FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w95 1/8 p. 31
  • Fanontanian’ny Mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanontanian’ny Mpamaky
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Mitovitovy Aminy
  • Fanontanian’ny Mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2004
  • Mianara Hatahotra An’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • Nahoana no Andriamanitra no atahorana fa tsy ny olona?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Mety hitondra soa ho anao ve ny fahatahorana an’Andriamanitra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
w95 1/8 p. 31

Fanontanian’ny Mpamaky

Milaza amintsika toy izao ny 1 Jaona 4:18: “Tsy manan-tahotra ny fitiavana; fa ny fitiavana tanteraka mandroaka ny tahotra”. Nefa i Petera nanoratra hoe: “Tiava ny rahalahy. Matahora an’Andriamanitra.” (1 Petera 2:17). Ahoana no ahafahantsika mampifanaraka ireo andininy roa ireo?

Samy apostoly nianatra nivantana avy tamin’i Jesosy Kristy mihitsy, i Petera sy i Jaona. Afaka matoky isika, araka izany, fa izay nosoratan’izy ireo dia mifanaraka tokoa. Raha ny amin’ireo andininy voatonona etsy ambony, ny vahaolana dia hoe niresaka ny amin’ny karazana tahotra samy hafa ireo apostoly roa.

Aoka hodinihintsika voalohany ny torohevitr’i Petera. Araka ny asehon’ny teny manodidina, i Petera dia nanolotra ho an’ireo Kristiana tahaka azy torohevitra ara-tsindrimandry mahakasika ny fihetsiny eo anatrehan’ireo manana fahefana. Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia nanazava mahakasika ny fomba fihevitra mety ny amin’ny fanekena, ao amin’ny faritra sasany, izy. Araka izany, dia notoroany hevitra ny Kristiana mba hanaiky ireo olona mitana toeram-pahefana ao amin’ny fitondram-panjakan’olombelona, toy ny mpanjaka, na mpanapaka. (1 Petera 2:13, 14). Nanohy ny teniny tamin’ny fanoratana toy izao i Petera: “Manajà ny olona rehetra. Tiava ny rahalahy. Matahora an’Andriamanitra. Manajà ny mpanjaka.” — 1 Petera 2:17.

Rehefa dinihina ny teny manodidina, dia mazava fa rehefa nilaza i Petera fa tokony “hatahotra an’Andriamanitra” ireo Kristiana, dia te hilaza izy fa isika dia tokony hanana fanajana ara-pivavahana lalina an’Andriamanitra, tahotra sao tsy hampifaly ilay fahefana ambony indrindra. — Ampitahao amin’ny Hebreo 11:7.

Ahoana ny amin’ny fanazavan’ny apostoly Jaona? Eo aloha kokoa amin’ny 1 Jaona toko faha-4, ilay apostoly dia nanazava ny amin’ny ilana hizaha toetra “ireo fitenenana ara-tsindrimandry”, toy ireo avy amin’ny mpaminany sandoka. Azo antoka fa tsy avy amin’i Jehovah Andriamanitra ireny fitenenana ireny; avy amin’izao tontolo izao ratsy fanahy izy ireo, na manome taratra ny amin’izy io.

Mifanohitra amin’izany kosa, ireo Kristiana voahosotra dia “avy amin’Andriamanitra”. (1 Jaona 4:1-6, NW). Koa satria izany no izy, dia nampirisika toy izao i Jaona: “Ry malala, aoka hifankatia isika; fa avy amin’Andriamanitra ny fitiavana”. Nanao ny dingana voalohany tamin’ny fanehoana fitiavana, Andriamanitra — “nirahiny ny Zanany ho avotra noho ny fahotantsika”. (1 Jaona 4:7-10). Ahoana no tokony handraisantsika izany?

Mazava ho azy fa tokony hijanona ho tafaray amin’ilay Andriamanitsika be fitiavana isika. Tsy tokony ho feno horohoro ny aminy isika, na hangovitra raha vao mihevitra ny hanatona azy ao amin’ny vavaka. Eo aloha kokoa i Jaona dia nanoro hevitra toy izao: “Raha tsy mba manameloka antsika ny fontsika, dia manana [fahalalahana hiteny amim-pahatsorana, NW ] eo anatrehan’Andriamanitra isika. Ary na inona na inona no angatahintsika dia raisintsika aminy, satria mitandrina ny didiny (...) isika”. (1 Jaona 3:21, 22). Eny, manome antsika fahafahana hanatona an’Andriamanitra tsy amin’ny tahotra mampahalemy na mahatonga ho tsy afa-mihetsika, ny feon’ny fieritreretana madio. Noho ny fitiavana, dia mahatsapa ho afaka miresaka malalaka amin’i Jehovah, na manatona azy ao amin’ny vavaka, isika. Amin’io lafiny io, dia “tsy manan-tahotra ny fitiavana”.

Aoka àry isika hanjohy hevitra momba ireo hevitra roa ireo. Ny Kristiana iray dia tsy maintsy manana foana tahotra miharo fanajana ara-pivavahana an’i Jehovah, tahotra ateraky ny fanajana lalina ny toerany sy ny heriny ary ny fahamarinany. Nefa tia an’Andriamanitra koa isika amin’ny maha-Raintsika azy, ary mahatsapa ho akaiky azy sady manana fahalalahana hanatona azy. Tsy manjary tsy afa-mihetsika noho ny horohoro ny aminy isika, fa matoky kosa fa afaka manatona azy, toy ny zaza iray mahatsapa ho manana fahalalahana hanatona ny ray na reny iray be fitiavana. — Jakoba 4:8.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara