FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w95 15/1 p. 24-29
  • Fivoriambe Miaraka Amin’ireo Izay Matahotra An’Andriamanitra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fivoriambe Miaraka Amin’ireo Izay Matahotra An’Andriamanitra
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • “Andriamanitra no Atahory, ary ny Didiny no Tandremo”
  • ‘Manompoa An’Andriamanitra Amin’ny Fanajana sy ny Fahatahorana’
  • “Matahora An’Andriamanitra ka Omeo Voninahitra Izy”
  • Fianarana Mahita Fifaliana Amin’ny Fahatahorana An’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Mianara Hatahotra An’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • Matahora An’i Jehovah ary Ankalazao ny Anarany
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Mety hitondra soa ho anao ve ny fahatahorana an’Andriamanitra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
w95 15/1 p. 24-29

Fivoriambe Miaraka Amin’ireo Izay Matahotra An’Andriamanitra

“NY OLONA hatraiza hatraiza dia maniry mafy ny ho afaka amin’ny tahotra — tahotra ny herisetra, tahotra ny tsy fananana asa, sy tahotra aretina mafy. Isika koa dia manana izany faniriana mafy izany. (...) Nahoana àry isika no miresaka momba ny fambolena tahotra?” Io fanontaniana manitikitika ny saina io dia napoitran’ilay nanao ny lahateny fototra tamin’ny Fivoriamben’ny Distrika tsirairay hoe “Tahotra Araka An’Andriamanitra”, izay nanomboka tamin’ny Jona 1994.

Ireo olona an-tapitrisany maro izay nanatrika izany — voalohany tany Amerika Avaratra, avy eo, tatỳ aoriana kokoa, tany Eoropa sy Amerika Afovoany sy Atsimo, tany Afrika sy Azia ary tany amin’ireo nosin-dranomasina — dia dodona ny hianatra hamboly izany tahotra izany. Nahoana? Satria ny fahazoantsika anjara amin’ireo fitahiana izay omen’i Jehovah Andriamanitra ny olony, dia miankina amin’ny fananantsika tahotra araka an’Andriamanitra. Mba hianarana ny amin’ny tahotra araka an’Andriamanitra no niara-nahatongavan’ireo mpamonjy fivoriambe, ary nandritra ny fandaharana naharitra telo andro, dia nianatra zavatra betsaka momba io toetra kristiana tena ilaina io izy ireo.

“Andriamanitra no Atahory, ary ny Didiny no Tandremo”

Io no loha hevitra tamin’ny andro voalohan’ilay fivoriambe, niorina tamin’ny Mpitoriteny 12:13. Inona no dikan’ny hoe matahotra an’Andriamanitra? Tao amin’ilay tapany voalohany amin’ilay fandaharana indrindra no nanazavan’ny mpitari-draharaha fa ny tahotra araka an’Andriamanitra dia mampiseho taratry ny fahatahorana miharo fanajana sy ny fanajana ara-pivavahana lalina an’i Jehovah, ary koa tahotra mahasoa sao tsy hampifaly azy. Ny tahotra araka an’Andriamanitra toy izany dia tsy mampihorohoro; izy io dia mahasoa sy araka ny tokony ho izy.

Ahoana no handraisantsika soa avy amin’io tahotra mahasalama io? Ilay lahateny nanaraka hoe “Aza Mety Sasatra na Mitsahatra”, dia nanazava fa ny tahotra araka an’Andriamanitra dia hanosika antsika hitandrina ireo didin’Andriamanitra amim-pifaliana. Miaraka amin’ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny mpiara-monina, ny tahotra toy izany dia hameno antsika tanjaka ara-panahy. Eny, ny tahotra araka an’Andriamanitra dia afaka manampy antsika hanalavitra ny hampiadam-pandeha ao amin’ilay hazakazaka ho amin’ny fiainana mandrakizay.

Nanaraka izany, tao amin’ilay fandaharana, dia nisy fanadinadinana nampiseho porofo teo amin’ny fiainana fa afaka manohana antsika ny tahotra araka an’Andriamanitra. Ireo izay nadinadinina dia nilaza ny fomba nitaoman’ny tahotra feno fanajana an’Andriamanitra azy ireo hanohy tao amin’ny fanompoana na dia teo aza ny tsy firaikana, ny tsy firaharahana na ny fanenjehana, sy ny nanampiany azy ireo hiaritra na dia teo anoloan’ny fisedrana manokana sarotra aza.

Nahoana àry ny olona sasany no manana tahotra araka an’Andriamanitra kanefa ny hafa tsy manana izany? Tao amin’ilay lahateny hoe “Fambolena ny Tahotra Araka An’Andriamanitra sy Fandraisan-tsoa avy Amin’izy Io”, ilay nanao ny lahateny fototra dia nanazava fa ao amin’ny Jeremia 32:37-39, i Jehovah dia mampanantena ny hanome fo matahotra an’Andriamanitra ho an’ny vahoakany. Mandentika ao am-pontsika tahotra araka an’Andriamanitra i Jehovah. Amin’ny fomba ahoana? Amin’ny alalan’ny fanahiny masina sy ny Teniny ara-tsindrimandry, dia ny Baiboly. Mazava anefa fa tsy maintsy manao ezaka amim-pahatsorana isika mba hianarana ny Tenin’Andriamanitra sy mba hanararaotana amin’ny fomba feno ireo fandaharana ara-panahy tondraka nataony. Izy ireny dia mahatafiditra ireo fivoriambentsika sy ireo fivoriantsika any amin’ny kongregasiona izay manampy antsika hianatra ny hatahotra azy.

Ny fandaharana ny tolakandro dia niandoha tamin’ny fananarana mba hatoky an’i Jehovah sy ny Teniny. Izany dia narahin’ny fandinihana ny hoe amin’ny lafiny fototra inona avy ilay Fanjakana no tokony hisy fiantraikany eo amin’ny fiainantsika amin’ny maha-Kristiana.

Avy eo dia tonga ilay fitohitohizan-dahateny voalohany tamin’ireo telo naseho tao amin’ilay fivoriambe. “Ny Tahotra Araka An’Andriamanitra dia Manosika Antsika Hankato Ireo Zavatra Takin’Andriamanitra Amintsika” no loha hevitr’io fitohitohizan-dahateny io izay nampifantoka ny saina tamin’ny fianakaviana. Itỳ manaraka itỳ dia santionan’ny torohevitra araka ny Soratra Masina sy azo ampiharina izay natolotra.

□ Ho an’ireo lehilahy manambady: Ny tahotra araka an’Andriamanitra dia tokony hanosika ny lehilahy iray ho tia ny vadiny toy ny tenany ihany. (Efesiana 5:28, 29). Ny lehilahy iray dia tsy hinia handratra ny tenany ihany, na hanambany ny tenany eo anatrehan’ny namany, na hanao resadresa-poana ny amin’ny fahadisoan’ny tenany. Koa tokony hitondra ny vadiny amim-pahamendrehana sy amim-panajana toy ny ataony amin’ny tenany àry izy.

□ Ho an’ny vehivavy manambady: Ny tahotra araka an’Andriamanitra nananan’i Jesosy dia nanosika azy ‘hanao izay sitrak’Andriamanitra mandrakariva’. (Jaona 8:29). Izany dia toe-tsaina tsara dia tsara tokony hotahafin’ireo vehivavy manambady eo amin’ny fifampiraharahany amin’ny vadiny.

□ Ho an’ireo ray aman-dreny: Afaka maneho tahotra araka an’Andriamanitra ireo ray aman-dreny amin’ny fandraisana ireo andraikiny amin’ny maha-ray aman-dreny ho zava-dehibe, amin’ny fiheverana ireo zanany ho lova avy amin’i Jehovah. (Salamo 127:3). Ny tanjona voalohany ho an’ny ray aman-dreny, dia tokony ho ny fitaizana ireo zanany mba ho tonga Kristiana marina.

□ Ho an’ireo zanaka: Mampianatra ireo zanaka mba hankato ny ‘ray aman-dreniny ao amin’ny Tompo’ i Jehovah. (Efesiana 6:1). Noho izany, ny fankatoavana ny ray aman-dreniny dia fankatoavana an’Andriamanitra.

Ny lahateny famaranana tamin’ilay andro dia nanohina mafy ny fihetseham-po satria niresaka ny amin’ny fihetseham-po lalina tsapantsika rehetra rehefa mamoy olon-tiana amin’ny fahafatesana isika. Sahabo ho teo antenatenan’ilay lahateny anefa, dia nisy zavatra tsy nampoizina iray. Nampiravoravo ny mpihaino ilay mpandahateny tamin’ny fanambarana ny famoahana ilay bokikely vaovao hoe Rehefa Nody Mandry ny Olona Iray Tianao. Io bokikely miloko 32 pejy io dia milaza zavatra betsaka izay afaka manampy ireo malahelo mba hahatakatra sy hahazaka ireo fihetseham-po sy fientanam-po izay mipoitra aorian’ny fahafatesan’ny olon-tiana iray. Mba efa tsy nahita izay holazaina tamin’ny olona nidonam-pahoriana ve ianao? Ny fizarana iray ao amin’io bokikely io dia miresaka ny amin’ny fomba azontsika anampiana ireo izay malahelo. Teo am-pihainoana ilay mpandahateny, dia maro tamin’ireo mpihaino no nieritreritra ny amin’ny olona izay ho afaka handray soa avy amin’io bokikely vaovao io.

‘Manompoa An’Andriamanitra Amin’ny Fanajana sy ny Fahatahorana’

Izany no loha hevitry ny andro faharoa, niorina tamin’ny Hebreo 12:28. Nandritra ny fandaharana tamin’ny maraina dia tonga ny fitohitohizan-dahateny faharoa hoe “Ireo Kongregasiona Mandeha Amin’ny Tahotra Araka An’Andriamanitra”. Ilay tapany voalohany dia nivaofy ny amin’ny fanatrehana ireo fivoriana. Ny fahatongavantsika any amin’ireo fivoriana dia mampiseho ny fanajantsika an’Andriamanitra sy ireo fandaharany ara-panahy. Amin’ny fanatrehantsika, dia asehontsika fa matahotra ny anarany isika ka dodona ny hankato ny sitrapony. (Hebreo 10:24, 25). Nanazava ilay mpandahateny faharoa fa mba handehanan’ny kongregasiona manontolo amin’ny fahatahorana an’i Jehovah, dia tsy maintsy manao ny anjarany ny isam-batan’olona eo amin’ny fitanana fitondran-tena tsara dia tsara. Ilay mpandahateny farany dia niresaka ny amin’ny tombontsoa sy adidy iray izay ananan’ny Kristiana rehetra: Hitory ny vaovao tsara tsy misy fitsaharana. Hafiriana isika no hanohy hitory? Mandra-pitenin’i Jehovah hoe ampy izay. — Isaia 6:11.

“Ny Fifalian’i Jehovah no Fiarovana Mafy ho Anareo” no loha hevitr’ilay lahateny nanaraka, araka ny voaboasana izao ao amin’ny lahatsoratra natao hianarana ato amin’itỳ gazety itỳ. (Nehemia 8:10). Nahoana ny vahoakan’i Jehovah no falifaly? Nosoritan’ny mpandahateny ny antony maromaro. Ny iray tena lehibe dia ny hoe: ny fifandraisana akaiky amin’Andriamanitra no mahatonga antsika ho ny vahoaka falifaly indrindra eto an-tany. Eritrereto fotsiny, hoy ilay mpandahateny nampahatsiahy ny mpamonjy fivoriambe, fa isika dia manana ilay tombontsoa ho anisan’ilay vahoaka izay notaomin’i Jehovah hanatona an’i Jesosy Kristy. (Jaona 6:44). Antony mahery tokony hifaliana re izany!

Tapany iray misongadina amin’ny fivoriambe tsirairay ny batisa, ary tsy naningana tamin’izany ireo Fivoriamben’ny Distrika “Tahotra Araka An’Andriamanitra”. Tao amin’ilay lahateny hoe “Fanoloran-tena sy Batisa Amin’ny Tahotra an’i Jehovah”, ny mpandahateny dia nanazava fa efatra sosona ireo adidy manokan’ny olona vita batisa rehetra: 1) Isika dia tsy maintsy mianatra ny Tenin’Andriamanitra miaraka amin’ireo boky fanampiana izay manampy antsika hahazo ny hevitr’izy io sy hampihatra azy; 2) tsy maintsy mivavaka isika; 3) tsy maintsy mifanerasera amin’ireo mpiray finoana any amin’ireo fivorian’ny kongregasiona isika; ary 4) tsy maintsy manao fanambarana ny anaran’i Jehovah sy ny Fanjakany isika.

Ny fandaharana tamin’ny asabotsy tolakandro dia nanomboka tamin’ilay foto-kevitra nanome toky hoe “Vahoaka Iray Tsy Afoin’i Jehovah”. Taonjato 35 lasa izay, rehefa niatrika fotoan-tsarotra ny firenen’ny Isiraely, dia nanome antoka azy ireo tamin’ny alalan’i Mosesy i Jehovah tamin’ny filazana hoe: “Jehovah Andriamanitrao (...) tsy handao anao na hahafoy anao”. (Deoteronomia 31:6). Hita fa marina i Jehovah tamin’io antoka io, tamin’ny niarovany ny Isiraelita rehefa niditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina izy ireo ka naka azy io ho fananany. Amin’izao andro izao, rehefa miatrika fisedrana sarotra isika, dia afaka matoky tanteraka fa tsy hahafoy antsika koa i Jehovah, raha toa ka mifikitra akaiky aminy isika ka manaraka ny torohevitra ao amin’ny Teniny.

Ahoana no ahafahanao mahita fahafinaretana amin’ny famakiana ny Baiboly? Tao amin’ilay lahateny hoe “Vakio Isan’andro ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly Masina”, ny mpandahateny dia nanipy hevitra ny amin’ny tokony hamakiana amin’ny fananana saina tia mikarokaroka sy amin’ny fanaovana fanontaniana toy ny hoe: Inona no ampianarin’itỳ fitantarana itỳ ahy momba ireo toetra sy fomban’i Jehovah? Ahoana no hahafahako hitovy kokoa amin’i Jehovah amin’ireo lafiny ireo? Ny famakiana ny Baiboly amin’izany fomba izany dia fanandraman-javatra mahafinaritra sy mahafa-po.

Nanaraka izany, ny saina dia nifantoka tamin’ilay fitohitohizan-dahateny fahatelo hoe “Fandaharana Natao mba Hanampiana Ireo Izay Matahotra an’i Jehovah”. Na dia mety tsy hanao fahagagana ho an’ireo mpanompony amin’izao andro izao aza i Jehovah, dia azo antoka fa hanolotra fanampiana an’ireo izay matahotra azy izy. (2 Petera 2:9). Io fitohitohizan-dahateny io dia nandinika fandaharana efatra avy amin’i Jehovah mba hanampiana antsika amin’izao fotoan-tsarotra izao: 1) Amin’ny alalan’ny fanahiny, i Jehovah dia manome tanjaka antsika mba hanatanterahana asa izay tsy tratran’ny hery ananantsika. 2) Amin’ny alalan’ny Teniny no anomezany torohevitra sy fitarihana ho antsika. 3) Amin’ny alalan’ny avotra no anomezany antsika feon’ny fieritreretana madio. 4) Amin’ny alalan’ny fandaminany, voafaoka amin’izany ireo loholona, no anomezany antsika fitarihana sy fiarovana, (Lioka 11:13; Efesiana 1:7; 2 Timoty 3:16; Hebreo 13:17). Amin’ny fanararaotana amin’ny fomba feno ireny fandaharana ireny, dia ho afaka hiaritra isika, ka amin’izany dia hahazo ny fankasitrahan’i Jehovah.

Ny lahateny farany tamin’ny asabotsy tolakandro dia nitondra ny lohateny hoe “Akaiky Ilay Andron’i Jehovah Mahatahotra”, niorina tamin’ny faminanian’i Malakia. Efa nisy andro nahatahotra teo amin’ny tantara tamin’ny lasa, toy ny tamin’ny fampiharana didim-pitsarana tamin’i Jerosalema tamin’ny 70 am.f.i. Kanefa ny andro mahatahotra indrindra eo amin’ny fanandraman-javatra rehetra hitan’ny olombelona dia ho ilay andron’i Jehovah ho avy, rehefa ho tonga ny ‘famaliana an’izay tsy mahalala an’Andriamanitra sy izay tsy manaiky ny filazantsaran’i Jesosy Tompontsika’. (2 Tesaloniana 1:6-8). Tsy ho ela ve izany? Nilaza ny mpandahateny hoe: “Akaiky ny farany! Mahafantatra izany andro sy ora izany i Jehovah. Tsy hanova ny fandaharam-potoanany izy. Angatahina isika mba hiaritra amim-paharetana.”

Sarotra ny nino hoe efa roa andro sahady no lasa. Inona no hoentin’ilay andro farany?

“Matahora An’Andriamanitra ka Omeo Voninahitra Izy”

Ny loha hevitr’ilay andro fahatelo dia niorina tamin’ny Apokalypsy 14:7. Nandritra ny fandaharana tamin’ny maraina, dia nisy lahateny nitohitohy izay nampisongadina fampianarana ara-poto-pampianarana sasany izay mahatonga ny Vavolombelon’i Jehovah hiavaka amin’ireo fandaminana ara-pivavahana hafa rehetra.

Tao amin’ilay lahateny hoe “Hisy Fitsanganan’ny Marina”, ny mpandahateny dia nampipoitra fanontaniana nahaliana: “Mandritra izany Andro Fitsarana arivo taona izany, rahoviana moa no hatsangana ireo izay maty nahatoky amin’izao andro farany amin’ny fandehan-javatr’i Satana izao?” Ny valiny ve? “Tsy milaza ny amin’izany ny Baiboly”, hoy ny fanazavan’ny mpandahateny. “Kanefa moa ve tsy ho araka ny fandrindran-kevitra ny hoe ireo izay maty amin’izao androntsika izao no hatsangana aloha, mba hiaraka amin’ny olona betsaka ho tafita velona amin’ny Haramagedona amin’ny asa fampianarana goavana hitranga mandritra ny Andro Fitsarana manontolo? Izany tokoa!” Hisy ho tafita velona ve? Azo antoka fa hisy. Ireo fampianarana sy ohatra ao amin’ny Baiboly izay manome toky antsika ny amin’izany dia voazava tsara tao amin’ilay lahateny nanaraka hoe “Voatsimbina Mandritra ny Fahoriana Lehibe”.

Efa hatramin’ny ela ny Vavolombelon’i Jehovah no nahatakatra fa ny Baiboly dia manolotra fiafarana roa: fiainana mandrakizay ao amin’ny tany paradisa ho an’ny olona an-tapitrisany maro tsy hita isa, ary fiainana tsy ahitam-pahafatesana any an-danitra ho an’ny olona voafetra ny isany izay hiara-manjaka amin’i Kristy ao amin’ny Fanjakany. Noresahina ny amin’ilay fanantenana ho any an-danitra tao amin’ilay lahateny hoe “Aza Matahotra, ry Ondry Vitsy”. (Lioka 12:32). Noho ny tarehin-javatra eo amin’izao tontolo izao ankehitriny, dia tsy maintsy tsy manan-tahotra ny ondry vitsy; ny tsirairay amin’izy ireo dia tsy maintsy miaritra hatramin’ny farany. (Lioka 21:19). “Ny tsy fananany tahotra”, hoy ny mpandahateny, “dia mampahery ireo anisan’ny olona betsaka. Ireo koa dia tokony hamboly fihetsika tsy misy fananan-tahotra eo am-panantenany fanafahana mandritra ilay fotoam-pahoriana lehibe indrindra ho hitan’ny an-tany hatramin’izay.”

Tamin’ny famaranana ny fandaharana ny maraina, dia nijery tamim-pahafinaretana ilay fampisehoana tantara ara-baiboly hoe Ireo Safidy Atrehinao, ny mpihaino. Tamin’ny andron’i Josoa sy ny mpaminany Elia koa, dia tsy maintsy nanao fanapahan-kevitra ireo Isiraelita. Nisy safidy tsy maintsy natao. Hoy i Elia: “Mandra-pahoviana no hiroa saina hianareo? Raha Jehovah no Andriamanitra, manaraha Azy; fa raha Bala kosa, dia manaraha azy.” (1 Mpanjaka 18:21). Amin’izao andro izao koa, dia tsy maintsy manao fanapahan-kevitra ny olombelona. Tsy izao no fotoana tokony hampiroa saina. Inona no safidy mety? Ilay mitovy amin’ny nataon’i Josoa. Hoy izy: “Raha izaho sy ny ankohonako kosa, dia hanompo an’i Jehovah izahay.” — Josoa 24:15.

Toy ny hoe tampoka teo, dia tonga ny alahady tolakandro, fotoana ho an’ilay lahateny ampahibemaso nitondra ny lohateny hoe “Ny Antony Atahorana An’ilay Andriamanitra Marina Ankehitriny”. Ao amin’ny Apokalypsy 14:6, 7, ny olombelona rehetra dia ampirisihina mafy toy izao: “Matahora an’Andriamanitra, ka omeo voninahitra Izy”. Nahoana no zava-dehibe ny hatahorana an’Andriamanitra ankehitriny? Satria mitohy toy izao ilay andinin-teny: “Fa tonga ny andro fitsarany”. Hamarana itỳ fandehan-javatra ankehitriny maloto sy mpikomy itỳ i Jehovah amin’ny alalan’ny Zanany efa nahazo fiandrianana amin’ny maha-Mpanjakan’ilay Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra azy izao. Nanazava ny mpandahateny fa izany no hany fomba hitondrana fanamaivanana ho an’ireo izay matahotra an’Andriamanitra, ary koa mba hamonjena sy hitsimbinana ny tany fonenantsika. Koa satria izao no andro famaranana ho an’itỳ fandehan-javatra itỳ, dia ilaina maika ny atahorana an’ilay Andriamanitra marina ankehitriny!

Nanaraka ny famintinana ny fianarana Ny Tilikambo Fiambenana ho an’ilay herinandro, dia nandray ny fitenenana ny mpandahateny farany. Ho vokatr’ilay fandaharan’ny fivoriambe, hoy ny fanazavany, ny tahotra araka an’Andriamanitra dia nanjary nisy heviny lehibe kokoa ho an’ireo mpamonjy fivoriambe. Nantitranteriny ny amin’ireo soa maro izay azon’ireo matahotra an’Andriamanitra. Ny mpandahateny dia nanambara ny famoahana ilay vidéo vaovao hoe: Ampiraisin’ny Fampianarana Araka An’Andriamanitra (anglisy). Izy io dia mampisongadina ireo lafiny manokana tamin’ilay Fivoriambe Niraisam-pirenena “Fampianarana Araka An’Andriamanitra” natao tamin’ny 1993-1994. Teo am-pifaranan’ilay lahateny, dia maro no nanontany tena hoe: ‘Inona no azonay andrandraina amin’ny herintaona?’ Fivoriamben’ny distrika haharitra telo andro any amin’ny toerana maro.

Ho famaranana, ny mpandahateny dia nanisy fitenenana ny amin’ny Malakia 3:16 manao hoe: “Ary tamin’izany izay natahotra an’i Jehovah dia samy niresaka tamin’ny namany avy; ary Jehovah nihaino ka nandre izany; ary nisy boky nosoratana teo anatrehany ho fahatsiarovana izay matahotra an’i Jehovah sy mihevitra ny anarany.” Nandeha nody ireo mpamonjy fivoriambe, niharihary fa tapa-kevitra ny hihevitra ny anaran’i Jehovah sy hanompo azy amin’ny tahotra araka an’Andriamanitra.

[Sary, pejy 24]

Mila manohy mampiseho tahotra araka an’Andriamanitra ireo mpilatsaka hatao batisa

[Sary, pejy 25]

Nanaitra ny sain’ireo mpihaino ho amin’ny ilana ny ho tapa-kevitra eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah, ilay fampisehoana tantara hoe “Ireo Safidy Atrehinao”

[Sary, pejy 26]

Ravoravo ireo mpamonjy fivoriambe naharay ilay bokikely vaovao hoe “Rehefa Nody Mandry ny Olona Iray Tianao”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara