FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w95 1/1 p. 20-23
  • Harena Iray Tsy Hay Tombanana Hozaraina

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Harena Iray Tsy Hay Tombanana Hozaraina
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny ohatra nampirisika nomen’i Neny
  • Fizarana manontolo andro ny harenanay
  • Fanatratrarana tanjona iray
  • Tany Malta sy Libya
  • Toerana vaovao nanendrena
  • Toeram-pikarakarana ny boka
  • Notohanan’ilay harena
  • Nampianarin’i Jehovah Hanao ny Sitrapony Aho
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
  • Mitondra fitahiana ny fahaiza-mampiantrano vahiny any Melita
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Fampifantohana Hatrany ny Maso sy ny Fo Amin’ny Loka
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • Tapa-kevitra Hanompo ny Mpamorona Foana Aho
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
w95 1/1 p. 20-23

Harena Iray Tsy Hay Tombanana Hozaraina

NOTANTARAIN’I GLORIA MALASPINA

Rehefa tsy tazana intsony ny moron-tsirak’i Sicile, dia nanomboka nampifantoka ny sainay tamin’ny toerana halehanay izahay mivady, dia ny nosin’i Malta ao Mediterane. Fahatsinjovan-javatra mampientam-po toy inona moa izany! Teo amim-pamakivakin’ny sambo ny ranomasina, dia nieritreritra ny amin’ny fanandraman-javatra hitan’ny apostoly Paoly tany Malta tamin’ny taonjato voalohany izahay. — ASAN’NY APOSTOLY 28:1-10.

TAONA 1953 tamin’izay, ary tsy neken’i Malta ho ara-dalàna ny asa fitorian’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany. Herintaona talohan’izay, dia nahazo diplaoma avy tamin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Watchtower izahay ary voatendry hankany Italia. Taorian’ny fotoana fohy monja nianarana ny fiteny italiana, dia liana mafy hahita izay niandry anay tany Malta izahay.

Ahoana no nahatonga ahy, vehivavy tanora, ho misionera tany an-tany hafa? Aoka aho hanazava.

Ny ohatra nampirisika nomen’i Neny

Fony ny fianakavianay nipetraka tany Fort Frances, Ontario, Kanada, tamin’ny 1926, dia nandray ilay bokikely hoe Olona An-tapitrisany Maro Velona Ankehitriny no Tsy ho Faty Mihitsy (anglisy) avy tamin’ny Mpianatra ny Baiboly iray (anarana nahafantarana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany) i Neny. Namaky azy io tamim-pahalianana fatratra izy ary tamin’io herinandro io ihany dia nanatrika ny antokom-pianarana Baiboly iray, nampiasa ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana. Mpamaky Baiboly nafana fo i Neny, ary nandray ny hafatra momba ny Fanjakan’Andriamanitra ho toy ny harena nokatsahiny izy. (Matio 6:33; 13:44). Na dia teo aza ny fanoherana nahery vaika avy tamin’i Dada, ary na dia nanana ankizivavy kely telo hokarakaraina aza izy, dia nifikitra tamin’izay nianarany.

Ny finoana tsy nihozongozona nananan’i Neny nandritra ireo 20 taona nanaraka dia nahatonga ahy sy ireo zokiko vavy roa, i Thelma sy i Viola, hahatsapa hatrany ny fanantenana kanto ny amin’ny fiainana mandrakizay ao amin’ny tontolo vaovao hitoeran’ny fahamarinana. (2 Petera 3:13). Niatrika fisedrana sarotra maro izy, nefa tsy nisalasala na oviana na oviana ny amin’ny naha-marina ny lalana nofidiny izahay.

Tamin’ny 1931, fony aho folo taona monja, dia nifindra tany amin’ny toeram-pambolena iray tany amin’ny faritra avaratr’i Minnesota, any Etazonia, izahay. Tafasaraka tamin’ny fiarahana tsy tapaka tamin’ireo Vavolombelon’i Jehovah izahay, fa tsy tamin’ny fampianarana ara-baiboly avy tamin’i Neny. Ny fanompoana nataony tamim-pandavan-tena tamin’ny naha-colporteur, na mpitory manontolo andro, dia nampirisika ahy haniry hiaraka taminy tamin’io asa io. Tamin’ny 1938, dia nampiseho ny fanoloran-tenanay ho an’i Jehovah izaho sy ireo rahavaviko roa, tamin’ny fanekena hatao batisa tamin’ny fivoriambe iray tao Duluth, any Minnesota.

Rehefa nahazo diplaoma avy tamin’ny lise aho tamin’ny 1938, dia nampirisika ahy hisoratra anarana tamin’ny fianarana manome fahaizana amin’ny raharaham-barotra i Neny mba hahafahako hamelon-tena amin’ny maha-mpisava lalana (ny anarana vaovao ho an’ny colporteur). Hita fa torohevitra tsara izany, indrindra satria nanapa-kevitra ny handao anay i Dada ka namela anay hikarakara tena samirery.

Fizarana manontolo andro ny harenanay

Tatỳ aoriana, dia nifindra tany Kalifornia aho, ary tamin’ny 1947, dia nanomboka ny asan’ny mpisava lalana tao San Francisco. Raha mbola nandray anjara tamin’ny asa fanomanana ilay Fivoriamben’ny Distrika hoe “Fitarana Any Amin’ny Firenena Rehetra” natao tao Los Angeles aho, dia nifankahita tamin’i Francis Malaspina. Ny tanjona niarahanay nanana ho an’ny asa misionera, dia nitarika ho amin’ny fiantombohan’ny fifandraisana feno fitiavana. Nivady izahay tamin’ny 1949.

Tamin’ny Septambra 1951, dia nasaina ho ao amin’ny kilasy faha-18-n’ny Sekolin’i Gileada izahay sy i Francis. Ny andro nanomezana ny diplaoma, ny 10 Febroary 1952, taorian’ny fampiofanana be dia be naharitra dimy volana, dia nomen’i Nathan H. Knorr, prezidàn’ilay sekoly, araka ny filaharan’ny abidy, ny anaran’ireo tany handefasana anay. Rehefa nilaza izy hoe: “Ny Rahalahy sy ny Anabavy Malaspina dia voatendry ho any Italia”, dia efa naka sary an-tsaina sahady ilay dia izahay!

Herinandro vitsivitsy tatỳ aoriana, dia niondrana an-tsambo tao New York ho amin’ny dia haharitra folo andro ho any Gênes, Italia, izahay. Tonga teo an-tseranan-tsambo mba hanao veloma anay i Giovanni DeCecca sy i Max Larson, anisan’ny tompon’andraikitra tao amin’ny foibe any Brooklyn. Tany Gênes, dia notsenain’ireo misionera, izay zatra tamin’ireo fomba fanao maro be pitsipitsiny amin’ny fidirana ao amin’ilay tany izahay.

Niakatra tamin’ny lamasinina iray ho any Bologne izahay, taitaitra tamin’ny zavatra rehetra nanodidina anay. Ny zavatra hitanay teo am-pahatongavana dia ny tanàna iray mbola simban’ireo zera baomba tamin’ny Ady Lehibe Faharoa. Nisy zavatra maro nahafinaritra koa anefa, toy ny hanitra tsy hay tohain’ny kafe endasina, izay mamerovero amin’ny maraina ary ny fofon-java-manitra amin’ireo filotra matsiro voaomana ho an’ireo karazana pâtes tsy tambo isaina.

Fanatratrarana tanjona iray

Nanomboka niasa teny amin’ny fanompoana izahay tamin’ny fampiasana fomba fampiseho nianarana tsianjery, ary namerimberina izany mandra-pandray ny hafatra na mandra-pirindrin’ny varavarana. Ny faniriana ta hampahafantatra ny hevitray dia nanosika anay hianatra tamim-pahazotoana ilay fiteny. Taorian’ny efa-bolana, dia voatendry tany amin’ny tranon’ny misionera iray vaovao tany Naples izahay.

Itỳ tanàna lehibe dia lehibe itỳ dia mendrika homarihina noho ireo faritra taza-maso mahatalanjona misy ao aminy. Nahafaly anay ny fanompoanay tao, nefa taorian’ny efa-bolana indray dia voatendry hanao ny asan’ny fizaran-tany na fitetezam-paritany ny vadiko, asa nitsidihana ireo kongregasiona tao amin’ny faritr’i Roma ka hatrany Sicile. Tamin’ny farany, dia nitsidika an’i Malta koa izahay ary i Libya koa aza, ao Afrika Avaratra.

Fitsapana ny fiaretana ara-batana ny dia an-damasinina avy tao Naples nankany Sicile tamin’ireny taona ireny. Niakatra tamin’ny lamasinina feno hipoka izahay no sady nitsangana teo amin’ny lalana feno olona teny anelanelan’ny fipetrahana, indraindray nandritra ny adiny enina ka hatramin’ny adiny valo. Nanome fahafahana tsara dia tsara handinihina sy hahafantarana ny olona nanodidina anay anefa izany. Imbetsaka ny damizana lehibe iray nisy divay namboarina an-trano no nampiasain’ny tompony ho fipetrahana; ary indraindray izy dia nisotro ny divay mba hialana hetaheta nandritra ilay dia naharitra ela. Matetika ireo mpandeha sariaka no nanolotra ny hizara taminay ny mofony sy ny salami-ny, fihetsehana feno fisakaizana sy nampifaly ny fo izay nankasitrahanay.

Tany Sicile izahay dia notsenain’ireo rahalahy izay nitondra ny valizinay niakatra ny tendrombohitra tamin’ny lalana adiny telo sy sasany nitohy hatrany amin’ilay kongregasiona tany amin’ny tampony. Ny fandraisana mafana nataon’ireo rahalahy kristiana dia nahatonga anay hanadino ny fahasasaranay. Indraindray izahay dia nitaingina ramole izay tsy nalemy lohalika, nefa tsy nijery ny tevana terỳ ambany mihitsy, satria raha diso famindra kely fotsiny ilay ramole dia ho nianjera izahay. Ny fifikirana mafy nasehon’ireo rahalahy tamin’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly, na dia teo aza ireo zava-tsarotra hitany, dia nanatanjaka anay, ary ny fitiavana naseho taminay dia nahatonga anay hankasitraka ny fiarahana tamin’izy ireo.

Tany Malta sy Libya

Nandeha an-tsambo nankany Malta izahay, feno fahatsiarovana an’ireo rahalahy tany Sicile. Tany, dia nahita olona tsara fanahy ny apostoly Paoly, ary izahay koa toraka izany. Ny tafio-drivotra tao amin’ny Helo-dranomasin’i St. Paul dia nahatonga anay hahatsapa ny loza natrehin’ireo sambo kely tamin’ny taonjato voalohany. (Asan’ny Apostoly 27:39–28:10). Ny fitsidihanay nanaraka dia tany Libya. Ahoana no hataonay tao amin’itỳ tany afrikana izay nandrarana ny asantsika itỳ?

Kolontsaina hafa tanteraka indray koa no hitanay tamin’itỳ indray mitoraka itỳ. Nanintona ny saiko ireo zavatra hita sy re tao an-tanànan’i Tripoli, teo am-pandehananay namakivaky ireo lalana misy andry milahatra tao amin’ny faritra fanaovan-draharaham-barotra. Nampiasa lamba voatenona tamin’ny volon-drameva ny lehilahy mba hiarovana ny tenany amin’ny hafanana mandoron’ny Efitr’i Sahara mandritra ny andro sy amin’ny hatsiakan’ny alina. Nianatra ny nahatakatra sy nanaja ny fomba narahin’ny olona mba hifankazarana tamin’ny toe-tany niainany izahay.

Ny zotom-po nombam-pahamalinana nasehon’ireo rahalahy dia nampianatra betsaka anay ny amin’ny fianteherana be dia be amin’i Jehovah sy ny amin’ny fanarahana ny toromarik’ireo izay nanana fahaizana kokoa momba ny fitoriana ao anatin’ny toe-javatra toy izany. Avy tamin’ny firenena maro ireo rahalahinay kristiana; kanefa, dia niasa tamim-pirindrana izy ireo teo amin’ny fanompoany an’i Jehovah.

Toerana vaovao nanendrena

Noho ny fanoherana natao tamin’ny asa fitoriantsika, dia tsy maintsy niala tany Italia izahay, nefa nanaiky tamim-pifaliana ny toerana vaovao nanendrena hitoriana tany Brezila, tamin’ny 1957. Nataonay sy i Francis izay hifankazarana tamin’ny fiainana sy ny fomba amam-panao, ary taorian’ny valo volana dia nasaina hanao ny asan’ny fizaran-tany i Francis. Nanao dia tamin’ny aotobisy sy tamin’ny fiaramanidina ary nandeha an-tongotra izahay. Nisokatra teo anoloanay toy ny lesona iray amin’ny jeografia itỳ firenena midadasika sy mahafinaritra itỳ.

Ny fizaran-taninay voalohany dia nahafaoka kongregasiona folo tao an-tanànan’i São Paulo ary koa tanàna kely folo tao anatiny sy nanaraka ny faritra amoron-tsiraka atsimon’ny fanjakan’i São Paulo. Tsy nisy kongregasiona tao amin’ireo tanàna ireo tamin’izany fotoana izany. Nitady toerana hipetrahana izahay, ary rehefa nanorim-ponenana, dia nandeha nitsidika isan-trano nitondra ny hafatra momba ilay Fanjakana. Namela taratasy fanasana hijery fampisehoana ny iray tamin’ireo sarimihetsika nahazoana fianarana an’ny Fikambanana Watch Tower koa izahay.

Tsy raharaha mora ny fandehanana aotobisy, nitondra ireo sarimihetsika, milina fandefasan-tsary, transformateur, taratasy samihafa, zavatra vita an-tsoratra sy taratasy fanasana ary fitaovana hanaovana fitomboka amin’ny tanana ny toerana hampisehoana ny sarimihetsika, eo amin’ny taratasy fanasana. Tsy entam-be ny valizy kelinay nisy akanjo raha noharina tamin’izany. Ny milina fandefasan-tsary dia tsy maintsy nampofoina mba tsy hihetsiketsehany sy tsy hahapotehany rehefa nandeha teny amin’ny lalana mikitoantoana.

Rehefa avy nahita toerana hampisehoana ilay horonan-tsary izahay, dia nandeha isan-trano ary namela taratasy fanasana hijery ilay fampisehoana. Indraindray izahay dia nahazo lalana hampiseho ilay horonan-tsary tao amin’ny hotely fisakafoana na hotely fatoriana iray. Tamin’ny fotoana hafa, dia nohenjanina teny an-kalamanjana teo amin’ny hazo lava roa ny lambam-pandriana iray. Ireo mpanatrika nahay nankasitraka, izay maro taminy no mbola tsy nahita sarimihetsika mihitsy, dia nitsangana sy nihaino tamim-pitandremana teo am-pamakian’i Francis ny fitantarana. Taorian’izany izahay dia nizara zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly.

Mba hahatratrarana ireo vohitra kely, dia nandeha tamin’ny aotobisy izahay. Tsy nisy tetezana ny sasany tamin’ireo ony, koa tsy maintsy napetraka teo ambonin’ny zahatra lehibe iray ilay aotobisy ary nitsinkafona hatreny ampita. Notoroana hevitra izahay mba hivoaka tamin’ilay aotobisy ary, raha toa ka nahita ilay aotobisy nikorisa nankany anaty rano, dia hitsambikina amin’ny ilan’ilay zahatra mba tsy ho voatelina tao anaty rano. Soa ihany fa tsy mbola namoy mihitsy aotobisy tao anaty ony izahay, indrindra satria voamarika fa nisy trondro piranha mpihinana nofon-javatra tao amin’ilay ony!

Rehefa avy nanatrika ilay fivoriambe niraisam-pirenena tany New York izahay tamin’ny 1958, dia niverina tany Brezila, ka tsy ela taorian’izay dia niverina tamin’ny asa fitetezam-paritany. Ny distrikanay dia nitondra anay tany amin’ny sisin-tanin’i Uruguay any atsimo, i Paraguay any andrefana, ny fanjakan’i Pernambuco any avaratra, sy ny Oseana Atlantika any amin’ny ilany atsinanan’i Brezila.

Toeram-pikarakarana ny boka

Tany antenatenan’ireo taona 1960, dia nanaiky ny fanasana hampiseho ny iray tamin’ireo horonan-tsarin’ny Fikambanana tany amin’ny toeram-pikarakarana ny boka izahay. Voatery miaiky aho fa be fanahiana ihany. Tsy nanana fahalalana firy momba ny habokana izahay, afa-tsy izay efa novakinay ny amin’izany tao anatin’ny Baiboly. Rehefa niditra ny fitambaran-trano fonenana, izay voaloko fotsy izahay, dia notarihina ho ao amin’ny efitra lehibe iray fanaovana fampisehoana. Nasiana faritra iray nofefena tamin’ny tady teo ampovoany ho anay sy ny fitaovana nentinay.

Ilay elektrisiana nanampy anay dia nonina tao amin’ilay toeram-pitsaboana efa hatramin’ny 40 taona. Namoy tanteraka ny tanany sy tapany hafa sasany tamin’ny tenany koa izy, ka simba be ny bikany. Taitra tampoka aho tamin’ny voalohany, kanefa ny toetra sariaka sy ny fahakingana nasehony tamin’ny fanatontosany ny asany dia nahatonga ahy tsy ho sanganehana. Tsy ela izahay dia niresaka momba ny zavatra maro teo am-pamitana ireo fiomanana tena ilaina. Tamin’ireo olona arivo narary nampiantranoina tao, dia maherin’ny roanjato no nanatrika. Rehefa nikotringatringa niditra izy ireo, dia nomarihinay ny ambaratonga maro samy hafa tamin’ilay aretina nahazo azy ireo. Fanandraman-javatra nanohina sy nampihetsi-po toy inona moa izany ho anay!

Nieritreritra ny amin’izay nolazain’i Jesosy tamin’ilay boka nangataka taminy hoe: “Tompoko ô, raha mety Hianao, dia mahay manadio ahy”, izahay. Nanendry ilay lehilahy i Jesosy ka nanome toky azy hoe: “Mety Aho; madiova hianao”. (Matio 8:2, 3). Rehefa nifarana ny fandaharana, dia maro no nanatona anay mba hisaotra anay noho ny nahatongavanay, ka ny tenany simba no porofo velona ny amin’ny fijaliana lehibe mahazo ny taranak’olombelona. Tatỳ aoriana ireo Vavolombelona teo an-toerana dia nianatra ny Baiboly niaraka tamin’ireo izay naniry hahafantatra bebe kokoa.

Tamin’ny 1967, dia niverina tany Etazonia izahay mba hikarakara ny amin’ny zava-nanahirana lehibe ara-pahasalamana. Teo am-panohizana nikarakara izany izahay no nanana tombontsoa hanompo tao amin’ny asa fitetezam-paritany indray. Nandritra ireo 20 taona nanaraka, dia niaraka tamin’i Francis tamin’ny asa fitetezam-paritany tany Etazonia aho. Tao anatin’izany fotoana izany, dia nampianatra tao amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana koa izy.

Loharanom-pampaherezana toy inona ho ahy moa ny fananana vady be fitiavana sy namana mahatoky, izay niahy ny fanendrena nomena azy, na inona izany na inona! Niara-nanana tombontsoa izahay nizara ny harenan’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly tany amin’ny faritra maro amin’ny kontinenta efatra.

Notohanan’ilay harena

Tamin’ny 1950, i Neny dia nanambady an’i David Easter, anadahy mahatoky izay natao batisa tamin’ny 1924. Niara-niasa an-taonany maro tao amin’ny fanompoana manontolo andro izy ireo. Nandritra ny tapany farany tamin’ny fiainan’i Neny anefa, dia nanomboka niseho ny aretin’i Alzheimer. Nila fikarakarana betsaka izy rehefa nampihena ny fahaizany nanjohy hevitra ilay aretina. Niantsoroka ny andraikitra mavesatra tamin’ny fikarakarana azy ireo rahavaviko vonon-kanampy sy i David, satria tsy tian’izy ireo ny hialanay tamin’ny tombontsoa manokana amin’ny fanompoana manontolo andro. Ny oha-pahatokiana navelan’i Neny hatramin’ny nahafatesany tamin’ny 1987, dia nanampy be dia be anay hieritreritra momba ny fitondran-tena narahinay teo amin’ny fiainana, ary ny fanantenana nolalainy ny amin’ny valisoa any an-danitra, dia nampionona anay.

Tamin’ny 1989, dia afaka nahatsapa aho fa tsy natanjaka toy ny teo aloha intsony i Francis. Tsy nahalala izahay fa nisy vokany nanimba ny bilariziozy, aretina fantatra tsara any amin’ny faritra maro eto amin’izao tontolo izao. Tamin’ny 1990, dia resin’ilay aretina tsy nisy fihatsarana izy, ary namoy ilay vady malalako izay niara-nandany tamiko 40 taona mahery teo amin’ny fanompoana an’i Jehovah aho.

Anisan’ny fiainana ny fanaovana fanitsiana. Mora ny sasany, fa sarotra kosa ny hafa. Notohanan’i Jehovah, ilay Mpanome ny harena tsy hay tombanan’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly anefa aho tamin’ny alalan’ny fandaminany sy ny fitiavana ary ny fampaherezan’ny fianakaviako. Mbola mahita fahafaham-po aho eo am-piandrandrana ny fahatanterahan’ireo fampanantenana rehetra azo antoka avy amin’i Jehovah.

[Sary, pejy 23]

Fony izahay mivady misionera tany Italia

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara