Ny Siansa sy ny Fivavahana ary ny Fikarohana ny Fahamarinana
“Ny nielezan’ny fivavahan-diso maro (...) dia nisy heriny sasany teo amiko.” — Charles Darwin
NANDRITRA ny fiandohan’ny taonjato faha-19, dia nahay nifanaraka ny siansa sy ny fivavahana. “Na dia tao amin’ireo asa soratra siantifika aza”, hoy ilay boky hoe Darwin: Before and After, “ireo mpanoratra dia tsy nahatsiaro fihambahambana niresaka an’Andriamanitra tamin’ny fomba izay niharihary fa ara-dalàna sy feno fahatsorana.”
Nandray anjara tamin’ny fanovana izany ilay boky hoe L’origine des espèces nosoratan’i Darwin. Nanjary nahaforona fifandraisana akaiky izay namela ny fivavahana — sy Andriamanitra — tany ivelany, ny siansa sy ny fivoarana miandalana. “Ao amin’ny fiheverana araka ny fivoarana miandalana”, hoy i Sir Julian Huxley, “dia tsy misy ny ilana ny fisian’Andriamanitra na ny toerana ho an’izany intsony.”
Antitranterina ho ny fanorenana tena ilain’ny siansa ny tsangan-kevitra momba ny fivoarana miandalana ankehitriny. Ny antony fototra iray mahatonga io fifandraisana io dia nampahafantarin’i Fred Hoyle, fizisiana, toy izao: “Miahy bebe kokoa ny hisakanana ny fiverenana amin’ireo fiheverana tafahoatra ara-pivavahana tamin’ny lasa ireo mpahay siansa mifikitra amin’ny hevitra mahazatra noho ny hanantenana ny fahamarinana.” Karazana fiheverana tafahoatra inona avy no nahatonga ny fivavahana ho naharikoriko aoka izany ny siansa?
Manome laza ratsy ho an’ny famoronana ny fivavahana
Tamin’izay noheverina fa fanandramana ny hanandratra ny Baiboly, ireo “mpino ny créationnisme” — izay ny ankamaroany dia nifandray akaiky tamin’ireo Protestanta mpanazava ara-bakiteny ny Baiboly — dia nanizingizina fa tsy ampy 10 000 taona ny nisian’ny tany sy izao rehetra izao. Nisarika ny fanesoan’ireo manam-pahaizana momba ny jeolojia sy ireo astronoma ary ireo fizisiana izany fiheverana tafahoatra izany, satria mifanohitra amin’ny zavatra hitan’izy ireo.
Kanefa, inona marina tokoa moa no lazain’ny Baiboly? “Tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany.” (Genesisy 1:1). Tsy voafaritra mazava ny fotoana voafaoka tamin’izany. Ny “andro voalohany” tamin’ny famoronana dia tsy voaresaka akory hatreo amin’ny Genesisy 1:3-5. Efa nisy “ny lanitra sy ny tany” fony nanomboka io “andro” voalohany io. Noho izany, nety ho nisy hatramin’ny an’arivo tapitrisany taona maro ve ny lanitra sy ny tany, araka ny antitranterin’ireo mpahay siansa? Mety ho izany mihitsy. Tsy mamaritra tsara ny fotoana voafaoka tamin’izany fotsiny ny Baiboly.
Ny fiheverana tafahoatra hafa asehon’ny fivavahana dia ny fomba anazavan’ny sasany ny dikan’ireo “andro” famoronana enina. Manizingizina ireo mpanazava ara-bakiteny ny Baiboly sasany fa ara-bakiteny ireo andro ireo, amin’ny famerana ny famoronana ny zavatra teto an-tany ho tao anatin’ny fe-potoana naharitra 144 ora. Miteraka fisalasalana be eo amin’ireo mpahay siansa izany, satria heveriny fa mifanohitra amin’ny fandinihana siantifika mazava izany fanantitranterana izany.
Kanefa, ny fanazavana ny hevitry ny Baiboly omen’ireo mpanazava azy io ara-bakiteny — fa tsy ny Baiboly mihitsy — no tsy mifanaraka amin’ny siansa. Tsy milaza ny Baiboly fa naharitra 24 ora ny “andro” famoronana tsirairay; izy io dia mampiditra tokoa ireny “andro” rehetra ireny ao anatin’ilay “andro nanaovan’i Jehovah Andriamanitra ny tany sy ny lanitra” lava be. Mampiseho izany fa tsy nahafaoka 24 ora monja ireo “andro” ara-baiboly rehetra. (Genesisy 2:4). Mety ho naharitra an’arivony taona maro ny halavan’ny sasany.a
Araka izany, dia nanome laza ratsy ny hevitra momba ny famoronana ireo mpino ny créationnisme sy ireo mpanazava ara-bakiteny ny Baiboly. Tsy mifanaraka na, amin’ny siansa azon’ny saina ekena, na amin’ny Baiboly, ny fampianaran’izy ireo ny amin’ny taonan’izao rehetra izao sy ny halavan’ny “andro” famoronana. Kanefa, misy koa ireo fiheverana tafahoatra hafa izay nahatonga ny fivavahana ho naharikoriko an’ireo mpahay siansa.
Fanamparam-pahefana
Nandritra ny tantara, ny fivavahana dia tompon’andraikitra tamin’ny tsy rariny be dia be. Nandritra ny Moyen Age, ohatra, dia naolana ny foto-pampianarana momba ny famoronana mba hanamarinana ny fanohanan’ny fiangonana ny fitondran’olon-tokana tsy refesi-mandidy tany Eoropa. Ny tiany holazaina dia hoe: Napetraky ny didin’Andriamanitra teo amin’ny toerany, manankarena na mahantra, ny olombelona. Manazava toy izao ny The Intelligent Universe: “Nolazaina ireo zandriny tamin’ny zanakalahin’ny mpanankarena fa ‘fandaharan’Andriamanitra’ ho azy ireny ny hahazo kely na tsy hahazo mihitsy amin’ny fananan’ny fianakaviana, ary nampirisihina hatrany ny lehilahy mpikarama mba hitoetra ho afa-po amin’ny ‘toerana izay tian’Andriamanitra hiantsoana azy’.”
Tsy mahagaga raha maro no matahotra ny hiverina any amin’ireo “fiheverana tafahoatra ara-pivavahana tamin’ny lasa”! Tsy nanome fahafaham-po tamin’ireo zavatra ilain’ny olona ara-panahy ny fivavahana, fa matetika dia nanararaotra izany kosa. (Ezekiela 34:2). Izao no fanamarihana nomen’ny lahatsoratra iray nataon’ny mpampanonta ny gazetiboky India Today: “Raha jerena amin’ilay karazana firaketana an-tsoratra naorin’ny fivavahana nandritra ireo taonjato lasa, dia mahagaga ny mbola hinoana azy io ihany. (...) Tamin’ny anaran’ilay Mpamorona Fara Tampony, (...) dia nahavita halozana mahatsiravina indrindra tamin’ireo mpiara-belona taminy ny olombelona.”
Ny firaketana an-tsoratra maharikoriko momba ny fivavahan-diso dia tsy nanana heriny kely fotsiny teo amin’ny fisainan’i Darwin. “Nanjary tsy natoky tsikelikely ny Kristianisma ho fanambarana avy amin’Andriamanitra aho”, hoy ny nosoratany. “Ny nielezan’ny fivavahan-diso maro teo amin’ny faritra lehibe amin’ny tany tamin’ny fomba faran’izay haingana dia nisy heriny sasany teo amiko.”
Ny fandresen’ny fivavahana marina
Tsy zava-baovao eto amin’itỳ tontolo itỳ ny fihatsarambelatsihy ara-pivavahana. Hoy i Jesosy tamin’ireo filoha ara-pivavahana liam-pahefana tamin’ny androny: “Miseho ho toy ny olona tsara ianareo etỳ ivelany — kanefa ao anatiny dia feno fihamboana sy faharatsiana ianareo.” — Matio 23:28, Phillips.
“Tsy naman’izao tontolo izao”, anefa ny Kristianisma marina. (Jaona 17:16). Tsy manana anjara amin’ny fivavahana sy politika simba ara-pitondran-tena ireo mpanara-dia azy io; ary tsy voafitak’ireo filozofia izay mandà ny fisian’ny Mpamorona koa izy ireo. “Ny fahendren’izao tontolo izao dia fahadalana eo anatrehan’Andriamanitra”, hoy ny nosoratan’ny apostoly Paoly. — 1 Korintiana 3:19.
Tsy midika anefa izany fa tsy manam-pahalalana eo amin’ny lafiny ara-tsiansa ireo tena Kristiana. Mifanohitra amin’izany, ireo mpanaraka ny fivavahana marina dia liana amin’ny siansa. “Asandrato ny masonareo, ka mijere”, hoy ny nolazaina tamin’i Isaia mpaminany fahizay. “Iza no nahary ireny?” (Isaia 40:26). Toy izany koa, mba hahazoana tsaratsara kokoa ny fihevitry ny Mpamorona, dia nasaina namakafaka ireo zava-mahagaga eo amin’ny natiora sy eo amin’izao rehetra izao i Joba. — Joba 38-41, toko faha-38-41.
Eny, ireo izay mino ny Mpamorona dia mihevitra ny famoronana amin-tahotra miharo fanajana. (Salamo 139:14). Ankoatra izany, dia matoky izay nolazain’ilay Mpamorona, dia i Jehovah Andriamanitra, mikasika ny fanantenana mahatalanjona iray amin’ny hoavy, izy ireo. (Apokalypsy 21:1-4). Amin’ny alalan’ny fianarana ny Baiboly, dia olona an-tapitrisany maro no mahafantatra fa, na ny fiandohan’ny olona, na ny hoaviny, dia tsy miankina amin’ny kisendrasendra mandeha an-jambany. Nanana fikasana i Jehovah tamin’ny fanaovana ny olona, ary ho tanteraka izany fikasana izany — mba ho fitahiana ireo olombelona mpankato rehetra. Manasa anao izahay mba hanadihady izany ho an’ny tenanao mihitsy.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ny Réveillez-vous! tamin’ny 8 Desambra 1982, pejy faha-6-9, sy ny Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible, pejy faha-344, navoakan’ny the Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc. Mba hahazoana fanazavana misimisy kokoa momba ny créationnisme sy ny fifanoheran’izy io amin’ny siansa sy ny Baiboly, dia jereo ny Réveillez-vous! tamin’ny 8 Jona 1983, pejy faha-12-15, sy ny tamin’ny 22 Jona 1983, pejy faha-12-15.
[Efajoro, pejy 6]
TSY MAHAY NA INONA NA INONA MOMBA NY POROFO HOE?
“NA DIA ny Vavolombelon’i Jehovah aza dia nianatra be dia be momba ny biolojia”, hoy ny nosoratan’i Norman Macbeth, mpahay lalàna iray, tao amin’ny bokiny navoaka tamin’ny 1971 atao hoe Darwin Retried — An Appeal to Reason. Tamin’ny famakiana lahatsoratra iray tao amin’ny Mifohaza! ny amin’ny foto-kevitra momba ny fivoarana miandalana, dia nanao izao fanamarihana izao i Macbeth: “Gaga aho nahita fa nirakitra fanakianana sasany mampiseho fahiratan-tsaina, izay fanakianana ny tsangan-kevitra momba ny fivoarana miandalana, izy io.” Tamin’ny fanamarihana ny fikarohana niitatra sy ireo fakan-teny nampiseho fahendrena nalaina avy tamin’ireo fahefana momba ilay foto-kevitra, dia nanatsoaka hevitra toy izao ilay mpanoratra: “Tsy marina intsony ho an’i Simpson ny hilazana hoe: ‘(...) ireo izay tsy mino azy io [ny fivoarana miandalana], saika izy rehetra, dia miharihary fa tsy mahay na inona na inona momba ny porofo siantifika.’ ”
[Sary, pejy 7]
Tsy navela ho amin’ny kisendrasendra mandeha an-jambany ny hoavin’ny taranak’olombelona