Tohero Ireo Fanaon-drazana Tsy Araka An’Andriamanitra!
“NY MARINA hahafaka anareo tsy ho andevo”, hoy i Jesosy Kristy. (Jaona 8:32). Eny, ny Kristianisma dia manafaka ny olona — amin’ny fanandevozan’ny finoanoam-poana, amin’ny finoana ireo foto-pampianarana diso sy fanantenana sandoka, amin’ny fatoran’ny fomba mampietry.
Toy ny tamin’ny andro fahiny anefa, ny Kristiana amin’izao andro izao dia matetika no miatrika fanerena hiverina amin’ireo fanaon-drazana taloha. (Galatiana 4:9, 10). Tsy hoe manimba avokoa akory ny fanaom-bahoaka rehetra. Eny tokoa, mety hifidy ny hanaraka fanao eo an-toerana izay tsara sady mahasoa, ny Kristiana iray. Kanefa, rehefa mifanohitra amin’ny Tenin’Andriamanitra ireo fanao, dia tsy manaiky lembenana ny Kristiana. Fanta-daza ny Vavolombelon’i Jehovah, araka izany, noho ny fandavany tsy handray anjara amin’ny fankalazana Krismasy sy ny fitsingerenan’ny andro nahaterahana ary ny fanao hafa izay mifanohitra amin’ny Tenin’Andriamanitra.
Matetika izany fitanana fijoroana amin-kerim-po izany no niteraka fanesoana sy fanoherana be dia be avy tamin’ny olom-pantatra sy ny mpiara-monina ary ny havana tsy mpino. Izany indrindra no nitranga tany amin’ny tany sasany atsy Afrika, izay itandremana karazana fanaon-drazana maro, araka ny mahazatra, amin’ny fanomanana faty sy ny fampakaram-bady ary ny fahaterahana. Ny fanerena hanaraka izany dia mety hahatahotra — matetika mahafaoka fandrahonana sy herisetra. Ahoana no ahafahan’ny Kristiana mifahatra rehefa tonga amin’izany? Azo atao ve ny manalavitra ny fifandonana tsy misy fanekena lembenana? Mba hamaliana izany, dia andeha isika handinika ny fomba niatrehan’ny Kristiana mahatoky ny fanaon-drazana sasany tsy araka ny Soratra Masina.
Fanao amin’ny fanomanana faty mampiseho finoanoam-poana
Atsy Afrika atsimo dia misy fanaon-drazana maro be mifandray amin’ny fanomanana faty sy ny fandevenana. Araka ny mahazatra, ireo mana-manjo dia mandany ny alina manontolo — na alina maromaro — ao amin’ilay trano misy fahoriana, izay andrehetana tsy an-kijanona afo iray. Rarana tsy hahandro sakafo, hanety volo, na handro mihitsy aza ireo nidonam-pahoriana, mandra-pahatongan’ny fandevenana. Aorian’izany, dia tokony hanasa ny tenany amin’ny fifangaroan-dravinkazo hafa kely izy ireo. Azon’ny Kristiana ekena ve ny fanao toy ireny? Tsia. Izy rehetra ireny dia mampiseho taratry ny finoana ny tsy fahafatesan’ny fanahy (âme) sy ny tahotra ny maty, tahotra izay mankarary.
Hoy ny Mpitoriteny 9:5: “Fantatry ny velona fa ho faty izy; fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona”. Manafaka ny olona iray amin’ny fahatahorana ny ‘fanahin’ny maty’ ny fahalalana io fahamarinana io. Kanefa inona no tokony hataon’ny Kristiana iray rehefa mitaky ny handraisany anjara amin’ny fombafomba toy izany ny havana tsara fikasa?
Diniho ny zavatra niainan’ny Vavolombelona afrikana iray atao hoe Jane, izay maty ray. Rehefa tonga tao amin’ilay trano nanomanana ny faty izy, dia nilazana avy hatrany fa tokony handihy manodidina ilay faty izy sy ny sisa amin’ny fianakaviana ny alina manontolo mba hampitonena ny fanahin’ilay nody mandry. “Nilazako izy ireo fa amin’ny maha-Vavolombelon’i Jehovah ahy, dia tsy afaka nandray anjara tamin’ny fomba toy izany aho”, hoy ny fitantaran’i Jane. “Kanefa, ny ampitson’ny fandevenana, dia nilaza ireo havana be taona fa handeha hampandro ireo mpianakavy nidonam-pahoriana izy ireo mba ho fiarovana fanampiny amin’ny fanahin’ilay nody mandry. Teo indray dia tsy nety nandray anjara aho. Tamin’izay fotoana izay i Neny dia notazonina nitokana tao amin’ny trano iray. Na iza na iza naniry hahita azy dia tsy maintsy nisotro zava-pisotro misy alkaola nomanina ho amin’izany, aloha.
“Tsy nety nitsabaka tamin’izany aho. Nankany an-trano kosa aho nanomana sakafo, izay nentiko tany amin’ilay trano nitoeran’i Neny. Tena nandiso fanantenana ny fianakaviako izany. Nihevitra ireo havako fa tsy salama saina aho.” Ankoatra izany, dia naneso azy izy ireo ary niantso loza ho aminy, ka nanao hoe: “Koa satria ianao nanda ny fanaon-drazantsika noho ny fivavahanao, dia hokorontanin’ny fanahin’ny rainao ianao. Raha ny marina, dia tsy ho afaka ny hanan-janaka mihitsy aza ianao.” Na dia izany aza, dia tsy nety nampitahorina i Jane. Nanao ahoana ny fiafaran-javatra? Hoy izy: “Tamin’izay fotoana izay aho nanan-janaka roa. Ankehitriny aho manana enina! Izany dia nitondra henatra ho an’ireo izay niampanga ahy hoe tsy hanan-janaka indray intsony aho.”
“Fanadiovana” eo amin’ny maha-lahy sy ny maha-vavy
Ny fanao hafa iray dia mahafaoka fanadiovana arahina fombafomba atao aorian’ny nahafatesan’ny vadin’ny tena. Raha maty ny vehivavy iray, dia hitondran’ny fianakavian’izy io zaobavy iray na vehivavy hafa iray izay havana akaiky an’ilay vadiny nody mandry, ilay lehilahy maty vady. Voatery hanao firaisana aminy ilay lehilahy. Amin’izay ihany izy vao afaka manambady izay tiany. Toy izany koa no mitranga rehefa maty ny vadin’ny vehivavy iray. Ilay fomba dia heverina fa manadio ilay vady mbola velona amin’ny ‘fanahin’ilay vadiny maty’.
Na iza na iza tsy mety mandalo amin’izany “fanadiovana” izany dia mety hiharan’ny fahatezeran’ny havana. Mety hatoka-monina sady hampiharana fanesoana sy fanambarana fiafarana ratsy, izy. Na dia izany aza, ny Kristiana dia tsy mety manaraka io fanao io. Fantatr’izy ireo fa tsy karazana “fanadiovana” velively ny firaisana ivelan’ny fanambadiana, fa mandoto eo imason’Andriamanitra kosa. (1 Korintiana 6:18-20). Ankoatra izany, ny Kristiana dia tokony hanambady “ao amin’ny Tompo ihany”. — 1 Korintiana 7:39.
Namoy ny vadiny ny vehivavy kristiana zambiana iray atao hoe Violet. Taorian’izany, dia nitondran’ireo havana lehilahy iray izy, sady nanizingizina izy ireo ny hanaovany firaisana tamin’izy io. Tsy nety i Violet, ary ho saziny dia nosakanana tsy hanovo rano tao amin’ny fantsakam-pokonolona izy. Nampitandremana koa izy mba tsy handeha teny amin’ny lalam-be, sao hisy fahavoazana hanjo azy. Kanefa, tsy nety nampitahorin’ny havana na ny mpiray tanàna izy.
Nampanantsoina ho any amin’ny fitsarana iray teo an-toerana i Violet tatỳ aoriana. Tany izy dia nanazava tamin’ny fomba hentitra ny antony araka ny Soratra Masina nahatonga azy ho tsy nety nanao firaisana tsy ara-dalàna. Namoaka didim-pitsarana nanohana azy ilay fitsarana, ka nilaza fa ny fitsarana dia tsy afaka nanery azy hanaraka fanao sy fanaon-drazana eo an-toerana izay nifanohitra tamin’ny zavatra ninoany. Mahaliana fa ny fandavany mafy tsy hanaiky lembenana dia nampihena ny fanerena nampiharina teo amin’ny Vavolombelona hafa tao amin’ilay tanàna, Vavolombelona izay niatrika raharaha toy izany tatỳ aoriana.
Nahatohitra fanerena mitovy amin’izany ny Vavolombelona afrikana iray atao hoe Monika, taorian’ny nahafatesan’ny vadiny. Nanizingizina ny hanome azy vady hafa ny fianakavian’ilay rangahy. Hoy i Monika: “Tsy nety aho, satria tapa-kevitra ny hankato ilay baiko ao amin’ny 1 Korintiana 7:39.” Tsy nitsahatra ny fanerena na dia izany aza. “Nandrahona ahy izy ireo”, hoy ny fahatsiarovan’i Monika. “Hoy izy ireo: ‘Raha tsy mety ianao, dia tsy ho afaka hanambady intsony.’ Nilaza mihitsy aza izy ireo fa nodiovina ara-pombafomba tamin’ny fomba miafina toy izany ny sasany amin’ireo Kristiana tahaka ahy.” Na dia izany aza, dia nifahatra i Monika. “Nitoetra ho mpitovo aho nandritra ny roa taona, ary taorian’izay dia nanambady indray tamin’ny fomba kristiana”, hoy izy. Manompo amin’ny maha-mpisava lalana maharitra i Monika ankehitriny.
Fahafahan-jaza sy fiterahana zaza maty am-bohoka
Tsy maintsy miatrika koa fanao manodidina ny fahafahan-jaza sy ny fiterahana zaza maty am-bohoka ny Kristiana atsy Afrika atsimo. Ny fisehoan-javatra mampalahelo toy ireny dia vokatry ny tsy fahatanterahan’ny olombelona — fa tsy vokatry ny fanasazian’Andriamanitra. (Romana 3:23). Kanefa raha afa-jaza ny vehivavy iray, dia mitaky ny hitondrana azy toy ny olona iray roahin’ny fiaraha-monina mandritra ny fe-potoana sasany, ny fanaon-drazana sasany atsy Afrika.
Noho izany, dia gaga ny vehivavy iray afa-jaza vao haingana raha nahita Vavolombelona iray nandeha hanatona ny tranony. Rehefa nanakaiky izy io, dia niantsoantso taminy ilay vehivavy hoe: “Aza manketỳ! Araka ny fanaonay, dia tsy tokony hotsidihina ny vehivavy iray vao avy afa-jaza.” Kanefa, nilaza taminy ilay Vavolombelona fa mitondra ny hafatra ao amin’ny Baiboly ho amin’ny karazan’olona rehetra ny Vavolombelon’i Jehovah ary tsy mitandrina ny fanao eo an-toerana mikasika ny fahafahan-jaza izy ireo. Avy eo izy dia namaky taminy ny Isaia 65:20, 23, ka nanazava fa tsy hisy intsony ny fahafahan-jaza sy ny fiterahana zaza maty am-bohoka eo ambanin’ny fitondran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Ho vokany, dia nanaiky fampianarana Baiboly any an-tokantranony ilay vehivavy.
Misy fanao mampiseho finoanoam-poana koa mety hatao miaraka amin’ny fandevenana zaza maty am-bohoka. Rehefa nanatrika fandevenana toy izany ny Vavolombelona iray atao hoe Joseph, dia nilazana izy fa tsy maintsy nanasa ny tanany tamin’ny ravinkazo sasany sy nikosoka ilay fanafody teo amin’ny tratrany ny olona rehetra nanatrika teo. Izany, hono, dia nisakana ny ‘fanahin’ilay zaza’ tsy hiverina ka hanisy ratsy azy ireo. Nanda tamim-panajana i Joseph, noho ny fahafantarany ny fampianaran’ny Baiboly hoe tsy afaka manisy ratsy ny velona ny maty. Na dia izany aza, dia nisy nitady hanery azy hanosotra ilay fanafody. Nanda indray i Joseph. Rehefa nahita izany fijoroana kristiana tsy nanan-tahotra izany ny hafa nanatrika teo dia tsy nety nandray ireo ravinkazo koa.
Halaviro ny fifandonana, kanefa mifahara
Ny tahotra ny velona sy ny tahotra sao horoahin’ny fiaraha-monina dia mety ho hery mafy hampanekena lembenana. Hoy ny Ohabolana 29:25: “Mamandrika ny tahotra olona”. Asehon’ireo zavatra niainana voatantara teo aloha ny fahamarinan’ny tapany farany amin’io andininy io: “Fa izay matoky an’i Jehovah no hovonjena.”
Na dia izany aza, dia azo halavirina matetika ny fifandonana. Ohatra, raha asaina amin’ny fandevenana havana iray ny Kristiana iray, dia tsy tokony hiandry izy mandra-pahitany ny tenany ao anatin’ny tarehin-javatra mety hanekena lembenana. “Ny mahira-tsaina mahatazana ny loza ka miery; fa ny kely saina kosa mandroso ka voa.” — Ohabolana 27:12.
Ho fahendrena ny hanontaniana amim-pahaiza-mandanjalanja fotsiny hoe fanao inona avy no hanaraka avy eo. Raha tsy azo ekena izy ireny, dia ho afaka hampiasa io fahafahana io ilay Kristiana mba hanazavana fotsiny, “amin’ny fahalemem-panahy sy ny fanajana”, ny antony tsy ahafahany mandray anjara. (1 Petera 3:15). Rehefa manazava mialoha sy amim-panajana ny fijoroana tanany mifototra amin’ny Baiboly ny Kristiana iray, dia mazàna ny havany no mirona kokoa hanaja ny zavatra inoany ary tsy mirona firy hampiasa fandrahonana sy fampitahorana.
Na inona na inona hasetrin’ny havana, ny Kristiana iray dia tsy afaka tsotra izao manaiky lembenana amin’ny fanarahana fanaon-drazana manala baraka an’Andriamanitra — tsy maninona izay fandrahonana na fitondrana ratsy mety hatototra azy. Nafahana tamin’ny tahotra feno finoanoam-poana isika. Nampirisika mafy toy izao ny apostoly Paoly: “Ho amin’ny fahafahana no nanafahan’i Kristy antsika; ka tomoera tsara, fa aza mety hohazonin’ny zioga fanandevozana intsony.” — Galatiana 5:1.
[Sary, pejy 29]
Olona maro no mino fa ny olona iray vao maty dia afaka manao ny asan’ny mpanelanelana ka mampita hafatra any amin’ny havana maty efa ela