“Avy Amin’ny Vavan’ny Zazakely”
FONY i Samoela zazalahy kely, dia nifikitra tamin’ireo fotopoto-pitsipika marina izy na dia teo aza ny haratsiam-panahin’ireo zanakalahin’i Ely Mpisoronabe. (1 Samoela 2:22; 3:1). Tamin’ny andron’i Elisa, ny Isiraelita kely iray babo tany Syria dia nanao fanambarana tamin-kerim-po tamin’ilay tompovaviny. (2 Mpanjaka 5:2-4). Fony i Jesosy 12 taona, dia niresaka tamim-pahasahiana tamin’ireo mpampianatra teo amin’ny Isiraely izy, nametraka fanontaniana sy nanome valiny izay nahatalanjona ireo mpijery. (Lioka 2:46-48). Nandritra ny tantara i Jehovah dia notompoin’ireo mpivavaka taminy tanora tamim-pahatokiana.
Moa ve ireo tanora amin’izao andro izao mampiseho izany toe-tsaim-pahatokiana izany? Eny tokoa! Asehon’ireo tatitra avy amin’ireo biraon’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower fa tanora mpino maro dia maro no “mazoto manolo-tena” ho amin’ny fanompoana an’i Jehovah. (Salamo 110:3). Mampahery ny Kristiana rehetra, tanora sy antitra, “mba [tsy ho] ketraka amin’ny fanaovan-tsoa” ireo vokatra tsara dia tsara entin’ny fiezahan’izy ireo. — Galatiana 6:9.
Ohatra tsara iray i Ayumi, zazavavy kely japoney iray izay tonga mpitory fony izy enin-taona sady nanao ho zava-kendreny ny fanaovana fanambarana tamin’izay rehetra tao amin’ny kilasy nisy azy. Nahazo lalana hametraka zavatra vita an-tsoratra vitsivitsy tao amin’ny fitahirizam-bokin’ny lakilasy izy, ka niomana mba hamaly ny fanontaniana rehetra izay mety hataon’ireo mpiara-mianatra taminy. Saika ny iray kilasy taminy rehetra ary koa ny mpampianatra dia nanjary nahafantatra ireo zavatra vita an-tsoratra. Nandritra ireo enin-taona nianarany tao amin’ny sekoly fanabeazana fototra, dia nandamina fampianarana Baiboly 13 i Ayumi. Natao batisa izy raha mbola tao amin’ny kilasy taona fahefatra, ary ny iray tamin’ireo namany izay niara-nianatra Baiboly taminy dia natao batisa tamin’ny taona fahenina nianarany tao. Ambonin’izany, dia nianatra koa ny renin’io mpianatra ny Baiboly io sy ireo zokiny vavy roa ka natao batisa.
Fanambarana ny fitondran-tena tsara
“Ary aoka ho tsara ny fitondrantenanareo eo amin’ny jentilisa”, hoy ny apostoly Petera, ka mandray an’io didy io ho zava-dehibe ireo tanora kristiana. (1 Petera 2:12). Ho vokatr’izany, matetika ny fitondran-tena tsaran’izy ireo dia manome fanambarana tsara dia tsara. Tatsy Cameroun, tany iray atsy Afrika, dia tonga fanindroany tao amin’ny fivorian’ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny lehilahy iray ary sendra tafapetraka teo anilan’ny zazavavy kely iray. Rehefa nasain’ny mpandahateny nijery andininy iray ao amin’ny Baiboly ny mpanatrika, dia nomarihin’ilay lehilahy fa nahita haingana ilay andininy tao amin’ny Baiboliny manokana ilay zazavavy kely ary nanaraka tamim-pitandremana ilay famakian-teny. Nanaitra ny sain’ilay lehilahy aoka izany ny fihetsik’ilay zazavavy, hany ka nanatona ilay mpandahateny izy tamin’ny fifaranan’ilay fivoriana ary niteny hoe: “Nahatonga ahy haniry hiara-mianatra ny Baiboly aminao io zazavavy kely io.”
Atsy Afrika Atsimo dia misy sekoly iray izay misy mpianatra 25 zanaka Vavolombelon’i Jehovah. Nitondra laza tsara dia tsara ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fitondran-tena tsaran’izy ireo. Namboraka tamin’ny renim-pianakaviana iray Vavolombelona ny mpampianatra iray fa tsy azony ny fomba ahavitan’ireo Vavolombelona mampiofana tsara aoka izany ireo zanany, indrindra fa satria ny fiangonana misy azy dia hita fa tsy afaka nanampy ireo tanora. Nisy mpampianatra vaovao iray tonga mba hanampy tao amin’ilay sekoly ary nahamarika avy hatrany ny fitondran-tena tsaran’ireo ankizy Vavolombelona. Nanontany ny iray tamin’ireo zazalahy Vavolombelona izy ny amin’izay tokony hataony mba hahatongavana ho Vavolombelon’i Jehovah. Nohazavain’izy io fa tokony hianatra ny Baiboly izy, ary nalamin’ilay zazalahy ny hanolokoloan’ireo ray aman-dreniny ilay fahalianana.
Tany Costa Rica, i Rigoberto dia nahafantatra ny feon’ny fahamarinana rehefa nampiasa ny Baiboly ny ankizy roa iray kilasy taminy mba hamaliana ireo fanontaniany momba ny Trinite sy ny fanahy (âme) ary ny afobe. Izay nolazain’izy ireo dia nisy heriny teo aminy, tsy hoe noho ny fahaizan’izy ireo nampiasa ny Soratra Masina fotsiny, fa satria koa ny fitondran-tena faran’izay tsara nananan’izy ireo dia hafa aoka izany noho izay hitan’ny masony tao amin’ireo fiangonan’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana. Na dia eo aza ny fanoheran’ny fianakaviana, dia manao fandrosoana tsara i Rigoberto amin’ny fianarany ny Baiboly.
Tany Espaina, ny Vavolombelon’i Jehovah roa — sivy taona ny iray tamin’izy ireo — dia nitsidika lehilahy iray antsoina hoe Onofre. Na dia ilay Vavolombelona olon-dehibe aza no nandray ny ankamaroan’ny fitenenana, dia nanaraka tao amin’ny Soratra Masina ilay Vavolombelona tanora ary nanonona an-kandrina andininy sasany ao amin’ny Baiboly. Nanaitra ny sain’i Onofre izany. Nanapa-kevitra izy fa ho tiany ny hianatra ny Baiboly any amin’ilay toerana izay nianaran’io zazalahy kely io nampiasa ny Soratra Masina tsara toy izany. Koa vao maraina tamin’ny alahady nanaraka, dia nankany amin’ny Efitrano Fanjakana izy. Voatery niandry teo ivelany izy hatramin’ny antenatenan’ny tolakandro, rehefa tonga hanatrika ny fivoriany ireo Vavolombelona. Nanomboka tamin’izay, dia nanao fandrosoana tsara dia tsara izy ary nampiseho ny fanoloran-tenany tamin’ny batisa ao anaty rano vao haingana.
Vavolombelona tanora mahita vokatra tsara
Eny, mampiasa ireo tanora ary koa ireo olon-dehibe i Jehovah mba hanatratrarana ireo olona manana fo feno fahalemem-panahy. Hita koa izany tamin’ny fitantarana iray avy tany Hongria. Tany, dia nahamarika ny mpitsabo mpanampy iray tao amin’ny hopitaly fa, isaky ny tonga ireo mpitsidika namangy marary iray folo taona, dia nitondran’izy ireo zavatra hovakina ary koa sakafo izy. Taitra ny fahalianany ta hahalala, ka nanontany tena izy hoe mba inona àry no zavatra hovakina mahaliana io zazavavy kely io ary hitany fa ny Baiboly izany. Niresaka taminy ilay mpitsabo mpanampy ka niteny toy izao tatỳ aoriana: “Hatramin’ny minitra voalohany, dia nampianatra ahy tokoa izy.” Rehefa nandao ny hopitaly ilay zazavavy kely, dia nanasa ilay mpitsabo mpanampy mba hanatrika fivoriambe iray, kanefa nanda izy io. Tatỳ aoriana anefa, dia nanaiky ny hanatrika ny Fivoriamben’ny Distrika “Ny Fiteny Madio” izy. Fotoana fohy taorian’izay, dia nanomboka nianatra ny Baiboly izy, ary natao batisa herintaona tatỳ aoriana — izany rehetra izany dia vokatry ny nampiasan’ny zazavavy kely iray ny fotoanany tany amin’ny hopitaly mba hamakiana zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly.
Teo amin’ny taona faharoa nianarany tao amin’ny lise i Ana Ruth, any El Salvador. Nanana fahazarana ny namela zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly teo ambonin’ny latabany izy mba hovakin’ny hafa raha ta hamaky izy ireo. Nomarihin’i Ana Ruth fa nanjavona ilay zavatra vita an-tsoratra ary avy eo dia hita indray rehefa afaka elaela, ka tsikariny fa mpiara-mianatra taminy iray, i Evelyn, no namaky izany. Rehefa afaka kelikely, dia nanaiky hianatra i Evelyn ary nanomboka nanatrika ireo fivorian’ny kongregasiona. Tamin’ny farany, dia natao batisa izy, ary manompo amin’ny maha-mpisava lalana mpanampy tsy tapaka izy ankehitriny. Mpisava lalana maharitra i Ana Ruth.
Tany Panama, ny anabavy iray dia nanomboka niara-nianatra tamin’ny vehivavy iray izay nanomboka nanohitra ny fahamarinana ny vadiny ka tonga hatramin’ny hoe saika natsahatra ilay fianarana. Kanefa nihanalefaka ny fihetsik’ilay vadiny. Fotoana elaela taorian’izay, dia nangataka tamin’ilay lehilahy ny rahalahiny ara-nofo, izay Vavolombelona, mba hametaka fanairana raha misy mpangalatra ao an-tranony. Raha mbola teo am-pametahana ilay fanairana izy, dia nody tao an-trano ilay zana-drahalahiny, zazavavy kely sivy taona, sady nalahelo tarehy tokoa. Nanontaniany azy izay tsy nety, ary nilaza izy io fa nandeha mba hitarika fampianarana Baiboly iray izy sy ny zokiny vavy kanjo tsy tao an-trano ilay olona, hany ka tsy afaka nanao na inona na inona ho an’i Jehovah izy tamin’io andro io. Hoy ilay dadatoany hoe: “Nahoana no tsy mitory amiko? Amin’izay dia hanao zavatra ho an’i Jehovah ianao.” Nihazakazaka tamim-pifaliana naka ny Baiboliny ilay zana-drahalahiny ary natomboka ny fianarana iray.
Nihaino izany ilay reniny (ny zaobavin’ilay lehilahy). Noheveriny fa vazivazy fotsiny ilay zava-drehetra kanefa isaky ny tonga tao an-tranony ilay lehilahy, dia nangataka fianarana ny Baiboly tamin’ilay zana-drahalahiny. Rehefa hitan’ilay reny fa tsy nivazivazy ilay zaodahiny ary nanana fanontaniana sarotra sasany, dia nanapa-kevitra ny hitarika ilay fianarana ny tenany mihitsy niaraka tamin’ilay zanany vavy nanatrika teo. Nanomboka nianatra indroa isan-kerinandro ilay lehilahy ary nanao fandrosoana haingana. Tamin’ny farany, dia tonga hatramin’ny fanoloran-tena izy ary natao batisa tamin’ilay fivoriambe nanaovana batisa ny vadiny — izany dia noho ny fihetsika tsara dia tsara nasehon’ilay zana-drahalahiny kely.
Manome fanambarana tsara dia tsara ny herim-pon’ireo tanora
Milaza toy izao ny Baiboly: “[Manàna herim-po, NW ], ary aoka hahery ny fonao; eny, miandrasa an’i Jehovah.” (Salamo 27:14). Mihatra amin’ny mpanompon’Andriamanitra rehetra ireo teny ireo, ary nampihatra azy ireo ny tanora ary koa ny olon-dehibe nandritra ny taon-dasa. Tany Aostralia, rehefa nanomboka nianatra tao amin’ny sekoly vaovao iray ny zazavavy iray dimy taona, dia nankany amin’ny mpampianatra ny reniny mba hanazava ireo zavatra inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Hoy ilay mpampianatra hoe: “Efa fantatro izay inoanareo. Nanazava ny zava-drehetra tamiko ny zanakao vavy.” Tsy hoe saro-kenatra loatra ilay zazavavy kely ka tsy ho afaka hanatona ny mpampianatra azy samirery mba hanazavana ny finoany.
Nampiseho herim-po koa i Andrea dimy taona any Romania. Rehefa nandao ny finoana ortodoksa ny reniny mba ho tonga Vavolombelona, dia tsy nety nihaino azy ireo mpiara-monina taminy. Indray andro tao amin’ny Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona, dia nandre ny mpiandraikitra ny asa nanantitrantitra ny amin’ny ilana ny hitory amin’ireo mpiara-monina amin’ny tena, i Andrea. Noeritreretiny tamim-pitandremana izany, ary nilaza toy izao tamin-dreniny izy rehefa nody tao an-trano: “Rehefa lasa mandeha miasa ianao, dia hiakanjo aho, hanamboatra ny kitapoko miaraka amin’ny zavatra vita an-tsoratra toy ny ataonao, ry Neny, ary hivavaka amin’i Jehovah mba hanampy ahy hiresaka momba ny fahamarinana amin’ireo mpiara-monina.”
Ny ampitson’iny dia nanao ilay zavatra nampanantenainy i Andrea. Avy eo, dia nanangona ny herim-pony izy ka nampaneno ny lakolosim-baravaran’ny mpiara-monina iray. Rehefa namoha ny varavarana ilay mpiara-monina, dia hoy ilay zazavavy kely hoe: “Fantatro fa hatramin’ny nahatongavan’ny reniko ho Vavolombelona, dia tsy tianareo izy. Niezaka niresaka taminareo imbetsaka izy, kanefa tsy nety nihaino azy ianareo. Mampalahelo azy izany, kanefa tiako ho fantatrao fa tia anareo izahay.” Avy eo, dia nanohy nanao fanambarana tsara dia tsara i Andrea. Tao anatin’ny iray andro, dia nizara boky enina sy gazety enina sy bokikely efatra ary taratasy mivalona efatra izy. Hatramin’izay, dia tsy tapaka amin’ny asa fanompoana izy.
Tsy maintsy nampiseho herim-po lehibe ireo rahalahintsika any Rwanda rehefa heverina ny fifandrafiana nisy tany. Indray mandeha ny fianakaviana iray Vavolombelona dia napetraka tao anaty efitra iray izay nomanin’ireo miaramila hamonoana azy ireo. Nangata-dalana ny hivavaka aloha ilay fianakaviana. Nomena azy izany, ary nivavaka nangina ny rehetra afa-tsy i Deborah, ilay zanakavavy. Araka ny tatitra iray, dia nivavaka mafy toy izao i Deborah: “Jehovah ô, nahapetraka gazety dimy izahay sy i Dada tamin’itỳ herinandro itỳ. Ahoana no hiverenanay any amin’ireny olona ireny mba hampianarana azy ireny ny fahamarinana sy hanampiana azy ireny hahazo ny fiainana? Ankoatra izany, ahoana no hahatongavako ho mpitory izao? Te ho vita batisa aho mba hanompo anao.” Rehefa nandre izany ny miaramila iray dia nilaza hoe: “Tsy afaka mamono anareo izahay noho io zazavavy kely io.” Namaly i Deborah hoe: “Misaotra, tompoko.” Notsimbinina ny ain’ilay fianakaviana.
Rehefa niditra tamim-pandresena tao Jerosalema i Jesosy teo amin’ny faramparan’ny fiainany teto an-tany, dia notsenain’ny vahoaka maro be izay nihoby azy. Voaforona ankizy ary koa olon-dehibe ireo vahoaka. Araka ny fitantarana, ireo zazalahy kely dia ‘niantso teo an-kianjan’ny tempoly ka nanao hoe: Hosana ho an’ny Zanak’i Davida!’ Rehefa nanohitra izany ireo lohan’ny mpisorona sy mpanora-dalàna, dia izao no navalin’i Jesosy: “Tsy mbola novakinareo va ny teny manao hoe: ‘Avy amin’ny vavan’ny [zazakely, NW ] sy ny zaza minono no nanamboaranao fiderana’?” — Matio 21:15, 16.
Tsy mampientana ve ny mahita fa na dia amin’izao andro izao aza dia marina ireo tenin’i Jesosy? “Avy amin’ny vavan’ny zazakely sy ny zaza minono” — ary, mety hampiantsika hoe tanora sy zatovo lahy ary zatovo vavy — no nanamboaran’i Jehovah fiderana. Eny tokoa, rehefa mahakasika ny fiderana an’i Jehovah, dia tsy misy ny taona farany ambany. — Joela 3:1, 2.