Inona ny Soa ho Azo avy Amin’ny Fiaraha-mandinika Momba ny Fivavahana?
MIANDRY amim-pahadodonana ireo teny voalohany holazain’ny zanany kely ireo ray aman-dreny. Rehefa ren’izy ireo ny teny iray averimberina ao amin’ilay badabada, angamba hoe “Mama” na “Dada”, dia dibo-kafaliana ny fon’izy ireo. Mizara haingana izany vaovao izany amin’ny namana sy ny mpiara-monina izy ireo. Tena vaovao tsara izay mitondra haravoana tokoa ny teny voalohany ampitain’ny zazakely.
Manosika ny zazakely iray hamaly ireo feon-javatra sy zavatra hita ary fofon-javatra raisin’ireo vavahadin-tsainy. Mazava ho azy fa miovaova ireo valiny omeny. Raha tsy mamaly ireny fanaitairana ireny anefa ny zaza iray aorian’ny fe-potoana sasany, dia ara-drariny raha hanahy ireo ray aman-dreny sao mety hisy fahavoazana ny fitomboan’ny zanany.
Mamaly tsara indrindra amin’ny olona fantany ireo zazakely. Rehefa mitrotro ilay zazakely ny reniny, dia mitsiky be izy. Kanefa, ny fikasihan’ny havana mitsidika iray dia afaka mampitomany azy, na mahatonga azy handa amin-kiry tsy hotazonin’izy io mihitsy aza. Ny ankamaroan’ireo havana izay mandalo amin’izany dia tsy miala maina. Arakaraka ny ahafantaran’ilay zazakely azy ireo tsara kokoa, dia faly izy ireo fa rava ilay fefin’ny tsy fifankahalalana, ary mipoitra tsikelikely ny tsikin’ilay zazakely.
Toy izany koa fa olon-dehibe maro no misalasala ny hiara-mandinika an-karihary momba ny zavatra inoany ara-pivavahana amin’ny olona iray tsy fantany hatramin’ny ela. Mety tsy ho takatr’izy ireo ny antony hanirian’ny olona tsy fantatra iray hifanakalo hevitra momba ny raharaha manokana iray, dia ny fivavahana. Ny vokany dia avelan’izy ireo hisy fefy eo anelanelan’izy ireo sy izay miresaka momba ny Mpamorona. Lavin’izy ireo mihitsy aza ny hiara-mandinika momba ny toetra mampiavaka sady voajanahary amin’ny olombelona, dia ny faniriana hanolotra fanompoam-pivavahana.
Raha ny marina, dia tokony ho liana amin’ny fianarana momba ny Mpamorona antsika isika, ary mety hametraka antsika eo amin’ny toerana hahafahana hianatra ny fifanakalozan-kevitra amin’ny hafa. Izany no izy satria nampifandraisina hatramin’ny ela tamin’ny fampitan-kevitra malalaka Andriamanitra. Aoka hojerentsika hoe tamin’ny fomba ahoana.
‘Mihainoa ka mianara’
Ny fampitan-kevitra voalohany nataon’Andriamanitra tamin’ny olombelona dia tamin’i Adama tao amin’ny sahan’i Edena. Kanefa, taorian’ny nanotan’i Adama sy i Eva, dia naleon’izy ireo niafina rehefa niantso azy ireo Andriamanitra, rehefa naniry ny hampita hevitra fanampiny tamin’izy ireo izy. (Genesisy 3:8-13). Ny Baiboly anefa dia mirakitra an-tsoratra ny tsipiriany momba ireo lehilahy sy vehivavy izay nandray tsara ny fampitan-kevitra avy tamin’Andriamanitra.
Andriamanitra dia nampita hevitra tamin’i Noa momba ny fandravana nananontanona ny tontolo ratsy tamin’ny androny, ka nahatonga an’i Noa ho “mpitory ny fahamarinana” izany. (2 Petera 2:5). Tamin’ny naha-mpitondra tenin’Andriamanitra azy teo amin’ny taranaka nisy azy, dia tsy vitan’ny hoe nampiseho finoana ny fifampiraharahan’Andriamanitra tamin’ny olona i Noa, fa nanambara ampahibemaso koa fa niandany tamin’i Jehovah ny tenany. Nanao ahoana ny fandraisana nomarihin’i Noa? Mampalahelo fa ny ankamaroan’ireo mpiara-belona taminy dia “[tsy nanisy fiheverana, NW ] mandra-pihavin’ny Safo-drano izay nandringana ny olona rehetra”. (Matio 24:37-39). Kanefa, soa ihany ho antsika fa nihaino sy nankato ireo toromarik’Andriamanitra ny mpianakavin’i Noa fito, ka tafita velona tamin’ilay Safo-drano naneran-tany. Avy tamin’izy ireo no niavian’ny olombelona rehetra velona amin’izao andro izao.
Tatỳ aoriana, dia nampita hevitra tamin’ny vahoaka iray manontolo, dia ny Isiraely fahizay, Andriamanitra. Tamin’ny alalan’i Mosesy, dia nomen’Andriamanitra azy ireo ny Didy Folo sy ireo lalàna hafa sahabo ho 600 tsy maintsy nankatoavina toy ny Didy Folo koa. Nantenain’i Jehovah ny hankatoavan’ny Isiraelita azy rehetra ireo. Nodidian’i Mosesy fa tokony hovakina mafy ny Lalàn’Andriamanitra isaky ny fito taona, nandritra ny Andro Firavoravoana Fitoerana Amin’ny Trano Rantsan-kazo fanao isan-taona. “Vorio ny vahoaka rehetra”, hoy ny nandidiany, “na lehilahy, na vehivavy, na ankizy madinika, na ny vahiny ao an-tanànanao”. Noho ny zava-kendrena inona? “Hihainoany sy hianarany ka hatahorany an’i Jehovah Andriamanitrao sy hitandremany hanaraka ny teny rehetra amin’ity lalàna ity.” Tsy maintsy nihaino sy nianatra ny rehetra. Alao sary an-tsaina ny tsy maintsy ho fifalian’izy ireo niara-nandinika momba izay reny! — Deoteronomia 31:10-12.
Maherin’ny taonjato dimy tatỳ aoriana, i Josafata mpanjakan’i Joda dia nandamina mpanapaka sy Levita tao amin’ny ezaka manokana iray mba hamelomana indray ny fanompoam-pivavahana madio tamin’i Jehovah. Nanao dia lavitra nanerana ireo tanànan’i Joda ireny lehilahy ireny, ka nampianatra an’ireo mponina ny lalàn’i Jehovah. Tamin’ny fanaovana izay hiaraha-mandinika ampahibemaso ireny lalàna ireny, dia nasehon’ilay mpanjaka ny fahasahiany ho an’ny fanompoam-pivavahana marina. Raha ny amin’ireo olom-peheziny, dia tsy maintsy nihaino sy nianatra izy ireo. — 2 Tantara 17:1-6, 9.
Fanaovana fanambarana amin’ny alalan’ny fiaraha-midinika
Nandefa an’i Jesosy Zanany mihitsy tetỳ an-tany Andriamanitra mba ho Mpitondra Teniny. (Jaona 1:14). Rehefa hitan’ny mason’ireo mpianatra telo i Jesosy niova tarehy teo anoloan’izy ireo, dia nandre ny feon’Andriamanitra mihitsy izy ireo nanambara hoe: “Ity no Zanako malalako Izay sitrako; Izy no henoy.” (Matio 17:5). Nankato an-tsitrapo izy ireo.
Toy izany koa, fa nodidian’i Jesosy ireo apostoliny mba hanambara ny fikasan’Andriamanitra tamin’ny hafa. Kanefa rehefa sahabo ho enim-bolana sisa tavela tamin’ny fanompoany teto an-tany, dia nampahafantarin’i Jesosy fa goavana tokoa ny asa fitoriana ny Fanjakan’ny lanitra, hany ka nilaina ny mpianatra maro kokoa. Nampianariny tamin’ny 70 tamin’izy ireo ny fomba hiaraha-mandinika momba ny Fanjakan’Andriamanitra tamin’ny olona tsy fantatra ary avy eo dia nirahiny izy ireo hampiely izany hafatra izany ampahibemaso. (Lioka 10:1, 2, 9). Taloha kelin’ny niverenany tany amin’ny Rainy any an-danitra, dia nampirisika ireo mpanara-dia azy i Jesosy mba hanao ny dingana voalohany mba hiresahana amin’ny hafa momba io hafatra io, nibaiko azy ireo toy izao mihitsy aza: “Koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, (...) sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo”. (Matio 28:19, 20). Maneran-tany, ireo Kristiana marina amin’izao andro izao dia manatanteraka izany fanirahana izany amin’ny fiaraha-mandinika momba ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ireo mpiara-belona aminy. Mahatonga azy ireo ho afaka hanambara ny fahamarinana momba an’i Jehovah Mpamorona ireny fiaraha-midinika ireny. — Matio 24:14, NW.
Fiaraha-midinika tsy misy raorao, mampandroso
Tamin’ny fomba ahoana no tokony ho niarahan’ireo mpianatr’i Jesosy nandinika momba ireo zavatra ninoany tamin’ny hafa? Tsy tokony ho nampahasosotra ireo mpanohitra izy ireo, no sady tsy tokony ho nifanditra tamin’izy ireny. Tokony ho nikaroka ireo izay nandray tsara ny vaovao tsara kosa izy ireo, ary rehefa avy eo dia nanolotra ny porofo araka ny Soratra Masina manohana izany. Mazava ho azy fa nitazana ny fihetsik’ireo izay nifandray tamin’ireo mpianatry ny Zanany Andriamanitra, araka ny nilazan’i Jesosy azy mihitsy hoe: “Izay mandray anareo dia mandray Ahy; ary izay mandray Ahy dia mandray Izay naniraka Ahy.” (Matio 10:40). Toy inona moa ny fandavana mafy an’Andriamanitra rehefa nitsipaka ny hafatra nentin’i Jesosy ny ankamaroan’ireo mpiara-belona taminy!
“Tsy [mila ny, NW ] miady ny mpanompon’ny Tompo”, hoy ny torohevitra nomen’i Paoly apostoly kristiana. Fa izy kosa dia “[mila ny, NW ] ho malemy fanahy amin’ny olona rehetra, mahay mampianatra, mahalefitra, mananatra ny mpanohitra amin’ny fahamoram-panahy: fa angamba Andriamanitra hanome azy fibebahana hahalalany tsara ny marina”. (2 Timoty 2:24, 25). Manome ohatra tsara dia tsara ny fomba nanambaran’i Paoly ny vaovao tsara tamin’ny mponin’i Atena, tany Grisia. Nanjohy hevitra tamin’ireo Jiosy tao amin’ny synagogany izy. Isan’andro, teny an-tsena, dia niresaka tamin’ireo izay “tafavory” izy. Na dia tsy isalasalana aza fa tia nihaino hevi-baovao fotsiny ny sasany, i Paoly dia niteny tamin’ny fomba nivantana sy tamin-katsaram-panahy. Niara-nandinika tamin’ireo olona nihaino azy momba ny hafatr’Andriamanitra, izay nampirisika azy ireo hibebaka, izy. Misy itoviana be dia be amin’ny an’ny olona amin’izao andro izao ny fihetsik’izy ireo. “Dia nihomehy ny sasany; ary ny sasany kosa nanao hoe: Mbola hihaino anao indray izahay ny amin’izany zavatra izany.” Tsy nikiry nanalava ilay fiaraha-midinika i Paoly. Rehefa avy nitory ny hafany izy, “dia niala teo aminy”. — Asan’ny Apostoly 17:16-34.
Tatỳ aoriana, dia nilaza tamin’ireo anisan’ny kongregasiona kristiana tany Efesosy i Paoly fa ‘tsy mba nafeniny izay mahasoa, fa nambarany sy nampianariny teo imason’ny olona ary tao amin’ny isan-trano’. Ankoatra izany, dia ‘niara-nandinika tamin’ny Jiosy sy ny Jentilisa momba ny fibebahana amin’Andriamanitra sy ny finoana an’i Jesosy Kristy’, izy. — Asan’ny Apostoly 20:20, 21.
Asehon’ireo ohatra ao amin’ny Soratra Masina ireo ny fomba niarahan’ireo mpanompon’Andriamanitra nahatoky tamin’ny andron’ny Baiboly nandinika momba ny fivavahana. Koa amin’izao andro izao, ny Vavolombelon’i Jehovah dia miara-mandinika amim-pankatoavana momba ny fivavahana amin’ireo mpiara-belona aminy.
Fiaraha-midinika izay tena mamokatra
‘Henoy ny Tenin’Andriamanitra’. ‘Mihainoa ny didiny’. Impiry impiry no isehoan’ireo fampirisihana ireo ao amin’ny Baiboly! Afaka manaiky ireny baiko ara-baiboly ireny ianao amin’ny fotoana manaraka hiresahan’ny Vavolombelon’i Jehovah aminao. Henoy ny hafatra entin’izy ireo ho anao avy ao amin’ny Baiboly. Tsy ara-politika io hafatra io, fa manohana ny fitondram-panjakan’Andriamanitra any an-danitra kosa, dia ny Fanjakany. Io no fitaovana hampiasain’Andriamanitra mba hanesorana ireo antony mahatonga ireo ady amin’izao andro izao. (Daniela 2:44). Aorian’izany, io fanapahan’Andriamanitra avy any an-danitra io dia handamina ny fanovana ny tany manontolo ho paradisa tahaka ny sahan’i Edena.
Matetika dia tsy nety nihaino ny polisy mpitsongo dia taloha iray rehefa niresaka taminy momba ny Baiboly ny Vavolombelon’i Jehovah. Kanefa noho ny fitomboan’ny heloka bevava tsy maintsy natrehiny, dia nanjary diso fanantenana tamin’ny fiainana izy. Koa nilaza tamin’ny Vavolombelona izay nitsidika nanaraka izy fa hamakafaka ny porofon’ny hafatra raketin’ny Baiboly. Nisy fiaraha-midinika natao tsy tapaka nanaraka izany. Na dia nifindra monina imbetsaka aza ilay polisy, dia nikaroka azy tamim-pifaliana tany amin’ny toerana vaovao tsirairay ilay Vavolombelona mba hanohizana ireo fiaraha-midinika. Niaiky toy izao ilay polisy tamin’ny farany: “Ny porofo izay nokarohiko dia tato amin’ny Soratra Masina indrindra hatramin’izay hatramin’izay. Raha tsy naharitra tamin’ny firesahana tamiko ireo Vavolombelona ireo, dia ho mbola tany amin’izao tontolo izao aho nanontany tena ny amin’izay hevitry ny fiainana. Izao no izy, nanjary nahafantatra ny fahamarinana aho, ary handany ny andro sisa hiainako amin’ny fikarohana ny hafa izay mitady an’Andriamanitra tsy nisy hafa tamiko.”
Maniry marina ny hahafantatra misimisy kokoa ireo olona mihaino maneho fahalianana. Ara-drariny raha manantena fanazavana ny anton’ireo zavatra inoana atolotra izy ireo. (1 Petera 3:15). Tsy misy hafa amin’ny anotofan’ny zaza iray fanontaniana ny ray aman-dreniny sy anantenany ny hamalian’izy ireo, no anantenanao ara-drariny ny hanomezan’ireo Vavolombelona valiny marim-pototra ho anao. Azonao atao ny matoky fa ho faly izy ireo ny hiverina sy hiara-mandinika hevitra fanampiny aminao momba ny hafatra raketin’ny Baiboly.
Angamba efa mahafantatra zavatra kely momba ny Baiboly ianao. Mety ho tsapanao fa izay antenain’Andriamanitra aminao dia hitaky fiovana sasany eo amin’ny fomba fiainanao. Aza misalasala ny hanohy ny fianarana noho ny tahotra sao hamoizanao zavatra be loatra ireo zavatra takin’Andriamanitra. Tsy hitondra afa-tsy ny tena fahasambarana izy ireny. Ho takatrao izany arakaraka ny handrosoanao hanao dingana iray isaky ny mandeha.
Voalohany aloha, dia diniho hoe iza moa i Jehovah, inona no antenainy aminao, ary inona no atolony. Angataho ireo Vavolombelona mba hampiseho aminao izay lazain’ny Baiboly momba izany. Hamarino ao amin’ny Baibolinao manokana izay lazain’izy ireo. Amin’ny fahafantarana fa azon’ny saina ekena izay atolotry ny Vavolombelona ho fahamarinana momba ny fivavahana, dia tsy isalasalana fa hirinao ny hanadihady ireo zavatra tsara dia tsara maro kokoa izay azon’izy ireo zaraina aminao avy ao amin’ny Soratra Masina. — Ohabolana 27:17.
Azonao atao ny mandinika ny Vavolombelona any amin’ny toeram-pivorian’izy ireo eo an-toerana, dia ny Efitrano Fanjakana. Handre fiaraha-mandinika mahasoa momba ny Tenin’Andriamanitra ianao ao. Ho hitanao ny fomba itiavan’izay tonga ao mifampiresaka momba ny fikasan’Andriamanitra. Avelao ireny Vavolombelona ireny hanampy anao hianatra ny fahamarinana momba ny sitrapon’Andriamanitra ny amintsika amin’izao andro izao. Ekeo ny fanasan’Andriamanitra mba hiara-mandinika momba ny fanompoam-pivavahana marina, ka mahazoa ny tsikim-pankasitrahany, eny, ny fiainana mandrakizay ao amin’ny Paradisa mihitsy aza. — Malakia 3:16; Jaona 17:3.
[Sary, pejy 5]
Niresaka an-karihary momba ny fikasan’Andriamanitra i Noa
[Sary, pejy 7]
Toy ny nataon’i Paoly tany Atena fahiny, ny Vavolombelon’i Jehovah dia mampianatra ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly amin’ny hafa