FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w94 15/9 p. 21-24
  • Aza Avela Hanimba ny Fiainanao ny Fahatsiarovan-tena ho Manirery

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Aza Avela Hanimba ny Fiainanao ny Fahatsiarovan-tena ho Manirery
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Inona no azonao atao?
  • Avelao hanampy ireo namana
  • Miahy i Jehovah
  • Aza manome tsiny an’Andriamanitra
  • Ahoana no azo anampiana an’izay mahatsiaro tena ho manirery?
  • Inona no Azoko Atao mba Hisindan’ny Fahatsiarovako ho Manirery?
    Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra
  • Inona no Atao Raha Manirery?
    Mifohaza!—2004
  • Fa Maninona Aho no Tsy mba Mana-namana?
    Manontany ny Tanora
  • Nahoana no Be dia Be Ireo Manirery?
    Mifohaza!—2004
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
w94 15/9 p. 21-24

Aza Avela Hanimba ny Fiainanao ny Fahatsiarovan-tena ho Manirery

AFAKA manimba ny fiainan’ny antitra sy ny tanora amin’ny fomba mitovy ny fahatsiarovan-tena ho manirery. Hoy ilay mpanoratra atao hoe Judith Viorst tao amin’ny gazetiboky Redbook: “Mitambesatra ao am-po ny fahatsiarovan-tena ho manirery. (...) Mamela antsika ho tsinontsinona sy hamoy fo ny fahatsiarovan-tena ho manirery. Mahatonga antsika hahatsiaro tena ho tahaka ny zaza kamboty reny sy ho tahaka ny zanak’ondry diso lalana, izay kely aoka izany sady very eo amin’ny tontolo iray midadasika sy tsy miahy aoka izany, ny fahatsiarovan-tena ho manirery.” — Septambra 1991.

Ny fisarahana amin’ireo namana, ny faritra manodidina tsy mahazatra, ny fisaraham-panambadiana, ny famoizana olon-tiana amin’ny fahafatesana, na ny firodanan’ny fifampiresahana — ny karazan-javatra rehetra dia afaka mahatonga anao hahatsiaro tena ho manirery. Na dia rehefa voahodidin’ny olon-kafa aza ny sasany dia mahatsiaro tena ho manirery mafy.

Inona no azonao atao?

Raha tena mamely ny fahatsiarovan-tena ho manirery, tsy maintsy ho ny olona mora voany tsy afa-manoatra fotsiny ve ianao? Afaka manao zavatra ve ianao mba hisakanana ny fahatsiarovan-tena ho manirery tsy hanimba anao miandalana na tsy hanesotra ny fanirianao ho velona? Eny tokoa, afaka manao izany ianao. Be dia be ny torohevitra mahasoa azo raisina. Ary be dia be ny torohevitra tsara omena ao amin’ny Teny ara-tsindrimandrin’Andriamanitra, dia ny Baiboly. Izany fampaherezana izany no mety hilainao indrindra mba hiadiana amin’ny fahatsiarovan-tena ho manirery. — Matio 11:28, 29.

Mety ho hitanao fa mampahery, ohatra, ny mamaky momba an’i Rota, vehivavy tanora izay nipetraka tany Moyen-Orient efa ho 3 000 taona lasa izay. Tena azo inoana fa niaritra fahatsiarovan-tena ho manirery izy. Rehefa maty ny vadiny, dia nandeha niaraka tamin’ny rafozam-baviny mba hipetraka tany amin’ny faritra tsy nahazatra tany Isiraely izy. (Rota 2:11). Na dia tafasaraka tamin’ny fianakaviany sy ireo namany teo aloha aza izy sady vahiny tao an-tanin’olona, dia tsy misy filazana ao amin’ny Baiboly fa hoe navelany handresy azy ny fahatsiarovan-tena ho manirery. Afaka mamaky ny tantarany ao amin’ny bokin’i Rota ao amin’ny Baiboly ianao.

Tahaka an’i Rota, dia mila ny mihazona fomba fijery manorina ianao. Ny fomba iheveranao ireo raharaha sy fisehoan-javatra dia afaka mampitombo ny fahatsiarovan-tena ho manirery. Manamarina izany i Ann, izay nandritra ny efa-taona dia nitaiza ny rainy azon’aretina mampahalemy. Rehefa maty izy io, dia nanjary nahatsiaro tena ho faran’izay nanirery i Ann. “Nahatsiaro tena ho toy ny hoe tao anatin’ny fahabangana aho, tsy nisy vidiny tanteraka — toy ny hoe tsy nisy nila ahy intsony”, hoy izy. “Kanefa niatrika ny zava-misy aho, dia ny hoe niova izao ny fiainako, ary tsapako fa mba hiadiana amin’ny fahatsiarovako ho manirery dia tsy maintsy manaiky sy mampiasa amin’ny fomba tsara indrindra ny toe-javatra nisy ahy izao aho.” Indraindray dia tsy afaka manova ny toe-javatra misy anao ianao, kanefa azo inoana fa afaka manova ny toe-tsainao eo anoloan’izy ireny.

Tsy ny hany ala olana amin’ny fiadiana amin’ny fahatsiarovan-tena ho manirery akory ny misahirana hatrany amin’ny asa hahazoam-balisoa, na dia tena manampy aza izany. Hitan’i Irene, izay nanjary nananotena taorian’ny nanambadiany enim-bolana monja, fa marina izany tamin’ny toe-javatra nisy azy. “Hitako fa namely indrindra ny fahatsiarovan-tena ho manirery rehefa tsy sahirana firy aho”, hoy izy, “koa nifantoka tamin’ny fifandraisana akaiky tamin’ny hafa aho sy tamin’ny fanampiana azy ireny hiezaka handresy an’ireo zava-manahirana azy.” Mitondra fahasambarana ny fanampiana ny hafa, ary afaka mahita zavatra be dia be efaina amin’ny asan’ny Tompo ireo Kristiana mahatsiaro tena ho manirery. — Asan’ny Apostoly 20:35; 1 Korintiana 15:58.

Avelao hanampy ireo namana

Milazalaza an’ireo ankizy mahatsiaro tena ho manirery ho voaratran’ny “tsy fananana namana” ny The New York Times Magazine. (28 Aprily 1991). Olona mahatsiaro tena ho manirery maro, tanora sy antitra, no mahatsiaro ho tsy mana-namana. Tena tombontsoa, noho izany, ny manana ilay fisakaizana marina izay omen’ny kongregasiona kristiana feno fiahiana. Miezaha mafy mba hampitombo ny isan’ireo namanao ao anatin’ny kongregasiona, ary avelao izy ireo hanampy anao amin’izay mety ho fomba azony anampiana. Izany no zavatra iray maha-namana ireo namana: hanome fanohanana amin’ny fotoan’ny fahasahiranana. — Ohabolana 17:17; 18:24.

Tandremo anefa fa mety hanasarotra ny fanampian’ireo namana anao ianao, raha ny marina, noho ny fanaintainana ara-pihetseham-po tsapanao. Amin’ny fomba ahoana? Nanazava toy izao ny mpanoratra atao hoe Jeffrey Young: “Ny olona mahatsiaro tena ho manirery sasany (...) dia mampihemotra an’ireo olona mety ho lasa namana, na amin’ny fitenenana foana fa tsy mamela ny hafa hiteny, na amin’ny filazana zavatra izay mahasosotra na tsy mifanentana. Na amin’ny fomba iray na amin’ny fomba hafa, ny olona mahatsiaro tena ho manirery matetika dia mirona ny hisakantsakana ny fifandraisana akaiky.” — U.S.News & World Report, 17 Septambra 1984.

Indraindray dia mety hanaratsy ny tarehin-javatra ianao amin’ny fitokantokananao amin’ny olon-kafa. Nanao izany i Peter, lehilahy iray teo amin’ny faha-50 taonany. Taorian’ny nahafatesan’ny vadiny, dia nahatsiaro ny tenany ho nihataka tamin’ny hafa izy, na dia naniry ny fanampian’izy ireny aza tao anatiny lalina tao. “Nisy andro sasany”, hoy izy, “tsy nahafahako niatrika ny fiarahana tamin’ny hafa fotsiny, ary tamin’ny farany dia nahatsiaro ny tenako ho nitokantokana tamin’ny olona aho.” Mety hampidi-doza izany. Na dia mahasoa aza ny fe-potoana hitoerana ho irery, dia manimba ny fitokantokanana. (Ohabolana 18:1). Nahatsapa izany i Peter. Hoy izy hoe: “Nandresy izany aho tamin’ny farany, ka niatrika ny tarehin-javatra nisy ahy, ary, niaraka tamin’ny fanampian’ireo namako, dia afaka nanorina indray ny fiainako.”

Aza mihevitra anefa fa manana adidy hanampy ny hafa. Miezaha mba tsy hanjary hahery hitaky. Ekeo amim-pifaliana ny hatsaram-panahy rehetra aseho, ary manehoa fankasitrahana an’izany. Kanefa tadidio koa itỳ torohevitra tsara hita ao amin’ny Ohabolana 25:17 itỳ: “Aza miditra matetika ao an-tranon’ny namanao, fandrao tofoka anao izy, ka ho halany hianao.” Mihevitra izany fampitandremana izany ho zava-dehibe i Frances, izay niatrika fahatsiarovan-tena lalina ho manirery rehefa maty ny vadiny taorian’ny nanambadiana 35 taona. “Aoka ianao hahalala ny antonona amin’izay antenainao”, hoy izy, “ary aza mitaky be loatra amin’ny hafa. Aza mateti-piavy any an-tranon’olona mba hitady fanampiana.”

Miahy i Jehovah

Na dia mandiso fanantenana anao aza ireo namana indraindray, dia mbola afaka manana an’i Jehovah Andriamanitra ho toy ny Namanao ianao. Matokia fa tena miahy anao izy. Hazony ho mafy ny fatokianao azy, ary mitadiava fialofana mandrakariva ao amin’ny fiahiany ombam-piarovany. (Salamo 27:10; 91:1, 2; Ohabolana 3:5, 6). Nanao izany i Rota moabita ary notahina be dia be. Tonga anisan’ny razamben’i Jesosy Kristy mihitsy aza izy! — Rota 2:12; 4:17; Matio 1:5, 16.

Mivavaha tsy tapaka amin’i Jehovah. (Salamo 34:4; 62:7, 8). Hitan’i Margaret fa loharanon-kery lehibe amin’ny fiezahana handresy ny fahatsiarovan-tena ho manirery ny vavaka. Niara-nandray anjara tamin’ny vadiny tamin’ny fanompoana manontolo andro izy mandra-pahafatin’izy io raha mbola tanora. “Hitako mandrakariva fa tsara ny mivavaka amin’ny feo avo ka milaza amin’i Jehovah ny zava-drehetra, ny tahotro sy ny fanahiako rehetra”, hoy izy. “Nanampy ahy hahatakatra ireo tarehin-javatra amin’ny fomba fijery araka ny mety izany rehefa namely ny fahatsiarovan-tena ho manirery. Ary nanome ahy fatokiana ny fahitana fa mamaly ireny vavaka ireny i Jehovah.” Nandray soa be dia be avy tamin’ny fanarahana izao torohevitra nomen’ny apostoly Petera izao izy: “Koa amin’izany manetre tena ambanin’ny tàna-maherin’Andriamanitra, mba hanandratany anareo amin’ny fotoan’andro; ary apetraho aminy ny fanahianareo rehetra; fa Izy no miahy anareo.” — 1 Petera 5:6, 7; Salamo 55:22.

Ny fifandraisana tsara amin’i Jehovah dia hanampy anao hihazona zavatra izay matetika dia verin’ny olona mahatsiaro tena ho manirery: ny fahatsiarovan-tena ho mendrika. Rehefa matin’ny homamiadana ny vadiny, ny mpanao gazety iray atao hoe Jeannette Kupfermann dia nanoratra momba ny “fahatsapana fa ambany ny fahatsiarovan-tena ho mendrika sy ny fahatsapana ho tsy misy vidiny”. Hoy izy hoe: “Io fahatsapana ho tsy misy vidiny io no mitarika vehivavy mananotena maro aoka izany ho amin’ny fahaketrahana mila hitondra ho amin’ny famonoan-tena.”

Tadidio fa mihevitra anao ho sarobidy i Jehovah. Tsy mihevitra izy fa tsy misy vidiny ianao. (Jaona 3:16). Hanohana anao Andriamanitra, tahaka ny nanohanany ny Isiraelita olony tamin’ny andro fahiny. Hoy izy tamin’izy ireo: “Tsy mba nariako [hianao]: Aza matahotra hianao, fa momba anao Aho; ary aza miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao; mampahery anao Aho sady mamonjy anao; eny, mitantana anao amin’ny tànana ankavanan’ny fahamarinako Aho.” — Isaia 41:9, 10.

Aza manome tsiny an’Andriamanitra

Ny tena zava-dehibe indrindra, dia aza manome tsiny an’Andriamanitra amin’ny fahatsiarovanao ho manirery. Tsy tompon’andraikitra amin’izany i Jehovah. Ny fikasany ho anao sy ny taranak’olombelona rehetra, dia izao foana: ny hankamamy fiarahana tsara sy mahafa-po. Fony Andriamanitra namorona an’i Adama, dia nilaza izy hoe: “Tsy tsara raha irery ralehilahy; dia hanaovako mpanampy tandrifiny ho azy izy.” (Genesisy 2:18, fanamarihana ambany pejy). Ary izany no nataon’Andriamanitra fony izy namorona an’i Eva, ilay vehivavy voalohany. Raha tsy noho ny fikomian’i Satana, dia tsy ho nanandrana ny fahatsiarovan-tena ho manirery na oviana na oviana ny lehilahy sy ny vehivavy ary ireo fianakaviana naterany.

Nanome lalana ny fahatsiarovan-tena ho manirery hitombo sy ny fijaliana hafa hitranga, mazava ho azy, ny famelan’i Jehovah ny faharatsiana hisy vetivety. Kanefa, tadidio mazava tsara fa mihelina izany. Toa tsy dia sarotra zakaina ireo fisedrana entin’ny fahatsiarovan-tena ho manirery rehefa jerena amin’ny fahalalana izay hataon’Andriamanitra ho anao ao amin’ny tontolo vaovaony. Mandra-pahatongan’izany, dia hanohana anao sy hampionona anao izy. — Salamo 18:2; Filipiana 4:6, 7.

Afaka manome hery anao ny fahalalana izany. Rehefa nanjary nananotena i Frances (voaresaka teo aloha), dia nahita fampiononana lehibe izy tamin’ireto teny ao amin’ny Salamo 4:8 ireto, indrindra rehefa amin’ny alina: “Handry amin’ny fiadanana aho, ka dia hatory miaraka amin’izay, satria Hianao, Jehovah ô, no mampitoetra ahy mitokana irery tsy manana ahiahy.” Saintsaino ireo fihetseham-po ireo toy izay hita ao amin’ny bokin’ny Salamo. Eritrereto ny fomba iahian’Andriamanitra anao, araka ny voalaza ao amin’ny Salamo 23:1-3.

Ahoana no azo anampiana an’izay mahatsiaro tena ho manirery?

Ny fomba lehibe iray anampiana an’izay mahatsiaro tena ho manirery dia ny fampisehoana fitiavana amin’izy ireo. Imbetsaka ny Baiboly no mampirisika ny olon’Andriamanitra hifaneho fitiavana, indrindra amin’ny fotoan’ny fisedrana. “Mifankatiava araka ny fifankatiavan’ny mpirahalahy”, hoy ny nosoratan’ny apostoly Paoly. (Romana 12:10). Raha ny tena izy, dia izao no lazain’ny Teny ara-tsindrimandrin’Andriamanitra: “Ny fitiavana tsy ho levona mandrakizay”. (1 Korintiana 13:8). Ahoana no azonao ampisehoana fitiavana amin’ireo izay mahatsiaro tena ho manirery?

Tsy handa na hody tsy hahita ny olona mahatsiaro tena ho manirery ireo olona be fiahiana, fa afaka mampiseho kosa ny firaiketam-pony feno fitiavana amin’ny fanampiana azy ireny amim-paharetana isaky ny azo atao izany. Azon’ireo izay be fiahiana atao ny ho tahaka an’i Joba, izay nilaza toy izao: “Namonjy ny ory izay nitaraina aho sy ny kamboty izay tsy nanan-kamonjy. (...) Ary ny fon’ny mpitondratena nampifaliko.” (Joba 29:12, 13). Afaka manao zavatra amin’ny fomba mampiseho fiheverana toy izany ireo loholona voatendry ao amin’ny kongregasiona kristiana sy ireo namana mangoraka, amin’ny fanomezana ireo zavatra fototra ilain’olombelona, dia ny fahatakarana ny fihevitry ny hafa sy ny fitiavana ary ny fampiononana. Afaka mampiseho fahaiza-mipetraka eo amin’ny toeran’ny hafa izy ireo, ary indraindray, dia afaka manome fahafaham-po ny filana hiresaka tsiambaratelo. — 1 Petera 3:8.

Matetika ireo zavatra kely ataon’ireo namana ho an’izay mahatsiaro tena ho manirery dia zava-dehibe indrindra. Ohatra, rehefa mamoy olon-tiana amin’ny fahafatesana ny mpiray finoana iray, dia zavatra mahasoa be dia be no azo atao amin’ny alalan’ny asa mampiseho hatsaram-panahy sy tena fisakaizana. Aza manamaivana ny fanehoana hatsaram-panahy kely, toy ny fanasana hisakafo, fihainoana amim-pahatakarana ny fihevitry ny hafa, na resaka mampahery. Tena mandaitra ireny zavatra ireny amin’ny fanampiana olona iray hiady amin’ny fahatsiarovan-tena ho manirery. — Hebreo 13:16.

Azo inoana fa isika rehetra dia hahita famelezan’ny fahatsiarovan-tena ho manirery indraindray. Kanefa, tsy voatery ho tonga antony mampahory ny fahatsiarovan-tena ho manirery. Fenoy asa misy heviny sy mampiorina ny fiainanao. Avelao hanampy ireo namana rehefa afaka manao izany izy ireo. Matokia an’i Jehovah Andriamanitra. Tadidio tsara itỳ fampanantenana mampahery voarakitra ao amin’ny Salamo 34:19 itỳ: “Maro ny fahorian’ny marina; nefa Jehovah manafaka azy amin’izany rehetra izany.” Mitodiha amin’i Jehovah mba hahazoana fanampiana, ary aza avela hanimba ny fiainanao ny fahatsiarovan-tena ho manirery.

[Efajoro, pejy 24]

FOMBA SASANY IADIANA AMIN’NY FAHATSIAROVAN-TENA HO MANIRERY

▪ Mitoera ho akaiky an’i Jehovah

▪ Mitadiava fampiononana amin’ny famakiana ny Baiboly

▪ Mihazòna fomba fijery kristiana manorina

▪ Aza mitsahatra ny misahirana amin’ny asa misy heviny

▪ Ampitomboy ny isan’ireo namanao

▪ Ataovy ho mora ho an’ireo namana ny hanampy

▪ Aza mitokantokana, fa mambole fitiavana mampiseho fisakaizana

▪ Matokia fa miahy anao i Jehovah

[Efajoro, pejy 24]

NY FOMBA AZONAO ANAMPIANA AN’IZAY MAHATSIARO TENA HO MANIRERY

▪ Manehoa fahatakarana ny fihevitry ny hafa sy fitiavana sady manomeza fampiononana

▪ Manomeza fahafaham-po amin’ny filana hiresaka tsiambaratelo

▪ Mahareta amin’ny fanaovana zavatra kely izay manampy

[Sary, pejy 23]

Na dia teo aza ny toe-javatra sarotra nisy azy, dia tsy misy filazana fa hoe navelan’i Rota hanimba ny fiainany ny fahatsiarovan-tena ho nanirery

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara