Ny Faharetana — Nahoana no Tena Tsy Fahita Firy?
NANANIKA ny faha-70 taonany i Emilio.a Tonga tany Oahu izy hanefa adidy mampalahelo — handevina ny zanany lahy lehibe. Raha mbola nandeha teo amin’ny arabe mangingina iray teo amin’ny ilan-kavoana iray sady niresadresaka tamin’ny namany i Emilio, dia notairin’ny fiarakodia iray nihemotra nandeha mafy teo amin’ny lalana mivoaka ny trano iray. Saika nandona azy ilay fiarakodia, ary noho ny fahatezerana sy ny tsy faharetana, dia nikiakiaka tamin’ilay mpamily i Emilio sady nikapokapoka ilay fiarakodia tamin’ny tanany. Narahina fifamaliana izany. Ilay mpamily dia toa nanosika an’i Emilio, izay nianjera ka nidona tamin’ny rarivato mafy ny lohany. Tao anatin’ny andro vitsivitsy, dia maty i Emilio noho ny ratra teo amin’ny lohany. Vokany mampalahelo re izany!
Miaina eo amin’ny tontolo iray izay tsy ahitana faharetana firy isika. Mpamily fiarakodia mihamaro hatrany no mirimorimo mafy. Ny hafa mandeha ao aoriana — manaraka akaiky loatra — fiarakodia mandeha amin’ny fetran’ny hafainganam-pandeha azo ekena. Kanefa, ny sasany dia mifindrafindra laharana satria tsy tantiny ny hoe ao aorian’ny fiara hafa. Ao an-trano, ireo mpianakavy dia mety hampipoaka fahatezerana ka ho tonga mahery setra. Na dia ny Kristiana sasany aza dia mety ho sosotra tafahoatra noho ny kileman-toetra na ny fahadisoan’ny rahalahiny ara-panahy.
Nahoana no tena tsy fahita firy ny faharetana? Efa toy izany foana ve izy io? Nahoana no sarotra aoka izany ny haharitra amin’izao androntsika izao?
Ohatra ny amin’ny tsy faharetana
Ny Baiboly dia miresaka ny amin’ny vehivavy iray izay tsy niandry mba hakana hevitra tamin’ny vadiny, alohan’ny hanaovana fanapahan-kevitra lehibe. Eva no anarany. Nialoha an’i Adama izy, angamba noho ny tsy faharetana, tamin’ny ampahany, ka nihinana ilay voankazo voarara. (Genesisy 3:1-6). Ahoana ny amin’ny vadiny? Izy koa dia nety ho nampiseho tsy faharetana tamin’ny fanarahana an’i Eva hanota, tsy nanatona an’i Jehovah Rainy any an-danitra aloha mba hangataka fanampiana na fitarihana. Ny faniriana mihoa-pampan’izy ireo, angamba nampian’ny tsy faharetana izay nitarika ho amin’ny fahotana, dia nitondra vokany mahafaty ho antsika rehetra. Avy tamin’izy ireo no nahazoantsika koa ho lova ny fironana hanao fahotana, anisan’izany ny fieboeboana sy ny tsy faharetana. — Romana 5:12.
Sahabo ho 2 500 taona taorian’ny nanotan’ny ray aman-drenintsika voalohany, dia nampiseho tsy fahampiam-pinoana lalina sy naharitra, ary koa tsy fahampiam-paharetana ny Isiraelita, vahoaka nofidin’Andriamanitra. Na dia vao avy namonjy azy ireo tamin’ny fomba mahagaga avy tamin’ny fanandevozana tany Egypta aza i Jehovah, dia nalaky “nanadino ny asany” izy ireo ka “tsy niandry ny saina hatolony”. (Salamo 106:7-14). Imbetsaka izy ireo no latsaka tamin’ny fanaovan-dratsy lehibe satria tsy naharitra. Nanao ombilahy kely volamena izy ireo ka nivavaka tamin’izy io; nimenomenona noho ny sakafo ara-nofo, dia ny mana, nomen’i Jehovah azy izy ireo; ary maro tamin’izy ireo no nikomy mihitsy aza tamin’i Mosesy, solontenan’i Jehovah voatendriny. Marina tokoa fa nitarika azy ireo ho amin’ny alahelo sy ny loza lehibe ny tsy fahampiam-paharetany.
I Saoly, ilay mpanjaka olombelona voalohany teo amin’ny Isiraely, dia namoy ny fahafahana ho an’ny zanany lahy mba ho mpanjaka handimby azy. Nahoana? Satria tsy niandry an’i Samoela mpaminany, izay tokony ho nanao sorona ho an’i Jehovah, izy. Ny tahotra olona dia nahatonga an’i Saoly hialoha an’i Samoela tamin’ny fanolorana sorona. Alao sary an-tsaina ny tsy maintsy ho tsapany rehefa nipoitra i Samoela raha vantany vao nahavita ilay fombafomba i Saoly! Raha mba niandry minitra vitsivitsy fanampiny mantsy izy! — 1 Samoela 13:6-14.
Raha mba niandry an’i Adama mantsy i Eva fa tsy naka tamim-pahamaikana ilay voankazo! Raha mba nahatadidy ny hiandry ny saina natolotr’i Jehovah mantsy ny Isiraelita! Eny, nety ho nanampy mba hamonjena azy ireo sy hamonjena antsika tamin’ny alahelo sy ny fanaintainana be ny faharetana.
Antony mahatonga ny tsy faharetana
Manampy antsika hahatakatra ny antony voalohany indrindra mahatonga ny tsy faharetana amin’izao andro izao ny Baiboly. Milazalaza ny taranaka misy antsika ho miaina amin’ny ‘fotoan-tsarotra tsy mora setraina’ ny Timoty Faharoa toko faha-3 (NW ). Milaza izy io fa ny olona “ho tia ny tenany, ho tia vola, ho mpieboebo, ho mpiavonavona, (...) tsy hanana fifehezan-tena, ho lozabe, tsy hanam-pitiavana izay tsara”. (Andininy faha-2, 3). Ny toe-tsaina feno faniriana mihoa-pampana sy fitiavan-tena toy izany no mameno ny fo sy ny sain’ny olona maro, ka manasarotra ho an’ny rehetra, na dia ho an’ny tena Kristiana aza, ny fanehoana faharetana. Rehefa mahita olon’izao tontolo izao mandeha mafy loatra na misongona na manompa antsika isika, dia mety hotsapaina faran’izay mafy ny faharetantsika. Mety halaim-panahy hanahaka azy ireny isika na hamaly ratsy azy, ka amin’izany dia hanambany tena hitovy tantana aminy raha ny amin’ny avonavony feno fitiavan-tena.
Indraindray dia ny fanatsoahan-kevitsika diso no mahatonga antsika hanary ny faharetana. Mariho ny fomba nilazalazan’i Solomona Mpanjaka hendry ny fifandraisan’ny fanjohian-kevitra maimaika, misy tsininy, sy ny fihetsika tsy maharitra, tezitra: “Tsara ny mahari-po noho ny miavonavom-panahy. Aoka tsy halaky tezitra ny fanahinao; fa ny fahatezerana mitoetra ao an-tratran’ny adala.” (Mpitoriteny 7:8, 9). Raha maka fotoana hahazoana filazalazana feno, araka ny marina, momba ny tarehin-javatra iray isika alohan’ny hanaovan-javatra, dia azo inoana fa hahataka-javatra kokoa isika, hangoraka kokoa, haharitra kokoa mifandray amin’ny hafa. Etsy an-danin’izany, ny toe-tsaina miavonavona, tia tena, dia mety hahatonga antsika ho tery saina, tsy haharitra, sy hankahala, tahaka an’ireo Isiraelita nimonomonona, mafy hatoka, izay nampahory an’i Mosesy. — Nomery 20:2-5, 10.
Antony hafa mahatonga ny fitomboan’ny tsy fahampiam-paharetan’itỳ tontolo itỳ ny toe-piainany tsy misy fanantenana, vokatry ny fanalavirana an’i Jehovah. Nilaza toy izao ny amin’ny ilan’ny olona hanantena an’i Jehovah, i Davida: “Miantombena amin’Andriamanitra tokoa hianao, ry fanahiko; fa Izy no antenaiko.” (Salamo 62:5). Olona maro izay tsy mahalala an’i Jehovah no manana fahatsinjovan-javatra voafetra, mahakivy, hany ka mitady ny handrombaka izay sombim-pahafinaretana sy tombony rehetra azony raisina alohan’ny hahafatesany. Tahaka an’i Satana Devoly, rainy ara-panahy, matetika izy ireo dia tsy miraharaha ny amin’ny fomba mety hanimban’ny asany ny olon-kafa. — Jaona 8:44; 1 Jaona 5:19.
Tsy mahagaga raha tena tsy fahita firy ny faharetana amin’izao andro izao. Itỳ fandehan-javatra ratsy, tia tena, itỳ sy i Satana andriamaniny ary ny fironan’ny nofontsika tsy lavorary hanota dia manasarotra ho an’ny rehetra, na dia ho an’ny olona tso-po aza, ny hananana faharetana. Na dia izany aza, dia mampirisika antsika ny Baiboly mba ‘haharitra’, indrindra raha ny amin’ny fahatanterahan’ny fikasan’Andriamanitra. (Jakoba 5:8). Nahoana no sarobidy aoka izany ny faharetana? Valisoa inona avy no entin’izy io ho antsika?
Ny faharetana — Ny antony maha-sarobidy aoka izany azy io
“Manompo koa ry zareo izay tsy afaka afa-tsy ny miaritra sady miandry.” Nolazain’ilay poety anglisy atao hoe John Milton ireo teny ireo, maherin’ny telonjato taona lasa izay tao amin’ilay poeziany hoe “On His Blindness” (Momba ny Fahajambany). Eo aloha kokoa amin’ilay poezia, dia nilaza ny fahakiviany sy ny tebitebiny izy noho ny fahatsapany tena ho tsy afaka manompo an’Andriamanitra amin’ny fomba feno satria nanjary jamba izy rehefa nananika ny faha-50 taonany. Kanefa, araka ny asehon’ny andalana farany amin’ilay poezia voatonona etsy ambony, dia nanjary nahatakatra izy fa afaka manompo an’Andriamanitra ny olona iray amin’ny fiaretana amim-paharetana ny fahoriana sy amin’ny fitadiavana amim-pahatoniana fahafahana hanompo. Nahatsapa ny hasarobidin’ny fianteherana amim-paharetana amin’Andriamanitra i Milton.
Mety mahita tsara ny ankamaroantsika, kanefa isika rehetra dia manana fetra izay mahatonga antsika hanjary ho tezitra na hitebiteby. Ahoana no ahafahantsika mahazo sy maneho faharetana?
Ohatra mampahery
Manome antsika oha-paharetana tsara dia tsara maromaro ny Baiboly. Ny faharetan’i Jehovah no mahatonga ny olona an-tapitrisany maro tsy tambo isaina hahazo fiainana mandrakizay. (2 Petera 3:9, 15). Ao amin’ilay fanasany amin-katsaram-panahy mba hitondrantsika ny ziogany ka ‘hahitantsika fitsaharana ho an’ny fanahintsika’, i Jesosy dia mampiseho taratra amin’ny fomba lavorary ny faharetana mahatalanjon’ny Rainy. (Matio 11:28-30). Afaka manampy antsika haharitra kokoa ny fisaintsainana ny ohatr’i Jehovah sy i Jesosy.
Ny olona iray izay toa nanana antony maro mba hahatezerana, hankahalana, na hamaliana faty, dia i Josefa zanakalahin’i Jakoba. Nitondra azy tamin’ny fomba tsy ara-drariny indrindra ireo rahalahiny, nioko ny hahafaty azy ary tamin’ny farany dia nivarotra azy ho andevo. Tany Egypta, na dia teo aza ny fanompoany an’i Potifara tamim-pitandremana sy tamim-pahatokiana, dia nampangaina sy nampidirina an-tranomaizina tamin’ny fomba tsy ara-drariny i Josefa. Niaritra tamim-paharetana ny fahoriany rehetra izy, ka azo inoana fa nahatakatra izy hoe ho fahatanterahan’ny fikasan’i Jehovah ny fitsapana toy izany. (Genesisy 45:5). Koa satria namboly finoana sy fanantenana an’i Jehovah, niaraka tamin’ny fanetren-tena sy ny fahatakaran-javatra i Josefa, dia afaka naneho faharetana izy na dia tao anatin’ny toe-javatra faran’izay nisedra aza.
Fanampiana lehibe hafa koa ny fanahy masin’i Jehovah. Raha toa, ohatra, ka mora tezitra sy manao teny maharary isika, dia afaka mangataka amim-bavaka mba hahazoana ny fanampian’ny fanahy masina mba hahafahantsika hamboly ny vokatr’izy io. Ny fisaintsainana ny tsirairay amin’ireny vokatry ny fanahy ireny, toy ny fahari-po sy ny fifehezan-tena, dia hanampy antsika hahita ny fomba ifandraisan’izany lalina amin’ny faharetana. — Galatiana 5:22, 23.
Ny valisoan’ny faharetana
Afaka mitondra soa maro ho antsika ny fananana faharetana. Manatanjaka ny toetrantsika izy io sady miaro antsika tsy hanao zavatra amim-pahamaikana sy amin-kadalana. Iza amintsika no tsy efa nanao fahadisoana nahitam-pahavoazana noho isika maika loatra ny hanao zavatra tamin’ny toe-javatra sarotra na nampihenjana? Mety ho efa nilaza teny maharary na nitondra tena tamin’ny fomba henjana isika. Mety ho efa namela fisehoan-javatra tsy dia nanao ahoana hitombo ka ho tonga fifandonana tsy nisy fileferana tamin’ny olon-tiantsika iray isika. Taorian’ny fahatezerana sy ny fahakiviana ary ny alahelo be, dia mety ho nieritreritra tamim-panenenana toy izao isika: ‘Raha mba niandry kely fotsiny mantsy aho.’ Afaka miaro antsika amin’ny karazan’alahelo rehetra ny fanehoana faharetana. Izany fotsiny dia manome ho an’ny fiainantsika fiadanana sy tsy fihilangilanana ary fahafaham-po be lavitra aoka izany. — Filipiana 4:5-7.
Afaka manampy antsika koa ny faharetana mba hananana fo tony, feno toky. Afaka mitarika ho amin’ny fananantsika fahasalamana ara-batana sy ara-pihetseham-po ary ara-panahy tsara kokoa izany. (Ohabolana 14:30, NW ). Rehefa tsy voafehy ny fipoahan’ny fahatezerana dia afaka miteraka aretina ara-pihetseham-po sy ara-batana mafy ary fahafatesana. Etsy an-danin’izany, rehefa manana faharetana isika dia afaka manana toe-tsaina manorina kokoa manoloana ny hafa, indrindra ireo rahalahintsika ara-panahy sy ny mpianakavintsika. Amin’izay isika dia hirona kokoa ny haneho fiheverana sy hanampy, toy izay ho mora sosotra sy hanakiana. Ho setrin’izany, ny hafa dia hahita fa mora kokoa sady mahafinaritra kokoa ny miaraka amintsika.
Ireo loholona ao amin’ny kongregasiona kristiana indrindra indrindra no mila maneho faharetana. Indraindray ireo Kristiana namany dia manatona azy ireo fa manana zava-manahirana lehibe. Mety ho very hevitra, malahelo, na ketraka ireny olona tso-po ireny, ary etsy an-kilany dia mety ho reraka na voahelingelin’ny zava-manahirana azy manokana na zava-manahirana ara-pianakaviana ny tenan’ireo loholona. Na dia izany aza, dia zava-dehibe toy inona moa ny hanehoan’ny loholona faharetana amin’ny toe-javatra misedra toy ireny! Amin’izay fomba izay dia afaka mananatra “amin’ny fahamoram-panahy” sy ‘miantra ny ondry’ izy ireo. (2 Timoty 2:24, 25; Asan’ny Apostoly 20:28, 29). Aina sarobidy no voakasika. Fitahiana toy inona moa ny fananan’ny kongregasiona loholona tsara fanahy sy be fitiavana ary maharitra!
Tokony hitondra ny ankohonany amim-paharetana sy amim-pahatakarana hevi-javatra ary amin-katsaram-panahy ny filoham-pianakaviana. Tokony hantenainy sy hampirisihany koa ny hanehoan’ny mpianakaviny rehetra ireo toetra tsara ireo. (Matio 7:12). Handray anjara lehibe amin’ny fisian’ny fitiavana sy ny fiadanana ao an-tokantrano izany.
Ny fanehoana faharetana rehefa manao ny fanompoana eny amin’ny saha dia hanampy an’ireo mpanompo kristiana mba hankamamy io fanompoana io amin’ny fomba feno kokoa. Ho afaka hiaritra tsara kokoa ny tsy firaikana sy ny fanoherana rehetra hitany izy ireo. Tsy hiady hevitra amin’ny tompon-trano tezitra ny mpanompo manam-paharetana, fa ho afaka hanome valin-teny feno halemem-panahy na hiala moramora kosa, ka hihazona ny fiadanana sy ny fifaliana amin’izany. (Matio 10:12, 13). Ankoatra izany, rehefa mitondra ny rehetra amim-paharetana sy amin-katsaram-panahy ny Kristiana, dia ho voatarika hanaiky ny hafatra momba ilay Fanjakana ireo olona toy ny ondry. Nitahy ireo fiezahana amim-paharetana amin’ny ambaratonga maneran-tany i Jehovah, araka ny hita amin’ireo mpandefitra mitady ny fahamarinana ana hetsiny maro mirohotra mankao amin’ny kongregasiona be fitiavan’i Jehovah isan-taona.
Marina tokoa fa ny fanehoana faharetana dia hitondra valisoa tsara dia tsara ho antsika. Hanalavitra loza tampoka sy zava-manahirana maro ateraky ny fikoropahana na ny hafainganam-bava, isika. Ho sambatra kokoa, ho tony kokoa, ary azo inoana fa ho salama kokoa isika. Hahita fifaliana sy fiadanana be kokoa isika eo amin’ny fanompoantsika sy ao amin’ny kongregasiona ary ao an-trano. Kanefa ny zava-dehibe indrindra, dia hanana fifandraisana akaiky kokoa amin’Andriamanitra isika. Koa miandrasa an’i Jehovah. Manehoa faharetana!
[Fanamarihana ambany pejy]
a Novana ilay anarana.
[Sary, pejy 10]
Hatraiza ny fanananao faharetana eo amin’ny fiainana andavanandro?