FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w95 15/11 p. 4-7
  • Fiainana Tsara Kokoa — Tsy ho Ela!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fiainana Tsara Kokoa — Tsy ho Ela!
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fiainana tsara kokoa — Rahoviana?
  • Fiainana tsara kokoa — Amin’ny fomba Ahoana?
  • Izay ilaina hataonao
  • Efa Akaiky ny Paradisa!
    Afaka ny ho Sakaizan’Andriamanitra Ianao!
  • “Andro Farany” ve Izao Iainantsika Izao?
    Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?
  • Ho Tanteraka Tsy Ho Ela Ny Fikasan’andriamanitra
    Inona no Zava-kendren’ny Fiainana? Ahoana no Mety Hahitanao Azy Io?
  • Rahoviana no ho Lasa Paradisa ny Tany?
    Mihainoa An’Andriamanitra dia Hiaina Mandrakizay Ianao
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
w95 15/11 p. 4-7

Fiainana Tsara Kokoa — Tsy ho Ela!

ALAO sary an-tsaina ny mpilaza toetr’andro iray izay saika marina foana ny filazany mialoha. Raha milaza mialoha amin’ny vaovao amin’ny hariva izy fa ho avy ny orana ny ampitso, dia tsy hiahotra ianao hitondra ny elonao rehefa hiala ny trano ny ampitso maraina. Ny fitambaran’ny zava-bitany tamin’ny lasa dia nahatonga anao hatoky azy. Manao zavatra mifanaraka amin’izay lazainy ianao.

Izao àry, azo ianteherana ve ny fampanantenan’i Jehovah fiainana tsara kokoa eto amin’ny tany ho zary paradisa? Inona no tondroin’ny fitambaran’ny zava-bitany tamin’ny lasa? Ny fahatanterahan’ireo faminaniana ara-baiboly dia manaporofo mazava ny fitambaran’ny zava-bitan’i Jehovah. Izy dia Andriamanitry ny filazana ny marina tsy mety diso. (Josoa 23:14; Isaia 55:11). Azo ianteherana aoka izany ireo fampanantenan’i Jehovah Andriamanitra, hany ka indraindray izy dia tena miresaka momba ny fisehoan-javatra ho avy izay nampanantenainy, ho toy ny efa niseho. Ohatra, aorian’ilay fampanantenany ny amin’ny tontolo vaovao iray izay tsy hisian’ny fahafatesana sy ny alahelo intsony, dia hoy ny vakintsika: “Tanteraka ireo [ireo fitahiana nampanantenaina].” Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia hoe: “Zava-misy ireo!” — Apokalypsy 21:5, 6, NW, fanamarihana ambany pejy.

Eny, ny fahatanterahan’ireo fampanantenan’i Jehovah tamin’ny lasa dia manome antsika fatokiana ny fahatanterahan’ny fampanantenany fiainana tsara kokoa ho an’ny taranak’olombelona. Rahoviana anefa no ho avy io fiainana tsara kokoa io?

Fiainana tsara kokoa — Rahoviana?

Hisy fiainana tsara lavitra ho avy tsy ho ela! Afaka mahazo antoka ny amin’izany isika satria ny Baiboly dia milaza fa hisy zava-dratsy maro hiseho eto an-tany aloha kelin’ny hitondran’ilay Paradisa fiainana tsara kokoa eto. Miseho ankehitriny ireo zava-dratsy ireo.

Ohatra, i Jesosy Kristy dia nanambara mialoha fa hisy ady lehibe. Hoy izy: “Hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana”. (Matio 24:7). Tanteraka io faminaniana io. Nandritra ireo taona teo anelanelan’ny 1914 sy 1945, dia nisy ady lehibe roa, ary ireo dia narahin’ny ady maro hafa nifanaovan’ireo firenena. “Amin’ny antsalany isan-taona, ny isan’ny maty an’ady tamin’izao fe-potoana izao [nanomboka tamin’ny Ady Lehibe Faharoa] dia maherin’ny avo roa heny noho ny isan’ny maty tamin’ny taonjato faha-19 ary avo fito heny noho ny isan’ny maty tamin’ny taonjato faha-18.” — World Military and Social Expenditures 1993.

Ny fielezan’ny aretina dia porofo hafa iray koa ny amin’ny fahakekezan’ny fiainana tsara kokoa ao amin’ny Paradisa. Nanambara mialoha i Jesosy fa hisy “areti-mandringana any amin’ny tany samy hafa”. (Lioka 21:11). Tanteraka ve io faminaniana io? Eny. Taorian’ny ady lehibe voalohany, ny gripa espaniola dia namono olona maherin’ny 20 tapitrisa. Nanomboka tamin’izay, ny kansera, ny aretim-po, ny tazo, ny SIDA ary ny aretina hafa dia namono olona an-tapitrisany maro. Any amin’ny tany eo an-dalam-pandrosoana, ny aretina azo avy amin’ny rano voaloto (anisan’izany ny aretim-pivalanana sy ny aretina vokatry ny katsentsitra an-tsinay) dia maka ain’olona an-tapitrisany maro isan-taona.

Hoy koa i Jesosy: “Hisy mosary”. (Matio 24:7). Araka ny nomarihina tao amin’ilay lahatsoratra teo aloha, ireo olo-mahantra eto ambonin’ny tany dia tsy manan-kohanina firy. Izany dia tapany hafa iray koa amin’ny porofo fa hisy fiainana tsara lavitra ao amin’ilay Paradisa ho avy tsy ho ela.

“Hisy horohorontany lehibe”, hoy i Jesosy. (Lioka 21:11). Tanteraka amin’izao androntsika izao koa izany. Nanomboka tamin’ny 1914, ny fandringanana noho ny horohoron-tany niteraka fandravana dia naka ain’olona ana hetsiny maro.

Milaza ankoatra izany koa ny Baiboly fa “ny andro farany” dia ho voamariky ny fiovana eo amin’ny olona. “Ho tia ny tenany” sy “ho tia vola” izy ireo, ary ny ankizy dia “tsy hanoa ray aman-dreny”. Ny olona amin’ny ankapobeny dia “ho tia fahafinaretana fa tsy ho tia an’Andriamanitra”. (2 Timoty 3:1-5, NW ). Tsy manaiky ve ianao fa olona maro no mifanentana amin’io filazalazana io?

Arakaraka ny ihabetsahan’ny olona manao zava-dratsy, dia mitombo ny tsy fankatoavan-dalàna. Efa nambara mialoha koa izany. Araka ny Matio 24:12 (NW ), dia niresaka momba ny “fitomboan’ny fandikan-dalàna” i Jesosy. Azo inoana fa hanaiky ianao fa ratsy kokoa noho ny tamin’ny taona maro lasa ny heloka bevava ankehitriny. Matahotra ny olona hatraiza hatraiza sao voaendaka, voambaka, na iharam-pahavoazana hafa.

Ny ady, ny aretina miely patrana, ny mosary, ny horohoron-tany, ny heloka bevava mihamitombo ary ny fiovana ho amin’ny ratsy eo amin’ny fifandraisan’ny olona — izany rehetra izany dia miharihary amin’izao andro izao, tsy misy hafa amin’ny nambaran’ny Baiboly mialoha. ‘Tsy niseho nandritra ny tantaran’olombelona manontolo ve anefa ireo zavatra ireo?’, hoy angamba ianao manontany. ‘Inona no maha-hafa ny androntsika?’

Misy lafiny sasany tena lehibe amin’ny zava-miseho amin’izao andro izao. Tsy milaza akory ny Baiboly hoe na iza na iza amin’ireo zavatra ireo fotsiny, toy ny mosary, ohatra, dia ho porofo fa miaina amin’ny fotoan’ny farany isika ka hoe hisy fiainana tsara kokoa efa akaiky. Ireo faminanian’ny Baiboly momba ny fotoan’ny farany kosa dia tokony ho tanteraka eo amin’ny taranaka iray tsy matahotra an’Andriamanitra. — Matio 24:34-39; Lioka 17:26, 27.

Ankoatra izany, dia tena mahavariana ny fahatanterahan’ny lafiny sasany amin’ny faminanian’i Jesosy amin’izao andro izao — indrindra fa ireo momba ny mosary sy ny aretina miely patrana. Nahoana? Satria mbola tsy lehibe toy izao mihitsy ny zava-bita ara-tsiansa. Mbola tsy nandroso na niely patrana toy izao mihitsy ny fahalalana ara-pitsaboana sy ireo fomba fitsaboana. Andriamanitra ihany no afaka nanambara mialoha tao amin’ny Teniny, ny Baiboly, fa amin’izao fotoana izao, ny aretina sy ny mosary dia hiharatsy, fa tsy hihatsara akory.

Koa satria tanteraka avokoa ireo faminanian’ny Baiboly rehetra momba ny fotoan’ny farany, na ny “andro farany”, hevitra inona moa no azontsika tsoahina? Fa hoe hisy fiainana tsara kokoa efa akaiky! Amin’ny fomba ahoana anefa no hahatongavan’izy io?

Fiainana tsara kokoa — Amin’ny fomba Ahoana?

Mihevitra ve ianao fa afaka mitondra ny Paradisa ny olombelona? Nandritra ny tantara rehetra, mandra-pahatongan’izao androntsika izao, dia nisy karazam-pitondram-panjakan’olombelona maro. Ny sasany niezaka mafy hahafa-po ny olona amin’ireo zavatra ilainy. Kanefa dia zava-manahirana maro no miharatsy. Na any amin’ny tany manankarena na any amin’ny tany mahantra, ireo fitondram-panjakana dia miady amin’ny fampiasana zava-mahadomelina, ny faharatsian’ny toeram-ponenana, ny fahantrana, ny heloka bevava, ny tsy fisian’ny asa ary ny ady.

Na dia ho afaka ny handamina ny sasany amin’ireo zava-manahirana ireo aza ireo fitondram-panjakana, dia tsy ho afaka na oviana na oviana ny hanafaka tanteraka ny olona amin’ny tsy fahasalamana, na ho afaka ny hamarana ny fahanterana sy ny fahafatesana. Mazava fa tsy hitondra ny Paradisa na oviana na oviana ho eto amin’itỳ tany itỳ ny olombelona.

Hoy ny Baiboly amim-pahendrena: “Aza matoky ny lehibe, na ny zanak’olombelona izay tsy mahavonjy.” Iza àry no tokony hitokiantsika? Hoy ny avalin’ny Baiboly: “Sambatra izay manana an’Andriamanitr’i Jakoba ho Mpanampy azy sady manantena an’i Jehovah Andriamaniny.” (Salamo 146:3, 5). Raha mametraka ny fanantenantsika amin’i Jehovah Andriamanitra isika, dia tsy ho diso fanantenana na oviana na oviana.

Azo antoka fa Ilay nanana ny fahendrena sy ny hery hamoronana ny tany sy ny masoandro ary ny kintana dia afaka manova ny tany ho paradisa koa. Afaka mahatonga ny olombelona hanana fiainana tsara kokoa izy. Na inona na inona anapahan’i Jehovah Andriamanitra hevitra hatao, dia azony tanterahina ary hotanterahiny. Hoy ny Teniny: “Tsy hisy tsy ho tanteraka ny teny rehetra ataon’Andriamanitra.” (Lioka 1:37). Amin’ny fomba ahoana anefa no hitondran’Andriamanitra fiainana tsara kokoa?

I Jehovah dia hitondra fiainana tsara lavitra ho an’ny taranak’olombelona amin’ny alalan’ny Fanjakany. Ary inona moa ny Fanjakan’Andriamanitra? Izy io dia tena fitondram-panjakana manana Mpanapaka notendren’Andriamanitra, dia i Jesosy Kristy. Ny Fanjakan’Andriamanitra dia any an-danitra, nefa tsy ho ela izy io dia hitondra fitahiana mahatalanjona sy fiainana tsara lavitra ho an’ireo ho mponin’ilay tany ho zary Paradisa. — Isaia 9:5, 6.

Mety ho efa fantatrao ilay vavaka modelin’i Jesosy, hita ao amin’ny Baiboly ao amin’ny Matio 6:9-13. Hoy ny tapany amin’io vavaka atao amin’Andriamanitra io: “Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.” Mifanaraka amin’io vavaka io, ny Fanjakan’Andriamanitra dia ho “tonga” mba hanatanteraka ny fikasan’i Jehovah Andriamanitra momba ny tany. Ary ny fikasany dia ny hahatongavan’ny tany ho paradisa.

Ny fanontaniana farany mipoitra dia hoe: Inona no tsy maintsy ataonao mba hahazoanao fiainana tsara kokoa ao amin’ilay Paradisa ho avy?

Izay ilaina hataonao

I Jehovah Andriamanitra dia manolotra amim-pitiavana fahatsinjovana fiainana tsara kokoa ao amin’ny Paradisa ho an’izay rehetra manao ny sitrapony. Hoy ny lazain’ny Baiboly amintsika: “Ny marina handova ny tany ka honina eo aminy mandrakizay.” (Salamo 37:29). Inona anefa no mahatonga ny olona iray ho marina eo imason’Andriamanitra?

Mba hampifaliana an’i Jehovah, dia mila ny mianatra bebe kokoa momba izay tiany hataontsika isika. Raha mandray fahalalana an’Andriamanitra isika ka mampihatra izany eo amin’ny fiainantsika, dia ho afaka ny hiaina mandrakizay. Tao amin’ny vavaka iray nataony tamin’Andriamanitra, dia hoy i Jesosy: “Izao no midika ho fiainana mandrakizay: dia ny fandraisany fahalalana anao, ilay hany Andriamanitra marina, sy an’ilay nirahinao, i Jesosy Kristy.” — Jaona 17:3, NW.

Ilay boky milaza amintsika momba an’i Jehovah Andriamanitra sy i Jesosy Kristy dia ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly. Izy io dia iray amin’ireo fanomezan’i Jehovah sarobidy indrindra. Ny Baiboly dia toy ny taratasy iray avy amin’ny ray be fitiavana iray ho an’ny zanany. Milaza amintsika momba ny fampanantenan’Andriamanitra hitondra fiainana tsara kokoa ho an’ny taranak’olombelona izy io ary mampiseho amintsika ny fomba mety hahazoantsika izany. Ny Baiboly dia mampahafantatra antsika izay nataon’Andriamanitra tamin’ny lasa sy izay hataony amin’ny hoavy. Manome antsika torohevitra azo ampiharina momba ny fomba iatrehana amim-pahombiazana ireo zava-manahirana antsika ankehitriny koa izy io. Eny tokoa, ny Tenin’Andriamanitra dia mampianatra antsika ny fomba ahitana fahasambarana na dia eto amin’itỳ tontolo feno zava-manahirana itỳ aza. — 2 Timoty 3:16, 17.

Ny Vavolombelon’i Jehovah dia ho faly handamina ny hianaranao ny Baiboly maimaim-poana any an-tokantranonao. Mianara momba ny fomba ahafahanao manana fiainana sambatra kokoa dieny ankehitriny sy fahatsinjovana fiainana tsara lavitra amin’ny hoavy efa akaiky.

[Sary, pejy 5]

Ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly dia manondro fa misy fiainana tsara kokoa efa akaiky

[Sary, pejy 7]

Ny Fanjakan’Andriamanitra dia hitondra fiainana tsara kokoa ho an’ny taranak’olombelona

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara