amin’ny Betela? Ireo anisan’ny fianakavian’ny Betela any Frantsa izay manana fanandraman-javatra an-taonany maro tao, dia nilaza ny heviny toy izao manaraka izao: “Fitiavana an’i Jehovah. Fananana fahatapahan-kevitra ny hiaritra na aiza na aiza ametrahany antsika; fanetren-tena sy fanekena ary fankatoavana ny fitarihana omen’ny Fikambanana antsika.” (Denise). “Nomarihiko fa zava-dehibe aoka izany ny manaja ilay fotopoto-pitsipika voalazan’i Paoly ao amin’ny Romana 12:10 hoe: ‘Mitariha lalana amin’ny fifanomezam-boninahitra.’ Io andininy io dia mampiseho amintsika ny maha-zava-dehibe ny tsy hanizingizinana mba hanekena ny hevitsika manokana, fa haneho fiheverana ny hevitry ny hafa kosa. Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia tsy mitady ny ho ambony.” (Jean-Jacques). “Ny fanajantsika ny fanompoana ato amin’ny Betela dia mety ho rava raha mijery ny zavatra amin’ny fomba fijerin’olombelona ara-nofo isika”, hoy i Barbara, “satria mety hitarika antsika hanadino ilay zava-misy hoe i Jehovah no mitarika ny fandaminany izany. Ny fanajana toy izany dia mety ho very raha tafintohina amin’ny tsy fahalavorarian’ny hafa isika.”

Na iza na iza ao amin’ny Betela dia tsy lavorary, koa mila fieritreretana amim-pitandremana ny fifaneraserana. Manao ny tsara ireo tanora na ireo vao tonga amin’ny tsy famerany ny fifaneraserany ho amin’ireo mitovy taona aminy ihany. Ireo izay mety hampiseho fironana himenomenona na hanana eritreritra tsy manorina dia tsy namana mampandroso ao amin’ny Betela na ao amin’ny kongregasiona. Etsy an-danin’izany, dia mitondra fitahiana ny fanahafana ny “fahendrena izay avy any ambony”, voalazalaza ao amin’ny Jakoba 3:17. Izy io dia “madio aloha, ary tia fihavanana, mandefitra, mora alahatra, be famindram-po sy be voka-tsoa, tsy [miangatra, fanamarihana ambany pejy] na mihatsaravelatsihy”. Ny toetra toy izany, miaraka amin’ny fahari-po sy ny hatsaram-panahy, dia mendrika ny homarihina ao amin’ny “Tranon’Andriamanitra”, ka mahatonga ny fipetrahan’ny olona iray ao ho mahafinaritra sy mandrisika. Na dia ireo mpitsidika tsy Vavolombelona aza dia mampiseho ny fahatalanjonany matetika noho ny fitondran-tena tsara sy ny fisehoana ho sakaiza ary ny toe-tsaina falifaly asehon’ireo mpiasa.

I Anny, izay 70 taona mahery sady mpikambana ao amin’ny fianakavian’ny Betela any Alemaina hatramin’ny 1956, dia nanazava ny fomba nihazonany ny fahavononany hanompo toy izao: “Ho an’ny fahasalamako ara-panahy, dia manao ezaka lehibe aho mba haharaka an’ireo zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana sy hanatrika tsy tapaka an’ireo fivoriana ary handray anjara tsy tapaka amin’ny fitoriana. Miezaka koa aho ny hitoetra ho salama ara-batana tsara amin’ny fanaovana fampiasan-tena isa-maraina sy amin’ny fitanan-tena mba tsy hampiasa matetika ny ascenseur ary amin’ny fandehanana an-tongotra matetika araka izay azo atao, indrindra eo amin’ny asa fanompoana.”

Maro amin’ireo manana fanandraman-javatra amin’ny fiainana ao amin’ny Betela no hiombon-kevitra amin’i Anny. Tsy mitsahatra ny mianatra na oviana na oviana izy ireny, ary tsy mitsahatra ny miasa na oviana na oviana. Mitaky ny hahazoany torimaso ampy sy ny hanaovany fampiasan-tena sasany ary ny hampisehoany fahalalana onony amin’ny fihinanana sy ny fisotroana, ny fahasalamana ara-batana. Ny tena zava-dehibe indrindra, dia tsy manao tsirambina ny vavaka manokana sy ny fianarana ny Baiboly izy ireo.

Fiheverana ambony ny fanompoana masina ao amin’ny Betela

“Aiza ianao no miasa?”, izany no fanontaniana atao matetika amin’ireo mpikambana ao amin’ny Betela. Samy hafa ireo asa anendrena, kanefa dia mendrika ny hananan’ny tsirairay avy fiheverana ambony ny asa tsirairay. Nahoana? Satria ny fanendrena tsirairay — na fandefasana milina fanontana sakafo ara-panahy, fanasana akanjo, fahandroana sakafo sy fanadiovana ho an’ny fianakaviana, na fanatanterahana asa birao — dia mahaforona fanompoana masina. Araka ny voalaza tetsy ambony, dia tsy miangatra ny Kristiana. Tadidio fa ireo raharaha nilaina rehetra notontosain’ireo mpisorona sy Levita tao amin’ny tempoly sy ny kianjany ary ireo efitranony fisakafoana, dia noheverina avokoa ho fanompoana masina ho an’i Jehovah. Izany dia nahafaoka ny famonoana sy ny fikarakarana ireo biby hatao sorona, ny famenoana menaka ny fanaovan-jiro, ary na dia ny fanadiovana sy ny fanatanterahana ny raharahan’ny mpiambina aza. Toy izany koa, ny fanendrena tsirairay ao amin’ny Betela dia asa mahafa-po sy mendrika ‘ao amin’ny asan’ny Tompo’, koa amin’izany dia tombontsoa manokana. — 1 Korintiana 15:58.

Hevero vetivety ny lafiny miavaka iray izay mety hisakana ny fandinihantsika amim-pankasitrahana ny “Tranon’Andriamanitra”. Mila ny mitandrina ny amin’ny fitsiriritana sy ny fialonana, izay “fahalovana ho an’ny taolana”, ireo Kristiana ao amin’ny Betela sy any ivelany. (Ohabolana 14:30, NW ). Tsy misy manana antony tokony hitsiriritana ireo tombontsoam-panompoana ananan’ireo mpiasa ao amin’ny Betela. Ambonin’izany, dia tsy misy toerana ho an’ny fialonana, izay iray amin’ny asan’ny nofo, ao anatin’ny fianakavian’ny Betela. Miandrasa amim-panetren-tena — izany no torohevitra marim-pototra ho an’izay mety ho toa nodian-tsy hita rehefa nomena tombontsoa bebe kokoa ny hafa. Ankoatr’izany, dia miara-mipetraka mifanakaiky ao amin’ny Betela ireo olona nanana toe-bola samy hafa be tamin’ny lasa. Mahakivy erỳ raha mihevitra ny toe-javatra misy azy “ampitahaina amin’ny olon-kafa” ny olona iray! Nanampy olona maro haharitra amim-pahatokiana nandritra ny am-polony taona maro tao amin’ny “Tranon’Andriamanitra”, ny fahaiza-mianina amin’ny ‘hanina sy fitafiana’. — Galatiana 5:20, 26; 6:4, NW; 1 Timoty 6:8.

Ny Vavolombelon’i Jehovah sy ireo hafa an-tapitrisany maro dia mandray soa be dia be avy amin’ny fanompoana tsy andraisan-karama tanterahina ao amin’ny Betela — asa atao tsy amim-pitiavan-tena noho ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona. Tohanana ara-bola amin’ny alalan’ny fanomezana an-tsitrapo ireo trano Betela sy fanontam-pirintin’ny Fikambanana Watch Tower, tahaka ireo fitaovana teokratika hafa. (2 Korintiana 9:7). Tahaka an’i Davida Mpanjaka sy ireo lehibe ary mpifehy teo amin’ny Isiraely, dia afaka mampiseho ny fiheverana ambony ananantsika sy ny fankasitrahantsika ny “Tranon’Andriamanitra” isika amin’ny fanomezana fanohanana ara-tsaina sy ara-bola ny Fikambanana. (1 Tantara 29:3-7). Aoka hojerentsika izao ny fomba ahafahana ‘mijery ny fahasoavan’i Jehovah’ ao amin’ny Betela.

Fitahiana ao an-“Tranon’Andriamanitra”

Rehefa manatrika fivoriambe ianao, moa ve ianao mahatsapa fahafaham-po lalina, hodidinin’ireo mpivavaka amin’i Jehovah falifaly? Eritrereto fotsiny ange e, manana tombontsoa manompo an’i Jehovah eo anivon’ny antokon-drahalahy ny mpiasa iray ao amin’ny Betela, isan’andro! (Salamo 26:12). Toy inona moa ny fanantenana fitomboana ara-panahy faran’izay tsara atolotr’izany! Nahamarika ny rahalahy iray fa nianatra bebe kokoa ny hanampy ny tenany hamolavola ny maha-izy azy izy tao anatin’ny herintaona tao amin’ny Betela, noho ny telo taona tany an-toeran-kafa. Nahoana? Satria tsy nisy toeran-kafa ankoatra ny tao nananany fahafahana handinika sy hanahaka ny finoan’ireo Kristiana matotra maro aoka izany. — Ohabolana 13:20.

Ao amin’ny Betela, ny olona iray dia hodidinin’ireo mpanome torohevitra ampy fanandraman-javatra, raha azo atao ny milaza izany. Ho fanampin’izany, dia misy soa azo avy amin’ny fandrenesana ireo fanazavana voaomana tsara aseho mandritra ny fanompoam-pivavahana maraina sy ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana ataon’ny fianakavian’ny Betela ary rehefa mihaino lahateny ny alatsinainy hariva. Ireo vaovao dia mahazo toro lalana ao amin’ny Sekoly ho An’izay Miditra ao Amin’ny Betela ary asaina mamaky ny Baiboly manontolo ao anatin’ny 12 volana voalohany.

Manolotra fampaherezana fanampiny ireo tatitra sy fitantarana fanandraman-javatra entin’ireo mpitsidika avy any amin’ny tany hafa. Ambonin’izany, dia misy anisan’ny Fitambara-mpitantana na ireo solontenany, mitsidika ireo biraon’ny sampana. “Na dia manana zavatra maro atao aza ireo anadahy”, hoy i Helga mieritreritra, “dia manam-potoana mandrakariva hilazana teny amim-pisakaizana na hitsikiana izy ireo.” Mampahery toy inona moa ny fijeren’ny tena manokana ny fitondran-tena mamelombelona sy mampiseho fiheveran-tena araka ny tena izy asehon’ireny lehilahy tsy mivadika ireny!

Ao amin’ny Betela indrindra no ahafahan’ny olona iray mandinika akaiky ny fomba fiasan’ny fandaminan’Andriamanitra sy ny fomba anentanan’ny fanahiny masina ho amin’ny asa, ireo fo sy tanana natolotra an-tsitrapo. “Ao amin’ny Betela no ahatsapan’ny olona iray ho akaiky kokoa ‘ny foiben’ny asa’ ”, hoy ny fanazavan’ny rahalahy iray, izay manompo ao amin’ny Betela any Frantsa hatramin’ny 1949. Nanohy ny teniny izy hoe: “Afaka milaza marina aho fa amiko ny Betela dia ny endriky ny fanompoana manontolo andro izay mamela ahy hanokana fotoana sy hery faran’izay betsaka ho an’ny fanompoana an’i Jehovah ary hanompo rahalahy maro indrindra.” Ary tsy izany ve no zava-kendrentsika marina eo amin’ny fiainana: ny hanao ny sitrapon’Andriamanitra? Ao amin’ny Betela no ahafahan’ny olona iray “manolotra fiderana mandritra ny andro”. Fitahiana re izany! — Salamo 44:8, NW.

Araka ny efa hitantsika, dia afaka mijery ny fahasoavan’i Jehovah sy mahita fitahiana mitohitohy be dia be ny olona iray miasa ao amin’ny trano Betela. (Hebreo 6:10). Mety ho zavatra mendrika ny hanaovanao azy ve ny fanompoana ao amin’ny “Tranon’Andriamanitra”? Ireo anisan’ny Vavolombelon’i Jehovah izay 19 taona fara fahakeliny, izay manana fahasalamana ara-panahy sy ara-batana tsara, ary ‘tsara laza eo amin’ny rahalahy’, tahaka an’i Timoty, dia afaka manao fangatahana hanompo ao amin’ny Betela. (Asan’ny Apostoly 16:2). Maro no nanao ny fanompoana ao amin’ny Betela ho anton’asany eo amin’ny fiainany, tahaka an’ireo voalaza etsy ambony. Ho azy ireny, ny faniriana fatratra sady lalina nananan’ilay mpanao salamo — ny ‘hitoetra ao an-tranon’i Jehovah amin’ny andro rehetra iainany’ — dia nanjary tena izy.

Manana fanajana lehibe ny toe-tsaina feno fahafoizan-tena asehon’ireo rahalahiny sy anabaviny ao amin’ny Betela, izay manatontosa ireo andraikiny an-tsitrapo sy amim-pifaliana, ny Vavolombelon’i Jehovah. Na manompo an’i Jehovah ao amin’ny Betela isika na any an-toeran-kafa, ny tsirairay avy amintsika dia manana antony tsara hahatsapana tahaka an’i Davida Mpanjaka: ny handinika amim-pankasitrahana, na amim-pahafinaretana, ny “Tranon’Andriamanitra”.

[Sary, pejy 31]

Ireo Kristiana ireo dia nahita fahafinaretana tamin’ny fanompoana masina tao amin’ny Betela any Alemaina hatramin’ny am-polony taona maro

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara