Ilay Fampanantenana Tontolo Iray Tsy Hisy Kolikoly
TAFATSOFOKA any amin’ny saranga rehetra eo amin’ny fitambaran’olona ny kolikoly. Na ao amin’ny fitondram-panjakana izany, na eo amin’ny siansa, na eo amin’ny fanatanjahan-tena, na eo amin’ny fivavahana, na eo amin’ny fandraharahana, dia toa tsy voafehy ny kolikoly.
Maneran-tany dia hita eo amin’ny matoam-baovao ireo vaovao mahaketraka momba ireo raharaha mahafa-baraka nisy fandraisana kolikoly. Maro amin’ireo izay nanao fanekena fa hitady ny tombontsoan’ny vahoaka no vaky betroka fa nitady ny tombontsoan’ny tenany manokana. Miely patrana ilay antsoina hoe heloky ny mpiasa birao. Mihamaro hatrany ireo olona manana toerana ambony ara-tsosialy na ara-toe-karena meloka ho nanao fandikan-dalàna lehibe teo amin’ny lafiny fitondran-tena sy nahavita heloka bevava, ka izany dia mifandray amin’ny asany mahazatra.
Misy fanahiana mitombo hatrany momba izay lazalazain’ny gazety eoropeana iray hoe “ ‘fandraisana kolikoly eo amin-dry zareo ambony’ — dia ilay fahazarana mitaky vola alohan’ny hanekena fividianan-javatra lehibe sy tetik’asa lehibe, ka izany dia ataon’ireo mpiasam-panjakana ambony sy ireo minisitra ary, matetika dia matetika, ataon’ireo filoham-panjakana”. Tany amin’ny tany iray, “ireo roa taona nanaovan’ny polisy famotorana sy ireo fisamborana olona saiky isan’andro dia mbola tsy nahakivy ihany an’ireo mpandray kolikoly tsy azo arenina”, hoy ilay gazetiboky britanika hoe The Economist.
Noho ny kolikoly miely patrana toy izany, dia maro amin’izao andro izao no mihevitra fa tsy misy olona azony itokiana. Izy ireo dia mitovy fihetseham-po amin’i Davida, mpanoratra ny Baiboly, fony izy nilaza hoe: “Samy efa nivily izy rehetra ka tonga [“simba ara-pitondran-tena”, NW ] avokoa; tsy misy manao ny tsara, na dia iray akory aza.” — Salamo 14:3.
Ahoana no iatrehanao amim-pahombiazana ny fisian’ny kolikoly miely patrana? Mody tsy mahita izany fotsiny ny ankamaroan’ny olona amin’izao andro izao. Kanefa na dia odianao tsy hita aza ny kolikoly, dia mbola hampijaly anao ihany izy io. Amin’ny fomba ahoana?
Misy fiantraikany eo aminao ny kolikoly
Samy mampiakatra ny vidim-piainana sy mampidina ny hatsaran’ny entam-barotra ary mahatonga ny asa hihavitsy sy ny karama hihakely avokoa ny kolikoly amin’ny ambaratonga ambony sy ny amin’ny ambaratonga kely. Notombanana, ohatra, fa ny heloka toy ny fampiasana amim-pisolokiana zavatr’olona ho tombontsoan’ny tena manokana sy ny fanaovana hosoka dia mitentina fara fahakeliny avo folo heny noho ny vidin’ny vaky trano sy ny fandrobana ary ny halatra mitambatra. Milaza ny The New Encyclopædia Britannica (1992) fa “ny vidin’ny heloka ao anatin’ny orinasa any Etazonia dia notombanana ho 200 000 000 000 dolara isan-taona — avo telo heny noho ny vidin’ireo heloka bevava voalamina.” Hazavain’io loharano io fa na dia mety tsy ho tsikaritra avy hatrany aza ireo vokany, “ny heloka toy izany dia misy fiantraikany goavana eo amin’ny fiarovana ny mpiasa sy ny mpanjifa ary ny tontolo iainana”.
Ny vokatra mangidin’ny kolikoly dia mampahatsiaro antsika ireo tenin’i Solomona Mpanjaka manao hoe: “Hitako koa ny fampahoriana rehetra atao atỳ ambanin’ny masoandro; ary indro ny ranomason’ny ampahorina, sady tsy nisy mpanony azy; ary loza no ataon’ny tànan’ny mpampahory azy, sady tsy nisy mpanony.” — Mpitoriteny 4:1.
Moa àry ve isika tokony hanaiky lembenana amin’ny kolikoly? Tsy azo ialana ve izy io? Moa ve nofinofy tsy azo tanterahina ny tontolo iray tsy hisy kolikoly? Soa ihany fa tsia! Mampianatra antsika ny Baiboly fa tsy ho ela dia hofoanana ny tsy rariny sy ny tsy fankatoavan-dalàna.
Izay lazain’ny Baiboly amintsika
Milaza amintsika ny Baiboly fa nanomboka ny kolikoly rehefa nikomy tamin’Andriamanitra ny anjely mahery iray, ka nitaona ny mpivady olombelona voalohany hiaraka taminy. (Genesisy 3:1-6). Tsy nisy na inona na inona tsara nateraky ny lalan’ny ota narahin’izy ireo. Hatramin’ny andro nanotan’i Adama sy i Eva tamin’i Jehovah Andriamanitra kosa, dia nanomboka nizaka ny voka-dratsin’ny kolikoly izy ireo. Ny vatan’izy ireo dia nanomboka niharan’ilay fihasimbana niandalana izay nitarika ho amin’ny fahafatesana tsy azo nialana. (Genesisy 3:16-19). Hatramin’izay, ny tantara dia feno ohatra ny amin’ny fandraisana tsolotra sy famitahana ary fanaovana hosoka. Kanefa dia toa afa-maina ny ankamaroan’ireo mpanao izany.
Tsy sahala amin’ireo mpanao heloka bevava mahazatra, ireo manam-pahefana sy ireo mpanao politika mpandray kolikoly dia mahalana vao atao an-tranomaizina na mamerina ny tombony tsy marina azony. Noho ny maha-an-tsokosoko ny fanaovana tsolotra sy ny sisi-bola ary ny fizarana izay tsolotra azo, dia sarotra matetika ny mamaky betroka ny fandraisana kolikoly eo amin’ny ambaratonga ambony. Izany anefa tsy midika fa nofinofy tsy azo tanterahina ny tontolo iray tsy hisy kolikoly.
Ho avy amin’i Jehovah Andriamanitra, ilay Mpamorona ny olombelona ny fanafahana amin’ny kolikoly. Ny fandraisan’Andriamanitra anjara no hany fanafodiny. Nahoana? Satria manohy mamitaka ny taranak’olombelona ilay fahavalony tsy hita maso, dia i Satana Devoly. Araka ny vakintsika ao amin’ny 1 Jaona 5:19, “izao tontolo izao kosa dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa”. Zavatra hafa inona no afaka manazava ny fitomboan’ny fandraisana kolikoly — ny ankamaroany dia afa-maina?
Tsy misy fitambaram-piezahan’olombelona afaka mandresy an’i Satana sy ireo demoniany. Ny fandraisan’Andriamanitra anjara ihany no afaka miantoka ny “fahafahana be voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra” ho an’ny taranak’olombelona mankato. (Romana 8:21, NW ). Mampanantena i Jehovah fa tsy ho ela i Satana dia ho voatana mba tsy hahafahany hamitaka intsony ny taranak’olombelona. (Apokalypsy 20:3). Eo anelanelan’izany, raha maniry ny hiaina ao amin’ilay tontolo vaovaon’Andriamanitra afaka amin’ny kolikoly isika, dia tsy maintsy manary ireo fomban’itỳ tontolo itỳ izay misy fandraisana kolikoly.
Afaka miova ny olona
Tamin’ny andron’i Jesosy Kristy, dia nisy ireo izay nampiasa tamin’ny fomba ratsy ny fahefany ka nampahory ny mpiara-belona taminy. Ireo mpamory hetra, ohatra, dia nalaza ratsy noho ireo fanao nandraisany kolikoly. Nisy izany na dia teo aza ny lalàn’Andriamanitra mazava tsara hoe: “Aza mandray kolikoly, fa ny kolikoly mahajamba ny mason’ny mahiratra sy mamadika ny tenin’ny marina.” (Eksodosy 23:8). Niaiky i Zakaiosy, lehiben’ny mpamory hetra, fa naka zavatr’olona tamin’ny fanambakana noho ny fiampangana lainga ny tenany. Tsy nampandroso fanovana ara-tsosialy tamin’ny ambaratonga lehibe anefa i Jesosy, fa niangavy mafy kosa ny isam-batan’olona mba hibebaka ka hanary ny fombany nisy fandraisana kolikoly. Ho vokatr’izany, dia niala tamin’ny fomba fiainany taloha ny mpamory hetra nalaza ho mpandray kolikoly toa an-dry Matio sy Zakaiosy. — Matio 4:17; 9:9-13; Lioka 19:1-10.
Ireo voarohirohy amin’ny fanao tsy marina amin’izao andro izao dia afaka manary toy izany koa ny kolikoly amin’ny fitafiana “ny toetra vaovao, izay noforonina araka an’Andriamanitra amin’ny fahitsiana sy ny fahamasinana momba ny fahamarinana”. (Efesiana 4:24). Mety tsy ho mora ny handoa hetra amim-pahamarinana, na hitsahatra tsy handray anjara amin’ny tetik’asa mampiahiahy. Kanefa ireo soa azo avy amin’izany dia mendrika izay mety ho fiezahana na inona na inona.
Noho izy ireo tsy voavolavola hanaraka itỳ tontolo mpandray kolikoly itỳ intsony, ireo izay miahy ny hahasoa ny hafa dia manana fiadanana anaty. Tsy eo ilay tahotra ny ho tratra amin’ny fanaovan-dratsy. Manana feon’ny fieritreretana madio kosa izy ireo. Manahaka ilay ohatra ao amin’ny Baiboly navelan’i Daniela mpaminany izy ireo. Milaza ny fitantarana ao amin’ny Baiboly fa ny komandy lehibe dia nitady izay hiampangany an’i Daniela. “Nefa tsy nahita izay hiampangany azy na izay tsininy akory ireo, satria marina izy, ka tsy nisy kilema na tsiny hita taminy.” — Daniela 6:5.
Fampanantenan’i Jehovah
Mampanantena i Jehovah fa “na dia manao ratsy injato aza ny mpanota ka ela velona ihany, dia fantatro kosa fa hisy soa ho an’izay matahotra an’Andriamanitra, dia izay matahotra eo anatrehany. Fa tsy hisy soa ho an’ny ratsy fanahy; fa ho toy ny aloka izy ka tsy haharitra ela, satria tsy matahotra eo anatrehan’Andriamanitra”. — Mpitoriteny 8:12, 13.
Ho fanamaivanana toy inona moa rehefa tsy hahatonga tsy fahasambarana intsony ny kolikoly! Ho fitahiana toy inona moa ny hiaina mandrakizay eo amin’ny tontolo iray tsy hisy kolikoly! Tsy hoe tsy azo tanterahina izany. Ny Baiboly dia miresaka ny amin’ny “fanantenana ny fiainana mandrakizay izay nampanantenain’Andriamanitra tsy mahay mandainga hatry ny fony fahagola”. (Titosy 1:2). Raha mankahala ny kolikoly ianao, ary tia ny fahamarinana, dia mety hahita tsara ny fahatanterahan’ilay fampanantenan’Andriamanitra tontolo iray tsy hisy fandraisana kolikoly ianao.
[Sary, pejy 4]
Manjaka ny kolikoly ao anatin’ny faritry ny fitondram-panjakana sy ny fandraharahana
[Sary, pejy 5]
Misy fiantraikany eo amin’ny fifandraisana amin’ireo mpiasam-panjakana matetika ny kolikoly