FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w95 1/12 p. 9-14
  • Aza Milavo Lefona!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Aza Milavo Lefona!
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Rehefa mandiso fanantenana antsika ny hafa
  • Rehefa tsy mety ny ataontsika
  • Rehefa mihevitra isika fa tsy ampy izay ataontsika
  • Rehefa be no tadiavina amintsika
  • Satria mbola tsy tonga ny farany
  • Mampahatanjaka ny Reraka i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Ny Hoavy Banjinina!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2020
  • Afaka Manampy Ahy Tsy Hanamelo-tena Be Intsony ve ny Baiboly?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Ratsy Foana ve ny Mahatsiaro Tena ho Meloka?
    Mifohaza!—2002
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
w95 1/12 p. 9-14

Aza Milavo Lefona!

“Aza mba ketraka amin’ny fanaovan-tsoa isika; fa amin’ny fotoan’andro no hijinjantsika, raha tsy reraka isika.” — GALATIANA 6:9.

1, 2. a) Amin’ny fomba ahoana avy no ihazan’ny liona iray? b) Iza no mahaliana manokana ny Devoly ny miremby azy?

MIHAZA amin’ny fomba maro samihafa ny liona. Indraindray izy dia mamely ny hazany avy ao anaty otrika, eny amin’ny rano mihandrona na manaraka ireo lala-masaka. Indraindray anefa, hoy ilay boky hoe Portraits in the Wild, ny liona iray dia “manararaotra fotsiny ny tarehin-javatra iray — ohatra, rehefa sendra zanaka boriky dia matory”.

2 “Ny devoly fahavalo[ntsika]”, hoy ny fanazavan’ny apostoly Petera, dia “mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany”. (1 Petera 5:8). Noho ny fahafantarany fa kely sisa ny fotoana tavela ho azy, i Satana dia mampihatra fanerena lehibe kokoa hatrany eo amin’ny olombelona mba hisakanana azy ireo tsy hanompo an’i Jehovah. Io “liona mierona” io anefa dia liana manokana amin’ny firembena ireo mpanompon’i Jehovah. (Apokalypsy 12:12, 17). Ny fomba fihazany dia mitovy amin’ny an’ilay mifanitsy aminy eo amin’ny fanjakan’ny biby. Ahoana izany?

3, 4. a) Fomba fiasa inona avy no ampiasain’i Satana mba hirembena ireo mpanompon’i Jehovah? b) Fanontaniana inona avy no mipoitra noho izao “fotoan-tsarotra tsy mora setraina” izao?

3 Indraindray i Satana dia manandrana mamely avy ao anaty otrika — fanenjehana na fanoherana nokendrena mba handrava ny tsy fivadihantsika mba hitsaharantsika tsy hanompo an’i Jehovah. (2 Timoty 3:12). Sahala amin’ilay liona anefa, dia manararaotra fotsiny ny tarehin-javatra iray ny Devoly amin’ny fotoana hafa. Miandry izy mandra-pahatonga antsika ho kivy na hihasasatra, ary amin’izay dia miezaka izy manararaotra ilay fahaketrahantsika mba hampilavo lefona antsika. Tsy tokony ho tonga remby mora azo isika!

4 Miaina amin’ny fe-potoana sarotra indrindra amin’ny tantaran’ny olombelona manontolo anefa isika. Amin’izao “fotoan-tsarotra tsy mora setraina” izao, dia maro amintsika no mety hahatsiaro tena ho kivy na ketraka mafy, indraindray. (2 Timoty 3:1, NW ). Ahoana àry no ahafahantsika manalavitra ny hihasasatra aoka izany ka ho tonga remby mora azon’ny Devoly? Eny, ahoana no ahafahantsika manaraka ilay torohevitra ara-tsindrimandry nomen’ny apostoly Paoly hoe: “Aza mba ketraka amin’ny fanaovan-tsoa isika; fa amin’ny fotoan’andro no hijinjantsika, raha tsy reraka isika”? — Galatiana 6:9.

Rehefa mandiso fanantenana antsika ny hafa

5. Inona no nahatonga an’i Davida hihasasatra, kanefa inona no tsy nataony?

5 Tamin’ny andron’ny Baiboly, na dia ireo mpanompon’i Jehovah nahatoky indrindra aza dia nety ho nahatsiaro tena ho ketraka mafy. “Efa sasatry ny misento aho”, hoy ny nosoratan’i Davida mpanao salamo. “Mampitsinkafona ny farafarako isan-alina aho sady mahampo-dranomaso ny fandriako. Lanin’alahelo ny masoko”. Nahoana i Davida no nahatsiaro tena ho toy izany? Noho “ny ataon’ny mpampahory ahy rehetra”, hoy ny fanazavany. Nahatonga fahoriam-po aoka izany tamin’i Davida ireo zavatra nandratra nataon’ny hafa, hany ka tsy tanany ny ranomasony. Na dia izany aza, dia tsy niala tamin’i Jehovah noho izay nataon’ny mpiara-belona taminy i Davida. — Salamo 6:6-9.

6. a) Amin’ny ahoana no mety hisy fiantraikany eo amintsika ny teny na ny ataon’ny hafa? b) Ahoana no anaovan’ny sasany ny tenany ho toy ny remby mora azon’ny Devoly?

6 Mitovy amin’izany koa fa, mety hahatonga antsika hihasasatra noho ny fahoriam-po be ny teny na ny ataon’ny hafa. “Misy mandefalefa teny tsy tsaroana [“miteny tsy amim-piheverana”, NW ] ka tonga toy ny fanindron’ny sabatra”, hoy ny Ohabolana 12:18. Rehefa rahalahy na anabavy kristiana iray ilay tsy manisy fiheverana, dia mety ho lasa lalina ilay ‘ratra voatsindrona’. Ny fironan’olombelona dia mety hoe ho sosotra, angamba hitahiry lolompo. Marina indrindra izany raha mihevitra isika fa nentina tamin-karatsiam-panahy na tamin’ny fomba tsy ara-drariny. Mety ho sarotra amintsika ny hiresaka amin’ilay nanafintohina; mety hinia hanalavitra azy mihitsy aza isika. Ketraka mafy noho ny lolompo ny sasany ka nilavo lefona, ary dia nitsahatra tsy nankany amin’ireo fivoriana kristiana. Mampalahelo fa amin’izany izy ireo dia “manome fitoerana ho an’ny devoly” mba hanararaotra azy ireo toy ny remby mora azo. — Efesiana 4:27.

7. a) Ahoana no ahafahantsika manalavitra ny holalaovin’ny Devoly rehefa mandiso fanantenana antsika na manafintohina antsika ny hafa? b) Nahoana isika no tokony hanary ny lolompo?

7 Ahoana no ahafahantsika manalavitra ny holalaovin’ny Devoly rehefa mandiso fanantenana antsika na manafintohina antsika ny hafa? Tsy maintsy miezaka ny tsy hitahiry lolompo isika. Manaova kosa ny dingana voalohany mba hampisy ny fihavanana na mba handaminan-javatra haingana araka izay azo atao. (Efesiana 4:26). Mampirisika antsika mafy toy izao ny Kolosiana 3:13: “Mifamelà heloka hianareo, raha misy manana alahelo amin’ny sasany”. Mety indrindra ny famelan-keloka rehefa miaiky fahadisoana sy manenina marina ilay nahatonga fanafintohinana. (Ampitahao amin’ny Salamo 32:3-5 sy Ohabolana 28:13.) Manampy antsika anefa ny fitadidiantsika ao an-tsaina fa ny hoe mamela heloka dia tsy midika hoe manala tsiny na manamaivana ilay ratsy nataon’ny hafa. Ny hoe mamela heloka dia mahatafiditra fanariana ny lolompo. Enta-mavesatra hoentina ny lolompo. Afaka mitana tanteraka ny eritreritsika izy io, manaisotra amintsika ny fahasambarantsika. Mety hisy fiantraikany eo amin’ny fahasalamantsika mihitsy aza izy io. Mifanohitra amin’izany, ny famelan-keloka, rehefa mety ny anaovana azy, dia miasa ho tombontsoantsika. Sahala amin’i Davida, dia enga anie isika tsy hilavo lefona mihitsy ka hiala amin’i Jehovah noho izay nolazain’ny hafa na izay nataony tamintsika!

Rehefa tsy mety ny ataontsika

8. a) Nahoana ny sasany no mahatsiaro tena ho meloka indrindra indraindray? b) Inona no loza amin’ny fahatongavantsika ho difotry ny fahatsiarovan-tena ho meloka aoka izany ka milavo lefona?

8 “Tafintohina amin’ny zavatra maro isika rehetra”, hoy ny Jakoba 3:2. Rehefa manjo antsika izany, dia ara-dalàna tsotra izao ny fahatsiarovan-tena ho meloka. (Salamo 38:3-8). Mety ho mafy indrindra ny fahatsiarovan-tena ho meloka raha eo am-piadiana amin’ny fahalemen’ny nofo isika ka mahita tsy fahombiazana miverimberina tsy tapaka.a Nanazava toy izao ny Kristiana iray izay niatrika ady mafy toy izany: “Tsy naniry ny hanohy hiaina aho, noho ny tsy nahafantarako raha nanao fahotana tsy ahazoana famelan-keloka aho na tsia. Nihevitra aho fa azoko natao koa ny tsy niezaka mafy teo amin’ny fanompoana an’i Jehovah satria azo inoana fa efa tsy misy antenaina rahateo tsinona ny amiko.” Rehefa difotry ny fahatsiarovan-tena ho meloka aoka izany isika ka milavo lefona, dia manokatra lalana ho an’ny Devoly — ary mety hanararaotra izany haingana izy! (2 Korintiana 2:5-7, 11). Ny ilaina, dia mety ho fomba fijery voalanjalanja kokoa momba ny fahatsiarovan-tena ho meloka.

9. Nahoana isika no tokony hatoky ny famindram-pon’Andriamanitra?

9 Rehefa manota isika dia mety ny hahatsiarovan-tena ho meloka amin’ny fetrany antonona. Indraindray anefa dia tsy mety miala ny fahatsapana fahamelohana satria mihevitra ny Kristiana iray fa tsy afaka ny ho mendrika ny famindram-pon’Andriamanitra mihitsy izy. Manome toky antsika amin-kafanana toy izao anefa ny Baiboly: “Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsi-fahamarinana rehetra.” (1 Jaona 1:9). Misy ve antony marim-pototra tokony hinoana fa tsy hanao izany amintsika Andriamanitra? Tadidio fa ao amin’ny Teniny i Jehovah dia milaza fa “vonona hamela heloka” izy. (Salamo 86:5, NW; 130:3, 4). Koa satria tsy afaka ny handainga izy, dia hanao araka ny ampanantenain’ny Teniny izy, raha toa isika ka manatona azy amin’ny fo mibebaka. — Titosy 1:2.

10. Fanomezan-toky manafana ny fo inona no navoakan’ny Ny Tilikambo Fiambenana tany am-boalohany momba ny fiadiana amin’ny fahalemen’ny nofo?

10 Inona no tokony hataonao raha miady amin’ny fahalemena iray ianao ka lavo indray? Aza milavo lefona! Tsy voatery hanafoana ilay fandrosoana efa nataonao akory ny fahalavoana indray. Ny nomerao tamin’ny 15 Febroary 1954 (anglisy) amin’itỳ gazety itỳ, dia nanolotra izao fanomezan-toky manafana ny fo izao: “[Mety ho] tafintohina sy hianjera imbetsaka isika amin’ny fahazaran-dratsy sasany izay nanjary raiki-tampisaka kokoa tao amin’ilay fomba fiainantsika taloha, tsy araka ny nahatakarantsika azy. (...) Aza mamoy fo. Aza manatsoaka hevitra hoe nanao ilay ota tsy ahazoana famelan-keloka ianao. Izany indrindra no ho tian’i Satana hanjohianao hevitra. Ny fahatsapanao alahelo sy hasosorana amin’ny tenanao dia efa porofo fa tsy lasa lavitra loatra akory ianao. Aza sasatra mihitsy mitodika any amin’Andriamanitra amim-panetren-tena sy amim-pahatsorana, mitady ny famelany sy ny fanadiovany ary ny fanampiany. Mankanesa any aminy toy ny ankizy iray mankany amin-drainy rehefa manan-java-manahirana, tsy maninona na impiry na impiry, momba io fahalemena io ihany, ary i Jehovah dia hanome anao amim-pahalalahan-tanana ilay fanampiana noho ny hatsaram-panahiny amin’izay tsy mendrika akory, ary raha tso-po ianao, dia hanome anao ny fahazoana feon’ny fieritreretana voadio izy.”

Rehefa mihevitra isika fa tsy ampy izay ataontsika

11. a) Ahoana no tokony ho fiheverantsika ny fandraisana anjara amin’ny asa fitoriana ilay Fanjakana? b) Miady mafy amin’ny fihetseham-po inona avy, momba ny fandraisana anjara amin’ny fanompoana, ny Kristiana sasany?

11 Tapany lehibe eo amin’ny fiainan’ny Kristiana iray ny asa fitoriana ilay Fanjakana, ary mitondra fifaliana ny fandraisana anjara amin’izy io. (Salamo 40:8). Misy anefa Kristiana sasany mahatsiaro tena ho meloka dia meloka noho ny tsy fahafahany manao bebe kokoa eo amin’ny fanompoana. Afaka mikiky ny fifaliantsika sy mahatonga antsika hilavo lefona mihitsy aza izany fahatsiarovan-tena ho meloka izany, noho ny faminavinana fa heverin’i Jehovah ho tsy ampy mihitsy izay ataontsika. Diniho ny fihetseham-po izay iadian’ny sasany mafy.

“Mba fantatrareo moa hoe mandany fotoana toy inona ny fahantrana?” hoy ny nosoratan’ny anabavy kristiana manan-janaka telo izay iarahany mitaiza amin’ny vadiny. “Tsy maintsy mitsitsy aho na aiza na aiza ahafahako mitsitsy. Izany dia midika ho fandaniam-potoana ikarohana any amin’ireo fivarotana “friperies” sy eny amin’ny varo-boba, na fandaniam-potoana anjairana akanjo mihitsy aza. Mandany adiny iray na roa koa aho isan-kerinandro mba hikarakarana tapakila [ fahazoana fihenam-bidy amin’ny sakafo] — manapaka sy mameno ary manakalo azy ireny. Indraindray aho dia mahatsiaro tena ho meloka dia meloka manao ireo zavatra ireo, ka mieritreritra fa tokony ho nandany izany fotoana izany tany ivelany, tany amin’ny saha fanompoana aho.”

“Nieritreritra aho fa tsy maintsy ho tsy tena ampy fitiavana an’i Jehovah aho”, hoy ny fanazavan’ny anabavy iray manana zanaka efatra sy vady tsy mpino. “Koa dia niady mafy aho tamin’ny fanompoako an’i Jehovah. Tena niezaka mafy tokoa aho, kanefa dia tsy nihevitra mihitsy hoe ampy ilay izy. Tsy nanana fahatsapan-tena ho mendrika aho, koa tsy haiko nalaina sary an-tsaina ny nahafahan’i Jehovah hanaiky ny fanompoako azy.”

Hoy ny Kristiana iray izay nahita fa tena nilaina ny nandaozany ny fanompoana manontolo andro: “Tsy zakako ilay hevitra hoe tsy nitana ilay fanekeko hanompo an’i Jehovah manontolo andro aho. Tsy azonao alaina sary an-tsaina ny fahadisoam-panantenako! Mitomany aho ankehitriny mahatsiaro izany.”

12. Nahoana ny Kristiana sasany no mahatsiaro tena ho meloka dia meloka noho ny tsy fahafahany manao bebe kokoa eo amin’ny fanompoana?

12 Ara-dalàna tsotra izao ny aniriana hanompo an’i Jehovah amin’ny fomba feno araka izay azo atao. (Salamo 86:12). Nahoana anefa ny sasany no mahatsiaro tena ho meloka dia meloka noho ny tsy fahafahana manao bebe kokoa? Ho an’ny sasany, izany dia toa mifandray amin’ny fahatsapana tsy fahamendrehana amin’ny ankapobeny, angamba vokatry ny zavatra tsy nahafinaritra hita teo amin’ny fiainana. Amin’ny toe-javatra hafa, ny fahatsiarovan-tena ho meloka diso toerana dia mety ho vokatry ny fiheverana tsy mijery ny zava-misy ny amin’izay antenain’i Jehovah amintsika. “Nihevitra aho fa raha mbola tsy torovana tanteraka ianao, dia azo inoana fa tsy ampy ny ataonao”, hoy ny fieken’ny Kristiana iray. Ho vokatr’izany dia nametra fari-pitsipika ambony loatra ho an’ny tenany izy — ary avy eo dia nahatsiaro tena ho meloka kokoa izy rehefa tsy afaka nahatratra izany.

13. Inona no antenain’i Jehovah amintsika?

13 Inona no antenain’i Jehovah amintsika? Raha tsorina, dia manantena antsika hanompo azy amin’ny fo manontolo izy, hanao araka izay amelan’ny tarehin-javatra misy antsika. (Kolosiana 3:23, NW ). Mety hisy anefa tsy fitoviana lehibe eo amin’izay tiantsika hatao sy izay azontsika atao rehefa jerena amin’ny zava-misy. Mety ho voafetran’ny anton-javatra toy ny fandroson’ny taona, ny fahasalamana, ny herim-batana, na ireo andraikitra ara-pianakaviana isika. Na dia izany aza, rehefa manao izay rehetra azontsika atao isika, dia afaka mahazo toky fa atao amin’ny fo manontolo ny fanompoantsika an’i Jehovah — amin’ny fo manontolo, tsy be kokoa sy tsy latsaka kokoa noho ny an’ny olona iray izay mamela azy ho ao amin’ny fanompoana manontolo andro ny fahasalamany sy ny toe-javatra misy azy. — Matio 13:18-23.

14. Inona no azonao atao raha mila fanampiana ianao eo amin’ny famaritana izay azonao antenaina amin’ny tenanao rehefa jerena amin’ny zava-misy?

14 Ahoana àry no ahafahanao mamaritra izay azonao antenaina amin’ny tenanao rehefa jerena amin’ny zava-misy? Mety haniry ny hiresaka ilay raharaha amin’ny namana kristiana itokiana sy matotra iray ianao, angamba loholona iray na anabavy iray ampy fanandraman-javatra izay mahafantatra ny fahaizanao sy ny fetran’ny tenanao ary ny andraikitrao ara-pianakaviana. (Ohabolana 15:22). Tadidio fa eo imason’Andriamanitra, ny hasarobidinao amin’ny maha-olona dia tsy refesina amin’ny habetsahan’ny ataonao eo amin’ny fanompoana eny amin’ny saha. Samy sarobidy amin’i Jehovah avokoa ireo mpanompony rehetra. (Hagay 2:7; Malakia 3:16, 17). Izay ataonao eo amin’ny asa fitoriana dia mety ho betsaka kokoa na latsaka kokoa noho izay ataon’ny hafa, kanefa raha mbola mampiseho izay tsara indrindra vitanao izany, dia faly i Jehovah, ary tsy misy ilanao hahatsiaro tena ho meloka. — Galatiana 6:4.

Rehefa be no tadiavina amintsika

15. Amin’ny ahoana avy no hoe be no tadiavina amin’ireo loholon’ny kongregasiona?

15 “Izay nomena be”, hoy i Jesosy, “dia be no hotadiavina aminy”. (Lioka 12:48). Azo antoka fa ‘be no tadiavina’ amin’ireo izay manompo amin’ny maha-loholon’ny kongregasiona. Sahala amin’i Paoly, dia mandany ny heriny ho an’ny kongregasiona izy ireo. (2 Korintiana 12:15). Izy ireo dia manana lahateny homanina, fitsidihana ny ondry hatao, raharaha ara-pitsarana hokarakaraina — izany rehetra izany sady tsy manao tsirambina ny fianakavian’izy ireo manokana. (1 Timoty 3:4, 5). Misy loholona sasany be atao koa amin’ny fanampiana mba hanorenana Efitrano Fanjakana, amin’ny fiasana ao amin’ny Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly, ary amin’ny fanompoana an-tsitrapo any amin’ireo fivoriambe sy fivoriamben’ny distrika. Ahoana no ahafahan’ireny lehilahy miasa mafy sy be fandavan-tena ireny manalavitra ny hanjary hihasasatra eo ambanin’ny havesatry ny andraikitra toy izany?

16. a) Vahaolana azo nampiharina inona no nomen’i Jetro an’i Mosesy? b) Toetra inona no hahatonga loholona iray ho afaka hizara andraikitra mifanentana amin’ny hafa?

16 Rehefa nanasatra ny tenany tamin’ny fikarakarana ireo zava-nanahirana ny hafa i Mosesy, lehilahy iray nanetry tena, dia nanolotra vahaolana azo nampiharina i Jetro rafozany: fizarana ny andraikitra sasany amin-dehilahy hafa mahafeno fepetra. (Eksodosy 18:17-26; Nomery 12:3). “Ao amin’ny manetry tena no misy fahendrena”, hoy ny Ohabolana 11:2. Ny hoe manetry tena dia midika hoe miaiky sy manaiky ny fetran’ny tenanao. Ny lehilahy manetry tena iray dia tsy malaina hanankina asa amin’ny hafa, na matahotra sao hamoy ny fahefany eo amin’ny fitantanan-draharaha, amin’ny fizarana andraikitra mifanentana amin-dehilahy hafa mahafeno fepetra.b (Nomery 11:16, 17, 26-29). Dodona kosa izy hanampy azy ireny handroso. — 1 Timoty 4:15.

17. a) Ahoana no ahafahan’ireo mpikambana ao amin’ny kongregasiona manamaivana ny entan’ireo loholona? b) Sorona inona avy no ataon’ireo vadina loholona, ary ahoana no ahafahantsika mampiseho amin’izy ireo fa mahay mankasitraka izany isika?

17 Afaka manao zavatra betsaka mba hanamaivanana ny entan’ny loholona ireo mpikambana ao amin’ny kongregasiona. Noho ny fahatakarana fa manana ny fianakaviany manokana hokarakaraina ireo loholona, ireo hafa dia tsy hanao fitakiana tsy araka ny antonona amin’ny fotoana sy ny fiheveran’ireo loholona. Tsy ho izy ireo koa no tsy hahay hankasitraka ny sorona an-tsitrapo ataon’ireo vadina loholona izay mizara tsy misy fitiavan-tena ny vadiny amin’ny kongregasiona. Nanazava toy izao ny reny iray manana zanaka telo sy vady izay manompo amin’ny maha-loholona: “Zavatra izay tsy mba itarainako mihitsy ny entana fanampiny izay entiko an-tsitrapo ao an-tokantrano mba hahafahan’ny vadiko manompo amin’ny maha-loholona. Fantatro fa tondraka ny fitahian’i Jehovah eo amin’ny fianakavianay noho ny fanompoan’ny vadiko, ka tsy sosotra amin’izay omeny aho. Kanefa raha jerena amin’ny zava-misy, dia matetika aho no voatery miasa bebe kokoa ao an-tokotany sy manao bebe kokoa eo amin’ny fifehezana ireo zanakay, tsy araka ny tokony ho nataoko, satria be atao ny vadiko.” Mampalahelo fa hitan’io anabavy io fa tsy nankasitraka ny entana fanampiny entiny ny sasany fa nanao kosa fanamarihana tsy mampiseho fangorahana toy ny hoe: “Nahoana ianao no tsy manao ny asan’ny mpisava lalana?” (Ohabolana 12:18). Ho tsara kokoa toy inona moa ny midera ny hafa noho izay ataony fa tsy hanakiana azy ireo noho izay tsy mety ho vitany! — Ohabolana 16:24; 25:11.

Satria mbola tsy tonga ny farany

18, 19. a) Nahoana no tsy izao no fotoana tokony hitsaharana tsy hihazakazaka ao amin’ilay fifaninanana hazakazaka ho amin’ny fiainana mandrakizay? b) Torohevitra amin’ny fotoana ilana azy inona no nomen’ny apostoly Paoly an’ireo Kristiana tany Jerosalema?

18 Rehefa fantatry ny mpihazakazaka iray fa akaikin’ny faran’ny fifaninanana hazakazaka lavitra iray izy, dia tsy milavo lefona izy. Ny vatany dia mety ho eo amin’ny fetran’izay azony zakaina — torovana tanteraka, mafana tafahoatra sy tsy ampy rano — kanefa tsy fotoana tokony hitsaharana tsy hihazakazaka rehefa akaiky toy izany ny fahatongavana. Mitovy amin’izany koa fa amin’ny maha-Kristiana antsika, dia ao amin’ny fifaninanana hazakazaka isika mba hahazoana ny lokan’ny fiainana, ary efa akaiky dia akaikin’ny tsipika fahatongavana isika. Tsy fotoana tokony hitsaharantsika tsy hihazakazaka izao! — Ampitahao amin’ny 1 Korintiana 9:24; Filipiana 2:16; 3:13, 14.

19 Niatrika tarehin-javatra mitovy amin’izany ireo Kristiana tamin’ny taonjato voalohany. Tokony ho tamin’ny 61 am.f.i., dia nanoratra ho an’ireo Kristiana tany Jerosalema ny apostoly Paoly. Tapitra ny fotoana — nadiva ho “lany” ilay “taranaka” ratsy fanahy, dia ny fandehan-javatra jiosy nivadi-pinoana. Tsy maintsy mailo sy nahatoky ireo Kristiana tao Jerosalema indrindra indrindra; nila ny handositra hiala ilay tanàna izy ireo rehefa nahita azy io voahodidin’ny miaramila. (Lioka 21:20-24, 32). Tamin’ny fotoana nilana azy àry ilay torohevitr’i Paoly ara-tsindrimandry hoe: ‘Aza mba ketraka hianareo na reraka ny fanahinareo’. (Hebreo 12:3). Eto ny apostoly Paoly dia nampiasa matoanteny roa manome sary mazava ao an-tsaina: “ketraka” (kaʹmno) sy “reraka” (e·klyʹo·mai). Araka ny manam-pahaizana iray momba ny Baiboly, ireo teny grika ireo dia “nampiasain’i Aristote tamin’ireo mpihazakazaka izay maka aina sy mitambotsotra rehefa dila ny tsipika fahatongavana. Mbola tao anatin’ilay fifaninanana hazakazaka ireo mpamaky [ny taratasin’i Paoly]. Tsy nahazo nilavo lefona aloha loatra izy ireo. Tsy nahazo namela ny tenany ho torana ka hitambotsotra noho ny fahasasarana izy ireo. Eto indray dia misy fitakiana fikirizana eo anatrehan’ny zava-tsarotra”.

20. Nahoana no amin’ny fotoana ilana azy ny torohevitr’i Paoly, ho antsika amin’izao andro izao?

20 Amin’ny fotoana ilana azy toy inona moa ny torohevitr’i Paoly ho antsika amin’izao andro izao! Eo anatrehan’ny fanerena mihamitombo, dia mety hisy fotoana hahatsiarovantsika tena ho toy ny mpihazakazaka torovana iray, mila tsy hahazaka ny tongony. Tsy tokony hilavo lefona anefa isika rehefa akaiky toy izany ny tsipika fahatongavana! (2 Tantara 29:11). Izany indrindra no irin’ilay Fahavalontsika, ilay “liona mierona”, hataontsika. Soa ihany fa nanao fandaharana ‘anatanjahana ny reraka’, i Jehovah. (Isaia 40:29). Hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka ny hoe inona ireo fandaharana ireo sy ny fomba ahazoantsika manararaotra azy ireny.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Ny sasany, ohatra, dia mety hiady mafy mba hifehezana lafin-toetra iray raiki-tampisaka, toy ny hoe mora tezitra na mba handresena zava-manahirana amin’ny masturbation. — Jereo ny Mifohaza! (frantsay) tamin’ny 22 May 1988, pejy faha-19-21; 8 Febroary 1982, pejy faha-16-20; ary Manontany ny Tanora — Valiny Mandaitra, pejy faha-198-211, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of Pennsylvania.

b Jereo ilay lahatsoratra hoe “Ry Loholona — Manankìna Asa Amin’ny Hafa!” ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Oktobra 1992, pejy faha-20-23.

Inona no Valin-teninao?

◻ Ahoana no ahafahantsika manalavitra ny hilavo lefona rehefa mandiso fanantenana antsika na manafintohina antsika ny hafa?

◻ Fomba fijery voalanjalanja inona momba ny fahatsiarovan-tena ho meloka no hisakana antsika tsy hilavo lefona?

◻ Inona no antenain’i Jehovah amintsika?

◻ Ahoana no ahafahan’ny fanetren-tena manampy ireo loholon’ny kongregasiona hanalavitra ny hanjary hihasasatra?

◻ Nahoana no amin’ny fotoana ilana azy ny torohevitr’i Paoly ao amin’ny Hebreo 12:3, ho antsika amin’izao andro izao?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara