Olana Teolojika Iray Saro-bahana
“NY HEVITRA ny amin’ny tsy fahafatesan’ny fanahy (âme) sy ny finoana ny fitsanganana amin’ny maty (...) dia hevitra roa tsy mitovy tantana velively, ka tsy maintsy hanaovana safidy.” Ireo tenin’i Philippe Menoud ireo dia milaza amin’ny ambangovangony ny olana saro-bahana atrehin’ireo teolojiana katolika sy protestanta momba ny toetran’ny maty. Ny Baiboly dia miresaka momba ny fanantenana ny amin’ny fitsanganana amin’ny maty “amin’ny andro farany”. (Jaona 6:39, 40, 44, 54). Ny fanantenan’ny mpino maro be anefa, hoy ilay teolojiana atao hoe Gisbert Greshake, dia “miorina amin’ny tsy fahafatesan’ny fanahy (âme), izay misaraka amin’ny vatana eo amin’ny fahafatesana, ka miverina any amin’Andriamanitra, kanefa kosa dia levona amin’ny ankapobeny ny fanantenana momba ny fitsanganana amin’ny maty, raha tsy atao hoe levona tanteraka mihitsy aza.”
Ao anatin’izany tarehin-javatra izany dia mipoitra ny zava-manahirana sarotra iray, hoy ny fanazavan’i Bernard Sesboüé: “Manao ahoana no toetran’ny maty mandritra ny ‘fotoana anelanelan’ny’ fahafatesan’ny vatana sy ny fitsanganana amin’ny farany?” Toa fototry ny ady hevitra teolojika tao anatin’ireo taona vitsivitsy farany, io fanontaniana io. Inona no nitarika ho amin’izany? Ary ny mbola zava-dehibe kokoa, inona no tena fanantenan’ny maty?
Fiandohana sy fivelaran’ny olana saro-bahana iray
Ireo Kristiana voalohany dia nahatakatra mazava ilay raharaha. Fantany avy ao amin’ny Soratra Masina fa tsy mahatsiaro na inona na inona ny maty, satria milaza toy izao ny Soratra Hebreo: “Fantatry ny velona fa ho faty izy; fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona (...) Tsy misy asa, na hevitra, na fahalalana, na fahendrena, any amin’ny fiainan-tsi-hita izay alehanao.” (Mpitoriteny 9:5, 10). Nanantena ireny Kristiana ireny fa hitranga mandritra ny “fanatrehan’ny Tompo” ho avy ny fitsanganana amin’ny maty. (1 Tesaloniana 4:13-17, NW ). Tsy nantenain’izy ireo ny hahatsiaro tena any amin’ny toerana hafa eo am-piandrasana izany fotoana izany. I Joseph Ratzinger, izay kardinalin’ny Kongregasionan’ny Vatikana momba ny Foto-pinoana ankehitriny, dia milaza toy izao: “Tsy nisy mihitsy fanambarana ara-poto-pampianarana momba ny tsy fahafatesan’ny fanahy tao amin’ny Eglizy fahiny.”
Hazavain’ny Nuovo dizionario di teologia anefa fa rehefa vakina ny asa soratr’ireo Rain’ny Eglizy, toa an-dry Augustin na Ambroise tamin’ny taonjato fahefatra, dia “manjary mahatsapa zava-baovao mikasika ny lovantsofina ara-baiboly isika, dia ny fisehoan’ny eskatolojia [fampianarana momba ny anjaran’ny olona aorian’ny fahafatesany] grika iray samy hafa tanteraka amin’ny an’ny Jiosy sy ny Kristiana”. Io fampianarana vaovao io dia niorina tamin’ny “tsy fahafatesan’ny fanahy sy ny fitsarana ny isam-batan’olona arahina valisoa na sazy avy hatrany aorian’ny fahafatesana.” Araka izany, dia nipoitra ny fanontaniana iray momba ny “toerana anelanelany”: Raha mbola velona aorian’ny fahafatesan’ny vatana ihany ny fanahy, inona no mitranga amin’izy io eo am-piandrasany ny fitsanganana amin’ny maty amin’ny “andro farany”? Izany no olana saro-bahana niezahan’ireo teolojiana novahana.
Tamin’ny taonjato fahenina am.f.i. dia notohanan’ny Papa Grégoire I fa eo amin’ny fahafatesana, dia mankamin’ny toerana ho anjarany avy hatrany ny fanahy. Nino mafy ny Papa Jean XXII tamin’ny taonjato faha-14, fa ny maty dia hahazo ny valisoany farany amin’ny Andro Fitsarana. Nolavin’ny Papa Benédicte XII nandimby azy anefa izany. Tao amin’ny didim-panjakana Benedictus Deus (1336) navoakan’ny papa, dia nilaza izy fa “ny fanahin’ireo maty dia miditra [any an-danitra na any amin’ny afo fandiovana na any amin’ny helo] avy hatrany aorian’ny fahafatesana, ary tsy tafaray indray amin’ny vatana natsangana raha tsy amin’ny faran’izao tontolo izao”.
Na dia teo aza ny fifandirana sy ny ady hevitra, dia izany no toerana notanan’ny fiangonana ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana nandritra ny taonjato maro, na dia tsy mino ny afo fandiovana aza amin’ny ankapobeny ireo fiangonana protestanta sy ortodoksa. Nanomboka tamin’ny fiafaran’ny taonjato teo anefa dia nitombo isa ireo manam-pahaizana nisarika ny sain’ny olona ho amin’ny tsy naha-avy tamin’ny Baiboly ny foto-pampianarana momba ny tsy fahafatesan’ny fanahy, ary ho vokatr’izany, dia “matetika izao ny teolojia maoderina no miezaka mihevitra ny olona ho toy ny fisiana iray, izay levona tanteraka ao amin’ny fahafatesana”. (The Encyclopedia of Religion). Noho izany, dia hitan’ireo mpivaofy teny ao amin’ny Baiboly ho sarotra ny manamarina ny fisian’ny “toerana anelanelany”. Miresaka momba izany ve ny Baiboly, sa manolotra fanantenana hafa kosa izy io?
Nino ny “toerana anelanelany” ve i Paoly?
Milaza toy izao ny Katesizin’ny Eglizy Katolika (anglisy): “Mba hitsanganana miaraka amin’i Kristy, dia tsy maintsy maty miaraka amin’i Kristy isika: isika dia tsy maintsy ‘miala amin’ny vatana mba hitoetra eo akaikin’ny Tompo’. [2 Korintiana 5:8]. Ao amin’izany ‘fiaingana’ izany, izany hoe ny fahafatesana, dia sarahina tamin’ny vatana ny fanahy. [Filipiana 1:23]. Izy io dia ho tafaray amin’ny vatana indray amin’ny andro hitsanganan’ny maty.” Ao amin’ireo andinin-teny voalaza eto anefa, moa ve milaza ny apostoly Paoly fa mbola velona aorian’ny fahafatesan’ny vatana ihany ny fanahy, ary avy eo dia miandry ny “Fitsarana Farany” mba ho tafaray indray amin’ny vatana?
Ao amin’ny 2 Korintiana 5:1 (Kat.), dia manisy firesahana ny amin’ny fahafatesany i Paoly ary resahiny ny amin’ny “trano lay itoerana eto an-tany” izay ‘horavana’. Nieritreritra ny amin’ny vatana ialan’ny fanahiny tsy nety maty ve izy? Tsia. I Paoly dia nino fa ny olona dia fanahy, fa tsy hoe manana fanahy akory izy. (Genesisy 2:7, NW; 1 Korintiana 15:45, NW ). I Paoly dia Kristiana voahosotry ny fanahy, izay ny fanantenany, toy ny an’ireo rahalahy tamin’ny taonjato voalohany, dia ‘notahirizina tany an-danitra’. (Kolosiana 1:5; Romana 8:14-18). Ny ‘faniriany mafy’ noho izany, dia ny hatsangana ho any an-danitra amin’ny maha-zavaboary ara-panahy tsy mety maty, amin’ny fotoana voatondron’Andriamanitra. (2 Korintiana 5:2-4, Kat.). Rehefa niresaka momba an’io fanantenana io izy, dia nanoratra toy izao: “Rehefa maneno ny trompetra farany, dia hovana isika rehetra; fa hotsofina ny trompetra, ary ny maty hatsangana tsy ho lo intsony, ary isika hovana.” — 1 Korintiana 15:51, 52.
Ao amin’ny 2 Korintiana 5:8, dia milaza toy izao i Paoly: “Matoky isika, ka aleontsika ny tsy hitoetra ao amin’ny tena, fa ny hitoetra any amin’ny Tompo.” Mino ny sasany fa ireo teny ireo dia manisy firesahana ny amin’ny toerana anelanelany fiandrasana. Manisy firesahana ny amin’ny fampanantenana nataon’i Jesosy tamin’ireo mpanara-dia azy mahatoky koa ny olona toy izany, fampanantenana milaza fa izy dia hanomana toerana izay ‘handraisany azy ireo ho any aminy’. Rahoviana anefa izany fahatsinjovan-javatra izany no ho tanteraka? Nilaza i Kristy fa ho tanteraka izany rehefa “ho avy indray” ao amin’ny fanatrehany ho avy izy. (Jaona 14:1-3). Tahaka izany koa, ao amin’ny 2 Korintiana 5:1-10, dia nilaza i Paoly fa ny handova fitoerana any an-danitra no fanantenana iombonan’ireo Kristiana voahosotra. Izany dia ho tanteraka, tsy amin’ny alalan’izay heverina fa tsy fahafatesan’ny fanahy, fa amin’ny alalan’ny fitsanganana amin’ny maty mandritra ny fanatrehan’i Kristy kosa. (1 Korintiana 15:23, 42-44). Ny fanatsoahan-kevitr’ilay mpivaofy teny atao hoe Charles Masson dia hoe: “Azo atao tsara ny mahazo ny hevitry [ny 2 Korintiana 5:1-10] tsy mila ny fanampian’ny petra-kevitra ny amin’ny ‘toerana anelanelany’. ”
Ao amin’ny Filipianina 1:21, 23 (DIEM ) dia milaza toy izao i Paoly: “Amiko, dia i Kristỳ no fiainana; ary ny fahafatesana no ahazoako tombony. Sanganehana eo anelanelan-javatra roa aho: tiako hilaozana itỳ fiainana itỳ mba hiarahako amin’i Kristỳ, satria tsara lavitra izany”. Moa ve i Paoly eto manisy firesahana ny amin’ny “toerana anelanelany”? Izany no eritreretin’ny olona sasany. Milaza anefa i Paoly fa sanganehana eo anelanelan’ny fahatsinjovan-javatra roa izy: ny fiainana na ny fahafatesana. Nanampy teny izy, ka nilaza zavatra ifidianana fahatelo: “tiako hilaozana anefa itỳ fiainana itỳ mba hiarahako amin’i Kristỳ”. Ny ‘fandaozana itỳ fiainana itỳ’ mba hiarahana avy hatrany amin’i Kristy aorian’ny fahafatesana ve? Araka ny efa hitantsika dia nino i Paoly fa ireo Kristiana voahosotra mahatoky dia hatsangana mandritra ny fanatrehan’i Kristy. Noho izany, dia tsy maintsy ho ireo fisehoan-javatra amin’izany fe-potoana izany no tao an-tsainy.
Azo atao ny mahita izany avy amin’ireo teniny hita ao amin’ny Filipiana 3:20, 21 sy 1 Tesaloniana 4:16. Izany ‘fandaozana itỳ fiainana itỳ’ mandritra ny fanatrehan’i Kristy Jesosy izany, dia nahafahan’i Paoly nandray ny valisoa izay nomanin’Andriamanitra ho azy. Ny hoe izany no fanantenany dia hita amin’ireo teny nataony ho an’ilay lehilahy tanora atao hoe Timoty: “Hatrizao dia tehirizina ho ahy ny satroboninahitry ny fahamarinana, izay homen’ny Tompo, Mpitsara marina, ho ahy amin’izay andro izay; ary tsy ho ahy ihany, fa ho an’izay rehetra tia ny fisehoany koa.” — 2 Timoty 4:8.
Ny fitsanganana amin’ny maty — Fahamarinana kanto ao amin’ny Baiboly
Ireo Kristiana voalohany dia nihevitra ny fitsanganana amin’ny maty ho fisehoan-javatra izay hanomboka mandritra ny fanatrehan’i Kristy, ary nahazo hery sy fampiononana avy amin’io fahamarinana kanto ao amin’ny Baiboly io izy ireo. (Matio 24:3; Jaona 5:28, 29; 11:24, 25; 1 Korintiana 15:19, 20; 1 Tesaloniana 4:13). Niandry tamim-pahatokiana izany fifaliana ho avy izany izy ireo, ka nanda ny fampianaran’ireo mpivadi-pinoana momba ny fanahy tsy mety maty. — Asan’ny Apostoly 20:28-30; 2 Timoty 4:3, 4; 2 Petera 2:1-3.
Mazava ho azy fa tsy voafetra ho an’ireo Kristiana manana fanantenana ny ho any an-danitra ny fitsanganana amin’ny maty. (1 Petera 1:3-5). Ireo patriarika sy ireo mpanompon’Andriamanitra hafa fahiny dia naneho finoana ny fahaizan’i Jehovah hamerina ny maty ho amin’ny fiainana eto an-tany indray. (Joba 14:14, 15; Daniela 12:2; Lioka 20:37, 38; Hebreo 11:19, 35). Na dia ireo olona an’arivo tapitrisany maro izay tsy nahafantatra velively an’Andriamanitra nandritra ireo taonjato maro aza, dia manana fahafahana hiverina ho amin’ny fiainana ao amin’ny paradisa eto an-tany indray, satria “hisy fitsanganan’ny marina sy ny tsy marina”. (Asan’ny Apostoly 24:15, NW; Lioka 23:42, 43). Tsy fahatsinjovan-javatra mampientam-po ve izany?
Tsy mitady hampino antsika akory i Jehovah fa hisy foana ny fijaliana sy ny fahafatesana, fa misarika ny saintsika kosa izy ho amin’ny fotoana, rehefa hofoanana mandrakizay ‘ny fahavalo farany, dia ny fahafatesana’, ka hiaina mandrakizay eto ambonin’ny tany naverina ho Paradisa indray ny taranak’olombelona mahatoky. (1 Korintiana 15:26; Jaona 3:16; 2 Petera 3:13). Hahatalanjona toy inona moa ny hahita ireo olon-tiantsika hiverina indray ho amin’ny fiainana! Tsara kokoa toy inona moa io fanantenana azo antoka io noho ny tsy fahafatesana tombantombana momba ny fanahy olombelona — foto-pampianarana miorina, tsy amin’ny Tenin’Andriamanitra, fa amin’ny filozofia grika! Raha manorina ny fanantenanao amin’ny fampanantenan’Andriamanitra azo antoka ianao, dia afaka ny hahazo antoka koa fa tsy ho ela dia “tsy hisy fahafatesana intsony”! — Apokalypsy 21:3-5.
[Sary, pejy 31]
Fahamarinana kanto ao amin’ny Baiboly ny fitsanganana amin’ny maty