Izay Tokony ho Fantatrao Momba ny Fialonana sy ny Fahasarotam-piaro
INONA no atao hoe fialonana na fahasarotam-piaro? Izy io dia fihetseham-po mahery dia mahery ka afaka manao izay hahatonga ny olona iray hahatsiaro tena ho mitebiteby, malahelo, na tezitra. Mety hahatsapa fialonana isika, rehefa toa mahomby kokoa ny olona iray eo amin’ny asa, noho ny tenantsika. Na koa, mety hahatsiaro tena ho mialona isika rehefa mahazo teny fiderana bebe kokoa noho ny tenantsika ny namana iray. Nahoana no manimba ny fialonana?
Ny olona resin’ny fialonana dia mirona ho miahiahy ireo mety ho mpifaninana aminy. Ohatra iray amin’izany i Saoly Mpanjakan’ny Isiraely fahiny. Tamin’ny voalohany dia tiany i Davida, mpitondra ny fiadiany, ka nasondrony ho mpitari-tafika mihitsy aza. (1 Samoela 16:21; 18:5). Avy eo, indray andro, i Saoly Mpanjaka dia nandre ireo vehivavy nidera an’i Davida tamin’ny teny nanao hoe: “Saoly nahafaty arivoarivo; fa Davida nahafaty alinalina.” (1 Samoela 18:7). Tsy tokony ho namela an’izany hanimba ny fifandraisany tsara tamin’i Davida i Saoly. Tafintohina anefa izy. “Saoly hatramin’izany andro izany dia nangarika an’i Davida.” — 1 Samoela 18:9.
Mety tsy haniry ny hanisy ratsy olon-kafa ny olona iray mialona. Mety tsy hahafaly azy fotsiny ny fahombiazan’ny namana iray, ary mety haniry fotsiny hanana ny toetra tsara na ny toe-javatra mitovy amin’ny an’io namana io izy. Etsy an-danin’izany, ny fitsiriritana dia endrika iray tena tsy manorina isehoan’ny fialonana. Ny olona iray mitsiriritra, dia mety hitana tena mangingina mba tsy hanao izay tsara amin’ilay olona aloniny, na koa mety haniry ratsy ho an’izany olona izany, izy. Indraindray ny olona iray mitsiriritra dia tsy afaka manafina ny fihetseham-pony. Mety ho voatarika hanisy ratsy olon-kafa ampahibemaso izy, dia toy ny nanandraman’i Saoly Mpanjaka namono an’i Davida mihitsy. Mihoatra noho ny indray mandeha, i Saoly dia nitoraka lefona mba hanandramana ‘hamely an’i Davida niboroaka nihatra tamin’ny rindrina’. — 1 Samoela 18:11; 19:10.
‘Ka izaho ange tsy olona be fialonana e’ hoy angamba ianao mamaly. Marina fa mety tsy hifehy ny fiainanao ny fialonana. Hatramin’ny fetra sasany anefa, dia samy tratran’ny fialonana isika rehetra — ny fihetseham-pontsika manokana mampiseho fialonana, ary ny an’ny hafa koa. Na dia mailaka erỳ aza isika hanamarika ny fialonana eo amin’ny hafa, dia mety ho ela kosa isika vao hahita izany eo amin’ny tenantsika.
“Fironana hitsiriritra”
Ny firaketana an-tsoratra momba ny maha-izy ny olombelona feno ota araka izay miharihary ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly, dia matetika manasongadina ireo ota ateraky ny fitsiriritana. Tsaroanao ve ny fitantarana momba an’i Kaina sy i Abela? Samy nanolotra fanatitra ho an’Andriamanitra ireo zanakalahy roa an’i Adama sy i Eva ireo. Nanao izany i Abela satria lehilahy nanam-pinoana izy. (Hebreo 11:4). Nanana finoana ny amin’ny fahaizan’Andriamanitra hanatanteraka ny fikasany lehibe mahakasika ny tany izy. (Genesisy 1:28; 3:15; Hebreo 11:1). Nino koa i Abela fa Andriamanitra dia hamaly soa an’ireo olombelona mahatoky, amin’ny fiainana ao amin’ny Paradisa an-tany ho avy. (Hebreo 11:6). Araka izany, dia nasehon’Andriamanitra ny fahafinaretany tamin’ny fanatitra nataon’i Abela. Raha tena tia marina ny rahalahiny i Kaina, dia ho nifaly izy noho ny nitahian’Andriamanitra an’i Abela. Tsy izany anefa no nitranga fa “tezitra indrindra” i Kaina. — Genesisy 4:5.
Nampirisika mafy an’i Kaina mba hanao ny tsara Andriamanitra mba hahafahany koa hahazo fitahiana. Avy eo dia nampitandrina toy izao Andriamanitra: “Raha tsy [manao ny tsara, NW ] kosa hianao, dia mamitsaka eo am-baravarana ny ota; ary hianao no kendren’ny faniriany, kanefa hianao no tokony hanapaka azy.” (Genesisy 4:7). Nampalahelo fa tsy nanapaka ny fahatezerany feno fialonana i Kaina. Izany dia nitarika azy hamono ilay rahalahiny nanao ny marina. (1 Jaona 3:12). Hatramin’izay, dia naka ain’olona an-jato tapitrisany maro ireo fifamelezana sy ady. “Ny sasany amin’ireo antony fototra miteraka ady dia mety ho ny faniriana hahazo tany bebe kokoa, ny faniriana hahazo harena bebe kokoa, ny faniriana hahazo fahefana bebe kokoa, na ny faniriana hahita tsy fananana ahiahy”, hoy ny fanazavan’ny The World Book Encyclopedia.
Tsy mandray anjara amin’ireo adin’itỳ tontolo itỳ ireo Kristiana marina. (Jaona 17:16). Mampalahelo anefa fa tafiditra amin’ny fifamelezana am-bava ny Kristiana sasany indraindray. Raha misy mpikambana hafa ao amin’ny kongregasiona miandany, dia mety hivadika ho ady an-tsanga manimba ireny fifamelezana ireny. “Avy aiza ny ady, ary avy aiza ny fifandirana eo aminareo?” hoy ny fanontanian’i Jakoba, mpanoratra ao amin’ny Baiboly, tamin’ireo mpiray finoana taminy. (Jakoba 4:1). Novaliany io fanontaniana io tamin’ny fampiharihariana ny fierenana tamin’ny zavatra ara-nofo tao amin’izy ireo, ary dia nanampy teny toy izao izy: “Mitsiriritra”, na “mialona” ianareo. (Jakoba 4:2, fanamarihana ambany pejy). Eny, ny fitiavana fatratra zavatra ara-nofo dia afaka mitarika hitsiriritra sy hialona an’ireo izay toa mifaly amin’ny toe-javatra tsara kokoa. Noho izany antony izany no nampitandreman’i Jakoba ny amin’ny “fironana hitsiriritra”. — Jakoba 4:5, NW.
Inona no soa azo amin’ny famakafakana ny antony mahatonga ny fialonana? Izany dia afaka manampy antsika ho marina amin’ny hafa sy hanatsara bebe kokoa ny fifandraisantsika amin’izy ireo. Izany koa dia afaka manampy antsika hahazo ny fihevitry ny hafa sy hahay hilefitra ary hahay hamela heloka bebe kokoa. Ary ny tsara indrindra dia ny hoe, izy io dia manasongadina ny ilan’ny olona mafy dia mafy ny fandaharam-pamonjena mampiseho fitiavana avy amin’Andriamanitra sy ny ilany hafahana amin’ireo fironan’olombelona feno ota. — Romana 7:24, 25.
Tontolo iray tsy hisian’ny fialonana sy fahasarotam-piaro ratsy
Araka ny fomba fihevitr’olombelona, dia mety ho toa tsy hety hisy izany tontolo iray tsy hisian’ny fialonana sy fahasarotam-piaro ratsy izany. Niaiky toy izao i Rom Landau, mpanoratra: “Ny fahendrena voangona nandritra ireo taonjato maro, miaraka amin’izay rehetra nolazain’ireo filozofa (...) sy psikology momba an’ilay foto-kevitra, dia tsy manolotra tari-dalana ho an’ny olona ampahorin’ny fialonana [sy fahasarotam-piaro]. (...) Efa mba nisy dokotera nahasitrana olona iray tamin’ny fialonana sy fahasarotam-piaro ve?”
Ny Tenin’Andriamanitra anefa dia manolotra fanantenana ny amin’ny hahatratrarana fiainan’olombelona lavorary ao amin’ny tontolo iray tsy hisian’ny olona ampahorin’ny fialonana sy fahasarotam-piaro ratsy na fitsiriritana intsony mihitsy. Ankoatra izany, ny fiadanana ao amin’io tontolo vaovao io dia tsy hokorontanin’ireo olona izay haneho lafin-toetra ratsy toy izany. — Galatiana 5:19-21; 2 Petera 3:13.
Na dia tsy mety sady manimba aza ny fialonana, dia tsy mba toy izany foana kosa ny fahasarotam-piaro. Raha ny marina, rehefa milaza ny Baiboly fa i Jehovah dia “Andriamanitra saro-piaro”, dia mampiasa teny hebreo iray izay azo adika amin’ireo teny roa ireo, izy. (Eksodosy 34:14). Inona no hevitr’izany? Ary inona no lazain’ny Baiboly momba ny fahasarotam-piaro araka ny tokony ho izy? Ary ankoatra izany, ahoana no ahafahan’ny olona iray mifehy ny fialonana sy ny fahasarotam-piaro tsy araka ny tokony ho izy? Jereo ireo lahatsoratra manaraka.