FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w95 15/4 p. 20-25
  • Ilay Andro Izay “Mandoro toy ny Fatana Fandoroana”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ilay Andro Izay “Mandoro toy ny Fatana Fandoroana”
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Andriamanitra lozabe ve i Jehovah?
  • Miposaka ‘ny Masoandro’
  • Fandaharam-pampianarana lehibe
  • Iza no ho Tafavoaka Amin’ny Andron’i Jehovah?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
  • Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Malakia
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2007
  • Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-39 — Malakia
    “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”
  • Akaiky Ilay Andron’i Jehovah Mahatahotra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
w95 15/4 p. 20-25

Ilay Andro Izay “Mandoro toy ny Fatana Fandoroana”

“Indro, avy ny andro, mandoro toy ny fatana fandoroana izy”. — MALAKIA 3:19.

1. Fanontaniana inona avy no mipoitra mifandray amin’ny Malakia 3:19?

AMIN’IZAO andro farany izao, dia sambatra ireo izay manana ny anarany fidin’i Jehovah hosoratany ao amin’ny boky fahatsiarovany. Kanefa ahoana ny amin’ireo izay tsy mahafeno fepetra ho amin’izany tombontsoa izany? Na mpanapaka izy ireo na olon-tsotra fotsiny, hanao ahoana moa izy ireo raha manao tsinontsinona ny hafatra momba ny Fanjakan’Andriamanitra sy ireo mpanambara azy io? Miresaka momba ny andro iray fampamoahana i Malakia. Izao no vakintsika ao amin’ny toko faha-3, andininy faha-19: “Fa, indro, avy ny andro, mandoro toy ny fatana fandoroana izy; ary ny mpirehareha rehetra sy ny mpanao ratsy rehetra dia ho vodivary; ka dia handoro azy ny andro izay ho avy, hoy Jehovah, Tompon’ny maro, ka tsy hasiany miangana, na ny fàkany na ny sampany.”

2. Filazalazana azo alaina sary an-tsaina inona ny amin’ny fitsaran’i Jehovah no omen’i Ezekiela?

2 Nisy mpaminany hafa nampitaha koa ny fitsaran’i Jehovah ireo firenena tamin’ny hafanana mivaivain’ny fatana fandoroana. Mifanentana toy inona amin’ny fitsaran’Andriamanitra ireo antokom-pivavahan’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana mpivadi-pinoana moa ny Ezekiela 22:19-22! Izao no vakina ao: “Izao no lazain’i Jehovah Tompo: Noho ny nahatongavanareo rehetra ho tain-drendrika, dia, indro, hangoniko (...) hianareo. Toy ny fanangonana volafotsy sy varahina sy vy sy firaka ary vifotsy ho ao anatin’ny memy ka misy mifofotra azy amin’ny afo ho rendrika, dia toy izany no hanangonako anareo amin’ny fahatezerako sy ny fahavinirako, ary hataoko ao hianareo ka ho voarendrika; eny, hangoniko hianareo, dia hifofotra anareo amin’ny afon’ny fahatezerako Aho, ka ho voarendrika ao anatiny hianareo. Toy ny fandrendrika volafotsy ao anatin’ny memy no handrendrehana anareo ao anatiny; ka dia ho fantatrareo fa Izaho Jehovah no nampidina ny fahatezerako aminareo.”

3, 4. a) Fihamboana feno fihatsarambelatsihy inona no nataon’ny klerjy? b) Tantara maloto inona no ananan’ny fivavahana?

3 Tena fanoharana mahery tokoa izany! Tsy maintsy miatrika izany andro fampamoahana izany ny klerjy izay tsy nety nampiasa ny anaran’i Jehovah, ary niteny ratsy io anarana masina io mihitsy aza. Mihambo amim-pireharehana izy ireo fa hanorina ny Fanjakan’Andriamanitra eto an-tany, na fara faharatsiny, hanao ny tany ho mendrika ilay Fanjakana ho avy, ny tenany mbamin’ireo namany ara-politika.

4 Ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana nivadi-pinoana dia niray tetika tamin’ireo mpanapaka ara-politika tamin’ny fanaovana ady nahatsiravina. Ny tantara dia mirakitra ireo Kroazada tamin’ny Moyen Age, ireo fanovam-pinoana an-keriny nataon’ny Inquisition espaniola, ny Ady Telopolo Taona (Guerre de Trente Ans) izay nandripaka olona maro be tany Eoropa tamin’ny taonjato faha-17, ary ny Ady An-trano Espaniola tamin’ireo taona 1930, izay natao mba hiarovana ny Fivavahana katolika tany Espaina. Ny fandatsahan-dra lehibe indrindra dia tamin’ireo ady lehibe roa tamin’izao taonjato misy antsika izao, rehefa nirotsaka tao amin’ny ady saritaka iray ny Katolika sy ny Protestanta, ka nandripaka tsy an-kanavaka ireo mpiray finoana taminy ary koa ireo avy tamin’ny finoana hafa. Vao haingana kokoa, dia eo ny ady an-trano ifamonoan’ny Katolika sy ny Protestanta any Irlande, ifamonoan’ny ankolafiny ara-pivavahana any India ary ifamonoan’ny ankolafiny ara-pivavahana any Iogoslavia teo aloha. Ny pejin’ny tantara ara-pivavahana koa dia voaloton’ny ran’ireo vavolombelon’i Jehovah nahatoky an’arivony maro maty maritiora. — Apokalypsy 6:9, 10.

5. Didim-pitsarana inona no miandry ny fivavahan-diso?

5 Hitantsika mora foana fa ara-drariny ny fampiharan’i Jehovah didim-pitsarana mihamanatona amin’i Babylona Lehibe, ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso, miaraka amin’ireo mpanohana azy. Izany dia voalazalaza ao amin’ny Apokalypsy 18:21, 24 toy izao: “Nisy anjely mahery anankiray nambeta vato tahaka ny vato lehibe fikosoham-bary, dia nanipy izany tany an-dranomasina ka nanao hoe: Hatsipy mafy toy izany no ho fandrava an’i Babylona, ilay tanàna lehibe, ka tsy ho hita intsony izy. Ary teo anatiny no nahitana ny ran’ny mpaminany sy ny olona masina sy izay rehetra novonoina teny ambonin’ny tany.”

6. a) Iza no tsy maintsy tonga toy ny vodivary, ary nahoana? b) Inona no toky ananan’ireo matahotra an’i Jehovah?

6 Amin’ny farany dia tsy maintsy ho tonga toy ny “vodivary” ny fahavalon’ny rariny rehetra, mbamin’ireo mpanaraka azy. Handoro eo anivon’izy ireo tahaka ny fatana fandoroana, ny andron’i Jehovah. “Tsy hasiany miangana, na ny fàkany na ny sampany.” Amin’izany andron’ny fampamoahana izany, ireo ankizy kely, na hoe sampany, dia hoentina ara-drariny, arakaraka ny fanombanan’Andriamanitra ny fakany, dia ny ray aman-dreniny, izay miandraikitra azy ireo. Tsy hanan-taranaka hampaharitra mandrakizay ny lalany ratsy ireo ray aman-dreny ratsy fanahy. Fa ireo izay maneho finoana ireo fampanantenana momba ny Fanjakan’Andriamanitra kosa, dia tsy hohozongozonina. Mampirisika toy izao àry ny Hebreo 12:28, 29: “Aoka isika hanana fahasoavana ho entintsika manao izay fanompoana sitrak’Andriamanitra amin’ny fanajana sy ny fahatahorana; fa Andriamanitsika dia afo mandevona.”

Andriamanitra lozabe ve i Jehovah?

7. Ahoana no hidiran’ny fitiavan’i Jehovah ao amin’ny fitsarany?

7 Midika ve izany fa i Jehovah dia Andriamanitra lozabe, mitady hamaly faty? Tsy izany velively! Milaza fahamarinana fototra iray ny apostoly Jaona ao amin’ny 1 Jaona 4:8: “Andriamanitra dia fitiavana”. Avy eo, dia manampy fanantitranterana izy eo amin’ny andininy faha-16 fa “Andriamanitra dia fitiavana; ary izay mitoetra amin’ny fitiavana no mitoetra ao amin’Andriamanitra, ary Andriamanitra ao aminy”. Noho ny fitiavany ny olombelona no nanaovan’i Jehovah fikasana hanadio itỳ tany itỳ amin’ny fanaovan-dratsy rehetra. Manambara toy izao ilay Andriamanitsika be fitiavana sy famindram-po: “Raha velona koa Aho, (...) dia tsy sitrako ny hahafatesan’ny ratsy fanahy, fa ny hialan’ny ratsy fanahy amin’ny làlany, mba ho velona izy. Mialà, mialà amin’ny làlan-dratsinareo, fa nahoana moa no te-ho faty hianareo”? — Ezekiela 33:11.

8. Ahoana no nanantitranteran’i Jaona ny amin’ny fitiavana, kanefa izy nampiseho ny tenany ho Zana-baratra?

8 Manisy firesahana momba ny a·gaʹpe, dia ny fitiavana miorina amin’ny fotopoto-pitsipika, imbetsaka kokoa noho ireo mpanoratra Filazantsara telo mitambatra i Jaona, kanefa ao amin’ny Marka 3:17 izy dia voalazalaza ho toy ny “Zana-baratra”. Teo ambany tsindrimandrin’i Jehovah no nanoratan’io Zana-baratra io ireo hafatra apokalyptika ao amin’ny boky farany ao amin’ny Baiboly, dia ny Apokalypsy na Fanambarana izay milazalaza an’i Jehovah ho Andriamanitra mampihatra didim-pitsarana. Io boky io dia feno fitenenana ara-pitsarana, toy ny hoe “ny famiazana lehibe, dia ny fahatezeran’Andriamanitra” sy “ny lovia fito feno ny fahatezeran’Andriamanitra” ary “ny fahatezeran’Andriamanitra Tsitoha”. — Apokalypsy 14:19; 16:1; 19:15.

9. Fanambarana inona avy no nataon’i Jesosy momba ny didim-pitsaran’i Jehovah, ary ahoana no nahatanterahan’ireo faminaniana nataony?

9 Fony izy teto an-tany, dia nanambara tamim-pahasahiana ireo didim-pitsaran’i Jehovah i Jesosy Kristy Tompontsika, izay “endrik’Andriamanitra tsy hita”. (Kolosiana 1:15). Ohatra ny amin’izany ireo loza fito ao amin’ny Matio toko faha-23 izay nambarany tsy niolakolaka tamin’ireo mpihatsaravelatsihy ara-pivavahana tamin’ny androny. Nofaranany tamin’izao teny izao izany didim-pitsarana feno fanamelohana izany: “Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay irahina ho aminao, impiry Aho no ta-hanangona ny zanakao, tahaka ny fanòmban’ny akoho ny zanany ao ambanin’ny elany, fa tsy nety hianareo! Indro, avela ho lao ho anareo ny tranonareo.” Fito amby telopolo taona tatỳ aoriana, dia nampiharin’ny tafika romana teo ambanin’ny fitarihan’ny Jeneraly Titus, ny didim-pitsarana. Andro nahatahotra tamin’izay, tandindon’ilay ho andro mahatahotra indrindra eo amin’ny tantaran’ny olombelona rehetra — ny andron’i Jehovah izay hipoaka tsy ho ela.

Miposaka ‘ny Masoandro’

10. Ahoana no itondran’ny “Masoandron’ny fahamarinana” fifaliana ho an’ny vahoakan’Andriamanitra?

10 Ampahafantarin’i Jehovah fa hisy ho tafita velona amin’ilay androny. Manisy firesahana momba azy ireo izy, ao amin’ny Malakia 3:20, amin’ny filazana hoe: “Hiposaka aminareo, izay matahotra ny anarako, ny Masoandron’ny fahamarinana, manana fanasitranana ao amin’ny tànany [“elany”, fanamarihana ambany pejy]”. Tsy iza io masoandron’ny fahamarinana io fa i Jesosy Kristy. Izy no ilay “fahazavan’izao tontolo izao” ara-panahy. (Jaona 8:12). Ahoana no iposahany? Mitsangana izy, mitondra fanasitranana ao amin’ny elany — fanasitranana ara-panahy aloha, izay azontsika na dia amin’izao andro izao aza, ary avy eo, ao amin’ny tontolo vaovao ho avy, dia fanasitranana ara-batana ny olona avy amin’ny firenena rehetra. (Matio 4:23; Apokalypsy 22:1, 2). Amin’ny heviny ara-panoharana, araka ny filazan’i Malakia, ireo ho sitrana dia “hivoaka (...) ka hifalihavanja toy ny zanak’omby mifahy” vao avy nafahana avy tao an-tranon’omby. Fifaliana toy inona koa moa no ho azon’ireo hitsangana amin’ny maty izay hatsangana ka hanana fahatsinjovana ny hahatratra ny fahalavorarian’olombelona!

11, 12. a) Inona no fiafarana miandry ny ratsy fanahy? b) Amin’ny ahoana ny vahoakan’Andriamanitra no ‘hanitsaka ny ratsy fanahy’?

11 Ahoana kosa ny amin’ireo ratsy fanahy? Ao amin’ny Malakia 3:21, dia izao no vakintsika: “Hohitsahinareo ny ratsy fanahy; fa ho lavenona eo ambanin’ny faladianareo izy amin’ny andro izay hotendreko, hoy Jehovah, Tompon’ny maro.” Raha mbola hiaro ireo izay tia azy ilay Andriamanitsika Mpiady, dia ho voafafany hadio tsy hisy ireny fahavalo lozabe ireny ny tany, amin’ny fandringanana azy ireny. Ho efa voafehy i Satana sy ireo demoniany. — Salamo 145:20; Apokalypsy 20:1-3.

12 Tsy mandray anjara amin’ny fandringanana ny ratsy fanahy ny vahoakan’Andriamanitra. Ahoana àry no ‘anitsahan’izy ireo ny ratsy fanahy’? Manao izany amin’ny heviny ara-panoharana izy ireo, amin’ny fandraisana anjara amin’ny alalan’ny fankalazana fandresena lehibe iray. Milazalaza ny amin’ny fankalazana toy izany ny Eksodosy 15:1-21. Izany dia nanaraka ny fandringanana an’i Farao sy ireo tafiny tao amin’ny Ranomasina Mena. Ary ho fahatanterahan’ny Isaia 25:3-9, ny fanesorana ireo “olon-dozabe” dia harahin’ny fanasam-pandresena iray izay mifamatotra amin’izao fampanantenan’Andriamanitra izao: “Hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana; ary Jehovah Tompo hamafa ny ranomaso amin’ny tava rehetra sady hanafa-tondromaso ny olony eny amin’ny tany rehetra, fa Jehovah no efa niteny. Ary holazaina amin’izany andro izany hoe: Indro Andriamanitsika, (...) indro Jehovah, Izay nandrasantsika, koa dia aoka ho faly sy ho ravoravo amin’ny famonjeny isika.” Ao amin’io fifaliana io dia tsy hisy fitiavana valifaty na fifaliana noho ny fahavoazan’ny hafa, fa firavoravoana kosa noho ny fahitana fa nohamasinina ny anaran’i Jehovah ary voadio ny tany mba ho fonenana feno fiadanan’ny olombelona tafaray.

Fandaharam-pampianarana lehibe

13. Fampianarana inona no hiseho ao amin’ny “tany vaovao”?

13 Nanarina mba ‘hahatsiaro ny lalàn’i Mosesy’ ny Jiosy, ao amin’ny Malakia 3:22. Toy izany koa amin’izao andro izao, fa ilaintsika harahina “ny lalàn’i Kristy”, araka ny voatonona ao amin’ny Galatiana 6:2. Ireo ho tafita velona amin’ny Haramagedona dia tsy isalasalana fa homena toromarika fanampiny miorina amin’izy io, ary izany toromarika izany dia tena mety ho voasoratra ao amin’ireo “horonam-boky” voalaza ao amin’ny Apokalypsy 20:12 (NW ), izay hosokafana amin’ny fotoan’ny fitsanganan’ny maty. Ho andro lehibe toy inona moa izany, rehefa hampianarina mba hanaraka ny fomba fiainan’ny “tany vaovao” ireo hatsangana amin’ny maty! — Apokalypsy 21:1.

14, 15. a) Ahoana no amantarana ilay Elia amin’ny andro maoderina? b) Andraikitra inona no tanterahin’ilay kilasin’i Elia?

14 Izany dia ho fitaran’ilay asa fampianarana nasian’i Jehovah firesahana ary voarakitra an-tsoratra toy izao ao amin’ny Malakia 3:23: “Indro, Izaho haniraka an’i Elia mpaminany ho aminareo, dieny tsy mbola tonga ny andron’i Jehovah, ilay lehibe sady mahatahotra”. Iza io Elia amin’ny andro maoderina io? Araka ny aseho ao amin’ny Matio 16:27, 28, i Jesosy dia nanisy firesahana momba ny ‘fiavian’ny tenany ao amin’ny fanjakany’ ary nilaza hoe: “Ho avy ny Zanak’olona amin’ny voninahitry ny Rainy, mbamin’ny anjeliny, dia hamaly ny olona rehetra araka ny nataony.” Henemana tatỳ aoriana, teo amin’ny tendrombohitra iray, niaraka tamin’i Petera sy i Jakoba ary i Jaona, dia “niova tarehy teo anatrehany Izy, ka ny tavany namirapiratra tahaka ny masoandro, ary ny fitafiany tonga fotsy tahaka ny mazava”. Irery ve izy tao amin’io fahitana io? Tsia, satria “indreo, niseho tamin’ny mpianatra Mosesy sy Elia, niresaka tamin’i Jesosy”. — Matio 17:2, 3.

15 Inona no mety ho dikan’izany? Izany dia nanondro an’i Jesosy ho ilay Mosesy Lehibe voalazan’ny faminaniana, amin’ny fotoan’ny fiaviany mba hampihatra didim-pitsarana. (Deoteronomia 18:18, 19; Asan’ny Apostoly 3:19-23). Amin’izay, dia hiaraka aminy ny Elia maoderina iray mba hanatanteraka asa iankinan’ny aina iray, dia ny fitoriana itỳ vaovao tsaran’ilay Fanjakana itỳ amin’ny tany rehetra, alohan’ny hamelezan’ilay andron’i Jehovah lehibe sady mahatahotra. Milazalaza ny asan’io “Elia” io toy izao ny Malakia 3:24: “Izy hampody ny fon’ny ray ho amin’ny zanaka, ary ny fon’ny zanaka ho amin’ny rainy, fandrao ho avy Aho hamely ny tany amin’ny fandringanana.” Araka izany, i “Elia” dia fantatra ho ny kilasin’ny mpanompo mahatoky sy malina voaforon’ny Kristiana voahosotra eto an-tany, izay nanankinan’ny Tompo, i Jesosy, ny fananany rehetra. Tafiditra amin’izany ny fanomezana ‘hanina ara-panahy tena ilaina amin’ny fotoana mety’, ho an’ilay ankohonana manam-pinoana. — Matio 24:45, 46, NW.

16. Vokatra mahafaly inona avy no nateraky ny asan’ilay kilasin’i Elia?

16 Maneran-tany, amin’izao andro izao, dia hitantsika ireo vokatra mahafalin’izany fandaharam-pamahanana izany. Ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana, izay misy 16 100 000 ny nomerao tsirairay atao pirinty amin’ny fiteny 120, ka ny 97 amin’ireo mivoaka amin’ny fotoana mitovy, dia mameno ny tany amin’“itỳ vaovao tsaran’ny fanjakana itỳ”. (Matio 24:14, NW ). Misy zavatra vita an-tsoratra hafa amin’ny fiteny maro ampiasaina eo amin’ny lafiny maro samihafa amin’ny asa fitoriana sy fampianarana ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Ny kilasin’i Elia, ny mpanompo mahatoky sy malina, dia mailaka manome amim-pahalalahan-tanana izay ilain’ireo rehetra “mahatsapa izay ilainy ara-panahy”. (Matio 5:3, NW). Ambonin’izany, ireo izay manaiky ny fanantenana momba ilay Fanjakana ka manao zavatra mifanaraka amin’izany dia tafaray ao amin’ny firaisan-tsaina maneran-tany mahatalanjona. Voafaoka amin’izany ny olona betsaka “avy tamin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny”. (Apokalypsy 7:9). Rehefa ho tanteraka hatramin’ny fetra takin’i Jehovah io asa io, amin’izay dia ho tonga ny farany, ao amin’ilay androny lehibe sady mahatahotra.

17. Rahoviana no ho tonga ilay andron’i Jehovah mahatahotra?

17 Rahoviana marina moa no ho tonga amintsika io andro mahatahotra io? Mamaly izany toy izao ny apostoly Paoly: “Ho avy toy ny mpangalatra amin’ny alina ny andron’ny Tompo. Raha misy olona manao [angamba amin’ny fomba manokana] hoe: Miadana sy mandry fahizay, dia hanjo azy tampoka ny fandringanana, toy ny fahararian’ny vehivavy raha miteraka, ka tsy ho afa-mandositra mihitsy izy.” — 1 Tesaloniana 5:2, 3.

18, 19. a) Ahoana no anambarana ny hoe “miadana sy mandry fahizay”? b) Rahoviana ny vahoakan’i Jehovah no hahita fanamaivanana?

18 Iza avy moa ireo “izy” ao amin’io faminaniana io? Izy ireo dia filoha ara-politika izay mihambo ho afaka manorina fandaharan-javatra vaovao tafaray avy amin’ireo tapany misaratsaraka amin’itỳ tontolo mahery setra itỳ. Tsy nahavita izany ireo zavatra lehibe naorin’izy ireo, dia ny Fikambanam-pirenena sy ny Firenena Mikambana. Araka ny nambaran’ny mpaminanin’i Jehovah mialoha, dia milaza mihitsy aza izy ireo izao hoe: “Fiadanana, fiadanana; kanjo tsy misy fiadanana tsinona!” — Jeremia 6:14; 8:11; 14:13-16.

19 Mandra-pahatongan’izany, ny vahoakan’i Jehovah dia miaritra ireo fanerena sy fanenjehana avy amin’itỳ tontolo tsy matahotra an’Andriamanitra itỳ. Tsy ho ela anefa, araka ny voambara ao amin’ny 2 Tesaloniana 1:7, 8, dia hahita fanamaivanana izy ireo “raha hiseho Jesosy Tompo, avy any an-danitra mbamin’ny anjelin’ny heriny, amin’ny afo midedadeda, hamaly izay tsy mahalala an’Andriamanitra sy izay tsy manaiky ny filazantsaran’i Jesosy Tompontsika”.

20. a) Inona no nolazain’ny faminanian’i Zefania sy i Habakoka mahakasika ilay andro izay “mandoro toy ny fatana fandoroana”? b) Torohevitra sy fampaherezana inona no omen’ireny faminaniana ireny?

20 Tsy ho ela toy inona izany? Maro amintsika no efa niandry ela be. Nandritra izany fotoana izany, dia mpandefitra maro izay ho tafita velona no mamaly izao antso ao amin’ny Zefania 2:2, 3 izao: “Mitadiava an’i Jehovah, (...) tadiavo ny fahamarinana, tadiavo ny fandeferana; angamba ho voafina hianareo amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah.” Avy eo dia mirakitra izao fampirisihana izao ny Zefania 3:8: “Koa miandrasa Ahy hianareo, hoy Jehovah, ambara-pihavin’ny andro hitsanganako haka babo; fa izao no kasaiko hatao: hamory firenena sy hanangona fanjakana Aho, hanidinako ny fahatezerako amin’ireo, dia ny firehetan’ny fahatezerako rehetra, ka ho levon’ny afon’ny fahasaro-piaroko ny tany rehetra.” Akaiky ny farany! Mahafantatra izany andro sy ora izany i Jehovah ary tsy hanova ny fandaharam-potoanany. Aoka isika hiaritra amim-paharetana. “Fa ny fahitana dia mbola ho amin’ny fotoan’andro, ary mikendry ny farany izy ka tsy ho diso; eny, na dia mitaredretra aza izy, andraso ihany, fa ho avy tokoa izy ka tsy [ho diso aoriana, NW ].” (Habakoka 2:3). Mihazakazaka manatona kokoa ihany ilay andron’i Jehovah mahatahotra. Tadidio fa tsy ho diso aoriana io andro io!

Ho Famerenana:

◻ Hanao ahoana ireo mpanapaka sy olon-tsotra amin’ilay andron’i Jehovah mahatahotra?

◻ Karazana Andriamanitra manao ahoana moa i Jehovah?

◻ Karazana fampianarana inona no voalazalaza ho an’ny vahoakan’Andriamanitra?

◻ Ahoana no ampirisihan’ireo mpaminanin’Andriamanitra antsika noho ny fahakekezan’ny farany?

[Sary, pejy 21]

Maro no noterena hiova ho amin’ny Fivavahana katolika nandritra ny Inquisition espaniola

[Sary nahazoan-dalana]

The Complete Encyclopedia of Illustration/J. G. Heck

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara