FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w95 1/5 p. 3-4
  • Mandra-pahoviana ny Mahantra no Tsy Maintsy Hiandry?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mandra-pahoviana ny Mahantra no Tsy Maintsy Hiandry?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Inona avy no fahafahana misy ho an’ny mahantra?
  • Ny fitomboan’ny fahantrana​—loza mananontanona ny rehetra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1975
  • Tsy ho Ela dia Tsy Hisy Hahantra Intsony!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Voagadran’ny Fahantrana
    Mifohaza!—1998
  • Tahafo i Jesosy ka Ampio ny Mahantra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
w95 1/5 p. 3-4

Mandra-pahoviana ny Mahantra no Tsy Maintsy Hiandry?

“Raha tsy afaka manampy ny maro izay mahantra ny fiaraha-monina afaka iray, dia tsy ho afaka hiaro ny vitsy izay manankarena izy.” — John F. Kennedy.

“IRIKO hanana hoavy mamirapiratra ny olon-drehetra — tsy hisy fahantrana, tsy hisy olona matory eny an-jaridaina, paradisa e!” Toy izany ny tenin-jazalahy iray 12 taona avy any São Paulo, any Brezila. Azo atao ve anefa ny manafoana ny fahantrana? Mandra-pahoviana ny mahantra no tsy maintsy hiandry?

Mihevi-tena ho mahantra ny sasany satria tsy afaka mividy izay iriny. Kanefa dia eritrereto ny toe-piainana mampalahelo misy ireo izay tena mahantra faraidiny. Azonao alaina sary an-tsaina ve ny zava-tsarotra sy ny tsy fahasambarana faran’izay mafy mahazo ny olona toy izany? Ny sasany dia voatery mifaninana amin’ireo voron-dranomasina sy ireo voalavo rehefa misava fitoeram-pako mba hitadiavana sakafo! Mandra-pahoviana ny fahantrana toy izany no hamely ny taranak’olombelona? Mifanentana amin’ny toe-javatra ilay fiangaviana mafy nataon’i Federico Mayor, tale jeneralin’ny UNESCO (Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana Misahana ny Fanabeazana sy ny Siansa ary ny Kolontsaina) manao hoe: “Aoka isika hanary io fileferana mampisalasala io izay mahatonga antsika hilefitra amin’ny tsy azo leferina — dia ny fahantrana sy ny hanoanana ary ny fijalian’ny olona an-tapitrisany maro.”

Ho tanteraka ve ilay nofinofy ny amin’ny fahasambarana ho an’ny rehetra? Inona no fanantenan’ny mahantra?

Inona avy no fahafahana misy ho an’ny mahantra?

Ireo mpitondra tsara fikasa dia manolotra asa bebe kokoa, karama tsaratsara kokoa, fandaharana ara-tsosialy nohatsaraina, ary fandraisana fepetra mba hanavaozana ny fananan-tany. Mety hiombon-kevitra amin’i John F. Kennedy, prezidàn’i Etazonia teo aloha, izy ireo: “Raha tsy afaka manampy ny maro izay mahantra ny fiaraha-monina afaka iray, dia tsy ho afaka hiaro ny vitsy izay manankarena izy.” Tsy ampy anefa ny fikasana tsara mba hamongorana ny fahantrana. Hanampy ny mahantra amin’ny ankapobeny ve, ohatra, ny fandrosoan’ny toe-karena? Tsy voatery ho izany. Nilaza toy izao i Jawaharlal Nehru, mpitondra karàna teo aloha: “Ireo herin’ny fiaraha-monina kapitalista, raha avela ho tsy voafehy, dia mety hahatonga ny mpanan-karena hihamanankarena kokoa ary ny mahantra hihamahantra kokoa.” Ankoatra ny zava-tsarotra sy ny fihafiana anefa, dia mampitombo ny enta-mavesatry ny mahantra ny fahatsapan-tena ho tsy misy vidiny. Moa ve ireo mpitondra olombelona afaka manampy ny mahantra handresy ny fahatsapana ho tsy afa-manoatra sy ho very fanantenana?

Raha ny tena izy, dia olona faran’izay mahantra maro no nianatra hahazaka ny fahantrana sy handresy ny fahatsapana ho tsy manana ny hajan’ny tenany eo anatrehan’ny fahasahiranana lehibe, toy ny fisondrotan’ny vidim-piainana efa mihoa-pampana sy ny tsy fananana asa. Ambonin’izany, dia azo antoka fa ho foana tanteraka ny mosary sy ny tsy fananan-kialofana ary ny fahantrana. Manaitra anao ve izany? Manasa anao izahay mba hamaky ilay lahatsoratra manaraka hoe: “Tsy ho Ela dia Tsy Hisy Hahantra Intsony!”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara