FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w94 1/10 p. 21-25
  • Tany Ngazana Nanjary Lonaka

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tany Ngazana Nanjary Lonaka
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Lova ara-panahy
  • Fandraisana anjara tamin’ny asa fitoriana
  • Famafazana voa tamin’ny fandehanana an-dranomasina
  • Fanohizana ny fanompoana niaraka tamin’ny vady
  • Fandresena fanoherana
  • Fiaretana fahasahiranana teny an-dranomasina
  • Fanitsiana fanampiny
  • Nanjary lonaka ilay tany
  • Vaky Sambo teo Amin’ny Nosy Iray
    Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
  • Fizarana 2: Vavolombelona any Amin’ny Faritra Lavitra Indrindra Amin’ny Tany
    Vavolombelon’i Jehovah—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra
  • Mitondra fahasambarana ny fatokiana an’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Ilay Sambo Sarobidy Hita Tany Galilia
    Mifohaza!—2006
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
w94 1/10 p. 21-25

Tany Ngazana Nanjary Lonaka

NOTANTARAIN’I ARTHUR MELIN

Andro lohataona nibaliaka tamin’ny 1930 tamin’izay, ary nijoro teo amin’ny fitodian-tsambo teto Prince Rupert, Kolombia Britanika, aho. Raha nitazana ireo sambo nijanona teo amin’ny fanambanin’ny ranomasina aho, dia nanontany tena hoe: ‘Lasa aiza ny rano rehetra?’ Io no fanandraman-javatra voalohany hitako tamin’ny samonta eo amin’ny Moron-tsiraka Andrefan’i Kanada misy ny Pasifika, ka ny haavon’ny ranomasina dia mety hidina hatramin’ny fito metatra ao anatin’ny adiny enina monja. Fa ahoana anefa no nahatonga zazalahin’ny toeram-piompiana tany amin’ireo tanety rakotr’ahitra, ho tonga teo amin’ny moron’ny Oseana Pasifika?

NASAINA mba hanitatra ny tombontsoam-panompoana manontolo andro nataoko ho an’i Jehovah aho tamin’ny fandehanana niaraka tamin’ireo mpiasa rehetra tao amin’ilay sambo atao hoe Charmian. Ny fanendrena anay dia ny mba handray anjara tamin’ny fampitomboana ny asa fitoriana nanaraka ilay moron-tsiraka andrefana lavitra, nanomboka tao Vancouver ka hatrany Alaska. Io faritra lavalava io dia nahaforona ny ankamaroan’ilay fetra an-kilaometatra maron’ny moron-tsirak’i Kolombia Britanika, izay tsy nisy mpidera an’i Jehovah niasa. Ny hany naningana dia antokona mpitory ilay Fanjakana vitsy teto amin’ny tanànan’i Prince Rupert.

May ta hanomboka ilay asa aho ka, vao nidina ny fiarandalamby, dia nitodi-doha avy hatrany nankany amin’ny fitodian-tsambo mba hijery ilay sambo Charmian sy hifankahita amin’ny mpiasa rehetra tao, dia i Arne sy i Christina Barstad. Tsy nisy olona tao amin’ilay sambo, ka dia nandeha aho. Rehefa niverina aho taoriana kokoa tamin’ilay andro, dia tankina. Toy ny hoe nanjary ritra ilay oseana!

Inona anefa no nitarika ho amin’io fanendrena nahaliana io?

Lova ara-panahy

Ny fankasitrahako ireo zavatra ara-panahy dia nanomboka tany an-trano, tany amin’ireo tany lemak’i Alberta, eto Kanada. Ny raiko dia nahita taratasy mivalona iray nosoratan’i Charles Taze Russell tao amin’ny Zion’s Watch Tower Tract Society, ka izany dia nanova lalina ny fiainany. Nanomboka nitory tamin’ireo mpiara-monina taminy i Dada, na dia teo aza ny asany naka fotoana be tao amin’ny toeram-piompiana tao Calmar, any Alberta. Efa tany amin’ny zato taona lasa izany, nandritra ny fiandohan’ireo taona 1890.

Tao anatin’io tokantrano natahotra an’Andriamanitra io no nahaterahako tamin’ny 20 Febroary 1905, zaza fahavalo tamin’ireo mpiray tam-po izay tonga folo tamin’ny farany aho. Nanjary niaraka tamin’ireo Mpianatra ny Baiboly Iraisam-pirenena i Dada sy ny hafa koa tao amin’ny fiaraha-monina soedoà. Tsy ela izy ireo dia nanorina toeram-pivoriana iray izay nantsoina hoe Efitrano Fanjakana tatỳ aoriana. Io no iray tamin’ireo voalohany teto Kanada.

Tsy nisakana anay tsy hanatrika ireo fivoriana kristiana mihitsy ny asa tao amin’ny toeram-piompiana. Ny sasany tamin’ireo fivoriana dia nampisongadina lahateny nataon’ny mpandahateny vahiny nalefan’ny Fikambanana Watch Tower. Ireny lahateny ireny dia nanorina tao aminay faniriana tamim-pahatsorana ny handray anjara tamin’ny asa fitoriana. Ho vokatr’izany, dia saiky ny rehetra tao amin’ny fianakavianay no nandeha tsy nivadika tao amin’ny fahazavan’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly.

Fandraisana anjara tamin’ny asa fitoriana

Aloha be, tamin’ireo taona 1920, dia nomena ny fanendrena ahy voalohany teo amin’ny fitoriana. Nasaina nizara isam-baravarana taratasy fanasana tamin’ny lahateny ampahibemaso aho, tao amin’ny tanànan’i Edmonton. Raha nijoro irery teo aho tamin’izay andro izay, dia nahazo fianarana sarobidy iray: Matokia an’i Jehovah. (Ohabolana 3:5, 6). Toy inona moa ny hafaliako nanatanteraka izany fanendrena ahy voalohany izany niaraka tamin’ny fanampian’i Jehovah!

Nitombo hatrany ny fatokiako ny fandaminan’i Jehovah hita maso sy ny kilasin’ny mpanompony mahatoky sy malina, arakaraka ny nanomezana fahatakarana bebe kokoa ny hevitry ny Teny fahamarinany. Nailika ny maro tamin’ireo fomba amam-panaon’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana, toy ny fankalazana ny Krismasy sy fitsingerenan’ny andro nahaterahana. Tsy nanjary raharaha nahina indrindra intsony ny famonjena ny tena manokana; ho solon’izany, dia nanomboka naka ny toerana lehibe tokony ho nisy azy ny fitoriana ilay Fanjakana. Nisy vokany lalina teo amin’ny fiainako izany rehetra izany. Koa tsy ela taorian’ny nanolorako ny fiainako ho an’i Jehovah tamin’ny 23 Aprily 1923, dia nanao ny fanompoana manontolo andro ho tanjoko aho.

Nandritra ireo ririnina an-tanety rakotr’ahitra, izay nahatratra maherin’ny 18 degre Celsius ambanin’ny zero, dia nitory tany amin’ireo faritra ambanivohitra izahay, niaraka tamin’ny soavaly nitarika kalesy mikorisa amin’ny ranomandry. Indray mandeha aho dia nandany tapa-bolana niaraka tamin’ny antokon’olona iray, tao amin’izay nantsoina tamin’izany hoe asa niaraka tamin’ny trano fiara. Hita fa nahasoa ireny fiara manokana ireny teo amin’ny fitoriana tany amin’ireo toerana an-kalamanjana midadasika eo amin’ireo tanety rakotr’ahitr’i Kanada. Na dia teo aza ny zava-nanahirana ara-bola, ny toetr’andro ratsy sy ny halaviran-dalana nandehanana, dia afaka naharitra tao amin’ny fanompoan’ny mpisava lalana tany Alberta aho, nitsitapitapy nandritra ny telo taona teo ho eo mandra-pahatongan’io andro tsy hay hadinoana tamin’ny 1930 io, rehefa nasaina hanompo tany amin’ny Moron-tsiraka Andrefana misy ny Pasifika aho. Koa satria aho tsy nahalala na inona na inona momba ny ranomasina na ny sambo, dia nanahiran-tsaina ahy ilay fanasana.

Tsy ela taorian’ny nahatongavako teto Prince Rupert dia nahatsiaro tena avy hatrany ho toy ny tany aminay aho niaraka tamin’ireo mpiara-miasa tamiko vaovao teo amin’ilay sambo. Tantsambo za-draharaha ny Rahalahy Barstad, noho izy nanao jono hatao varotra an-taonany maro. Ny enin-taona nanaraka dia fe-potoam-pitoriana fatratra, tamin’ny fivezivezena teo amin’ny ranon’ny moron-tsirak’i Kolombia Britanika, nanomboka teo Vancouver ka hatrany Alaska. Nisy fianarana hafa iray azo: Ekeo foana ny fanendrena avy amin’i Jehovah, ary aza misalasala mihitsy.

Famafazana voa tamin’ny fandehanana an-dranomasina

Ny seranana voalohany nijanonanay kely tamin’io lohataonan’ny 1930 io dia i Ketchikan, any Alaska, ka naondranay tao ny zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly 60 baoritra. Nandritra ny herinandro maromaro izahay dia nitsidika ireo trano rehetra tao Ketchikan, tao Wrangell, tao Petersburg, tao Juneau, tao Skagway, tao Haines, tao Sitka, ary tany amin’ireo vohitra kely nitsitokantokana. Nanaraka izany izahay dia nitory tany amin’ny moron-tsiraka manontolon’i Kolombia Britanika, ka namita izany talohan’ny faran’ny fahavaratra. Voatsidika ireo kitranotrano vao natsangana lavitra be, ireo toby fanaovana trondro am-bifotsy, ireo vohitra nisy ny Peaux-Rouges, ireo tanàna kely ary koa ireo mpila ravinahitra sy mpikapa hazo nitokana. Indraindray dia mafy ny nandao ireo mpiandry fara ( phare) nanirery izay nandray tsara ny olona azony niresahana.

Tatỳ aoriana ny Fikambanana dia nanome anay grafofona azo entina sy lahateny momba ny Baiboly noraisim-peo tanaty kapila. Nitondra azy ireny niaraka taminay izahay. Matetika izahay no voatery nitondra azy ireny, mbamin’ny boky sy Baiboly ary gazety, rehefa nandadilady teo ambonin’ireo vatolampin’ny moron-tsiraka. Nandritra ny fisintonan’ny ranomasina, dia voatery nisarika azy ireny izahay indraindray niakatra tohatra nangozohozo nankeo amin’ny fametrahan’entan’ny seranana nideza. Faly aho noho ny fanazaran-tena ara-batana azoko tamin’ny fahatanorako, tamin’ny niasako tany amin’ny toeram-piompiana tany amin’ireo tanety rakotr’ahitra.

Ilay fanamafisam-peo teo amin’ny sambonay dia nampiasaina ho toy ny fitaovana mahery mba hampielezana ny vaovaon’ilay Fanjakana. Koa satria namerina ny onjam-peo ny rano, ireo lahateny noraisim-peo dia matetika re hatrany amin’ny kilaometatra maro manodidina. Indray mandeha, raha niantsona teo amin’ny helodrano nitokana tao amin’ny Nosy Vancouver izahay, dia nandefa ny iray tamin’ireny lahateny momba ny Baiboly ireny. Ny ampitson’iny dia nisy olona nipetraka tany afovoan-tany nilaza taminay tamim-pihetseham-po fatratra hoe: “Omaly izahay dia nandre toriteny avy tany an-danitra nivantana!”

Tamin’ny tarehin-javatra hafa iray dia nisy mpivady be taona nilaza fa nandre mozika nidina avy tao amin’ny fivoahan-tsetroky ny tranony, kanefa rehefa nivoaka tany ivelany izy ireo, dia tsy nandre na inona na inona. Rehefa niverina tao an-trano izy ireo dia nandre feo. Ahoana no nahatonga izany? Raha tao ivelany izy ireo dia teo am-panovana ny kapila izahay. Nandefa mozika aloha izahay mba hanintonana ny sain’ny olona, avy eo dia nandefa lahateny momba ny Baiboly.

Tamin’ny tarehin-javatra hafa iray koa, fony izahay niantsona teo akaikin’ny nosy iray nisy vohitra nisy Peaux-Rouges, dia tonga, nivoy lakana mba hijery izay niavian’ireo feo ny zazalahy teratany roa. Nihevitra ny sasany tao amin’ilay nosy fa feon’ireo havany maty izay velona indray izany!

Tsy nahalana ny fametrahana boky zato tao anatin’ny andro iray tamin’ireo izay niasa tany amin’ny fanaovana trondro am-bifotsy lavitra be. Noho ny havitsian’ny fialam-boliny, dia nanana fotoana hieritreretana zavatra ara-panahy izy ireo. Tatỳ aoriana dia maro tamin’ireny olona nitokana ireny no tonga Vavolombelona. Tamin’ireo dia lavitra nanaraka, dia tsy andrinay ny hitsidihana azy ireo mba hisian’ny “fifanakalozana fampaherezana”. — Romana 1:12, NW.

Fanohizana ny fanompoana niaraka tamin’ny vady

Tamin’ny 1931, dia nanambady an’i Anna, rahavavin’i Christina Barstad, aho. Avy eo izahay dia nanohy ny asan’ny mpisava lalana tao amin’ilay sambo ary nahita fanandraman-javatra nahafa-po maro nandritra ireo taona. Ny trozona sy ny otaries, ny phoques, ny lambon-driaka (dauphin) sy ny diera sy ny bera ary ny voromahery no namanay teo amin’ny manodidina nisy tendrombohitra manerinerina, helodrano takontakona, ary helodranomasina voaro sy nilamina, izay rakotr’ala nisy sedera sy hazo kesika ary hazo kesika Douglas goavam-be. Imbetsaka izahay no nanampy diera reraka sy ny zanany teo am-piezahan’izy ireo nilomano niampita renirano lalina nandeha mafy mba handosirana biby mpiremby.

Indray tolakandro dia nahamarika voromahery fahita atỳ Amerika Avaratra izahay. Nanidina ambany izy io namakivaky ny rano, ny vahohony nihazona mafy saumon chinook iray (trondro lehibe mena nofo). Lehibe loatra ilay trondro ka tsy voainga tanteraka ivelan’ny rano, hany ka nitodi-doha nankeny amin’ny morony ilay voromahery niaraka tamin’ilay saumon. Nahita izay nety hitranga i Frank Franske, anisan’ny mpiasa tao amin’ilay sambo, ka nihazakazaka nanaraka ny moron-drano izy mba hitsena ilay voromahery efa reraka ary nampiaiky azy mba hamela ilay hazany. Tamin’io takariva io dia nahazo sakafo hariva saumon natsiro izahay mpisava lalana rehetra niasa tao amin’ilay sambo, ary ilay voromahery dia nianatra nizara, na dia tsy an-tsitrapo aza izany.

Teo amin’ny nosy kely iray any amin’ny farany avaratry ny Nosy Vancouver, dia nisy mpivady nantsoina hoe Thuot nanaiky ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Tsy nahay namaky teny ralehilahy izay olona nanana fahatapahan-kevitra hentitra sy nahaleo tena teo amin’ny faha-95 taonany ary ny vadiny teo amin’ny faha-85 taonany. Liana aoka izany tamin’ny fahamarinana anefa ilay rangahy ka nanetry tena ary namela ny vadiny hampianatra azy hamaky teny. Tsy ela dia afaka nianatra samy irery ny Baiboly sy ireo zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana izy. Tsy ampy telo taona tatỳ aoriana, dia faly aho nanao batisa azy mivady tany amin’ny nosin’izy ireo lavitra be, ka ny lakanay no nampiasaina ho dobo fanaovana batisa!

Faly koa izahay nahita ny fianakaviana Sallis, tany amin’ny tanànan’i Powell River, nandray tsara ny hafatra momba ilay Fanjakana. Namaky ilay bokikely hoe Ady sa Fandriampahalemana — Iza Amin’ireo? (anglisy) i Walter ary fantany avy hatrany fa marina izay noraketin’ilay bokikely. Tao anatin’ny fotoana fohy ilay fianakaviana manontolo dia niaraka tamin’i Walter tao amin’ny laharan’ny mpisava lalana tao Vancouver, dia toerana izay nampiantsonanay an’i Charmian tamin’ny ririnina. Hita fa tena be zotom-po izy ary nandritra ireo taona dia nanao izay hahatonga ny tenany hankamamin’ny fitambarana manontolon’ireo rahalahy tao amin’ny faritr’i Vancouver izy. Nahavita ny fihazakazahany teto an-tany izy tamin’ny 1976, namela tao aoriany fianakaviam-be nisy Vavolombelona.

Fandresena fanoherana

Sosotra tamin’ny asanay matetika ny klerjy tao amin’ireo vohitra nisy Peaux-Rouges, nihevitra anay ho mpanjono tsy nahazo lalana teo amin’ny faritra ara-panahy notapahin’izy ireo. Tao Port Simpson, ny mpitondra fivavahana teo an-toerana dia nitaky tamin’ilay ben’ny tanàna mba handrara ny fitsidihanay tany amin’ireo trano. Nifandray tamin’ilay ben’ny tanàna izahay ary nanontany azy raha noheveriny fa ara-drariny ny nanakilasian’ilay mpitondra fivavahana ny vahoakany ho vendrana loatra ka tsy afaka nanao fanapahan-kevitra ho an’ny tenany. Nanipy hevitra izahay mba hanomezana ny vahoakany fahafahana handre dinidinika momba ny Tenin’Andriamanitra ka hanapa-kevitra manokana ny amin’izay tiany hinoana. Ny vokany: Nanome anay lalana hanohy ny fitoriana tao amin’ilay vohitra izy.

Nandritra ny am-polony taona maro, dia nisy ben’ny tanàna hafa iray nahavita nanohitra tamim-pahombiazana ny fanandramana rehetra nataon’ireo mpikambana tao amin’ny konsily sy ireo antokon’olona mpivavaka mba hisakanana ny Vavolombelona tsy hifandray tamin’ny vahoakany. “Raha mbola izaho koa no filoha”, hoy izy, “dia raisina tsara eto ny Vavolombelon’i Jehovah.” Marina fa tsy noraisina tsara foana izahay na taiza na taiza, kanefa na dia teo aza ny fanoherana, dia tsy noterena handao ny faritra iray mihitsy izahay. Araka izany, dia afaka nanatanteraka ny fanompoanay izahay isaky ny niantsona.

Fiaretana fahasahiranana teny an-dranomasina

Nandritra ireo taona, dia niatrika fahasahiranana izahay tamin’ny tafio-drivotra, tamin’ny samonta, tamin’ireo vatolampy tsy hita teo amin’ny sarintany, ary indraindray tamin’ny fahavoazan’ny maotera. Indray mandeha izahay dia nentin’ny riaka akaiky loatra ny Nosy Lasqueti, sahabo ho 160 kilaometatra any avaratr’i Vancouver. Voatana kelikely teo amin’ny haram-bato izahay, tratran’ny fisintonan’ny ranomasina, ka niankina tamin’ny toetr’andro sisa ny fahafahanay tamin’ny loza. Raha nivadika ho ratsy ny toetr’andro, dia ho montsamontsana teo amin’ny vatolampy ilay sambo. Izahay rehetra dia samy nandadilady teo amin’ny vatolampy ary nanao izay azonay natao tao amin’ilay tarehin-javatra ratsy nisy anay. Nisakafo antoandro izahay, nandany fotoana tamin’ny fianarana, ary dia niandry ny hahatongavan’ny samonta indray.

Na dia teo aza ny loza nety ho nitranga sy ny zava-nanahirana maro, dia fiainana nahasalama sy sambatra izany. Nitondra fiovana lehibe anefa ny nahaterahan’ny zanakay roa lahy. Nanohy niaina tao amin’ilay sambo izahay, saingy isaky ny nandeha tany amin’ny farany avaratra toa an’ny Renirano Oona izahay, dia nijanona tany amin’ny ray aman-dreniny i Anna sy ireo zanakay lahy, fa ny sisa taminay nanohy nianavaratra kokoa nankany Alaska. Avy eo, rehefa niverina tany atsimo izahay, dia namonjy anay indray i Anna sy ireo ankizy.

Tsy tsaroako hoe mba nitaraina na tsy nahazaka ny dia ireo ankizy. Nanisy gilet de sauvetage tamin’ny fotoana rehetra izy ireo, ary indraindray dia nofatoranay tady mihitsy aza nanodidina azy. Eny, nisy fotoana nampihenjana sasany.

Fanitsiana fanampiny

Tamin’ny 1936, dia voatery niala tao amin’i Charmian izahay, ary nahita asa fivelomana aho. Tatỳ aoriana dia nahazo zanakalahy fahatelo izahay. Rehefa afaka kelikely dia nividy sambo fanjonoana aho, ka tsy natao ho antom-pivelomana fotsiny izy io fa namela anay hanohy ny asa fitoriana nanaraka ny moron-tsiraka koa.

Nanorim-ponenana teo amin’ny Nosy Digby izahay, ampitan’ny helo-dranomasina raha avy etỳ Prince Rupert, ary tsy ela dia niforona ny kongregasiona kely iray. Nandritra ny Ady Lehibe Faharoa, rehefa voarara ny asa fitorian’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Kanada, dia nindrana sambo nankatỳ Prince Rupert izahay taorian’ny misasakalina, ary dia “nanafika tanteraka” ilay faritany, namela zavatra vita an-tsoratra isan-trano. Tsy nisy mihitsy nitantara ireo fitanay tamin’ny misasakalina mba hizara zavatra vita an-tsoratra voarara!

Nanjary lonaka ilay tany

Tsikelikely dia nisy olona bebe kokoa niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, ary tamin’ny 1948 dia niharihary fa nilaina ny Efitrano Fanjakana teto Prince Rupert. Rehefa avy nividy tranon’ny tafika teny ampitan’ny seranan-tsambo izahay, dia nandrava azy io, nampita azy io teny ambony zahatra, ary avy eo dia nitondra azy tamin’ny kamiao teny amin’ny toeram-panorenana. Nitahy ny asa mafy nataonay i Jehovah, ary dia nanana ny Efitrano Fanjakananay manokana izahay.

Niditra indray tao amin’ny laharan’ny mpisava lalana aho tamin’ny 1956, ary nanaraka ahy i Anna tamin’ny 1964. Niasa tamin’ny alalan’ny sambo nanaraka ny Moron-tsiraka misy ny Pasifika indray izahay. Nandritra ny fotoana kelikely dia nandray anjara tamin’ny asan’ny fizaran-tany izahay, nitsidika kongregasiona nanomboka tany amin’ireo Nosy Queen Charlotte niantsinanana namakivaky tendrombohitra ka hatrany amin’ny Farihy Fraser, ary tatỳ aoriana dia hatrany Prince George sy Mackenzie. Nandritra ireo taona, dia nanao dia lavitra nanerana ny Pasifika avaratra-andrefana izahay, an’arivony kilaometatra maro, tamin’ny fiarakodia sy sambo ary fiaramanidina.

Nanohy nahita fanandraman-javatra tsara dia tsara teo amin’ny fanompoana izahay teto Prince Rupert. Izahay sy i Anna dia samy efa niara-nianatra tamin’olona izay nanatrika ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Watchtower tatỳ aoriana, ka nanompo tamin’ny naha-misionera tany an-tanin’olona taorian’izany. Fifaliana toy inona moa ny nahita ireo zanakay ara-panahy nitondra ny hafatra sarobidy momba ilay Fanjakana tany an-tany lavitra!

Samy efa maherin’ny 80 taona izao izahay roa ary miady amin’ny fahasalamana mihasimba, kanefa dia mbola faly ihany izahay eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Ireo hakanton-javatra voajanahary hitanay tany Alaska sy Kolombia Britanika dia mampitamberina fahatsiarovana mamy. Mbola mitondra fifaliana lehibe kokoa anefa ny fahitana ilay efitra ngazana ara-panahy taloha teo amin’io faritra midadasika io mamony kongregasiona maro misy mpidera an’i Jehovah ankehitriny.

Nahafaly anay indrindra koa ny nahita ireo zanaka naterakay, ary koa ireo zanakay ara-panahy, mihalehibe ary mankalaza an’i Jehovah. Faly izahay fa nanana anjara kely tamin’ny fitomboana ara-panahy tao amin’io faritra eto amin’ny tany io. I Alaska, ohatra, izao dia manana ny biraon’ny sampany manokana izay mandrindra ny asan’ny kongregasiona maherin’ny 25.

Teto Prince Rupert izahay dia nanana tombontsoa nitokana Efitrano Fanjakana vaovao kanto iray tamin’ny 1988, tena ao afovoan-tanàna mihitsy. Eny, faly izahay, toy ny nataon’i Isaia rehefa nilaza hoe: “Nampitombo ny firenena Hianao, Jehovah ô, (...) ka nahazo voninahitra ho Anao; nitarinao halalaka avokoa ny faritry ny tany.” — Isaia 26:15.

[Sary, pejy 21]

Nanompo teo amin’ny asan’ny fizaran-tany tamin’ny 1964-1967

[Sary, pejy 24]

Ilay karazan-tsambo nampiasaina teo amin’ny fitoriana nanaraka ny moron-tsiraka

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara