Ny Fandavana An’Andriamanitra Amin’izao Taonjato Faha-20 Izao
“Manaiky tsy satry ny hevitra ny amin’ny tsy fisian’Andriamanitra ny olona sady mandamina ny fiainany amin’ny fomba tsy miankina aminy, na manao ahoana na manao ahoana ny vokany, ary amin’ny fomba tsy manisy fiheverana an’Andriamanitra.” — One Hundred Years of Debate Over God — The Sources of Modern Atheism.
NA DIA manaitra aza amin’ny voalohany ny hazo mijoalajoala iray, dia heverina ho toy ny fahita izy io amin’ny farany. Mahazatra ny maha-eo azy io; tsy mahatahotra intsony ny haavony.
Mitovy amin’izany ny tsy finoana an’Andriamanitra. Na dia niteraka ady hevitra be aza ny fandavana ny fisian’Andriamanitra nandritra ny taonjato faha-19, dia tsy manafintohina no sady tsy manelingelina izy io amin’izao andro izao. Nanome lalana ny tsy finoana an’Andriamanitra hiara-mitoetra sy hiara-misy amim-pilaminana amin’ny finoana an’Andriamanitra ny vanim-potoan’ny fileferana iray.
Tsy hoe mandà an’Andriamanitra tanteraka ny ankamaroan’ny olona; mifanohitra amin’izany, ireo vokatra azo tamin’ny fitsapana hevi-bahoaka avy tany amin’ny tany 11 manerana ireo tanin’i Amerika sy i Eoropa ary i Azia dia mampiseho fa, amin’ny antsalany, dia mahery kelin’ny 2 isan-jato no mitonona ho tsy mpino an’Andriamanitra. Na dia izany aza, dia miely ny toe-tsaina iray mampiseho tsy finoana an’Andriamanitra — na dia eo amin’ireo olona maro izay mino ny fisian’Andriamanitra mihitsy aza. Ahoana no mahatonga izany?
Fandavana ny fahefan’Andriamanitra
“Indraindray ny tsy finoana an’Andriamanitra dia mifandray fotsiny amin’ny fitsipahana na ny tsy firaharahana an’Andriamanitra eo amin’ny atao”, hoy ny fanamarihan’ny The Encyclopedia Americana. Noho izany antony izany, dia manome izao famaritana faharoa manaraka izao momba izay atao hoe “tsy mpino an’Andriamanitra” ny The New Shorter Oxford English Dictionary: “Olona iray izay mandà an’Andriamanitra eo amin’ny lafiny ara-pitondran-tena; olona iray tsy manaiky an’Andriamanitra.” — Izahay no manao sora-mandry.
Eny, ny tsy finoana an’Andriamanitra dia mety hahafaoka fandavana, na ny fisian’Andriamanitra na ny fahefany, na izy roa miaraka. Te hilaza ny amin’izany toe-tsaina mampiseho tsy finoana an’Andriamanitra izany ny Baiboly ao amin’ny Titosy 1:16: “Manaiky fa mahalala an’Andriamanitra izy, nefa mandà Azy amin’ny asany”. — Ampitahao amin’ny Salamo 14:1.
Nanomboka tamin’ilay mpivady olombelona voalohany izany fitsipahana ny fahefan’Andriamanitra izany. Nanaiky ny fisian’Andriamanitra i Eva; saingy naniry ny ‘ho tahaka an’Andriamanitra izy, hahalala ny tsara sy ny ratsy’. Ny tian’izany holazaina dia hoe ho afaka ny ‘ho tompon’ny tenany samirery’ izy ary hamorona ny fehezan-dalàna ara-pitondran-tena azy samirery. Niaraka tamin’i Eva tamin’izany fandavana ny fahefan’Andriamanitra izany i Adama tatỳ aoriana. — Genesisy 3:5, 6.
Miely ve io toe-tsaina io amin’izao andro izao? Eny. Miharihary eo amin’ny fikatsahana tsy fiankinana ny tsy finoana an’Andriamanitra an-kolaka iray. “Sasatry ny miaina eo ambany fanaraha-mason’Andriamanitra ny olona amin’izao andro izao”, hoy ny fanamarihan’ilay boky hoe One Hundred Years of Debate Over God — The Sources of Modern Atheism. “Aleony miaina ao anatin’ny fahafahana.” Ny fehezan-dalàna ara-pitondran-tena ao amin’ny Baiboly dia tsipahina ho toy ny tsy azo ampiharina sy tsy mifanaraka amin’ny zava-misy. Ny fomba fisainan’ny olona maro dia misy itoviana be dia be amin’ny an’ilay Farao egyptiana izay nanambara toy izao tamim-pihantsiana: “Iza moa Jehovah, no hekeko teny (...)? tsy fantatro izay Jehovah”. Nitsipaka ny fahefan’i Jehovah izy. — Eksodosy 5:2.
Ny fandavan’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana an’Andriamanitra
Ny fandavana ny fahefan’Andriamanitra manafintohina indrindra dia avy amin’ny klerjin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana, izay nanolo ireo fahamarinana madion’ny Baiboly tamin’ireo lovantsofina nataon’olombelona. (Ampitahao amin’ny Matio 15:9.) Fanampin’izany, dia nanohana ireo ady nandatsahan-dra be indrindra tamin’izao taonjato faha-20 izao izy ireo, ka araka izany, dia nitsipaka ilay didy ara-baiboly mba haneho fitiavana marina. — Jaona 13:35.
Nanda an’Andriamanitra koa ny klerjy tamin’ny fandavana tsy hanaraka ireo fari-pitsipi-pitondran-tena takiny — araka ny porofoin’ireo fitoriana tsy an-kijanona any amin’ny fitsarana an’ireo pretra mpandry amin’ny ankizy, ohatra. Mitovy amin’ny an’i Isiraely sy i Joda fahiny ny toe-javatra misy ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana. “Feno ran’olona nalatsaka ny tany, sady feno fitsarana miangatra ny tanàna”, hoy ny voalaza tamin’i Ezekiela mpaminany, “satria hoy izy: Jehovah efa nahafoy ny tany, ary Jehovah tsy mahita”. (Ezekiela 9:9; ampitahao amin’ny Isaia 29:15.) Tsy mahagaga raha olona maro no nandao tanteraka an’ireo fiangonana ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana! Kanefa tsy maintsy mandao ny finoana an’Andriamanitra ve izy ireo?
Antony marim-pototra ho an’ny tsy finoana an’Andriamanitra ve?
Na nahamarika ny fihatsarambelatsihin’ny fivavahana izy ireo na tsia, dia tsy mpino an’Andriamanitra maro no tsy afaka tsotra izao mampifanaraka ny finoana an’Andriamanitra amin’ny fijaliana eo amin’izao tontolo izao. Nilaza toy izao indray mandeha i Simone de Beauvoir: “Mora kokoa tamiko ny nieritreritra tontolo iray tsy misy mpamorona noho ny nieritreritra mpamorona iray vesaran’ireo fifanoheran-javatra rehetra eo amin’izao tontolo izao.”
Moa ve ireo tsy rariny eo amin’izao tontolo izao — anisan’izany izay nampirisihan’ireo mpanaraka fivavahana mpihatsaravelatsihy — manaporofo fa tsy misy Andriamanitra? Hevero izao: Raha ampiasaina mba handrahonana, handratrana na hamonoana mihitsy aza, olona iray tsy manan-tsiny ny antsy iray, manaporofo ve izany fa tsy nisy nanao ilay antsy? Tsy mampiseho kosa ve izany fa nampiasaina tamin’ny fomba ratsy ilay zavatra? Toy izany koa, ny ankamaroan’ny fahorian’ny olombelona dia manome porofo fa mampiasa amin’ny fomba tsy mety ireo fahaizana nomen’Andriamanitra azy, ary koa ny tany mihitsy, ny olombelona.
Mihevitra anefa ny sasany fa tsy araka ny lojika ny hinoana an’Andriamanitra, satria tsy afaka mahita azy isika. Kanefa ahoana ny amin’ny rivotra sy ireo onjam-peo ary fofon-javatra? Tsy afaka mahita an’ireny zavatra ireny isika, kanefa fantatsika fa misy izy ireny. Mampahafantatra antsika izany ny havokavotsika sy ny sofintsika ary ny orontsika. Azo antoka fa mino ny amin’izay tsy mety ho hita isika raha manana porofo.
Rehefa avy nandinika ny porofo fizika — anisan’izany ireo elekitrôna, prôtôna, ataoma, asidra amine, sy ny atidoha be kojakojany — ilay manam-pahaizana amin’ny siansa momba ny natiora atao hoe Irving William Knobloch, dia voatery nilaza toy izao: “Mino an’Andriamanitra aho satria amiko, ny fisian’Andriamanitra no hany fanazavana araka ny lojika ho an’ny maha-izy ireo zavatra.” (Ampitahao amin’ny Salamo 104:24.) Toy izany koa, ilay manam-pahaizana momba ny fiziolojia atao hoe Marlin Books Kreider dia nanambara toy izao: “Amin’ny maha-olombelona tsotra ahy, ary koa amin’ny maha-olona manokana ny fiainany ho amin’ny fianarana sy ny fikarohana siantifika ahy, dia tsy manana fisalasalana velively aho ny amin’ny fisian’Andriamanitra.”
Tsy ireo lehilahy ireo ihany no mino ny fisian’Andriamanitra. Araka ny nolazain’i Henry Margenau, profesora momba ny fizika, “raha heverinao ireo mpahay siansa faran’izay mahay, dia tsy hahita afa-tsy tsy mpino an’Andriamanitra vitsy dia vitsy ianao eo anivon’izy ireo”. Na ny fandrosoan’ny siansa, na ny tsy fahombiazan’ny fivavahana, dia tsy tokony hanery antsika handao ny finoana ny Mpamorona iray. Aoka hodinihintsika ny antony.
Ny tsy fitovian’izany amin’ny fivavahana marina
Tamin’ny 1803, i Thomas Jefferson, prezidàn’i Etazonia, dia nanoratra toy izao: “Manohitra tokoa ireo faharatsian’ny Kristianisma aho; fa tsy ireo fotopoto-pitsipika marina napetraky ny tenan’i Jesosy mihitsy.” Eny, misy fahasamihafana eo amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana sy ny Kristianisma. Miorina eo amin’ny lovantsofin’olombelona ny ankamaroan’ireo zavatra inoan’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana. Mifanohitra amin’izany, ny Kristianisma marina dia manorina ireo zavatra inoany eo amin’ny Baiboly irery ihany. Araka izany, i Paoly dia nanoratra tamin’ireo Kolosiana tamin’ny taonjato voalohany fa tokony handray “fahalalana araka ny marina” sy “fahendrena” ary “fahatakaran-javatra ara-panahy” izy ireo. — Kolosiana 1:9, 10, NW.
Izany no tokony hantenaintsika avy amin’ireo Kristiana marina, satria nandidy ireo mpanara-dia azy toy izao i Jesosy: “Ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy (...) sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo”. — Matio 28:19, 20.
Amin’izao andro izao, ny Vavolombelon’i Jehovah dia manatanteraka io didy io any amin’ny tany 231 manerana izao tontolo izao. Nandika ny Baiboly ho amin’ny fiteny 12 izy ireo sady nahavita pirinty azy io maherin’ny 74 000 000. Ambonin’izany, amin’ny alalan’ny fandaharana iray fampianarana ny Baiboly any an-tokantrano, izy ireo ankehitriny dia manampy olona maherin’ny 4 500 000 mba ‘hitandrina izay rehetra nandidian’i Jesosy’.
Io fandaharam-pampianarana io dia misy vokany mahataka-davitra. Mitondra ny tena fanazavana izy io, satria miorina, tsy eo amin’ny fiheveran’ny olona, fa eo amin’ny fahendren’Andriamanitra. (Ohabolana 4:18). Ankoatra izany, dia manampy ny olona avy amin’ny firenena sy ny firazanana rehetra izy io mba hanao zavatra izay tsy azon’ny “Fanazavana” avy amin’ny olona tanterahina na oviana na oviana — hitafy “toetra vaovao” izay mamela azy ireo hampitombo fitiavana marina eo amin’izy samy izy. — Kolosiana 3:9, 10.
Mandresy ny fivavahana marina eo amin’izao taonjato faha-20 misy antsika izao. Tsy mandà an’Andriamanitra — na ny fisiany na ny fahefany — izy io. Manasa anao izahay mba hijeren’ny tenanao mihitsy izany amin’ny fitsidihana ireo Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny iray amin’ireo Efitrano Fanjakanany.
[Efajoro, pejy 6]
FANAMAFISANA IREO FOTOTRY NY TSY FINOANA AN’ANDRIAMANITRA
Teo antenatenan’ny taonjato faha-18, ilay filozofa atao hoe Denis Diderot dia nasaina nandika avy tamin’ny teny anglisy ho amin’ny teny frantsay, firaketana (encyclopédie) nahaforona boky iray. Kanefa, nahavita nihoatra lavitra noho izay nantenain’ilay mpampiasa azy izy. Nandany tokony ho telopolo taona teo ho eo i Diderot tamin’ny fanambàrana ilay Encyclopédie nosoratany, asa soratra iray nahavitana boky 28 izay nahasarika ny fironana ara-tsaina nanjaka tamin’ny androny.
Na dia nirakitra fanazavana azo ampiharina be dia be aza ilay Encyclopédie, dia teo amin’ny fahendren’olombelona no nifantohany. Araka ny nolazain’ilay fitambaram-boky atao hoe Great Ages of Man, izy io dia “sahy nanohana ilay fanekem-pinoana tafahoatra [nananan’ireo filozofa] hoe ho afaka hanatsara ny anjarany ny olona, raha toa izy ka nanolo ny finoana tamin’ny fahaiza-misaina ho toy ny fotopoto-pitsipika nitari-dalana azy”. Hita miharihary fa tsy nisy firesahana an’Andriamanitra tao. “Tamin’ny fifidianany ireo foto-kevitra”, hoy ilay boky hoe The Modern Heritage, “ireo mpampanonta dia nampiseho mazava fa tsy iray tamin’ireo zavatra nilain’ny olona hofantarina ny fivavahana.” Tsy mahagaga raha niezaka nanafoana ilay Encyclopédie ny fiangonana. Niampanga azy io ho manana fironana hanimba ny politika sy ny fari-pitondran-tena ary ny fivavahana ny minisitry ny fitsarana.
Na dia teo aza ireo fahavalony, ilay Encyclopédie nataon’i Diderot dia nangatahin’ny olona tokony ho 4 000 — isa nahagaga rehefa heverina ny vidiny nidangana be. Niandry fotoana fotsiny ny fitomboan’io fiheverana niafina tao ambadika io, izay nampiseho tsy finoana an’Andriamanitra, mba ho tonga fandavana an’Andriamanitra nahatratra ny fivelarany feno.