Mitantara Ireo Mpitory Ilay Fanjakana
Mitondra Vokatra ao An-tokantrano sy any An-tsekoly ny Fanaovana Fanambarana
MAHAFAOKA fanaovan-tsoa amin’ny hafa, indrindra fa amin’ny fizarana amin’izy ireo ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra, ny fiainan’ny Kristiana iray. Hoy ny Ohabolana 3:27: “Aza mamihina ny soa amin’izay tokony homena azy, raha azon’ny tananao atao ihany”. Tany Arzantina dia nisy Vavolombelona tanora iray tamin’ny taona fahatelo naha-tao amin’ny lise azy, naniry ny hizara ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana tamin’ny namana iray tany an-tsekoly. Nisy vokany nahataka-davitra ny nanaovany izany.
Indray andro ilay Vavolombelona tanora dia nilaza tamin’ilay namany fa tsy tsara avokoa ny fivavahana rehetra. Rehefa namaly ilay tovolahy fa tsy nanao zava-dratsy na inona na inona izy, dia hoy ilay Vavolombelona: “Sady tsy manao na inona na inona ho an’Andriamanitra koa ianao.” Nahatonga an’ilay tanora hieritreritra izany. Tatỳ aoriana dia nanazava ilay Vavolombelona fa izao no andro farany ary mba hahazoana ny fankasitrahan’Andriamanitra, ny olona iray dia tsy maintsy mahazo fahalalana araka ny marina ny Baiboly ka mampihatra azy io. Nanaiky ilay namany tany an-tsekoly. Hamela azy hianatra Baiboly ve anefa ny fianakaviany? Mba hanomezana zavatra hoeritreretina ho an’ilay namany, dia nangataka azy hamaky ny boky Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany ilay Vavolombelona.
Nandeha ny fotoana, ary nandao ny sekoly ilay namany. Tsy nisy zavatra re momba azy nandritra ny herintaona mahery. Avy eo, indray andro, dia gaga ilay Vavolombelona tanora naharay antso an-telefaonina avy tamin’ilay namany izay nilaza fa afaka nahita izy fa tena tanteraka tokoa ny faminanian’ny Baiboly. Avy hatrany ilay Vavolombelona dia nandamina fiaraha-mianatra ny Baiboly taminy.
Rehefa nankany an-tranon’ilay namany tany an-tsekoly taloha izy, dia nahamarika fa tena nanahy ny ray aman-drenin’ilay namany hoe ho tafiditra tamin’inona ilay zanany lahy. Na dia ny zandriny lahy aza dia nihevitra fa ho lasa adala izy. Koa nataon’ny ray aman-dreniny izay hanatrehan’ilay zandriny lahy ny fianarana nanaraka. Taorian’izay dia nanao tatitra tamin’ny ray aman-dreniny io tovolahy io, sady nanganohano ny ranomasony, fa tsy adala ny zokiny lahy, ka hoy ny fihiakan’ilay reny hoe: “Tsy iray intsony ny zava-manahirana ahy izao fa roa!”
Noho izany, tamin’ny fianarana nanaraka, dia ny tenany no nanatrika teo ary voatery niaiky izy fa tsy adala ireo ankizilahy. Tatỳ aoriana dia nalamina ny fianarana Baiboly niaraka taminy sy ny vadiny. Tsy ela ny fianakaviana manontolo dia nanomboka nanatrika ny fivorian’ny kongregasiona tany amin’ny Efitrano Fanjakana. Tamin’ny farany, dia nanomboka nianatra ny Baiboly koa ireo raibe aman-drenibe ary nanomboka nankany amin’ny fivoriana. Hatramin’izay, dia natao batisa ilay tovolahy voalohany. Nanambady izy, ary mpitory be zotom-po izy mivady.
Ankoatra izany, tamin’ny alalan’ny fanambarana tsy ara-potoana tany an-tsekoly, dia nanampy mpiara-mianatra roa hafa, ary koa ny renin’ny iray tamin’izy ireo sy ny anabaviny, hanomboka hianatra ny Baiboly, ilay Vavolombelona tanora. Tamin’ny fitambarany, dia olona 11 no nianatra ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly noho ilay Vavolombelona tanora tsy niahotra nanao soa tamin’ireo mpiara-mianatra taminy. Fiafaran-javatra mahasambatra re izany! Marina tokoa ny hoe: “Sambatra ny firenena izay manana an’i Jehovah ho Andriamaniny.” — Salamo 144:15.