Nahoana no Mangeja Izao Tontolo Izao ny Tahotra?
IZA no te hiaina ao anatin’ny tahotra? Ny olona amin’ny ankapobeny dia maniry fandriampahalemana, tsy misy fandrahonana ny fiainany na ny fananany. Koa amin’izany, dia maro no mifindra miala any amin’ny faritra tototry ny heloka bevava tafahoatra. Kanefa dia misy hatraiza hatraiza ny antony mahatonga tahotra.
Ny fandrahonan’ny loza avy amin’ireo fitaovam-piadiana niokleary sy avy amin’ireo voina ateraky ny réacteurs dia mampipoitra tahotra ny amin’ny fahafoanan’ny taranak’olombelona. Mampitombo ny tahotra ny firongatry ny herisetra tampoka. Maro no matahotra sao hanjary ny areti-mifindra mahafaty lehibe indrindra amin’itỳ taonjato itỳ ny SIDA. Anisan’ny antony hafa mahatonga tahotra ny fanimbana ny tontolo iainantsika. Moa ve misy heviny manokana ireny tahotra ireny? Ary afaka manantena ny hiaina ao anatin’ny tontolo iray tsy hisy tahotra toy izany ve isika indray andro any?
Misy heviny ny tahotra maneran-tany
Ny tahotra miely hatraiza hatraiza amin’izao andro izao dia misy heviny noho izay voalaza mialoha ao amin’ny Baiboly. Tao amin’ny faminaniany momba ny andro farany, dia nitanisa toe-javatra izay hahatonga tahotra i Jesosy Kristy. Hoy izy: “Hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana; ary hisy mosary sy horohorontany amin’ny tany samy hafa.” Niresaka ny amin’ny “[fitomboan’ny, NW ] tsi-fankatoavan-dalàna” koa i Jesosy. Hatramin’ny 1914, dia niteraka tahotra lehibe sy famoizana aina maro ireo ady, mosary, horohoron-tany, sy tsy fankatoavan-dalàna mbola tsy nisy toy izany. — Matio 24:7-14.
Na dia ny fihetsiky ny olona aza dia mahatonga tahotra amin’izao andro izao. Ao amin’ny 2 Timoty 3:1-4 (NW ), dia vakintsika toy izao ireo teny ara-paminanian’ny apostoly Paoly: “Amin’ny andro farany dia hisy fotoan-tsarotra tsy ho mora setraina. Fa ny olona ho tia ny tenany, ho tia vola, ho mpieboebo, ho mpiavonavona, ho mpiteny ratsy, tsy hanoa ray aman-dreny, tsy hahay hankasitraka, hivadika, tsy hanana firaiketam-po voajanahary, tsy ho azo ifampiraharahana, ho mpanendrikendrika, tsy hanana fifehezan-tena, ho lozabe, tsy hanam-pitiavana izay tsara, ho mpamadika, ho mafy hatoka, hibontsina noho ny fieboeboana, ho tia fahafinaretana fa tsy ho tia an’Andriamanitra”. Noho isika voahodidin’ny olona toy izany amin’izao andro farany izao, dia tsy mahagaga raha misy tahotra be dia be aoka izany!
Izay azon’itỳ tontolo itỳ ampoizina
I Jesosy dia nampitaha izao vanim-potoana izao tamin’ny andro faran’ny tontolo tamin’ny andron’i Noa. Tsy misy isalasalana fa lehibe ny tahotra tamin’izay, satria hoy ny firaketana an-tsoratra ara-tantara ao amin’ny Baiboly: “Simba ny tany teo anatrehan’Andriamanitra sady heni-doza”. Koa tamin’izany, dia “hoy Andriamanitra tamin’i Noa: Ny faran’ny nofo rehetra dia efa mby eto anatrehako, satria efa heni-doza ny tany”. (Genesisy 6:11, 13). Feno herisetra aoka izany io tontolo ratsy io, hany ka nandrava azy tamin’ny alalan’ny Safodrano naneran-tany Andriamanitra. Noho ny fitiavana anefa, dia nitsimbina an’i Noa marina sy ny fianakaviany i Jehovah Andriamanitra. — 2 Petera 2:5.
Noho izany, inona no azon’ny tontolo feno herisetra ankehitriny ampoizina? Mankahala ny tsy firaharahana amin-kerisetra izay mahasoa ny hafa Andriamanitra. Miharihary izany avy amin’ireto tenin’ny mpanao salamo ireto: “Jehovah mizaha toetra ny marina; fa ny ratsy fanahy sy ny mifaly hampidi-doza dia samy halan’ny fanahiny.” (Salamo 11:5). Namarana ny tontolo feno herisetra tamin’ny andron’i Noa i Jehovah. Koa tsy tokony hanampo àry ve isika fa hamarana itỳ tontolo feno herisetra mampahatahotra itỳ Andriamanitra?
Nahazo tsindrimandry avy tamin’Andriamanitra ny apostoly Petera mba hilaza ny amin’ny fanatrehan’i Kristy sy haminany loza lehibe ho an’ny tontolo ratsy ankehitriny. Nanoratra izy hoe: “Amin’ny andro farany dia hisy mpaniratsira avy haniratsira, mandeha araka ny filany ka manao hoe: Aiza ny teny fikasana ny amin’ny fihaviany [“fanatrehany”, NW ]? Fa hatrizay nodian’ny razana mandry dia maharitra tsy miova ny zavatra rehetra; eny, hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao aza.” Tamin’izay i Petera dia nampiasa ny teny hoe “lanitra” mba hilazalazana ny rafi-pitondrana tsy lavorary eo amin’ny taranak’olombelona ary ny teny hoe “tany” ho an’ny fitambaran’olona tsy marina. “Fa minia jamba ireo”, hoy izy, “ka tsy mahalala fa nisy hatramin’ny ela ny lanitra, ary nisy tany koa, izay niseho avy tamin’ny rano, sady rano no nanaovana azy tamin’ny tenin’Andriamanitra, ary rano koa no nandravana izao rehetra izao taloha [andron’i Noa] tamin’ny nanasaforany azy; fa izao lanitra sy tany ankehitriny izao dia hazonin’izany teny izany ho amin’ny afo ka tehirizina ho amin’ny andro fitsarana sy fandringanana ny ratsy fanahy.” — 2 Petera 3:3-7.
Amin’ny filazana hevitra mitovy amin’izany, dia nanazava i Paoly fa i Kristy sy ireo anjeliny mahery dia “hamaly izay tsy mahalala an’Andriamanitra sy izay tsy manaiky ny filazantsaran’i Jesosy Tompontsika, dia olona izay hiharan’ny famaliana marina, dia fahaverezana mandrakizay”. (2 Tesaloniana 1:6-9). Milaza ny amin’ny fanangonana ireo firenena ho amin’ny “adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha” ny boky farany ao amin’ny Baiboly ary manome toky antsika fa ‘hanimba izay manimba ny tany’ i Jehovah. — Apokalypsy 11:18; 16:14-16.
Fotoana hifaliana fa tsy hatahorana
Tsy tora-kovitra noho izay lazain’ny Baiboly mialoha fa hanjo an’itỳ tontolo itỳ ny olona mahitsy fa manana antony hifaliana kosa. Hamarana tsy ho ela itỳ tontolo ratsy itỳ i Jehovah, kanefa izany dia hatao mba hahasoa an’ireo izay tia ny fahamarinana. Inona no hanaraka ny famaranan’Andriamanitra ny fandehan-javatra ankehitriny? Fandehan-javatra vaovao eo ambanin’ny fanapahan’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra, izay nampianaran’i Jesosy ireo mpanara-dia azy mba hivavahana! Hoy izy: “Koa amin’izany mivavaha toy izao hianareo: Rainay Izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao. Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.” (Matio 6:9, 10). Fiovana inona avy no azo ampoizina rehefa hatao etỳ an-tany ny sitrapon’Andriamanitra?
Hifarana ny ady sy ireo horohoro aterany. Hoy ny Salamo 46:9: “Mampitsahatra ady hatramin’ny faran’ny tany Izy [Jehovah Andriamanitra]; manapaka ny tsipìka sy manito ny lefona Izy ary mandoro ny sariet[in’ady] amin’ny afo.” Avy eo ny olona dia ‘samy hipetraka eny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny, ary tsy hisy hanaitaitra azy’. — Mika 4:4.
Tsy hahatonga tahotra sy tsy haka ain’olona intsony ireo aretina mahafaty. Izao ny fampanantenan’Andriamanitra: “Tsy hisy amin’ny mponina ao hilaza hoe: Marary aho”. (Isaia 33:24). Antom-pifaliana re izany!
Ho zavatra efa lasa koa ireo tahotra mifandray amin’ny heloka bevava sy herisetra. Mampanantena ny Salamo 37:10, 11 hoe: “Rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy ny ratsy fanahy; handinika ny fonenany hianao, fa tsy ho hita izy. Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany ka hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana.”
Ahoana no hanoloana ireo tahotra amin’ny andro ankehitriny amin’ny tena fiadanana sy fandriampahalemana? Amin’ny alalan’ny fitondram-panjakana marina iray — ny Fanjakan’Andriamanitra. Mikasika izao androntsika izao, dia milaza ny Daniela 2:44 hoe: “Amin’ny andron’ireo mpanjaka ireo Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay; ary izany fanjakana izany tsy havela ho an’olon-kafa, fa ireo fanjakana rehetra ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.” I Jesosy Kristy, ilay Mpanjaka voatendrin’i Jehovah, dia ‘tsy maintsy manjaka mandra-panaon’Andriamanitra ny fahavalony rehetra ho eo ambanin’ny tongony’. (1 Korintiana 15:25). Hanatanteraka ny fikasan’Andriamanitra tany am-boalohany, dia ny hisian’ny paradisa eto an-tany honenan’ny olona falifaly mandrakizay, ny Fanjakana Arivo Taonan’i Jesosy. — Lioka 23:43, NW; Apokalypsy 20:6; 21:1-5.
Ao amin’io Paradisa an-tany io, dia hisy tahotra mahasoa tokana. Izany dia “ny fahatahorana an’i Jehovah”. (Ohabolana 1:7). Raha ny tena izy, dia tokony hanana io tahotra io isika dieny ankehitriny, satria fanajana fatratra sy tahotra lalina ampiarahina amin’ny tahotra sao tsy hahazo sitraka amin’Andriamanitra izy io. Izany dia noho ny fankasitrahantsika ny hatsaram-panahiny miharo fitiavana sy ny hatsaram-pony. Mitaky fitokiana tsy misy fihambahambana amin’i Jehovah sy fankatoavana amim-pahatokiana azy io tahotra io. — Salamo 2:11; 115:11.
Manamarika izao andro izao ho andro farany ireo fisehoan-javatra mahatahotra. Raha manaporofo ny fitiavantsika an’Andriamanitra anefa isika, dia afaka ny hifaly fa tsy hatahotra kosa. Mampiseho ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly fa antomotra ny famaranan’Andriamanitra itỳ tontolo itỳ. Hosoloana ilay tontolom-pahamarinana vaovao nampanantenain’i Jehovah Andriamanitra izy io. (2 Petera 3:13). Eny tokoa, eo ambanin’ny fanapahan’ilay Fanjakana, tsy ho ela dia hisy tontolo tsy hisy tahotra tsy mahasoa.
[Efajoro, pejy 6]
NY HERIN’NY GAZETY TOKANA
I TOMASZ, tovolahy iray avy any Polonina, dia nahita fahasahiranana avy tamin’ny manam-pahefana ka nahatonga azy handositra ilay tany izany. Nanao dia tamin’ny alalan’ny auto-stop namakivaky an’i Eoropa izy nandritra ny enim-bolana, natory tao anaty lay ary nanao asa samihafa. Nandritra izany fotoana izany, dia nisy fanontaniana iray nanitikitika hatrany ny sainy: Inona no zava-kendren’ny fiainana?
Nahita valiny ilay fanontanian’i Tomasz rehefa nomena gazety Ny Tilikambo Fiambenana iray tamin’ny teny poloney izy. Namaky azy io imbetsaka izy ary niaiky fa nirakitra ny fahamarinana izay notadiaviny io gazety io. Nanao dia 200 kilaometatra tamin’ny alalan’ny auto-stop izy nankany amin’ny biraon’ny sampana Watch Tower any Selters/Taunus, any Alemaina. Tamin’ny fahatongavany indray alatsinainy hariva, dia navoakany ny gazetiny Ny Tilikambo Fiambenana ary hoy izy: “Tiako hisy olona hanazava amiko bebe kokoa momba izay ato anatin’itỳ gazety itỳ. Inona no tokony hataoko?”
Tamin’io takariva io, dia nisy Vavolombelon’i Jehovah roa niresaka tamin’i Tomasz momba ny zava-kendren’ny fiainana, tamin’ny fampiasana ny Baiboly ho fototry ny resak’izy ireo. Dodona ny hahafantatra bebe kokoa i Tomasz ka niverina tany amin’ny biraon’ny sampana isan’andro tamin’io herinandro io, nianatra ny Baiboly sy ilay boky hoe Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany.
Nanapa-kevitra ny hiverina tany Polonina i Tomasz, na dia nety ho niatrika zava-manahirana aza izy tany. Araka izany, ny zoma, efatra andro katroka taorian’ny nahatongavany tao amin’ny biraon’ny sampana any Selters, i Tomasz dia nanainga ho any amin’ny tanindrazany. Nanomboka nianatra avy hatrany niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah any Polonina izy. Nanao fandrosoana haingana i Tomasz ary nanomboka niresaka tamin’ny hafa tamin-jotom-po momba izay nianarany. Tamin’ny Oktobra 1993, efa-bolana monja taorian’ilay fitsidihany voalohany tany Selters, dia natao batisa tamin’ny naha-Vavolombelon’i Jehovah izy.
Gazety Ny Tilikambo Fiambenana iray monja dia nanampy io tovolahy io hamotopototra ny zava-kendren’ny fiainana!
[Sary, pejy 7]
Tsy hangeja izao tontolo izao intsony ny tahotra eo ambanin’ny fanapahan’ilay Fanjakana tarihin’i Jesosy Kristy