Fanontanian’ny Mpamaky
Amin’izao fotoan-tsarotra ara-toe-karena izao, dia mihamaro hatrany ireo olona sy kompania mampiasa ny filazan-tena ho bankirompitra. Mety araka ny Soratra Masina ve ny hamenoan’ny Kristiana iray taratasy ilazany tena ho bankirompitra?
Ny valin’io fanontaniana io dia manome fanazavana mety tsara ny amin’ny fomba anoloran’ny Tenin’Andriamanitra antsika fitarihana mahasoa eo amin’ny raharaha izay mety ho maoderina amin’ny fomba miavaka. Tany maro no manana lalàna mifehy ny filazan-tena ho bankirompitra. Miovaova arakaraka ny tany ireo lalàna ary tsy anjaran’ny kongregasiona kristiana ny manolotra torohevitra araka ny lalàna momba izany. Aoka anefa isika hijery fohy ny amin’ny fandaharana araka ny lalàna momba ny filazan-tena ho bankirompitra.
Ny antony iray mahatonga ny fitondram-panjakana hamela olona na fandraharahana hanambara ny tenany ho bankirompitra dia noho izany manolotra ambaratongam-piarovana ho an’ireo izay mampisambo-bola na manam-bola ampisamborina (tompon-trosa), amin’ireo olona na fandraharahana izay misambo-bola na maka trosa (mpitrosa) kanefa tsy mandoa izay tokony haloany. Ho an’ny tompon-trosa, ny mety ho toa hany fomba hahazoany mitaky ny volany, dia ny fangatahana amin’ny fitsarana mba hanao izay hahatonga ilay mpitrosa hilaza tena ho bankirompitra, ka amin’izay ny fananan’ilay mpitrosa dia azo zaraina ho toy ny fandoavana ampahany amin’ilay trosa.
Fomba hafa iray fiasan’ny filazan-tena ho bankirompitra ny maha-fiarovana azy io ho an’ireo mpitrosa izay tsy afaka manome fahafaham-po amim-pahamarinana ireo tompon-trosany. Mety havela hameno taratasy ilazany tena ho bankirompitra ilay mpitrosa, ka amin’izay dia afaka maka ny sasany amin’ny fananany ireo tompon-trosa. Na dia izany aza anefa, dia mety havelan’ny lalàna hihazona ny tranony na ny fananany madinika sasany izy, ary avy eo dia hanohy hiaina afaka amin’ny fandrahonana famoizana na fakana an-keriny mitohy ataon’ireo tompon-trosany taloha.
Mazava àry fa ireo lalàna ireo dia natao mba hanolorana ambaratongam-piarovana ho an’ny andaniny avy, eo amin’ny fifampiraharahana ara-bola na eo amin’ny fandraharahana. Aoka homarihintsika anefa izay torohevitra mahasoa atolotry ny Baiboly.
Ho sarotra amin’ny olona iray ny hamaky ny Baiboly hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany ka tsy hahatsapa hoe tsy mampirisika ny fidirana amin’ny trosa izy io. Hitantsika ny fampitandremana toy ilay ao amin’ny Ohabolana 22:7 manao hoe: “Ny manan-karena dia manapaka ny malahelo, ary izay misambotra dia mpanompon’izay mampisambotra.”
Tsarovy koa ilay fanoharana nataon’i Jesosy ao amin’ny Matio 18:23-34 izay nahatafiditra mpanompo iray izay nanan-trosa be dia be. “Nasain’ny tompony hamidy izy sy ny vadiny aman-janany mbamin’ny fananany rehetra”, kanefa avy eo dia nangoraka sy naneho famindram-po ilay tompo, izay mpanjaka iray. Rehefa hita fa tsy namindra fo io mpanompo io tatỳ aoriana, dia nodidian’ilay mpanjaka ny ‘hanolorana azy ho amin’ny mpampijaly mandra-pandoany ny trosa rehetra’. Miharihary fa ny lalana tsara indrindra, ny lalana ampirisihana harahina dia ny fanalavirana ny fisamboram-bola.
Nifanao fandraharahana ireo mpanompon’Andriamanitra teo amin’ny Isiraely fahiny, ary indraindray dia nisy ny fisamborana sy fampisamborana. Inona no nasain’i Jehovah nataon’izy ireo? Raha nisy olona naniry ny hisambo-bola mba hanombohana na hanitarana fandraharahana iray, dia araka ny lalàna sy ara-dalàna ho an’ny Hebreo iray ny naka zana-bola. Andriamanitra anefa dia nampirisika ny vahoakany mba tsy ho tia tena rehefa nampisambotra tamin’ny Isiraelita iray sahirana; tsy tokony hanararaotra fahavoazana iray tamin’ny fakana zana-bola izy ireo. (Eksodosy 22:24). Hoy ny Deoteronomia 15:7, 8: “Raha misy malahelo ny rahalahinao (...) [dia] sokafy tsara aminy ny tànanao, ka ampisambory izay ilainy, araka izay mahory azy.”
Hita taratra ny hatsaram-panahy na fanehoam-piheverana toy izany eo amin’ireo fitsipika izay nilaza fa ny tompon-trosa dia tsy afaka naka an-keriny teo amin’ny mpitrosa iray ireo zavatra tena ilaina eo amin’ny fiainana, toy ny fikosoham-barin’ny fianakaviana na lamba nilaina mba hanafana ilay olona tamin’ny alina. — Deoteronomia 24:6, 10-13; Ezekiela 18:5-9.
Mazava ho azy fa tsy ny Jiosy rehetra akory no nanaiky sy nampihatra ny tena hevitr’ireny lalàna nampiseho fitiavana ireny izay avy amin’ny Mpitsara lehibe sy Mpanome lalàna azy. (Isaia 33:22). Ny Jiosy sasany nanana faniriana nihoa-pampana dia nitondra ireo rahalahiny tamin’ny fomba tena henjana. Amin’izao andro izao koa, dia misy tompon-trosa mety ho henjana sy tsy mahalala ny antonona eo amin’ny fitakiany, na dia amin’ny Kristiana iray tso-po izay tsy afa-mandoa vola amin’io fotoana io noho ny sampona nahazo azy aza. (Mpitoriteny 9:11). Amin’ny alalan’ny fanerena tsy milefitra sy feno fitakiana ataony, ireo tompon-trosa eo amin’izao tontolo izao dia mety hanery ny mpitrosa toy izany hiditra ao anatin’ny tarehin-javatra izay heveriny fa mahavoatery azy hiaro tena. Amin’ny fomba ahoana? Amin’ny toe-javatra sasany, ny hany zavatra eken’ireo tompon-trosa dia ilay dingana araka ny lalàna ilazana tena ho bankirompitra. Koa mety hampiasa ny famenoana taratasy ilazana ny tena ho bankirompitra àry ny Kristiana iray izay tsy nanana faniriana mihoa-pampana na nanao tsirambina.
Tokony ho fantatsika anefa ny lafiny ilany amin’ilay raharaha. Mety ho nidiran-trosa ny Kristiana iray satria fotsiny izy tsy nifehy tena teo amin’ny hoe inona sy ohatrinona no laniny na satria izy tsy malina tamin’ny antonona teo amin’ny fanapahan-kevitra nataony momba ny fandraharahana. Tokony tsy ho rototra fotsiny ve izy mikasika ilay trosa ary hitady haingana fanamaivanana amin’ny alalan’ny filazan-tena ho bankirompitra, ka amin’izay dia handratra ny hafa noho ny tsy fahaizany mitsara zavatra? Tsy mankasitraka ny tsy fandraisana andraikitra eo amin’ny raharaha ara-bola toy izany ny Baiboly. Mampirisika ireo mpanompon’Andriamanitra izy io mba hitana ny teniny hoe eny ho eny. (Matio 5:37). Tsarovy koa ny fanazavan’i Jesosy momba ny fanombanana izay ho lany alohan’ny hanorenana tilikambo iray. (Lioka 14:28-30). Mifanaraka amin’izany, dia tokony handinika amim-pisaintsainana izay fiafarana tsy faniry mety hitranga ny Kristiana iray alohan’ny hitrosany vola. Raha vao maka trosa izy, dia tokony hahatsapa ny andraikiny hamerina amin’ireo olona na kompania izay manana vola aminy. Raha nisy olon-kafa maro nahatsikaritra fa tsy mahatsapa andraikitra na tsy mendri-pitokiana ny Kristiana iray, dia nety ho nandoto ilay laza tsara izay efa nilofosany izy ka araka izany dia tsy tsara laza amin’izay eny ivelany intsony. — 1 Timoty 3:2, 7.
Tsarovy izay lazain’ny Salamo 15:4 amintsika mikasika ilay karazan’olona izay raisin’i Jehovah tsara. Izao no vakintsika: “Tsy mivadika amin’ny fianianany [ilay ankasitrahan’Andriamanitra], na dia maningotra ny tenany aza”. Eny, antenain’Andriamanitra ny hitondran’ny Kristiana ireo tompon-trosany toy ny iriny hitondrana ny tenany. — Matio 7:12.
Raha fintinina àry, ny Baiboly dia tsy manilika ny mety hisian’ny hoe ao anatin’ny tarehin-javatra tsy azo anoharana iray ny Kristiana dia mety hampiasa ilay fiarovana atolotry ny lalàn’i Kaisara momba ny filazan-tena ho bankirompitra. Tokony hiavaka anefa ny Kristiana eo amin’ny fanaovana ny marina sy amin’ny fahazoana mitoky aminy. Araka izany, dia tokony ho fakan-tahaka izy ireo eo amin’ny faniriany amim-pahatsorana handoa tanteraka ny adidiny ara-bola.