Mendrika Hodinihina Akaiky Kokoa Ireo Vavaka ao Amin’ny Baiboly
ANKEHITRINY isika dia handinika akaiky ny vavaka nataon’ny vehivavy iray nitebiteby sy ny an’ny mpanjaka iray ary ny an’ny Zanak’Andriamanitra mihitsy. Natosiky ny toe-javatra maromaro samy hafa ny vavaka tsirairay. Mety hahakasika antsika anefa ny tarehin-javatra toy izany amin’izao andro izao. Inona no azontsika ianarana avy amin’ireo ohatra ireo?
‘Tsinjovy ny alahelon’ny ankizivavinao’
Miady amin’ny zava-manahirana iray maharitra ve ianao? Sa vesaran’ny tebiteby? Ao anatin’ny tarehin-javatra tena mitovy amin’ny an’i Hana, talohan’ny niterahany an’i Samoela zanany voalohany àry ianao. Tsy nanan-janaka izy ary noharabin’ny vehivavy hafa iray. Raha ny marina, ny tarehin-javatra nisy an’i Hana dia nampitebiteby azy aoka izany, hany ka tsy nahahinan-kanina izy. (1 Samoela 1:2-8, 15, 16). Nitaraina tamin’i Jehovah izy ary nanolotra izao fitalahoana izao:
“Jehovah, Tompon’ny maro ô, raha mba hitsinjo tokoa ny alahelon’ny ankizivavinao Hianao ka hahatsiaro ahy ary tsy hanadino ny ankizivavinao, fa hanome ahy zazalahy, dia homeko ho an’i Jehovah kosa izy amin’ny andro rehetra hiainany, ka tsy hokasihin-kareza ny lohany.” — 1 Samoela 1:11.
Mariho fa tsy zavatra tamin’ny ankapobeny no noresahin’i Hana. Nanao fangatahana voafaritra tsara (zanakalahy iray) tamin’i Jehovah izy, ary nampiarahiny tamin’ny fahatapahan-kevitra niavaka tsara izy io (hataony ho azo ampiasaina amin’ny fanompoana an’Andriamanitra izy). Inona no ampianarin’io vavaka io antsika?
Ao anatin’ny toe-javatra mampahory, dia lazao amin’ny fomba voafaritra tsara ao anatin’ny vavaka ataonao ireo zava-manahirana anao. Na inona na inona zava-manahirana anao — na tarehin-javatra misy ao an-tokantrano izany na fitoerana ho manirery na tsy fahasalamana — dia mivavaha amin’i Jehovah momba izany. Lazalazao aminy ny tena toetran’ny fahasahirananao ary izay tsapanao. “Isaky ny hariva aho dia manankina ireo fanahiako rehetra amin’i Jehovah”, hoy ny vehivavy maty vady iray antsoina hoe Louise. “Indraindray dia maro ireo fahasahiranako, nefa dia tononiko tsirairay mazava izany”.
Mitondra soa ny firesahana amin’i Jehovah amin’ny teny voafaritra tsara. Ny fanaovana toy izany dia manampy antsika hahazo mazava ireo zava-manahirana antsika, izay mety ho hita fa tsy dia sarotra resena loatra. Ny fanaovana vavaka voafaritra tsara dia manafaka antsika amin’ny tebiteby. Na dia mbola tsy voavaly aza ny vavaka nataony, dia feno toky i Hana, ka “tsy nalahelo tarehy intsony” izy. (1 Samoela 1:18). Ambonin’izany, dia mahatonga antsika ho mailo hanamarika ny valim-bavaka ny fanaovana teny voafaritra tsara. “Arakaraka ny anaovako vavaka amin’ny fomba voafaritra tsara, no mampahazava kokoa ny valiny”, hoy i Bernhard, Kristiana iray any Alemaina.
‘Mbola zaza ihany anefa aho’
Mety hahatsapa karazana fanahiana hafa anefa ny olona iray raha mahazo fanendrena izay heveriny fa tsy tokony hotontosainy. Moa ve ianao indraindray mahatsiaro ho tototry ny andraikitra izay nankinin’i Jehovah taminao? Sa heverin’ny olona sasantsasany ho tsy mifanentana amin’ilay fanendrena ianao? I Solomona tanora dia tao anatin’izany tarehin-javatra izany fony izy voahosotra ho mpanjakan’ny Isiraely. Naleon’ny olona ambony sasany olon-kafa no ho eo amin’ny seza fiandrianana. (1 Mpanjaka 1:5-7, 41-46; 2:13-22). Teo am-piandohan’ny fotoana nanjakany, dia izao no nangatahiny tao amin’ny vavaka:
“Jehovah, Andriamanitra ô, Hianao efa nampanjaka ahy mpanomponao (...); nefa izaho dia mbola zaza ihany, ka tsy fantatro akory izay fivoaka sy fiditra. (...) Omeo ahy mpanomponao [fo mihaino, fanamarihana ambany pejy] ho entiko mitsara ny olonao, hahaizako manavaka ny soa sy ny ratsy”. — 1 Mpanjaka 3:7-9.
Nafantok’i Solomona tamin’ny fifandraisany tamin’i Jehovah ny vavaka nataony, dia tamin’ny tombontsoa nomena azy, sy tamin’ny fahafahany hanatanteraka ny asa nanendrena azy. Tahaka izany koa, na oviana na oviana isika omena andraikitra izay tsapantsika fa mihoatra ny fahaizantsika, dia tokony hangataka amin’Andriamanitra isika mba hanomezany izay ilaintsika hanatontosana ilay asa. Diniho ireto fanandraman-javatra manaraka ireto:
“Rehefa nangatahina hiantsoroka andraikitra lehibe kokoa tao amin’ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower aho”, hoy ny fanazavan’i Eugene “dia nahatsapa ho tsy ampy fahaizana tanteraka. Nisy hafa izay nahay tsara kokoa sy nanana fanandraman-javatra betsaka kokoa. Tsy natory firy aho ny alina roa nanaraka, nandany ny ankamaroan’ny fotoana nivavahana, ka izany dia nanome ahy ny hery sy ny toky nilaina.”
I Roy dia nangatahina hanao lahatenim-pandevenana taorian’ny fahafatesana tampoka sy nampalahelo nahazo ny namana tanora iray be mpahalala. Azo antoka fa hisy olona an-jatony hanatrika izany. Inona no nataon’i Roy? “Nahalana aho no nivavaka imbetsaka toy izany mba hahazo hery sy fahaizana hahitana ireo teny nifanentana sy hilazana hevitra manorina, ary hanolorana fampiononana.”
Vokatra ara-dalànan’ny ‘fanafainganan’ilay’ Mpamorona ny zavatra sy ny fitaran’ny fandaminany, dia mihabetsaka kokoa ireo mpanompony no anankinana andraikitra. (Isaia 60:22). Raha angatahina handray anjara mitombo ianao, dia aoka ho feno toky fa i Jehovah dia afaka mameno izay mety ho tsy fahampiam-panandraman-javatra, na fiofanana na fahaizana. Manatòna an’Andriamanitra toy ny nataon’i Solomona, ary Izy hanome izay ilainao hanatontosana ilay fanendrena.
“Mba ho iray ihany izy rehetra”
Ny tarehin-javatra fahatelo misy amin’izao andro izao dia ny hoe angatahina hisolo tena ny antokon’olona iray ao amin’ny vavaka ny tena. Rehefa angatahina isika mba hivavaka ho an’ny hafa, momba ny inona moa no tokony hivavahantsika? Diniho ilay vavaka nataon’i Jesosy voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Jaona toko faha-17. Nanao io vavaka io teo anatrehan’ny mpianany izy, ny takariva farany tamin’ny naha-olombelona azy. Karazana fangatahana inona no natolony tamin’ilay Rainy any an-danitra?
Nohantitranterin’i Jesosy ireo tanjona iombonana sy ny fanantenana niarahany nanana tamin’ireo izay nanatrika teo. Notononiny ny fankalazana ny anaran’i Jehovah Andriamanitra sy ny fampahafantarana ilay Fanjakana. Nohantitranterin’i Jesosy ny hasarobidin’ny fifandraisana manokana eo amin’ny Ray sy ny Zanaka, niorina tamin’ny fahalalana ny Soratra Masina. Niresaka momba ny fisarahana amin’izao tontolo izao, izay hanomana ny mpanara-dia azy ho amin’ny fanoherana, izy. I Kristy koa dia nangataka tamin’ny Rainy mba hiaro ny mpianatra sy hampiray azy ireo ao amin’ny fanompoam-pivavahana marina.
Eny, i Jesosy dia nanantitrantitra ny amin’ny firaisan-tsaina. (Jaona 17:20, 21). Tamin’io takariva io dia tafiditra tao amin’ny fifamaliana nampiseho tsy fahamatorana ireo mpianatra. (Lioka 22:24-27). Tao amin’ny vavaka nataony anefa, dia tsy nitady hanome tsiny i Kristy fa hampiray saina kosa. Tahaka izany koa, ireo vavaka ataon’ny fianakaviana na ataon’ny kongregasiona dia tokony hampandroso ny fitiavana sy hitady izay handresena ireo tsy fifanarahana eo amin’ny isam-batan’olona. Tokony hotarihina miaraka ao amin’ny firaisan-tsaina ireo izay soloana tena. — Salamo 133:1-3.
Miseho izany firaisan-tsaina izany rehefa manao hoe: “Amena” na “Ho toy izany anie” ireo izay mihaino, amin’ny farany. Mba hetezan’izany, dia tsy maintsy azon’izy ireo ny hevitra ary ekeny izay rehetra voalaza. Tsy hety, noho izany, ny hilazana ao amin’ny vavaka foto-kevitra iray izay tsy fantatry ny sasany amin’ireo izay manatrika. Ohatra, ny loholona iray izay misolo tena ny kongregasiona ao amin’ny vavaka dia mety hangataka ny hitahian’i Jehovah ny rahalahy na anabavy ara-panahy iray marary mafy. Mazava ho azy anefa fa ho tsara kokoa ny hanaovany izany raha toa ka mahalala ilay olona sy nandre momba ilay aretina ny ankamaroan’ireo izay soloany tena.
Mariho koa fa i Jesosy dia tsy nanonona tamin’ny an-tsipiriany ireo zavatra manokana nilain’ny tsirairay avy tao amin’ilay antokon’olona. Ny fanaovana izany dia hahavoatery azy hilaza raharaha manokana izay olona sasantsasany ihany no nahalala azy. Ireo raharaha manokana dia foto-kevitra mety hanaovana vavaka mitokana, ka azo itarina sy lazaina amin’ny an-tsipiriany araka izay irina.
Ahoana no tokony hanomanan’ny olona iray ny tenany mba hisolo tena ao amin’ny vavaka ny fivoriana lehiben’ny mpivavaka? Manazava toy izao ny Kristiana manana fanandraman-javatra iray: “Dinihiko mialoha izay hanaovana fisaorana sy izay mety ho fangatahana hananan’ireo rahalahy ary izay fangatahana manokana azoko atao ho azy ireo. Alamiko tsara ao an-tsaiko ireo hevitra, ao anatin’izany ireo fanehoam-piderana. Alohan’ny hanaovako ilay vavaka ampahibemaso, dia mivavaka mangina aho, mangataka fanampiana mba hisolo tena amin’ny fomba mendrika ireo rahalahy.”
Na inona na inona toe-javatra misy anao, dia azo inoana fa hahita vavaka iray ao amin’ny Baiboly efa nataon’olona tao anatin’ny toe-javatra nitovy tamin’ny anao ianao. Ireo vavaka maro be ao amin’ny Soratra Masina dia porofon’ny hatsaram-panahy miharo fitiavana ananan’Andriamanitra. Ny famakiana ireny vavaka ireny sy ny fisaintsainana azy ireny dia hanampy anao hanatsara ny vavaka ataonao.
[Efajoro, pejy 5]
IREO VAVAKA MENDRIKA HOMARIHINA AO AMIN’NY BAIBOLY
Ny mpanompon’i Jehovah dia nanolotra vavaka tao anatin’ny toe-javatra maro. Efa nahita ny tenanao tao anatin’ny tarehin-javatra iray na mihoatra, voalaza manaraka eto ve ianao?
Mila tari-dalana avy amin’Andriamanitra ve ianao, toa an’i Eliezera? — Genesisy 24:12-14.
Misy loza mananontanona anao ve, toy ny hitan’i Jakoba? — Genesisy 32:10-13.
Maniry hahafantatra bebe kokoa an’Andriamanitra ve ianao, toa an’i Mosesy? — Eksodosy 33:12-17.
Miatrika ny mpanohitra ve ianao, toa an’i Elia? — 1 Mpanjaka 18:36, 37.
Sarotra ve ny fitoriana ho anao, toy ny naha-toy izany azy ho an’i Jeremia? — Jeremia 20:7-12.
Mila miaiky ireo fahotana sy mitady famelana ve ianao, toa an’i Daniela? — Daniela 9:3-19.
Tojo fanenjehana ve ianao, toa an’ireo mpianatr’i Jesosy? — Asan’ny Apostoly 4:24-31.
Jereo koa ny Matio 6:9-13; Jaona 17:1-26; Filipiana 4:6, 7; Jakoba 5:16.
[Efajoro, pejy 6]
IZAY TOKONY HANGATAHINA AMIM-BAVAKA REHEFA MIADY AMIN’NY FAHAZARANA IRAY LATSA-PAKA
Moa ve ianao miady amin’ny kileman-toetra miverimberina? Ahoana no ahafahanao mandray soa amin’ireo vavaka voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Baiboly? Mandraisa fianarana avy amin’ny ohatr’i Davida, izay nivavaka tamin’ny fotoana samihafa momba ireo kilema toetrany manokana.
Nihira toy izao i Davida: “Diniho aho, Andriamanitra ô, ary fantaro ny foko; izahao toetra aho, ary fantaro ny eritreritro”. (Salamo 139:23). Tian’i Davida ny handinihan’i Jehovah ireo faniriany na fihetseham-pony na antony nanosika azy ratsy. Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia niangavy mafy ny fanampian’i Jehovah i Davida mba hanalavirana ny fahotana.
Resin’ireo kileman-toetrany anefa i Davida, ka nanao fahotana lehibe. Teto indray, dia nanampy azy ny vavaka — tamin’itỳ indray mandeha itỳ, dia mba hamerina amin’ny laoniny ny fifandraisany tamin’Andriamanitra. Araka ny Salamo 51:2, dia niangavy mafy toy izao i Davida: “Sasao madio aho mba ho afa-keloka, ary diovy aho mba ho afa-pahotana.”
Isika koa dia afaka mangataka amim-panetren-tena ny fanampian’i Jehovah mba hifehezana ireo fironana ratsy. Hanatanjaka antsika handresy ny kileman-toetra iray latsa-paka izany, ary afaka manampy antsika hanalavitra ny fahotana. Raha toa ka solafaka indray isika, dia tokony hanatona an’i Jehovah, ka hangataka ny fanampiany indray mba hanohizana ny ady.
[Sary, pejy 7]
Tokony hanantitrantitra ireo fanantenana araka ny Soratra Masina sy ireo tanjona ara-panahy iombonana ireo vavaka atao ho an’ny antokon’olona iray