Mitandrema sao Mirehareha
MARO ankehitriny no mihevitra ny fireharehana ho toy ny hatsaran-toetra. Nanjary lamody ny fampideraderana ireo lafiny mampahatanjaka sy fahaizana ary zava-bitan’ny tena. Mino ny sasany fa ilaina amin’ny fahombiazana ny fireharehana. Mihevitra ny hafa fa mampitombo ny fahatsapan-tena ho mendrika izy io. Toy izao ny fanamarihana nataon’ny gazetiboky Time: “Ny filamatra, dia ny fiheveran-tena araka ny antonona, na dia tsy lany andro velively aza, dia nanomboka ho toa saika lamody antitra.” Nanazava toy izao ilay mpanoratra atao hoe Jody Gaylin: “Mampalahelo fa ny fireharehana tsy sarontsaronana (...) no lamody farany indrindra. Manana famenony vaovao ny resadresaka miaraka amin’ny namana na olom-pantatra iray: ny fiderana ny tenanao.”
Nametraka ilay fari-pitsipika ireo modely alain-tahaka. Mety ho efa nandre ireto tenin’ny tompon-daka amin’ny ady totohondry teo aloha ireto ianao: “Tsy kisendrasendra ny maha-lehilahy miavaka indrindra ahy eo amin’izao tontolo izao amin’izao fotoana eo amin’ny tantara izao.” Fanta-daza koa ilay filazana nataon’ny lehilahy iray anisan’ny tarika Beatles: “Fanta-bahoaka noho i Jesosy Kristy izahay izao.” Na dia nihevitra aza ny sasany fa nolazaina tamim-pahatsorana ireny fanazavana ireny, ny hafa dia nihevitra an’ireo izay nilaza azy ireny ho toy ny modelin’ny fanandratan-tena mendrika ny harahina.
Mampipoitra izao fanontaniana izao ny fielezan’ny fireharehana: Mahasoa ve ny mirehaka amin’ny fananana sy fahaizan’ny tena? Ara-dalàna, mazava ho azy, ny mifaly amin’ny zava-bitan’ny tena sy ny mitantara izany mihitsy aza amin’ny namana sy havana akaiky. Kanefa, ahoana ny amin’ireo izay miaina araka ilay fitenenana hoe: “Raha azonao ny fahaizana na fananana manokana, dia ampideraderao”? Ankoatra izany, ahoana ny amin’ireo izay, na dia tsy mirehareha an-karihary aza, dia manao izay hahazoana antoka amin’ny fomba an-kolaka fa ho tonga amin’ny fahafantarana ireo lafiny mampahatanjaka azy sy zava-bitany ny hafa? Mahasoa, na ilaina mihitsy, ve, araka ny antitranterin’ny sasany, ny fampahalalana ny tena amin’ny besinimaro toy izany?
Vokany eo amin’ny fifandraisana
Hevero ny vokatry ny fireharehan’ny hafa eo aminao. Ohatra, ahoana no ho fihetsikao amin’ireto filazana manaraka ireto?
“Ireo boky izay tsy nosoratako dia tsara kokoa noho ireo boky izay nosoratan’ny olon-kafa.” — Mpanoratra fanta-daza.
“Raha teo aho tamin’ny famoronana, dia ho nanome fanoloran-kevitra tsy mivantana mahasoa sasany mba hilaminan’izao rehetra izao tsaratsara kokoa.” — Mpanjaka tamin’ny Moyen Age.
“Tsy afaka ny hisy Andriamanitra satria, raha nisy andriamanitra iray, dia tsy hinoako fa tsy izaho no Izy.” — Filozofa tamin’ny taonjato faha-19.
Voasintona ho amin’ireo olona ireo ve ianao amin’ny fanazavana omeny? Heverinao ve fa hankamaminao ny fiarahana aminy? Azo inoana fa tsia. Amin’ny ankapobeny, ny fireharehana — amim-piniavana na amin’ny vazivazy mihitsy aza — dia mahatonga ny hafa hahatsiaro tena ho mihenjana sy sorena ary angamba mialona. Izany no vokany teo amin’i Asafa mpanao salamo, izay niaiky toy izao: “[Nanjary, NW ] nialona ny mpirehareha aho”. (Salamo 73:3). Azo antoka fa tsy misy amintsika maniry ny ho antony mahatonga fihetseham-po tsy mahafinaritra eo amin’ireo namantsika sy ireo olona miaraka amintsika! Hoy ny 1 Korintiana 13:4: “Ny fitiavana (...) tsy mirehareha”. Hanosika antsika hitan-tena tsy hampideradera an’izay heverina fa fahaizantsika sy fananantsika ny fitiavana araka an’Andriamanitra sy ny fahatsapana ny fihetseham-pon’ny hafa.
Rehefa mifehy tena sy miteny amim-piheveran-tena araka ny antonona ny olona iray, dia mahatonga ny hafa manodidina azy hahatsiaro tena ho mahazo aina sy mendrika. Fahaizana tsy hay tombanana izany. Angamba izany no tao an-tsain’ilay mpitondra fanjakana britanika atao hoe Lord Chesterfield rehefa nanoro hevitra toy izao ny zanany lahy izy: “Aoka ianao ho hendry noho ny olon-kafa raha azonao atao izany; kanefa aza lazaina amin’izy ireo fa izany no izy.”
Tsy manana talenta mitovy ny olona. Izay mora amin’ny olona iray dia tsy lafiny mampahatanjaka ny hafa fotsiny. Hanosika ny olona iray hifampiraharaha amim-pangorahana amin’ireo izay tsy manan-talenta eo amin’ny lafiny ananany fahaizana, ny fitiavana. Azo inoana fa manan-talenta amin’ny lafiny hafa ilay olon-kafa. Izao no nolazain’ny apostoly Paoly tamintsika: “Noho ny fahasoavana nomena ahy dia izao no lazaiko amin’ny olona rehetra izay eo aminareo: Aza miavonavon-kevitra ka mihevitra mihoatra noho izay tokony hoheverina; fa mihevera izay onony araka ny ohatry ny finoana izay nozarain’Andriamanitra ho anareo avy.” — Romana 12:3.
Avy amin’ny fahalemena ny fireharehana
Na dia mety hihataka amin’ireo mpirehaka aza ny sasany noho ny fahatsapany ny tenany ho ambany eo anatrehan’izy ireo, dia mampiseho fihetsika tsy mitovy amin’izany ny hafa. Manatsoaka hevitra izy ireo fa tsy matoky tena tsara ireo mpirehareha. Ilay mpanoratra atao hoe Frank Trippett dia manazava toy izao ny antony mety hampidinan’ilay olona izay mirehareha, amin’ny fomba mahatsikaiky, ny hajany eo imason’ny hafa: “Fantatry ny rehetra any an-tsainy lalina any fa mazàna ny fireharehana dia mandefa famantarana fahalemena manokana mampalahelo sasany.” Koa satria maro no mahita mazava hatrany ambadiky ny fihamboan’ilay mpirehareha, tsy fahendrena kokoa ve ny hitanan-tena tsy hanaovana fideran-tena poaka aty?
“Ka marina ange izany e!”
Izany no fomba anandraman’ny sasany hanamarinana ny fanambonian-tena. Mihevitra izy ireo fa noho izy ireo manan-talenta tokoa amin’ny lafiny sasany, dia ho fihatsarambelatsihy ny fihamboana ny mifanohitra amin’izany.
Kanefa, marina ve ny fireharehan’izy ireo? Mirona ny hifototra amin’ny hevitra sy ny fihetseham-pon’ny tena manokana ny fanombanana ny vidin’ny tena. Izay tsapantsika ho toy ny lafiny mampahatanjaka miavaka eo amintsika dia mety ho toa mahazatra eo amin’ny hafa. Ny fahatsiarovan’ny olona iray tena ho voatosika hampideradera ny fahaizany dia mety hilaza mihitsy fa tsy tena miavaka akory ilay izy rehefa jerena — tsy tena miavaka mba hanekena ny maha-mendrika azy tsy misy fampahalalana amin’ny besinimaro. Miaiky ny amin’ny fironan’olombelona ho amin’ny famitahan-tena ny Baiboly rehefa mananatra toy izao: “Izay manao azy fa efa mijoro tsara, dia aoka izy hitandrina, fandrao ho lavo.” — 1 Korintiana 10:12.
Na dia manan-talenta amin’ny lafiny manokana iray amin’ny fomba tsy mahazatra aza ny olona iray, manamarina ny firehaka ve izany? Tsia, satria mankalaza olombelona ny firehaka, kanefa, avy amin’Andriamanitra ny talenta rehetra ananantsika. Tokony ho Andriamanitra no hahazo voninahitra. Nahoana isika no hahazo laza amin’ny zavatra izay nananantsika hatramin’ny nahaterahantsika? (1 Korintiana 4:7). Etsy an-danin’izany, toy ny ananantsika lafiny mampahatanjaka dia manana fahalemena koa isika. Mitaky ny hisarihantsika ny saina ho amin’ireo fahadisoantsika sy kileman-toetrantsika ve ny filazana ny marina? Mpirehareha vitsy no toa mihevitra toy izany. Nety ho mpikabary nanan-talenta tokoa ny Mpanjaka Heroda Agripa I. Kanefa, ny tsy fananany fiheveran-tena araka ny antonona dia nitarika ho amin’ny fahafatesana tena tsy nahafinaritra. Izany fisehoan-javatra mahatahotra izany dia mampiseho taratra ny maha-maharikoriko an’Andriamanitra, toy ny maha-izany azy amin’ny olona maro koa, ny fiheveran-tena ho ambony. — Asan’ny Apostoly 12:21-23.
Manjary fantatra tsy mila fampahalalana ny tena amin’ny besinimaro amin’ny fomba tsy mety ireo talenta sy lafiny mampahatanjaka. Rehefa miaiky sy midera ireo toetra na zava-bitan’ny tena ny hafa, dia miseho taratra amin’ny fomba mahafinaritra kokoa eo amin’ilay mahazo teny fiderana izany. Milaza toy izao amim-pahendrena ny Ohabolana 27:2: “Aoka ny olon-kafa no hidera anao, fa tsy ny vavanao, eny, ny vahiny, fa tsy ny molotrao.”
Ilaina mba hahavitan-javatra ve?
Mihevitra ny sasany fa tena ilaina ny fanandratan-tena amim-patokiana mba hahombiazana eo amin’ny fitambaran’olona tia mifaninana ankehitriny. Manahy izy ireo sao tsy ho tsikaritra na tsy hankasitrahana raha tsy sahy milaza sy mampahalala amin’ny besinimaro ireo lafiny mampahatanjaka azy. Mampiseho ny fanahiany itỳ fanazavana avy tao amin’ny gazetiboky Vogue itỳ: “Tamin’ny lasa dia nampianarina antsika fa hatsaran-toetra ny fiheveran-tena araka ny antonona, izao isika dia mianatra fa afaka ny ho fatiantoka ny fahalaina-miteny.”
Ho an’ireo izay maniry ny handroso araka ny fari-pitsipik’itỳ tontolo itỳ, dia mety ho marim-pototra ilay fanahiana. Kanefa, hafa ny tarehin-javatra misy ny Kristiana. Fantany fa miahy sy mifidy ny hampiasa ny fahaizan’ireo izay manetry tena fa tsy miavonavona Andriamanitra. Noho izany, ny Kristiana dia tsy mila ny hampiasa tetika mampiseho fizahozahoana. Marina fa mety hahazo laza mihelina ny olona matoky tena be iray amin’ny maha-sahisahy na mahay manararaotra azy. Kanefa, rehefa mandeha ny fotoana dia halana sarona sy haetry izy, hambaniana mihitsy aza. Araka ny nilazan’i Jesosy Kristy azy toy izao izany: “Fa izay manandra-tena no haetry; ary izay manetry tena ho hasandratra.” — Matio 23:12; Ohabolana 8:13; Lioka 9:48.
Tombony amin’ny fiheveran-tena araka ny antonona
Izao no nosoratan’i Ralph Waldo Emerson: “Izay rehetra mihaona amiko dia ambony noho izaho amin’ny lafiny sasany. Amin’izany, dia mianatra avy aminy aho.” Ny fanazavany dia mifanaraka amin’ny fampirisihana ara-tsindrimandrin’Andriamanitra nomen’ny apostoly Paoly fa ireo Kristiana dia ‘tsy hanao na inona na inona amin’ny fifampiandaniana, na handrani-tena foana fa amin’ny fanetren-tena dia samy hanao ny namany ho mihoatra noho ny tenany’. (Filipiana 2:3). Mametraka ny olona iray eo amin’ny toerana hahafahany hiana-javatra avy amin’ny hafa izany fomba fijery araka ny antonona izany.
Koa tandremo ny lafiny mampahatanjaka anao mba tsy hanjary ho fahalemenao. Aza mivily miala amin’ireo fahaizanao sy zava-bitanao amin’ny fireharehana. Ampio ilay toetra tsara, dia ny fiheveran-tena araka ny antonona, ireo hatsaran-toetranao. Izany no mampitombo tokoa ny hajan’ny tena eo imason’ny hafa. Manampy ny tena hankamamy fifandraisana tsaratsara kokoa amin’ireo mpiara-belona izy io ary mitondra ny fankasitrahan’i Jehovah Andriamanitra. — Mika 6:8; 2 Korintiana 10:18.