FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w94 15/8 p. 8-10
  • Nahoana ny Vavolombelona no Mitsidika Hatrany?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nahoana ny Vavolombelona no Mitsidika Hatrany?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Andraikitra eo anatrehan’Andriamanitra
  • Inona no manosika ny Vavolombelona?
  • Voakarama ve ny Vavolombelona?
  • Ny fiantraikan’ny fanaovan’izy ireo fanambarana
  • Vavolombelon’i Jehovah
    Fandresen-dahatra Miorina Amin’ny Soratra Masina
  • Fizarana 4: Vavolombelona any Amin’ny Faritra Lavitra Indrindra Amin’ny Tany
    Vavolombelon’i Jehovah—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra
  • Fanaovana Fanambarana Amin’ny “Firenena Rehetra”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Fizarana 5: Vavolombelona any Amin’ny Faritra Lavitra Indrindra Amin’ny Tany
    Vavolombelon’i Jehovah—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
w94 15/8 p. 8-10

Nahoana ny Vavolombelona no Mitsidika Hatrany?

‘IRENY indray ry zareo! Kanefa ange vao teto ry zareo herinandro vitsy monja izay e!’ Izany ve no ao an-tsainao rehefa misy Vavolombelon’i Jehovah mitsidika anao? Olona an-tapitrisany maro ankehitriny no tsidihin’ny Vavolombelon’i Jehovah tsy tapaka. Mety hanontany ianao hoe: Nahoana no mikiry izy ireo na dia fantany aza fa manana ny fivavahany manokana na tsy liana ny ankamaroan’ny olona? Mendrika ny hahazo valiny izany fanontaniana izany.

Andraikitra eo anatrehan’Andriamanitra

Nianatra avy tao amin’ny Soratra Masina ny Vavolombelon’i Jehovah fa hatramin’ny 1914, taona nanombohan’ny Ady Lehibe Voalohany, ireo fisehoan-javatra eo amin’izao tontolo izao dia nahatanteraka ireo faminanian’ny Baiboly mahakasika ny faran’ny fandehan-javatry ny tontolo ankehitriny sy ny fahatongavan’ny fanapahan’ny Fanjakan’Andriamanitra manerana itỳ tany itỳ. Toa namela ny taranak’olombelona ho lasa lavitra mbola tsy nisy toy izany, amin’ny ala olana ara-politika ho an’ny zava-manahirana azy ireo, ny fotoana efa ho taonjato iray feno herisetra sy fandatsahan-dra ary fankahalana. Manaporofo ireo ady sy ny fampihorohoroana izay mbola mampahory ny taranak’olombelona fa tsy nahavita nanova ny fo sy ny saina ary ny fihetsiky ny vahoaka ny fanapahan’olombelona. Mbola manapoizina ny fifandraisana eo amin’ny vondron’olona ara-poko sy ara-pirazanana ary ara-pivavahana ihany ny otripo latsa-paka lalina tamin’ireo fisehoan-javatra izay nitranga tany amin’ny lasa teo amin’ny tantara. Marina izany any amin’ireo faritra lavitra be toa an’i Afghanistan, i Afrika Atsimo, i India, i Iogoslavia teo aloha, i Irlande Avaratra, sy i Moyen-Orient. Inona àry no hany ala olana maharitra?

Inona no manosika ny Vavolombelona?

Miaiky ny Vavolombelon’i Jehovah fa ny ala olana avy amin’Andriamanitra — ny fanapahan’ilay Fanjakany nampanantenaina entin’i Kristy Jesosy — no hany ala olana afaka ny handaitra. Nampiditra mihitsy fangatahana izany fanapahan’ilay Fanjakana izany i Jesosy, tao amin’ilay vavaka modely fanta-daza nampianariny toy izao: “Koa amin’izany mivavaha toy izao hianareo: Rainay Izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao. Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.” Mino ny Vavolombelona fa io vavaka io dia tena mangataka ny fisalovanan’Andriamanitra amin’ny raharahan’olombelona. — Matio 6:9, 10.

Koa nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no mahatsapa fa mila ny mandeha isan-trano hatrany mba hiezahana hilaza izany hafatra izany? Noho ireo didy roa izay nasongadin’i Jesosy toy izao: “ ‘Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra’. Izany no didy lehibe sady voalohany. Ary ny faharoa, izay tahaka azy ihany, dia izao: ‘Tiava ny namanao [“mpiara-belona aminao”, NW ] tahaka ny tenanao’.” — Matio 22:37-39.

Ta hahazo ny fitahian’Andriamanitra ho an’ny tenany ny Vavolombelona, ary satria tiany ireo mpiara-belona aminy, dia tiany hahazo izany fitahiana izany ihany koa izy ireo. Araka izany, amin’ny fanarahana ny ohatra navelan’i Jesosy, dia mahatsiaro ho voatosiky ny fitiavana tsy misy fitiavan-tena izy ireo mba hitsidika ireo mpiara-belona aminy. Tiany, fara faharatsiny, ny hanolotra amin’ireny olona ireny ny fahafahana hahafantatra izay nampanantenain’ilay “Andriamanitra finaritra” ho an’ny taranak’olombelona mankato, eo amin’ny tany voadio iray. — 1 Timoty 1:11; 2 Petera 3:13.

Nino ny fampanantenan’Andriamanitra i Paoly misionera kristiana ary, araka izany, dia afaka nanoratra toy izao: “Paoly, mpanompon’Andriamanitra sy Apostolin’i Jesosy Kristy hampandroso ny finoan’ny olom-boafidin’Andriamanitra sy ny fahalalana tsara ny marina izay manaraka ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, amin’ny fanantenana ny fiainana mandrakizay izay nampanantenain’Andriamanitra tsy mahay mandainga hatry ny fony fahagola”. Eny, Andriamanitra, izay “tsy mahay mandainga”, dia ‘nampanantena’ fiainana mandrakizay ho an’ireo izay mitady ny hahafantatra sy ny hanompo azy amim-panetren-tena. — Titosy 1:1, 2; Zefania 2:3.

Voakarama ve ny Vavolombelona?

Indraindray dia nilaza ny sasany fa voakarama mba hanao ny fanompoany ireo Vavolombelona. Tsy marina velively izany! Manaraka amim-pitandremana ireo tenin’i Paoly ho an’ny kongregasiona tany Korinto toy izao izy ireo: “Tsy mba toy ny maro izay manatsatso ny tenin’Andriamanitra hahazoam-bola izahay; fa toy ny amin’ny fahadiovam-po kosa, dia avy amin’Andriamanitra sady eo anatrehan’Andriamanitra no itenenanay ao amin’i Kristy.” — 2 Korintiana 2:17.

Misy mpitondra fivavahana sasany tena mitory mba hahazoam-bola, na amin’ny fampandoavam-bola ny fotoam-pivavahana, na amin’ny fampandrosoana orinasa ara-barotra ao amin’ny fotoam-pivavahana ataony ao amin’ny televiziona. Manana klerjy voakarama ny ankamaroan’ireo fivavahana.

Mifanohitra amin’izany fa ny Vavolombelona dia tsy manana klerjy voakarama, ary matetika ny zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly avoakan’izy ireo dia atolotra tsy misy filazam-bidy amin’ireo mitady amim-pahatsorana ny fahamarinana, na dia maro amin’izy ireny aza no voatosika hanao fanomezana an-tsitrapo. Ampiasaina mba handoavana ireo fandaniana amin’io asa fitoriana maneran-tany io ireny fanomezana ireny. Mifanaraka amin’ny torohevitra nomen’i Jesosy hoe: “Efa nahazo maimaimpoana hianareo, koa manomeza maimaimpoana”, dia mampiasa an-tsitrapo ny fananany, anisan’izany ny fotoanany sy ny heriny, ny Vavolombelona, amin’ny fanokanana ora an-tapitrisany maro ho amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Araka izany, dia mampianatra ireo olona mampiseho fahalianana izy ireo, isan-trano sy amin’ny alalan’ny fampianarana Baiboly any an-tokantrano. — Matio 10:8; 28:19, 20; Asan’ny Apostoly 20:19, 20.

Manaporofo ny zava-misy fa tsy misy antony ara-bola manosika ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny maha-isam-batan’olona, na ny kongregasionany eo an-toerana, na ny Fikambanana Watch Tower. Tsy misy mandray karama noho ny fandehanana isan-trano. Ahoana àry no anohanana ara-bola ilay asa? Amin’ny alalan’ny fanomezana an-tsitrapo avy amin’ireo olona feno fankasitrahana manerana ny tany rehetra. Mbola tsy nisy fanantazan-drakitra mihitsy natao.

Ny fiantraikan’ny fanaovan’izy ireo fanambarana

Moa ve manjary mahatsapa ny fanompoana isan-trano sy ny fitoriana tsy ara-potoana ataon’ny Vavolombelona ny vahoaka? Manome valiny hoe eny manakoako amin’io fanontaniana io ny porofo eo amin’ny fampahalalam-baovao. Voaresaka nandritra ireo fandaharana tao amin’ny televiziona sy ireo sarimihetsika ny Vavolombelon’i Jehovah, fony nisy olona nandom-baravarana naseho. Nisy sarisary mampihomehy niresaka ny amin’ny Vavolombelona. Fanta-daza aoka izany ny asan’izy ireo mampiseho zotom-po, hany ka nampiditra firesahana momba ny Vavolombelon’i Jehovah ireo mpanao sarisary mampihomehy manerana ny tany. Mety ho toa manaraby izy ireny, kanefa mazàna dia miorina amin’ny zava-misy fototra manorina hoe: Fantatra amin’ny fitoriany isan-trano amim-pikirizana ny Vavolombelona. — Asan’ny Apostoly 20:20.

Ny sarisary mampihomehy vao haingana iray dia nampiseho lehilahy iray nananika tendrombohitra mba haka hevitra tamin’ny “gourou” (mpampianatra ara-panahy ao amin’ny Hindoisma) iray. Hoy izy: “Lazao ahy ireo zava-mahagaga ho avy!” Ahoana no navalin’ilay “gourou”? “Andao hojerentsika (...) Hisy mosary sy areti-mandringana ary horohoron-tany. Ny masoandro hampodina ho haizina ary ny volana ho ra.” Hoy ilay mpanontany hoe: “Inona no vaovao tsara?” Dia novalian’ilay “gourou” hoe: “Hofafan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra (...) ary tsy hisy fahafatesana intsony na alahelo na fanaintainana!” Nanontany ilay mpitsidika hoe: “Ahoana no ahafantaranao izany zavatra izany?” Ny valiny? “Tsy misy afa-miala amin’ny Vavolombelon’i Jehovah!” Ary tsy maintsy ho marina koa izany tamin’ny tenan’ilay mpanakanto nanao ilay sarisary!

Ny hevi-dehibe tamin’io sarisary io sy ireo hafa mitovy amin’izy io dia izao: Tsy vitan’ny hoe mampiharihary ny fitsidihan’ny Vavolombelona tsy tapaka fotsiny izy io fa mampiharihary koa ny tsy fiovaovan’ny hafatra entiny. Tao anatin’ny teny vitsy monja, ilay mpanakanto dia nampiseho ny tapany fototra amin’ny fanaovan’ny Vavolombelona fanambarana isan-trano ary nanonona andinin-teny. — Ampitahao amin’ny Matio 24:7, 29; Apokalypsy 21:3, 4.

Tsy mahakivy ny Vavolombelona na mampihena ny zotom-pony ny fandavan’ny ankamaroan’ny olona ny hafatra entin’izy ireo. Nampitandrina toy izao ny apostoly Petera: “Amin’ny andro farany dia hisy mpaniratsira avy haniratsira, mandeha araka ny filany ka manao hoe: Aiza ny teny fikasana ny amin’ny fihaviany? Fa hatrizay nodian’ny razana mandry dia maharitra tsy miova ny zavatra rehetra; eny, hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao aza.” Na dia eo aza izany, noho izy ireo voatosiky ny fitiavana, ny Vavolombelona dia manohy mitsidika ireo mpiara-belona aminy ary mbola hanao izany ihany mandra-pamaran’Andriamanitra ny fandehan-javatra simba ankehitriny. — 2 Petera 3:3, 4.

Nilaza i Jesosy fa amin’ny andro farany, dia tsy maintsy torina aloha ny vaovao tsara. Mba handinihana misimisy kokoa ny antony sy ny fomba hanaovana izany, dia jereo ireo lahatsoratra roa manaraka eto. — Marka 13:10, NW.

[Sary, pejy 9]

Tsy manana kilasin’ny klerjy omen-karama ny Vavolombelon’i Jehovah — mpanompo an-tsitrapo izy rehetra

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara