FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w94 15/8 p. 3-4
  • Inona no Fanantenana ho An’ny Jamba?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Inona no Fanantenana ho An’ny Jamba?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fanasitranana ny jamba tamin’ny andron’i Jesosy
  • Jamba
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Fanokafana ny Maso Hahita ny Vaovao Tsara
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Ampio ny Jamba mba Hahalala An’i Jehovah
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2015
  • Nanasitrana Lehilahy Teraka Jamba i Jesosy
    I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
w94 15/8 p. 3-4

Inona no Fanantenana ho An’ny Jamba?

NAMORONA ireo asa sorany voaforona poezia sady tantara lava be atao hoe Paradise Lost sy Paradise Regained, i John Milton, na dia jamba tanteraka aza. Tsy nahasakana an’i Helen Keller tamin’ny fiezahany hampianatra sy hanampy ireo nanan-takaitra ara-batana ny naha-jamba sady marenina azy. Eny, olona jamba maro no afaka miatrika tsara ireo zava-manahirana ateraky ny fahajambana. Kanefa hahafinaritra toy inona moa raha ho afaka hanana fahitana tsara ny rehetra! Mety hiombon-kevitra amin’izany indrindra ianao, raha manana olon-tiana na namana izay jamba na tsy mahita tsara.

Marina fa any amin’ny tany sasany, dia misy fandaharam-panarenana, mampianatra ny olona tsy mahita tsara mba hanana ireo fahaizana ilaina amin’ny fiainana andavanandro. Manampy ny jamba mba hikarakara ny ankamaroan’ny zavatra ilainy ny soratra braille sy ireo alika nozarina hitarika azy. Na dia izany aza, dia olona maro no mihevitra ny fahajambana ho ny takaitra mampahatahotra indrindra. Nilaza marimarina toy izao ny mpanoratra iray: “Ny fahajambana dia ny famoizana ny fahafahana hampiasa ny ampahany lehibe indrindra amin’ny tontolontsika mifandray amin’ny fahitana.” Miaraka amin’izany, dia olona jamba maro no voatery miankina bebe kokoa amin’ny hafa.

Nahoana, hoy ny mety ho fanontanianao, no miely aoka izany ny fahajambana? Efa nandre ny amin’ny trachome ve ianao? Mahatonga olona sivy tapitrisa eo ho eo ho jamba izy io. Hoy ny The New Encyclopædia Britannica momba azy io: “Mifindra ilay aretina ary miroborobo any amin’izay ifanizinan’ny vondron’olona maromaro ao anatin’ny faritra onenana tsy misy fitandremam-pahasalamana firy. Manampy amin’ny fielezan’ilay aretina ny tsy fahampian’ny rano isasana sy ireo lalitra an’alinaliny maro voasinton’ny dikin’olombelona. Amin’ny lafiny sasany, dia zava-manahirana ara-tsosialy voalohany indrindra ny trachome, fa tsy ara-pitsaboana; raha azo hatsaraina ny fari-piainana, raha mihena ny fifanizinana tafahoatra, raha voasakana ireo lalitra ary atao azo antoka ny tahirin-drano ampy, dia hihena haingana ny habetsahan’ny fitrangan’ny trachome.” Misy olona iray tapitrisa na manakaikikaiky an’izany no mijaly noho ny onchocercose, na fahajambana avy amin’ny renirano. Na, ahoana ny amin’ny xérophtalmie (fahajambana noho ny tsy fahampian’ny vitamina A)? Na dia sarotra aza ilay anarana, dia izao ny zava-misy: zavatra fahita mahatonga fahajambana izy io. Mety hitarika ho amin’ny fahajambana koa ny diabeta, difiteria, kitrotro, scarlatine, sy ireo areti-mifindra avy amin’ny firaisana.

Rehefa mihabe taona isika, dia mety hihena ny fahitantsika vokatry ny fikorontanana, toy ny fihasimban’ny pentina mavo (tâche jaune) any anaty maso sy ny glaucome, ary tsy azontsika hadinoina ny cataracte (aretina mahafotsy ny anakandriamaso). Manao izao fanamarihana izao ny The New Encyclopædia Britannica: “Mbola mitana laharana ambony eo amin’ny lisitry ny antony mahatonga fahajambana any amin’ny tany maro eo amin’izao tontolo izao ihany ny cataracte, ary ny tena mampalahelo indrindra dia izao: azo sitranina mora foana aoka izany amin’ny alalan’ny fandidiana izy io.”

Na dia eo aza ireo zava-baovao hitan’ny ophtalmologie (siansa mandinika ny momba ny maso sy ireo aretiny), dia toa mbola lavitra ny fanafoanana ny fahajambana. Hoy io firaketana io ihany: “Tsy afaka ny hahasoa afa-tsy ny mponina izay manana fahafahana hahazo fikarakarana ara-pitsaboana ihany ireo fandrosoana, eo amin’ny fisorohana sy ny fitsaboana ny fahajambana amin’ny alalan’ny fanafody sy ny fandidiana. Mandra-pahafahana manatsara ny fari-pitsipika ara-tsakafo sy ara-pahasalamana ho an’ny ampahany lehibe amin’ny mponina eo amin’izao tontolo izao, dia hijanona amin’ny laharana ambony misy azy ankehitriny ny fisian’ny fahajambana izay azo sorohina.”

Na dia manana ny toerany tokoa aza ireo antibiotika sy ny fandidiana, eo amin’ny ady atao amin’ny fahajambana, dia mifandray amin’ny zavatra izay nitranga efa ho roa arivo taona lasa izay ny fanantenana fahasitranana maharitra.

Fanasitranana ny jamba tamin’ny andron’i Jesosy

Alao sary an-tsaina ny lehilahy iray eo am-piandohan’ny faha-30 taonany, mandeha manaraka ny lalana feno vovoka iray. Nony ren’ny lehilahy jamba roa eo amoron-dalana fa mandalo izy, dia miantso izy ireo hoe: “Mamindrà fo aminay”! Na dia mandidy azy ireo hangina aza ireo mpijery, dia miantsoantso mafy ireo jamba ireo hoe: “Mamindrà fo aminay”! Manontany amin-katsaram-panahy toy izao ilay lehilahy: “Inona no tianareo hataoko aminareo?” Mamaly amim-pahadodona izy ireo hoe: “Ny mba hampahiratina ny masonay.” Izao dia eritrereto ange e: Manendry ny mason’izy ireo ilay lehilahy, ary mahiratra miaraka amin’izay izy ireo! — Matio 20:29-34.

Fifaliana re izany ho an’ireo lehilahy jamba teo aloha ireo! Kanefa, dia miely aoka izany ny fahajambana. Fisehoan-javatra tokana monja io nitranga io. Nahoana no tokony ho mendrika ny fiheverantsika izy io? Satria i Jesosy avy any Nazareta no ilay nanome tamin-katsaram-panahy an’ireo lehilahy jamba ireo ny fahitany! Raha ny tena izy, ankoatra ny ‘nanosorana azy hitory ny teny soa mahafaly amin’ny malahelo’, i Jesosy dia ‘nirahina hampahiratra ny jamba’. — Lioka 4:18.

Gaga ny olona tamin’ireny fanasitranana tamin’ny fomba nahagaga ireny izay natao tamin’ny alalan’ny fanahy masina maherin’Andriamanitra. Izao no vakintsika: “Talanjona ny vahoaka, raha nahita ny moana miteny, ny kilemaina sitrana, ny mandringa afaka, ary ny jamba mahiratra; dia nankalaza an’Andriamanitry ny Isiraely izy.” (Matio 15:31). Tsy nisy fandaniam-bola na fisehosehoana manokana na fitadiavana ny voninahiny manokana tamin’ireny fanasitranana ireny, i Jesosy dia nanasongadina ny fitiavana sy famindram-pon’i Jehovah Andriamanitra. Kanefa, izy dia nanana fangoraham-po koa tamin’ny olona jamba sady tsy nisy mpiaro teo amin’ny lafiny ara-panahy, izay ‘nampahantraina ka nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry’. — Matio 9:36.

Na dia mety hahaliana aza io tantara io, hoy ny mety ho fanontanianao, dia ahoana ny amin’ny ankehitriny? Koa satria ankehitriny tsy misy manasitrana olona toy ny nataon’i Jesosy, moa ve misy heviny ho antsika ireny fanasitranana ireny? Mba misy ve ny fanantenana ho an’ny jamba? Vakio aza fady ny lahatsoratra manaraka.

[Efajoro, pejy 4]

“Mandra-pahafahana manatsara ny fari-pitsipika ara-tsakafo sy ara-pahasalamana ho an’ny ampahany lehibe amin’ny mponina eo amin’izao tontolo izao, dia hijanona amin’ny laharana ambony misy azy ankehitriny ny fisian’ny fahajambana izay azo sorohina.” — The New Encyclopædia Britannica.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara