FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w95 15/7 p. 28-30
  • Ny Karahita sy ny Fitadiavany ny Fahamarinana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Karahita sy ny Fitadiavany ny Fahamarinana
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Tamin’ny fomba ahoana no niantombohan’ilay fiadian-kevitra?
  • Fifanoherana mafy teo amin’ny Karahita sy ny Raby
  • Nanao ahoana no fihetsik’ireo raby?
  • Resy tosika ny fihetsiketsehana karahita
  • Nahoana no Natao An-tsoratra ny Lalàna Am-bava?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • ‘Nampahazava’ Kokoa ny Baiboly ny Tranomboky Tranainy any Rosia
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
  • Inona moa ny Talmoda?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Avy Tamin’ny Tsindrimandrin’Andriamanitra ve ny Baiboly?
    Hisy Tontolo Iray Tsy Hisian’ny Ady ve Indray Andro Any?
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
w95 15/7 p. 28-30

Ny Karahita sy ny Fitadiavany ny Fahamarinana

“MIKAROHA amin’ny fomba feno ao amin’ny [Soratra Masina] ary aza miantehitra amin’ny hevitro.” Ireo teny ireo dia nataon’ny filoha karahita iray tamin’ny taonjato fahavalo am.f.i. Iza moa ireo Karahita? Misy zavatra tsara azontsika ianarana ve avy amin’ny ohatr’izy ireo? Mba hamaliana ireo fanontaniana ireo, dia tsy maintsy miverina any amin’ny fiadian-kevitra naharitra iray teo amin’ny tantara, izay nitarika ho amin’ny fihetsiketsehana karahita isika.

Tamin’ny fomba ahoana no niantombohan’ilay fiadian-kevitra?

Tamin’ireo taonjato farany talohan’ny Fanisan-taona Iraisana, dia nisy filozofia vaovao iray nitombo tao anatin’ny Jodaisma. Izany dia ny hevitra fa Andriamanitra dia nanome Lalàna roa teo amin’ny Tendrombohitra Sinay, ny iray voasoratra ary ny iray am-bava.a Tamin’ny taonjato voalohany am.f.i. dia nisy fifanoherana navaivay teo amin’ireo izay nifikitra tamin’io fampianarana vaovao io sy ireo izay nanda azy. Ny Fariseo no mpampandroso azy io, ary tetsy an-kilany kosa, dia ny Sadoseo sy ny Eseniana no anisan’ny mpanohitra azy io.

Teo anivon’izany fiadian-kevitra nitombo izany no nipoitra tamin’ny naha-Mesia nampanantenaina i Jesosy avy tany Nazareta. (Daniela 9:24, 25; Matio 2:1-6, 22, 23). I Jesosy dia nifanandrina tamin’ireo antokona Jiosy rehetra nifanohitra ireo. Rehefa nanjohy hevitra tamin’izy ireo izy, dia nomelohiny ny fanafoanan’izy ireo ny tenin’Andriamanitra noho ny fampianarana voatolotra azy ireo. (Matio 15:3-9). Nampianatra fahamarinana ara-panahy koa i Jesosy tamin’ny fomba izay tsy nisy afa-tsy ny Mesia ihany no afaka nanao izany. (Jaona 7:45, 46). Ambonin’izany, dia ireo mpanara-dia marina an’i Jesosy ihany no nanome porofo ny amin’ny fanohanan’Andriamanitra. Nanjary fantatra ho Kristiana izy ireo. — Asan’ny Apostoly 11:26.

Rehefa noravana ny tempolin’i Jerosalema tamin’ny 70 am.f.i., dia ny Fariseo no hany antokom-pivavahana niangana. Koa satria izao tsy nisy intsony ny fisoronana sy ireo sorona ary ny tempoly, dia afaka namorona zavatra ho solon’ireny rehetra ireny ny Jodaisma voamariky ny fanamarinan-tena feno fihatsarambelatsihy, namela ny lovantsofina sy ny filazana ny hevitry ny teny haka ny toeran’ny Lalàna voasoratra. Izany dia namoha ny varavarana ho amin’ny fanoratana “boky masina” vaovao. Voalohany, dia tonga ny Mishnah, miaraka amin’ireo fanampiny sy ireo filazany ny hevitry ny lalàny am-bava. Tatỳ aoriana, dia nisy ireo fanangonana asa soratra hafa nanampy izany, ka nantsoina hoe ny Talmoda. Tao anatin’izany fotoana izany ihany, ireo Kristiana nivadi-pinoana dia nanomboka nivily niala tamin’ireo fampianaran’i Jesosy. Ireo antokon’olona ireo dia samy niteraka fandehan-javatra ara-pivavahana nanana fahefana be — fahefana nitombo nananan’ny raby tetsy an-daniny, ary fahefan’ny anisan’ny klerjy tetsy an-kilany.

Noho ny ady nataon’ny Jiosy tamin’i Roma mpanompo sampy ary tatỳ aoriana tamin’i Roma “kristiana”, dia nafindra tany Babylona tamin’ny farany ny foiben’ny Jodaisma. Tany no navoaka tamin’ny endriny feno indrindra ny asa soratry ny Talmoda. Na dia nilaza aza ireo raby fa nampahafantatra ny sitrapon’Andriamanitra tamin’ny fomba feno kokoa ny Talmoda, dia tsapan’ny Jiosy maro ny fitaomana nitombo teo amin’ny fahefan’ireo raby ary naniry mafy ny tenin’Andriamanitra nampitaina taminy tamin’ny alalan’i Mosesy sy ireo mpaminany izy ireo.

Teo amin’ny tapany faharoa tamin’ny taonjato fahavalo am.f.i., ireo Jiosy tany Babylona izay nanohitra ny fahefana sy ny zavatra inoan’ireo raby teo amin’ny lalàny am-bava dia nandray tsara ny filoha nanam-pahaizana iray nantsoina hoe Anan ben David. Izy dia nanambara ny zo ananan’ny Jiosy tsirairay hianatra tsy misy fepetra ny Soratra Hebreo ho ny hany loharanon’ny fivavahana marina, tsy nisy fiheverana ny filazana ny hevitry ny teny araka ny fahitan’ny raby azy na ny Talmoda. Izao no nampianarin’i Anan: “Mikaroha amin’ny fomba feno ao amin’ny Torah [ny lalàn’Andriamanitra voasoratra] ary aza miantehitra amin’ny hevitro.” Noho io fanantitranterana ny Soratra Masina io, ireo mpanara-dia an’i Anan dia nanjary fantatra ho Qa·ra·’im’, anarana hebreo midika hoe “mpamaky”.

Fifanoherana mafy teo amin’ny Karahita sy ny Raby

Inona avy ireo ohatra sasantsasany tamin’ny fampianaran’ny Karahita izay nampisafotofoto ireo antokon’ny raby? Ny raby dia nandrara ny fihinanana hena sy ronono miaraka. Izy ireo dia nampiseho izany ho toy ny fanazavan’ny lalàna am-bava ny Eksodosy 23:19, izay manao hoe: “Aza mahandro zanak’osy amin’ny rononon-dreniny.” Tetsy an-kilany, ny Karahita dia nampianatra fa midika fotsiny izay lazainy io andininy io — tsy mihoatra, tsy latsaka. Notoheriny ho zavatra noforonin’olombelona ireo fameperana nataon’ireo raby.

Araka ny filazany ny hevitry ny Deoteronomia 6:8, 9, dia notohanan’ireo raby fa ny lehilahy jiosy dia tokony hivavaka mitondra filakitera, ary koa fa tokony hapetraka eo amin’ny tolàm-baravarana tsirairay ny mezouza.b Ny Karahita dia nihevitra ireny andininy ireny ho nanana heviny ara-panoharana sy an’ohatra, noho izany dia nolaviny ireo fitsipika avy amin’ny raby toy izany.

Tamin’ny raharaha hafa, dia be fameperana lavitra kokoa noho ny raby, ny Karahita. Ohatra, diniho ny fomba fijeriny ny Eksodosy 35:3, izay amakiana toy izao: “Aza mampirehitra afo amin’ny andro Sabata any amin’izay rehetra itoeranareo.” Noraran’ny Karahita ny famelana ny jiro na ny fahazavana hirehitra na dia narehitra talohan’ny Sabata aza izany.

Ireo filoha karahita dia tsy nitovy hevitra matetika ny amin’ny fetra sy ny karazan’ireo fameperana sasantsasany, ary tsy nazava foana ny hafatra nampitainy, indrindra fa taorian’ny nahafatesan’i Anan. Tsy nisy firaisan-tsaina teo amin’ny Karahita satria izy ireo dia tsy nanaiky ho filoha na iza na iza, fa nanantitrantitra kosa ny famakiana sy ny filazana ny hevitry ny Soratra Masina nataon’ny tsirairay manokana, izay nifanohitra tamin’ny fomba fampiharan’ireo raby ny fahefana. Na dia teo aza anefa izany, dia nanjary be mpitia sady nitombo hery nihoatra lavitra ny fiaraha-monina jiosy tao Babylona ny fihetsiketsehana karahita ary niely nanerana an’i Moyen-Orient. Naorina tao Jerosalema mihitsy aza ny foiben’ny Karahita lehibe indrindra.

Nandritra ny taonjato fahasivy sy fahafolo am.f.i., ireo manam-pahaizana manokana karahita dia nanan-tombo tamin’ny fianarana nohavaozina momba ny fiteny hebreo ary nandalo karazana fotoam-piroboroboana lehibe. Izy ireo dia nihevitra ny Soratra Hebreo, fa tsy ny lovantsofina am-bava, ho masina. Ny Karahita sasany dia tonga mpanao kopia naneho fitandremana ny Soratra Hebreo. Raha ny marina, dia ny asa nahaliana nataon’ny Karahita no nampirisika ny fandinihan’ireo Masoreta ny Soratra Masina teo amin’ny Jiosy rehetra, ka niantoka ny soratra ao amin’ny Baiboly voatahiry tamin’ny fomba marina kokoa amin’izao andro izao.

Nandritra io fe-potoam-pitomboana haingana io, ny Jodaisma narahin’ny Karahita dia niditra tamin’ny asa misionera an-karihary tanteraka teo amin’ireo Jiosy hafa. Izany dia nahaforona fandrahonana nazava ho an’ny Jodaisma narahin’ny raby.

Nanao ahoana no fihetsik’ireo raby?

Ny valim-panafihana nataon’ireo raby dia ady tamin’ny teny manindrona, tamin’ny fahaizana nanovaova sy nampifanaraka tamin-kafetsena ny fampianarany araka izay nilainy. Nandritra ny taonjato nanaraka ny famelezan’i Anan, dia nandray maromaro tamin’ireo fomba fanaovan’ny Karahita zavatra ny Jodaisma narahin’ny raby. Nanjary nahay kokoa ireo raby tamin’ny fanononana ny Soratra Masina, ka nafangarony tao amin’ny hain-teniny ny angaly sy ny fomba fanaon’ny Karahita.

Ny filoha nekena tamin’io famelezana am-bava nanoherana ny Karahita io dia i Saʽadia ben Joseph, izay tonga ny filohan’ny fiaraha-monina jiosy tany Babylona teo amin’ny tapany voalohany tamin’ny taonjato fahafolo am.f.i. Ny sangan’asan’i Saʽadia, The Book of Beliefs and Opinions, dia nadikan’i Samuel Rosenblatt tamin’ny fiteny anglisy, ka izao no nolazainy tao amin’ny sasin-teniny: “Na dia (...) nanana fahefana tamin’ny Talmoda aza izy tamin’ny androny, [i Saʽadia] dia tsy nampiasa firy io loharanon’ny lovantsofina jiosy io, izany dia niharihary fa noho ny faniriany handresy tamin’ny fiadian’izy ireo manokana tamin’ny Karahita, izay tsy nanaiky ho marina afa-tsy ny Lalàna Voasoratra.”

Rehefa nanaraka ny dian’i Saʽadia ny Jodaisma narahin’ny raby, dia nanjary nahazo fahefana sy hery lehibe kokoa tamin’ny farany. Nanatanteraka izany izy io tamin’ny fanarahana ny Lalàna voasoratra mba hanendahana tamin’ireo Karahita fotsiny ny herin’ny fanaporofoan-keviny. Ny famelezana farany nahafaty dia nataon’i Moïse Maimonides, ilay manam-pahaizana nalaza momba ny Talmoda tamin’ny taonjato faha-12. Tamin’ny fananany fihetsika nilefitra teo anoloan’ny Karahita izay niara-nonina taminy tany Egypta, ary koa tamin’ny fomba feno fahaizana nandreseny lahatra, dia nahazo ny fanajan’izy ireo izy ary nampihena ny fahefan’ny filohan’izy ireo manokana.

Resy tosika ny fihetsiketsehana karahita

Ankehitriny rehefa tsy nanana firaisan-tsaina sy lamina tsara hanoherana ny fihetsiketsehana karahita, dia namoy tosika sy mpanara-dia. Rehefa nandeha ny fotoana, dia nanova ny fomba fijeriny sy ireo fitsipiny ireo Karahita. I Leon Nemoy, mpanoratra iray momba ny ezaka voalamina ataon’ny Karahita dia nanoratra toy izao: “Na dia mbola voarara hatrany ara-teoria aza ny Talmoda, dia fanazavana betsaka nifandray tamin’ny Talmoda no nafangaro mangina tamin’ny fanarahan’ny Karahita ny lalàna sy ny fomba amam-panao.” Amin’ny fotony, ny Karahita dia namoy ny zava-nokendreny tany am-boalohany ary nandray betsaka tamin’ny Jodaisma narahin’ny raby.

Mbola misy Karahita eo amin’ny 25 000 eo ho eo any Isiraely. An’arivony vitsivitsy fanampiny no mety ho hita any amin’ireo fiaraha-monina hafa, any Rosia sy any Etazonia amin’ny ankamaroany. Manana ny lovantsofiny manokana nampitaina am-bava anefa izy ireo ka tsy mitovy amin’ireo Karahita voalohany.

Inona no azontsika ianarana avy amin’ny tantaran’ny Karahita? Fa fahadisoana lehibe ny ‘manafoana ny tenin’Andriamanitra noho ny fampianarana voatolotra [“lovantsofina”, NW ]’. (Matio 15:6). Ny fanafahana amin’ny lovantsofin’olombelona manavesatra dia mitaky fahalalana araka ny marina ny Soratra Masina. (Jaona 8:31, 32; 2 Timoty 3:16, 17). Eny, ireo izay mikatsaka ny hahafantatra sy hanao ny sitrapon’Andriamanitra dia tsy miantehitra amin’ny lovantsofin’olombelona. Mikaroka amim-pahazotoana ao amin’ny Baiboly izy ireo ary mampihatra ny fampianarana mahasoa ao amin’ny Teny ara-tsindrimandrin’Andriamanitra.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Mba hahazoana fanazavana fanampiny ny amin’ilay lazaina fa lalàna am-bava, dia jereo ny pejy faha-8–11 amin’ilay bokikely hoe Hisy Tontolo Iray Tsy Hisian’ny Ady ve Indray Andro Any?, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of Pennsylvania.

b Ny filakitera dia boaty kely roa misy sila-koditra manify nanoratana andalan-teny tao amin’ny Soratra Masina. Ireny boaty kely ireny dia nentina araka ny fanao teo amin’ny sandry havia sy teo amin’ny handrina nandritra ireo vavaka maraina andavanandro. Ny mezouza dia horonan-tsila-koditra manify izay nanoratana ny Deoteronomia 6:4-9 sy Deot. 11:13-21, ka napetraka tao anatin’ny boaty kely nahantona teo amin’ny tolàm-baravarana.

[Sary, pejy 30]

Antokona Karahita

[Sary nahazoan-dalana]

Avy amin’ilay boky hoe The Jewish Encyclopedia, 1910

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara