Ny Fivavahanao — Sambo Iray Izay Tsy Tokony Hilaozana Mihitsy Ve?
EO ANIVON’NY rivo-doza iray ny sambo iray. Ireo tantsambo, izay miezaka mafy amim-pamoizam-po mba hamonjy ilay sambony, dia miatrika fanapahan-kevitra mampitaintaina iray: na hijanona ao amin’ilay sambo na handao ilay sambo ka hamonjy ny tenany. Fantatrao ve fa izany fitantarana mampangitakitaka izany dia ampiasaina ho toy ny fanoharana ara-teolojia iray?
Ireo teolojiana, indrindra fa ireo manam-pahaizana manokana katolika, matetika dia mampitaha ny egliziny amin’ny sambo iray izay mamakivaky tafio-drivotra iray. Milaza izy ireo fa io sambo io, izay i Jesosy na i Petera no mitondra azy, dia mampiseho ny hany fomba famonjena. Izao no toerana tanan’ny klerjy: ‘Aza mandao mihitsy ny sambo. Nahita krizy lehibe ny eglizy teo aloha, kanefa sambo izay namakivaky soa aman-tsara ireo rivo-dozan’ny tantara rehetra izy io.’ Hoy ny sasany: ‘Nahoana no handao azy io? Inona avy ireo safidy misy? Nahoana no tsy mijanona manampy mba hitarika azy io ho eny amin’ny rano tony kokoa?’
Mifanaraka amin’io fanoharana io, dia olona maro, anisan’ny karazam-pivavahana rehetra, no manjohy hevitra toy izao: ‘Fantatro fa diso amin’ny zavatra maro ny fivavahako, kanefa manantena aho fa hiova izany. Tsy tiako ny handao azy io. Ho tiako ny handray anjara amin’ny fanampiana azy io handresy ireo zava-manahirana azy.’ Izany karazana fanjohian-kevitra izany dia mety hobaikoin’ny firaiketam-po marina amin’ny fivavahana nentim-paharazan’ny tena na ny tahotra sao “hamadika” azy io mihitsy aza.
Ohatra mifanentana iray ny an’i Hans Küng, teolojiana katolika mpanohitra fanta-daza iray, izay niteny tamim-pieritreretana lalina toy izao: “Tokony handao ilay sambo ve aho mandritra ilay tafio-drivotra, ka hamela ireo izay niara-nandeha sambo tamiko hatramin’izao hiatrika ny rivotra, hanala ny rano, ary angamba hiady mba ho tafita velona?” Izao no navaliny: “Tsy hahafoy ny fahavitako zavatra ao anatin’ny eglizy aho.” Ny safidy hafa iray dia ny “fisarahana amin’io eglizy io, satria niamboho adidy izy io, fisarahana noho ny fitiavana ireo zavatra heverina ho sarobidy kokoa, ary angamba, mba hahatongavana ho Kristiana marina kokoa”. — Die Hoffnung bewahren.
Kanefa afaka mijanona ao amin’ny sambon’ny fiangonany manokana ve ny olona iray amin’ny fanantenana fa hanome ho an’ny fivavahana rehetra fe-potoana tsy voafetra mba hihavaozana Andriamanitra, noho ny famindram-pony? Fanontaniana lehibe izany. Araka ny asehon’ilay fanoharana, ny fialana an-kamehana amin’ny sambo tra-doza iray mba hiondranana ao amin’ireo lakana famonjena aina tsy azo antoka dia hampidi-doza toy ny fijanonana ao amin’ny sambo iray miharendrika. Fahendrena ve ny hijanonana ao amin’ny fiangonana iray na inona na inona vidiny, na manao ahoana na manao ahoana ny toe-javatra misy ao? Inona avy ireo fahafaham-pihavaozana atolotr’ireo fivavahana amin’izao andro izao? Mandra-pahoviana no hamelan’Andriamanitra azy ireny hanao zavatra mifanohitra amin’ny sitrapony?
[Sary nahazoan-dalana, pejy 3]
Chesnot/Sipa Press