FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w95 1/7 p. 31
  • Fanontanian’ny Mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanontanian’ny Mpamaky
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Mitovitovy Aminy
  • Iza no Mitarika ny Vahoakan’​Andriamanitra Ankehitriny?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2017
  • Inona no Ataon’ny Filan-kevi-pitantanana?
    Iza no Tena Manao ny Sitrapon’i Jehovah?
  • Aoka isika hiara-hiasa amin’ny Kolejy foibe ankehitriny
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Fanontanian’ny mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
w95 1/7 p. 31

Fanontanian’ny Mpamaky

Nizaha tavan’olona ve Andriamanitra tamin’ny fifidianana lehilahy, avy tamin’ny olona nitovy fiaviana ara-pirazanana sy ara-pirenena — izany hoe Jiosy avokoa — mba hahaforona ny fitambara-mpitantana tany am-boalohany?

Tsia, tsy nizaha tavan’olona velively izy. Ireo rehetra nantsoin’i Jesosy voalohany mba ho mpianany dia Jiosy. Avy eo, tamin’ny Pentekosta 33 am.f.i., dia Jiosy sy proselyta jiosy no voalohany voahosotra tamin’ny fanahy masina, ka noho izany dia nanjary mendrika ny hiara-manjaka amin’i Kristy any an-danitra. Tatỳ aoriana vao nampidirina ny Samaritana sy ny Jentilisa tsy voafora izay niova finoana. Noho izany, dia mora azo raha voaforona Jiosy, dia ‘ny apostoly sy loholona tany Jerosalema’, araka ny voalaza ao amin’ny Asan’ny Apostoly 15:2, ny fitambara-mpitantana tamin’izany fotoana izany. Izy ireo dia lehilahy nanana fahatakarana lalina kokoa ny Soratra Masina sy fanandraman-javatra an-taonany maro tao amin’ny fanompoam-pivavahana marina, sady efa nanana fotoana misimisy kokoa hahatongavana ho loholona kristiana matotra. — Ampitahao amin’ny Romana 3:1, 2.

Tamin’ny fotoan’ilay fivorian’ny fitambara-mpitantana voatantara ao amin’ny Asan’ny Apostoly toko faha-15, dia Jentilisa maro no efa tonga Kristiana. Izany dia nahafaoka Afrikana sy Eoropeana ary olona avy amin’ny faritra hafa. Kanefa, tsy misy firaketana an-tsoratra milaza fa nampiana Jentilisa toy izany ny fitambara-mpitantana mba hahatonga ny Kristianisma hanintona ho an’ny tsy Jiosy. Na dia mpikambana nitovy saranga tamin’ny hafa tao amin’ny “Isiraelin’Andriamanitra” aza ireny Kristiana jentilisa vao niova finoana ireny, dia nanaja ny fahamatorana sy ny fanandraman-javatra lehibe kokoa nananan’ireo Kristiana jiosy, toy ireo apostoly, izay anisan’ny fitambara-mpitantana tamin’izay, izy ireny. (Galatiana 6:16). Mariho ny fanajana fatratra izany fanandraman-javatra izany ao amin’ny Asan’ny Apostoly 1:21, 22. — Hebreo 2:3; 2 Petera 1:18; 1 Jaona 1:1-3.

Nandritra ny taonjato maro, Andriamanitra dia nifampiraharaha tamin’ny fomba manokana tamin’ny firenen’ny Isiraely, izay nifantenan’i Jesosy ireo apostoliny. Tsy fahadisoana na hoe tsy rariny akory ny tsy nisian’ny apostoly avy tamin’ny tany fantatra ankehitriny ho Amerika Atsimo, Afrika na Extrême-Orient. Amin’ny farany dia hisy lehilahy sy vehivavy avy amin’ireo toerana ireo hanana fahafahana hahazo tombontsoa lehibe lavitra noho ny ho apostoly teto an-tany, ho mpikambana tao amin’ny fitambara-mpitantana tamin’ny taonjato voalohany, na handray fanendrena hafa eo anivon’ny vahoakan’Andriamanitra amin’izao andro izao. — Galatiana 3:27-29.

Ny apostoly iray dia voatosika hanambara fa “tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra; fa amin’ny firenena rehetra izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany”. (Asan’ny Apostoly 10:34, 35). Eny, ireo soa avy amin’ny soron’i Kristy dia azon’ny rehetra raisina tsy misy fizahan-tavan’olona. Ary ny isam-batan’olona avy amin’ny foko sy ny fiteny ary ny firenena rehetra dia hampidirina ao amin’ilay Fanjakana any an-danitra sy ho anisan’ny olona betsaka izay hiaina mandrakizay eto an-tany.

Olona maro no manjary sarotiny raha ny amin’ny fiaviana ara-pirazanana, ara-pitenenana na ara-pirenena. Izany dia voazava amin’izay vakintsika ao amin’ny Asan’ny Apostoly 6:1 momba ny raharaha niadian-kevitra iray izay nahatonga fimonomononana teo amin’ireo Kristiana niteny grika sy ireo niteny hebreo. Isika dia mety ho nihalehibe tamin’ny fananana ilay fihetsika fahita ankehitriny izay tena sarotiny mihitsy raha ny amin’ny fiteny, ny firazanana, ny fiaviana ara-poko, na momba ny hoe lahy sa vavy; na mety ho nandray izany fihetsika izany isika. Noho izany zavatra tena mety hisy izany, dia haneho fahendrena isika raha manao ezaka amim-pahatapahan-kevitra mba hamela ny fihetseham-pontsika sy ny fihetsitsika hovolavolain’ny fomba fihevitr’Andriamanitra hoe: eo imasony, dia mitovy saranga avokoa ny olombelona rehetra, na manao ahoana na manao ahoana fisehoantsika ivelany. Rehefa nampirakitra an-tsoratra ireo toetra takina mba hahatongavana ho loholona sy mpikarakara momba ny asa Andriamanitra, dia tsy nanisy firesahana ny amin’ny firazanana na ny fiaviana ara-pirenena izy. Tsia, nifantoka tamin’ireo toetra ara-panahy takina amin’ireo izay mety ho azo ampiasaina mba hanompo izy. Izany dia marina amin’ny loholona eo an-toerana sy ireo mpiandraikitra mpitety faritany ary ireo miasa ao amin’ny sampana amin’izao andro izao, toy ny naha-marina izany tamin’ny fitambara-mpitantana tamin’ny taonjato voalohany.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara