FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w95 1/11 p. 25-29
  • Fampiononana ho An’ireo Manana “Fanahy Kivy”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fampiononana ho An’ireo Manana “Fanahy Kivy”
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • “Fahatsiarovana notsindriana”
  • Tena nitranga tokoa ve ilay izy?
  • Fanomezana fialofana
  • Mitoera ho matanjaka ara-panahy
  • Ahoana ny amin’ilay lazaina fa nametaveta?
  • Inona no azon’ny loholona atao?
  • Fanoherana ny Devoly
  • “Tsy Hotsarovana Intsony ny Zavatra Taloha”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
  • Be Fitiavana sy Manao ny Rariny i Jehovah Rehefa Misy Zava-dratsy Mitranga
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2019
  • Ahoana no Hampaherezana An’ireo Nisy Nametaveta?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2019
  • Fisorohana ao An-tokantrano
    Mifohaza!—1994
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
w95 1/11 p. 25-29

Fampiononana ho An’ireo Manana “Fanahy Kivy”

AMIN’IZAO andro izao dia nanjary “tsy mahalala henatra intsony” ny tontolon’i Satana. (Efesiana 4:19; 1 Jaona 5:19). Mihanaka ny fanitsakitsaham-bady sy ny fijangajangana. Any amin’ny tany maro dia ny 50 isan-jaton’ny fanambadiana na maherin’izany no miafara amin’ny fisaraham-panambadiana. Ekena hatraiza hatraiza ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy. Hita matetika ao amin’ny filazam-baovao ny herisetra eo amin’ny lahy sy ny vavy, dia ny fisavihana. Fanjarianasa mahazo tombony an’arivo tapitrisany dolara ny pornographie. — Romana 1:26, 27.

Anisan’ny firaisana mamoafady maharikoriko indrindra ny fametavetana ankizy tsy manan-tsiny. Tahaka ny fahendren’ny tontolon’i Satana, dia “araka ny nofo, araka ny an’ny demonia” ny fametavetana ankizy. (Jakoba 3:15). Any Etazonia fotsiny, hoy ny gazety Time, “dia tatitra maherin’ny 400 000 momba ny fisavihana azo hamarinina fa nisy, no apetraky ny mpampianatra sy ny dokotera any amin’ny manam-pahefana isan-taona”. Rehefa tonga olon-dehibe ireo niharan’izany fametavetana izany, dia maro aminy no mbola mitondra fery mampanaintaina, ary tena misy ireny fery ireny! Hoy ny Baiboly: “Ny faharariany dia zakan’ny fanahin’ny olona [ny fironany ara-tsaina, ny fihetseham-pony sy ny eritreriny anaty] ihany; fa ny fanahy kivy [maratra, ory], iza no mahazaka izany?” — Ohabolana 18:14.

Manintona ny karazan’olona rehetra, anisan’izany ny “torotoro fo” sy ireo izay manana “fanahy reradreraka” ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. (Isaia 61:1-4, fanamarihana ambany pejy). Tsy mahagaga raha olona maro mahatsapa fanaintainana ara-pihetseham-po no mamaly ilay fanasana hoe: “Aoka ho avy izay mangetaheta; ary izay mety, aoka izy hisotro maimaimpoana amin’ny ranon’aina.” (Apokalypsy 22:17). Afaka ny ho toeram-pampiononana ho an’ireo olona ireo ny kongregasiona kristiana. Faly izy ireo mahafantatra fa tsy ho ela dia ho zavatra efa lasa ny fijaliana. (Isaia 65:17). Mandra-pahatongan’izany fotoana izany anefa, dia mety hilain’izy ireo ny ‘hampiononina’ sy ny ‘hamehezana’ ny feriny. Mety ny nanomezan’i Paoly torohevitra an’ireo Kristiana toy izao: “Miresaha amin’ny fomba mampionona amin’ireo fanahy ketraka, tohano ireo malemy, aoka hahari-po amin’ny rehetra.” — 1 Tesaloniana 5:14, NW.

“Fahatsiarovana notsindriana”

Tao anatin’ireo taona faramparany, ny sasany dia “torotoro fo” noho ny antony hitan’ny hafa ho saro-takarina. Izy ireo dia olon-dehibe izay milaza, mifototra amin’izay voalazalaza ho “fahatsiarovana notsindriana”, fa novetavetaina izy ireo fony kely.a Ny sasany tsy manana eritreritra hoe nadalaina hanao firaisana ny tenany, mandra-pahatsapany, amin’ny fomba tsy ampoizina, fitamberenana sy “fahatsiarovana” ny amin’ny olon-dehibe iray (na maromaro) nametaveta azy ireo fony fahakeliny. Moa ve misy olona ao amin’ny kongregasiona kristiana manana eritreritra mampikorontan-tsaina toy izany? Any amin’ny tany vitsivitsy, dia eny, ary mety hahatsapa fahoriana lalina, fahatezerana, fahatsiarovan-tena ho meloka, henatra, na fahatsiarovan-tena ho manirery, ireny olona vita fanoloran-tena ireny. Tahaka an’i Davida, dia mety hahatsiaro tena ho tafasaraka amin’Andriamanitra izy ireo ka hiantsoantso hoe: “Jehovah ô, nahoana no mijanona eny lavitra eny Hianao ka miery amin’ny andro fahoriana?” — Salamo 10:1.

Tsy takatr’ireo manam-pahaizana momba ny fitsaboana aretin-tsaina tsara ny lafiny maro amin’ireny “fahatsiarovana” ireny. Na dia izany aza, dia mety hisy fiantraikany eo amin’ny fahasalamana ara-panahin’ny Kristiana vita fanoloran-tena ny “fahatsiarovana” toy ireny. Koa mitodika amim-patokiana amin’ny Tenin’Andriamanitra àry isika mba hahazoana fitarihana amin’ny fiatrehana azy ireny. Manome “fahazavan-tsaina ny amin’ny zavatra rehetra” ny Baiboly. (2 Timoty 2:7; 3:16). Ampiany koa izay rehetra voakasika mba hanam-pinoana an’i Jehovah, “Rain’ny famindrampo sady Andriamanitry ny fampiononana rehetra, Izay mampionona anay amin’ny fahorianay rehetra”. — 2 Korintiana 1:3, 4.

Tena nitranga tokoa ve ilay izy?

Eo amin’izao tontolo izao, dia misy ady hevitra be ny amin’ny hoe inona ireny “fahatsiarovana” ireny ary hatraiza izy ireny no mampiseho zavatra tena nitranga tokoa. “Tsy naman’izao tontolo izao” ny Vavolombelon’i Jehovah ary tsy mandray anjara amin’izany ady hevitra izany. (Jaona 17:16). Araka ny tatitra navoaka, dia misy “fahatsiarovana” voaporofo fa marina indraindray. Ohatra, taorian’ny “nahatsiarovan’i” Frank Fitzpatrick, mpiasa ao amin’ny fiantohana, fa nadalain’ny pretra iray hanao firaisana izy, dia olon-kafa efa ho zato no tonga nilaza fa novetavetain’io pretra io ihany koa izy ireo. Voalaza fa niaiky ny amin’ilay fametavetana ilay pretra.

Mendrika ny homarihina anefa fa olona maromaro no tsy afaka nanaporofo ny “fahatsiarovany”. Ny sasany ory amin’io fomba io dia nanana fitadidiana toa hitan’ny maso erỳ, ny amin’ny olona iray nametaveta na ny amin’ny fametavetana natao tamin’ny toerana voafaritra tsara iray. Tatỳ aoriana anefa dia nisy porofo ara-dalàna nanohitra izany, nampiseho mazava fa tsy nety ho marina ireny tsipiriany “tsaroana” ireny.

Fanomezana fialofana

Na dia izany aza, ahoana no azo anomezana fampiononana an’ireo izay manana “fanahy kivy” noho ny “fahatsiarovana” toy ireny? Tadidio ny fanoharan’i Jesosy ny amin’ilay Samaritana tsara fanahy. Notafihin’ny jiolahy ny lehilahy iray, nokapohina ary nendahana taminy ny fananany. Rehefa tonga ilay Samaritana, dia onena ilay lehilahy naratra izy. Inona no nataony? Moa ve izy nisisika hihaino ny tsipiriany farany rehetra momba ilay fikapohana? Sa ilay Samaritana naka filazalazana momba ireo jiolahy ka nanenjika azy ireo avy hatrany? Tsia. Naratra ilay lehilahy! Koa namehy tamim-pahalemem-panahy ny feriny ilay Samaritana ary nitondra azy tamim-pitiavana ho any amin’ny fiarovan’ny tranom-bahiny iray teny akaiky, izay nahafahany ho sitrana. — Lioka 10:30-37.

Marina fa misy fahasamihafana eo amin’ny ratra ara-batana sy ny “fanahy kivy” nateraky ny fametavetana tena nitranga fony fahazaza. Samy miteraka fijaliana lehibe anefa izy roa ireo. Noho izany, izay nataon’ilay Samaritana tamin’ilay Jiosy naratra dia mampiseho izay azo atao mba hanampiana Kristiana tahaka antsika azom-pahoriana. Ny laharam-pahamehana voalohany dia ny fanomezana fampiononana feno fitiavana sy ny fanampiana azy mba ho sitrana.

Namely an’i Joba nahatoky ny Devoly, toa natoky fa handrava ny tsy fivadihany ny fanaintainana ara-pihetseham-po na ara-batana. (Joba 1:11; 2:5). Nanomboka tamin’izay, dia matetika i Satana no niezaka hampiasa fijaliana — na mahatonga azy io mivantana izy na tsia — mba hampahalemy ny finoan’ny mpanompon’Andriamanitra. (Ampitahao amin’ny 2 Korintiana 12:7-9.) Afaka misalasala ve isika fa mampiasa ny fametavetana ankizy sy ny “fanahy reradreraka” mahazo olon-dehibe maro izay niaritra an’izy io (na mikorontan-tsaina noho ny “fahatsiarovana” hoe niaritra an’izy io) ny Devoly ankehitriny mba hiezahana hampahalemy ny finoan’ny Kristiana? Tahaka an’i Jesosy fony teo ambanin’ny fanafihan’i Satana, ny Kristiana iray izay miaritra fanaintainana kanefa mandà mafy tsy hiala amin’ny tsy fivadihany dia milaza hoe: “Mandehana hianao, ry Satana”. — Matio 4:10.

Mitoera ho matanjaka ara-panahy

Namoaka fanazavana mba hanampiana hiatrehana ny fahavoazana ara-panahy sy ara-pihetseham-po ateraky ny fametavetana ankizy ny “mpanompo mahatoky sy malina”. (Matio 24:45-47, NW ). Asehon’ny fanandraman-javatra fa mahazo fanampiana ilay mijaly raha afaka miantehitra amin’ny ‘herin’ny Tompo sy ny herin’ny faherezany’ izy, ka mitafy ny ‘fiadian’Andriamanitra rehetra’. (Efesiana 6:10-17). Io fiadiana io dia mahafaoka ny “fahamarinana” ao amin’ny Baiboly, izay manala sarona an’i Satana ho ny fahavalo lehibe indrindra ka mampisava ny haizina izay iasany, dia izy sy ireo mpiandany aminy. (Jaona 3:19). Avy eo, dia eo “ny rariny ho fiarovan-tratra”. Tokony hiezaka hifikitra amin’ny fari-pitsipika marina ilay ory. Ohatra, ny sasany manana faniriana tampoka mafy hanimba tena na hanao faharatsiam-pitondran-tena. Isaky ny manohitra ireny faniriana tampoka ireny izy ireo, dia mahazo fandresena iray!

Mahafaoka koa ny “filazantsaran’ny [“vaovao tsaran’ny”, NW ] fihavanana” ny fiadiana ara-panahy. Ny firesahana amin’ny hafa momba ny fikasan’i Jehovah dia manatanjaka an’ilay miresaka, ary koa ny olona na iza na iza mihaino. (1 Timoty 4:16). Raha toa ianao ka olona manana “fanahy kivy”, ka manasarotra ho anao ny firesahana momba ny vaovao tsara izany, dia miezaha hiaraka amin’ny Kristiana hafa iray rehefa manao io asa tena lehibe io izy. Ary aza hadinoina “ny finoana ho ampinga”. Manàna finoana fa tia anao i Jehovah ary hamerina izay rehetra verinao izy. Minoa tsy misy fisalasalana fa tia anao koa i Jesosy, ary noporofoiny izany tamin’ny nahafatesany ho anao. (Jaona 3:16). Nilaza tamin’ny fomba diso foana i Satana hoe tsy mikarakara ny mpanompony i Jehovah. Izany dia iray monja amin’ireo laingany mibaribary, feno haratsiam-panahy. — Jaona 8:44; ampitahao amin’ny Joba 4:1, 15-18; 42:10-15.

Raha toa ny fahoriam-po ka manasarotra ny finoana fa miahy anao i Jehovah, dia hanampy ny fiarahana amin’ny olon-kafa izay mino mafy fa tena miahy izy. (Salamo 119:107, 111; Ohabolana 18:1; Hebreo 10:23-25). Aza manaiky hamela an’i Satana handroba aminao ny lokan’ny fiainana. Tadidio fa anisan’ilay fiadiana “ny famonjena ho fiarovan-doha”; toy izany koa ny “sabatry ny Fanahy”. Avy tamin’ny tsindrimandrin’ny fanahy masina, izay tsy mety resin’ny Devoly, ny Baiboly. (2 Timoty 3:16; Hebreo 4:12). Afaka mampitony ny fanaintainana ara-pihetseham-po ny teniny manasitrana. — Ampitahao amin’ny Salamo 107:20; 2 Korintiana 10:4, 5.

Farany, dia mivavaha tsy an-kijanona mba hahazoana ny tanjaka hoenti-miaritra. (Romana 12:12; Efesiana 6:18). Nanohana an’i Jesosy nandritra ny fahoriana ara-pihetseham-po izaitsizy ny vavaka tamim-pahatsorana, ary afaka manampy anao koa izy io. (Lioka 22:41-43). Sarotra ho anao ve ny mivavaka? Angataho ny hafa mba hivavaka hiaraka aminao sy ho anao. (Kolosiana 1:3; Jakoba 5:14). Hanohana ny vavakao ny fanahy masina. (Ampitahao amin’ny Romana 8:26, 27.) Toy ny amin’ny aretina ara-batana mampanaintaina iray, dia mety tsy ho sitrana tanteraka amin’izao fandehan-javatra izao ny olona sasany manana ratra ara-pihetseham-po lalina. Miaraka amin’ny fanampian’i Jehovah anefa, dia afaka miaritra isika, ary fandresena ny fiaretana, toy izay nitranga tamin’i Jesosy. (Jaona 16:33). “Matokia [an’i Jehovah] mandrakariva hianareo, ry olona; loary eo anatrehany ny fonareo; Andriamanitra no aro ho antsika.” — Salamo 62:8.

Ahoana ny amin’ilay lazaina fa nametaveta?

Raha ny marina, ny olona iray mametaveta ankizy dia mpisavika ary tokony hoheverina ho toy izany. Na iza na iza niharam-pahavoazana tamin’io fomba io dia manana zo hiampanga an’ilay nametaveta azy. Na dia izany aza, dia tsy tokony hatao maimaika ny fiampangana iray raha mifototra fotsiny amin’ireo “fahatsiarovana notsindriana” ny amin’ny fametavetana, izy io. Amin’io tarehin-javatra io, dia ny fahazoana indray tsy fihilangilanana ara-pihetseham-po amin’ny fetra sasany no zava-dehibe indrindra ho an’ilay mijaly. Rehefa afaka elaela, dia mety ho tsara toerana kokoa izy hanombantombanana ireo “fahatsiarovana” ka hanapahan-kevitra ny amin’izay tiany hatao momba azy ireny, raha hanao zavatra izy.

Diniho izay nitranga tamin’i Donna. Izy dia voalaza fa azon’ny fikorontanan’ny fomba fisakafo, ka nankany amin’ny mpanolo-tsaina iray — izay toa mampisalasala ny fahaizan’izy io. Tsy ela izy dia niampanga ny rainy ho nanao firaisana taminy ka nampiakarina fitsarana izy io. Tsy nifanaraka ireo mpitsara mpanampy, hany ka tsy nankany an-tranomaizina ilay raim-pianakaviana, kanefa tsy maintsy nandoa 100 000 $ (440 000 000 FMG eo ho eo) ho onitry ny fitsarana izy. Avy eo, taorian’izany rehetra izany, dia nilaza tamin’ny ray aman-dreniny i Donna fa tsy nino intsony izy hoe nitranga ilay fametavetana!

Tamim-pahendrena dia hoy i Solomona: “Aza maika handeha hiady”. (Ohabolana 25:8). Raha misy antony marim-pototra hiahiahiana fa ilay lazaina fa nanao ratsy dia mbola mametaveta ankizy, dia mety ho tsy maintsy omena ny fampitandremana. Afaka manampy ny loholon’ny kongregasiona amin’ny tarehin-javatra toy izany. Raha tsy izany, dia aza maimaika. Any aoriana, dia mety ho afa-po ianao amin’ny famelana ilay raharaha. Raha toa anefa ianao ka maniry ny hifanatrika amin’ilay lazaina fa nanao ratsy (taorian’ny nanombantombananao aloha izay ho tsapanao ny amin’izay mety ho fandraisany), dia manana zo hanao toy izany ianao.

Mandritra ny fotoana ahasitranan’ilay mahatsapa “fahatsiarovana”, dia mety hipoitra ny tarehin-javatra mahasanganehana. Ohatra, ny olona iray dia mety hanana sary ao an-tsaina toa hitan’ny maso erỳ ny amin’ny tenany nadalain’ny olona iray hanao firaisana, dia olona hitany isan’andro. Tsy misy fitsipika azo aorina mba handaminana izany. “Samy hitondra ny entany avy ny olona rehetra.” (Galatiana 6:5). Indraindray ny olona iray dia mety hihevitra fa voakasika ny havana iray na ny mpianakavy iray. Tadidio ny maha-mampisalasala ny sasany amin’ireo “fahatsiarovana notsindriana” raha ny amin’ny hoe hamantarana an’ilay olona ahiahina ho nanao ratsy. Amin’ny tarehin-javatra toy izany, raha mbola tsy voaporofo mafy ilay raharaha, ny fifaneraserana hatrany amin’ny fianakaviana — fara faharatsiny amin’ny alalan’ny fitsidihana indraindray, amin’ny alalan’ny taratasy, na amin’ny alalan’ny telefaonina — dia hampiseho fa miezaka hanaraka ny lalam-pitondran-tena araka ny Soratra Masina io olona iray io. — Ampitahao amin’ny Efesiana 6:1-3.

Inona no azon’ny loholona atao?

Raha toa ny loholona ka hatonin’ny mpikambana iray ao amin’ny kongregasiona mahatsapa fitamberenana na “fahatsiarovana notsindriana” ny amin’ny fametavetana azy fony izy ankizy, dia roa amin’izy ireo mazàna no tendrena hanampy. Tokony hampirisika amin-katsaram-panahy an’ilay ory ireo loholona ireo mba hifantoka amin’ny fiezahana handresy ny fahoriana ara-pihetseham-po amin’izao fotoana izao. Tokony hohazonina ho tsiambaratelo tanteraka ny anaran’izay mpametaveta “tsaroana”.

Ny andraikitry ny loholona voalohany indrindra dia ny manao ny asan’ny mpiandry. (Isaia 32:1, 2; 1 Petera 5:2, 3). Tokony hitandrina indrindra izy ireo mba ‘hitafy famindrampo sy hatsaram-panahy, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fandeferana’. (Kolosiana 3:12). Aoka izy ireo hihaino amin’ny fomba feno hatsaram-panahy ary avy eo dia hampiasa ny teny manasitrana avy ao amin’ny Soratra Masina. (Ohabolana 12:18). Ny olona sasany izay ory noho ny “fahatsiarovana” mampanaintaina dia naneho fankasitrahana an’ireo loholona izay manao fitsidihana tsy tapaka na miantso an-telefaonina mihitsy aza mba hahafantarana hoe manao ahoana izy ireo. Tsy voatery haka fotoana be dia be ireny fifandraisana ireny, kanefa asehon’izy ireny fa miahy ny fandaminan’i Jehovah. Rehefa takatr’ilay olona ory fa tia azy marina tokoa ireo rahalahiny kristiana, dia mety hampiana izy mba hahazo indray tsy fihilangilanana lehibe ara-pihetseham-po.

Ahoana raha manapa-kevitra ilay mijaly fa maniry ny hanao fiampangana izy?b Amin’izay ireo loholona roa dia afaka manoro hevitra azy fa, mifanaraka amin’ny fotopoto-pitsipika ao amin’ny Matio 18:15, dia tokony hanatona manokana an’ilay ampangaina izy, momba ilay raharaha. Raha tsy afaka manao io fifanatrehana io ilay miampanga noho ny antony ara-pihetseham-po, dia azo atao amin’ny alalan’ny telefaonina na angamba amin’ny alalan’ny fanoratana taratasy izy io. Amin’izay fomba izay ilay olona ampangaina dia omena fahafahana hanao fanambarana mavesa-danja eo anatrehan’i Jehovah amin’ny famaliany an’ilay fiampangana. Mety ho afaka hanolotra porofo mihitsy aza izy fa tsy ho afaka nanao ilay fametavetana izy. Na angamba hiaiky ny helony ilay olona ampangaina, ka mety ho tanteraka ny fampihavanana. Ho fitahiana re izany! Raha misy fieken-keloka, dia afaka mandamina bebe kokoa an’ilay raharaha mifanaraka amin’ny fotopoto-pitsipika araka ny Soratra Masina, ireo loholona roa.

Raha lavina ilay fiampangana, dia tokony hanazava amin’ilay miampanga ireo loholona fa tsy misy zavatra hafa azo atao eo amin’ny lafiny ara-pitsarana. Ary hanohy hihevitra an’ilay olona ampangaina ho olona tsy manan-tsiny ny kongregasiona. Milaza ny Baiboly fa tsy maintsy misy vavolombelona roa na telo, alohan’ny hanaovan-javatra ara-pitsarana. (2 Korintiana 13:1; 1 Timoty 5:19). Na dia olona mihoatra noho ny iray aza no “mahatsiaro” fametavetana nataon’io olona io ihany, dia tsy azo antoka firy tsotra izao ireny fahatsiarovana ireny mba hanorenana fanapahan-kevitra ara-pitsarana kanefa tsy misy porofo manohana hafa. Tsy midika akory izany fa heverina ho diso ireny “fahatsiarovana” ireny (na heverina ho marina izy ireny). Tsy maintsy arahina anefa ny fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly mba hanorenana raharaha iray ara-pitsarana.

Ahoana raha toa ilay olona ampangaina — na dia mandà ilay fanaovan-dratsy aza — ka tena meloka tokoa? “Afa-maina amin’izany” ve izy, raha azo atao ny milaza izany? Tsy izany velively! Tsy misy atahorana fa azo avela eo am-pelatanan’i Jehovah ny raharaha momba ny maha-meloka na maha-tsy manan-tsiny azy. “Ny fahotan’ny olona sasany miharihary ka mialoha ho amin’ny fitsarana, fa ny an’ny sasany kosa manaraka ato aoriana.” (1 Timoty 5:24; Romana 12:19; 14:12). Hoy ny bokin’ny Ohabolana: “Ny fanantenan’ny marina dia fifaliana; fa ny fanantenan’ny ratsy fanahy ho foana.” “Raha maty ny ratsy fanahy, dia foana ny fanantenany”. (Ohabolana 10:28; 11:7). Amin’ny farany, dia hamoaka didim-pitsarana mandrakizay araka ny rariny i Jehovah Andriamanitra sy i Kristy Jesosy. — 1 Korintiana 4:5.

Fanoherana ny Devoly

Rehefa miaritra ireo olona vita fanoloran-tena na dia eo aza ny fanaintainana lehibe ara-batana na ara-pihetseham-po, dia porofon’ny tanjany anaty sy ny fitiavany an’Andriamanitra anaty toy inona moa izany! Ary fanambarana toy inona moa izany ny amin’ny herin’ny fanahin’i Jehovah mba hanohana azy ireo! — Ampitahao amin’ny 2 Korintiana 4:7.

Mihatra amin’ireny olona ireny ny tenin’i Petera manao hoe: “Tohero [i Satana], ka miorena tsara amin’ny finoana hianareo”. (1 Petera 5:9). Mety ho tsy mora ny fanaovana izany. Indraindray dia mety ho sarotra mihitsy aza ny mieritreritra mazava sy amin’ny fomba lojika. Kanefa, mahereza! Tsy ho ela ny Devoly sy ireo asany feno hafetsen-dratsy dia tsy hisy intsony. Marina tokoa fa maniry mafy ny hahatongavan’izany fotoana izany isika, rehefa ‘hofafan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha’. — Apokalypsy 21:3, 4.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Atao ao anatin’ny faraingososona ny hoe “fahatsiarovana notsindriana” sy ny fitenenana mitovy amin’izany mba hanavahana azy ireo amin’ireo fahatsiarovana mahazatra kokoa ananantsika rehetra.

b Mety ho tena ilaina koa ny hanaovana ilay dingana soritana eo amin’io fehintsoratra io, raha toa ilay raharaha ka nanjary fantatry ny besinimaro ao amin’ny kongregasiona.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara