Zato Taona ary Mbola Mavitrika Ihany
NOTANTARAIN’I RALPH MITCHELL
Mpitory teny metodista ny raiko, lehilahy izay antonontonony ny halavany. Nafindrafindra fiangonana isaky ny roa na telo taona izy ka nitety tanàna maro nisesy izay tanàna kely ny ankamaroany, anisan’izany i Asheville, any Caroline Avaratra, eto Etazonia, izay nahaterahako tamin’ny Febroary 1895. Koa nihalehibe aho sady tena nahafantatra tsara ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana.
TADIDIKO aho nentina, fony zazalahy, nankeo amin’ny dabilio voalohany tamin’ireo fivoriana nirehidrehetana fatratra, mba hofenoina ny fanahy masina — mba “handray ny fivavahana”, araka ny fiantson-dry zareo azy. Nilazana aho mba hiaiky ny fahotako sy hitandrina ny Didy Folo ary ho tsara fanahy. Amin’izay aho dia hankany an-danitra rehefa maty. ‘Angamba hankany amin’ny afobe aho’, hoy aho anakampo, ‘satria tsy mety ho tena tsara fanahy aho mba ho any an-danitra.’ Nihevitra aho fa ny olon-dehibe ihany — indrindra fa ireo mpitory teny — no niaina nifanaraka tamin’ny fotopoto-pitsipiky ny Baiboly.
Talohan’ny fahatanorako mihitsy aza anefa, dia nanomboka nahatsikaritra fihatsarambelatsihy tao amin’ny fivavahana aho. Ohatra, nanao sorona izay nilain’ny fianakaviany teo amin’ny lafiny ara-nofo ny raiko mba hanomezana fotsiny, vola be ho an’ny tahirim-bolan’ny eveka tao amin’ny kaonferansa lehibe. Nanantena izy fa hahazoany fanendrena ho any amin’ny fiangonana lehibe kokoa izany. Tadidiko ny mpitory teny iray teo an-toerana izay mpamboly landihazo koa. May ny hahazo toerana ambony izy, hany ka nivarotra fehezan-dandihazo zato ary nankany amin’ilay kaonferansa niaraka tamin’ny vola be dia be. Rehefa toa nahazo ny vola rehetra nety ho azony avy tamin’ny mpanatrika — izay voaforon’ny mpitory teny ny ankamaroany — izy ireo dia niantsambotra io mpitory teny sady mpamboly landihazo io ka niantsoantso hoe: “Izay fotsiny ve no omenareo ny evekanareo? Isaky ny mpitory teny mitondra dimy dolara, dia hofenoiko ho folo dolara izany!” Maherin’ny arivo dolara no voangona, ary nanendry an’io lehilahy io ho loholona nifehy ny raiko ilay eveka. Tsy afaka nino aho fa avy tamin’Andriamanitra ny fanendrena toy izany. Nanomboka tamin’izay aho dia be fisalasalana momba izay zavatra na inona na inona nifandray tamin’ny fivavahana.
Voantso hanao raharaha miaramila aho fony tafiditra tamin’ny ady lehibe voalohany i Etazonia. Tadidiko tsara ny nandre an’ireo mpitondra fivavahana tao amin’ny tafika, nitory taminay miaramila momba ny fiadiana tamim-pahatokiana ho an’ny taninay, ary izany dia tsy nanao afa-tsy ny nampitombo ny fankahalako ny fivavahana. Ny zava-nokendreko dia ny ho tafita velona sy ny hamita ny fianarako ary ny hanambady rehefa avy eo. Tsy nanana toerana teo amin’ireo planiko ho amin’ny hoavy ny fivavahana.
Fiovam-pihetsika
Tamin’ny 1922, dia raiki-pitia tamin’ny vehivavy tanora iray antsoina hoe Louise aho. Araka ny zava-nisy, dia Katolika nafana fo izy, ary rehefa nanapa-kevitra ny hivady izahay, dia naniry mariazy katolika izy. Tsy naniry fombafomba ara-pivavahana aho na karazany inona izany na karazany inona, koa nanaiky izy ny hivadianay tao amin’ny biraom-panjakana iray any New York.
Tamin’ny voalohany dia tsy nisy fifandonana ara-pivavahana teo aminay. Nolazaiko mazava taminy fotsiny fa tsy nanana fatokiana ny fivavahana aho ary hifanaraka tsara dia tsara izahay raha mbola tsy misy koa ny firesahana momba azy io. Avy eo, teo anelanelan’ireo taona 1924 sy 1937, dia tonga ny ankizy — nifanarakaraka, mandra-pahazoanay dimy lahy sy dimy vavy! Nirin’i Louise ny handehanan’ny zanakay tany amin’ny sekoly katolika. Tsy niriko ny hahazoan’izy ireo fampiofanana ara-pivavahana na karazany inona izany na karazany inona, koa nifanditra momba izany izahay.
Teo am-piandohan’ny taona 1939, dia nisy zava-nitranga izay nanova ny fomba fijeriko ny fivavahana tamin’ny fitambarany. Tonga tao an-tranonay tany Roselle, any New Jersey, i Henry Webber sy i Harry Piatt, Vavolombelon’i Jehovah roa lahy. Vetivety dia nanjary niharihary fa nirin’izy ireo ny hiresaka momba ny foto-kevitra iray tsy nahaliana ahy ny nidinika azy — dia ny fivavahana. Mbola simba ny finoako noho ireo mpitondra fivavahana tao amin’ny tafika nilaza hoe: ‘Miadia ho an’ny taninareo’, raha mbola nilaza kosa ireo mpitondra fivavahana tany amin’ny nisy anay hoe: ‘Aza mamono olona.’ Fihatsarambelatsihy re izany! Nieritreritra aho hoe hanitsy avy hatrany ireo Vavolombelona roa lahy ireo. “Avelao aho hilaza zavatra aminareo”, hoy aho tamin’izy ireo. “Raha marina ny fivavahanareo, dia diso avokoa izany ny fivavahana hafa rehetra. Ary na dia iray monja aza amin’ireo hafa no marina, dia diso avokoa izany ny sisa rehetra, anisan’izany ny anareo. Tsy mety hisy afa-tsy fivavahana marina iray monja.” Gaga be aho fa niombon-kevitra tamiko izy ireo!
Avy eo izy ireo dia nangataka ahy handray ny Baiboliko ka hanokatra azy io ao amin’ny 1 Korintiana 1:10. Izao no novakiko tao: “Ary mananatra anareo aho, ry rahalahy, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompontsika, mba hiray teny hianareo rehetra, ka tsy hisy fisarahana eo aminareo, fa mba ho tafakambana tsara hianareo hiray saina sy hevitra.” Nanaitra ny fahalianako io andinin-teny io. Tamin’izay fotoana izay ihany, dia natahotra aho sao nitady hampiditra ahy tamin’ny karazana antokom-pivavahana madinika izy mirahalahy ireo. Kanefa, nisy zavatra nianarako teo — ny hoe tsy tokony hisy fisarahana teo amin’ny Kristiana. Nanana fanontaniana maro hafa tao an-tsaiko aho. Ohatra: Inona no mitranga amin’ny fanahy (âme) eo amin’ny fahafatesana? Ho tiako toy inona moa ny hidinika io fanontaniana io niaraka tamin’izy ireo! Nieritreritra anefa aho fa hiteraka ady hevitra ara-pivavahana be loatra tao an-trano izany.
Avy eo, dia hoy ny iray tamin’izy mirahalahy: “Ho tianay ny hiverina sy hiresaka aminao indray amin’ny herinandro manaraka.” Nanandrana nampandeha azy ireo tamim-pahaiza-mandanjalanja aho, nefa niteny tamin’ny feo avo ny vadiko. “Ralph a”, hoy izy, “tian’izy ireo ho fantatra hoe rahoviana izy ireo no afaka miverina.” Nahagaga ahy izany, satria Katolika nafana fo izy! Na dia izany aza, dia nieritreritra aho hoe: ‘Angamba ho afaka hahita hevitra hifanarahana sasany momba ny foto-kevitry ny fivavahana izahay, rehefa dinihina.’ Koa nanaiky ny hiverenan’i Henry Webber sy i Harry Piatt hitsidika ny zoma nanaraka aho.
Araka izany, dia tamin’izay no nanombohako nianatra ny Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy ela loatra taorian’izay, dia nasaina hanatrika fivoriambe iray tao amin’ny Madison Square Garden any New York aho. Mbola tsaroako mazava tsara ny lahatenin’i Joseph F. Rutherford hoe “Fitondram-panjakana sy Fandriampahalemana”, natao ny 25 Jona 1939. Iray tamin’ireo olona 18 000 nanatrika teo aho. Raha ny marina, dia olona 75 000 no nandre ilay lahateny, raha ampidirina ireo olona izay nampifandraisina tamin’ny alalan’ny fampitohizana iraisam-pirenena iray nampiasana fifandraisana amin’ny radio-telefaonina.
Tsy nisosa tsara anefa ny zava-drehetra. Nandrahona ny handrava ilay fivoriambe ireo mpanaraka an’ilay pretra katolika atao hoe Charles Coughlin, ary araka ny nampoizina, tokony ho teo antenatenan’ny lahatenin’ny Rahalahy Rutherford, dia nanomboka nihorakoraka nampiseho ny tsy fahafaliany sy niantsoantso teny faneva toy ny hoe: “Heil Hitler!” sy “Viva Franco!”, ireo olona tezitra an-jatony maro. Be loatra aoka izany ny tabataba, hany ka re tamin’ireo fifandraisana an-telefaonina ilay vahoaka nirotaka! Nila 15 minitra teo ho ireo mpiandry varavarana mba hanosehana tanteraka ilay vahoaka romotra. Nandritra izany fotoana rehetra izany, ny Rahalahy Rutherford, izay tsy nihontsina, dia tsy nitsaha-niteny raha mbola nanohana azy ny tehaka niverimberina avy tamin’ny mpanatrika.
Tamin’izay aho dia tena liana ta hahafanta-javatra tokoa. Nahoana ny pretra katolika iray no nambosy ny hankahalana mafy aoka izany ny Vavolombelon’i Jehovah? Nanatsoaka hevitra aho fa tsy maintsy nisy zavatra tao amin’izay notorin’i Rutherford — zavatra izay tsy nirin’ny klerjy ho ren’ny olona tahaka ahy. Koa nanohy nianatra ny Baiboly aho ary nanao fandrosoana. Tamin’ny farany, tamin’ny Oktobra 1939, dia nampiseho ny fanoloran-tenako ho an’i Jehovah tamin’ny alalan’ny batisa tao anaty rano aho. Natao batisa ny sasany tamin’ireo zanako ny taona nanaraka, ary natao batisa i Louise vadiko tamin’ny 1941.
Fiatrehana ireo fisedrana
Tsy ela taorian’ny nanekeko ny fahamarinana, dia maty ny reniko, ary tsy maintsy niverina tany Caroline Avaratra aho ho amin’ny fandevenana azy. Nihevitra aho fa tsy ho afaka hanatrika, tamin’ny fananana feon’ny fieritreretana madio, ilay fotoam-pivavahana tamin’ny fandevenana, izay hatao tao anatin’ny fiangonana metodista. Noho izany, dia niantso an-telefaonina ny raiko aho talohan’ny hanaovana ilay dia ary nangataka azy hihazona ilay vatam-paty tao amin’ny trano nanomanana ny faty. Nanaiky izy, kanefa rehefa tonga tany aho, dia teny an-dalana ho any am-piangonana izy ireo ary nihevitra fa azo antoka fa hiaraka tamin’izy ireo tao aho.
Tsy niaraka tamin’izy ireo aho, ary nahatonga resa-be tokoa teo amin’ny fianakaviako izany. Na dia nifandray am-po foana aza izaho sy i Edna zandriko vavy, dia tsy niresaka tamiko izy taorian’ny nandevenana an’i Neny. Nanoratra taratasy maro aho, kanefa tsy novaliany. Isaky ny fahavaratra, rehefa tonga tany New York i Edna mba hanaraka fiofanan’ny mpampianatra tao amin’ny City College, dia niezaka hihaona taminy aho. Tsy nety nihaona tamiko anefa izy, fa nilaza ho be atao. Tatỳ aoriana dia natsahatro izany, satria toa tsy nanao afa-tsy ny nanorisory azy aho. Lasa ny taona maro talohan’ny nandrenesako ny momba azy indray.
Noho izy ireo tsy nety niarahaba saina, dia noroahina hiala ny sekoly ny enina tamin’ireo zanako tamin’ny 1941, toy ny natao tamin’ny ankizy maro hafa teto Etazonia sy tany Kanada. Mba hamenoana ny fepetra notakin’ny lalàna momba ny fianarana, dia nandamina sekoly azy ireo manokana, nantsoina hoe Sekolin’ilay Fanjakana, ny Vavolombelona. Hotely taloha iray tany Lakewood, any New Jersey, no toerana nisy ilay sekoly nandehanan’ireo zanako. Nisy Efitrano Fanjakana tao ambany rihana, niaraka tamin’ny lakilasy sy lakozia iray ary toeram-pisakafoana iray. Tao amin’ny rihana voalohany ireo efitra fatorian’ireo zazavavy, ary tao amin’ny rihana faharoa ny an’ireo zazalahy. Sekoly tsara dia tsara izy io. Tsy nandeha nody ny ankamaroan’ny ankizy nipetraka tao raha tsy tamin’ny faran’ny herinandro. Nandeha nody isaky ny faran’ny tapa-bolana ireo izay nipetraka lavitra kokoa.
Hatramin’ireo taona voalohany naha-tao amin’ny fahamarinana ahy, dia nanana faniriana niredareda ny ho tonga mpisava lalana aho, araka ny iantsoana ireo evanjelisitra manontolo andro ao amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tamin’ny fivoriambe tamin’ny 1941 tany St. Louis, any Missouri, dia nolazain’ny rahalahy iray nandray anjara tamin’ny fandaharana ny fomba nahafahany nanao ny asan’ny mpisava lalana sady nitaiza zanaka 12. Nieritreritra aho hoe: ‘Raha afaka manao ny asan’ny mpisava lalana amin’ny zanaka 12 izy, dia afaka manao ny asan’ny mpisava lalana amin’ny zanaka 10 aho.’ Kanefa, tsy namela ahy hanomboka hanao ny asan’ny mpisava lalana ny tarehin-javatra nisy ahy raha tsy afaka 19 taona tatỳ aoriana. Farany, tamin’ny 1 Oktobra 1960, dia afaka nanomboka nanompo an’i Jehovah tamin’ny naha-mpisava lalana maharitra aho.
Fitsidihana tsy nampoizina
Tamin’ny 1975, dia naharay antso an-telefaonina avy tamin’i Edna anabaviko aho. Valopolo taona aho tamin’izay, ary tsy nahita azy na nandre ny feony hatramin’ny 20 taona teo ho eo. Niantso avy teny amin’ny seranam-piaramanidina izy, ary nangataka ahy ho tonga haka azy mivady. Nahafinaritra ny nahita an’i Edna indray, kanefa mbola ho avy ny zavatra tsy nampoizina lehibe indrindra. Teny an-dalana hody, dia hoy ny vadiny: “Nahazo olona niova finoana ianareo.” Tsy fantatro izay tiany holazaina. Rehefa tonga tany an-trano izahay, dia niteny indray izy hoe: “Nahazo olona niova finoana ianareo eto.” Azon’ny vadiko avy hatrany ilay izy. Nitodika tany amin’ny anabaviko izy, ka nanontany hoe: “Edna, Vavolombelona ve ianao?” “Izany mihitsy”, hoy ny navalin’i Edna.
Ahoana no nahatonga an’i Edna hanaiky ny fahamarinana? Tamin’ny 1972, tamin’ny fiezahako hamitrana ny fihavananay tapaka, dia nandefasako fanomezana famandrihana tamin’ny Ny Tilikambo Fiambenana izy. Tokony ho herintaona tatỳ aoriana, dia nanjary narary i Edna ka voatana tao an-tranony. Mbola teo ambonin’ny latabany ihany ireo gazety tao anaty fonosany. Noho ny fahalianana ta hahafanta-javatra, dia nanokatra iray i Edna ka nanomboka namaky. Rehefa nahavita ilay gazety izy dia nieritreritra anakampo hoe: ‘Itỳ no fahamarinana!’ Tamin’ny fotoana nitsidihan’ny Vavolombelon’i Jehovah tao an-tranony, dia efa namaky an’ilay antontan-gazety Ny Tilikambo Fiambenana manontolo izy. Nanaiky fampianarana Baiboly izy, ary tamin’ny fotoana nety, dia tonga Vavolombelon’i Jehovah.
Fizakana famoizana
Voan’ny diabeta i Louise vadiko tatỳ aoriana, ary niharatsy ny toe-pahasalamany mandra-pahafatiny tamin’ny 1979, teo amin’ny faha-82 taonany. Rehefa maty i Louise, dia nisy tapany tamiko maty koa. Niato ny fiainako manontolo. Tsy fantatro izay hatao. Tsy nanana planina ho amin’ny hoavy aho, ary nila fampaherezana tamim-pamoizam-po. Nampirisika ahy hanohy ny lalana narahiko tamin’ny fanaovana ny asan’ny mpisava lalana ny mpiandraikitra ny fizaran-tany iray, dia i Richard Smith. Hitako fa ny fampiononana lehibe indrindra azoko dia avy tamin’ny fampiononana ny hafa izay namoy olon-tiana tamin’ny fahafatesana.
Nandamina dia fitetezana an’i Israely ny Fikambanana Watch Tower tamin’ny 1979, koa nisoratra anarana aho. Fandrisihana lehibe ho ahy io dia io, ary rehefa niverina nody aho, dia niverina avy hatrany niasa tamin’ny fanompoan’ny mpisava lalana. Nanomboka tamin’izay, isan-taona, dia nataoko ho anton-draharaha ny manampy any amin’ny faritany tsy nanendrena na tsy iasana matetika any amin’ny faritra hafa eto Etazonia. Na dia eo aza ny fandrosoan’ny taonako, dia mbola afaka manolo-tena ho amin’io tombontsoa io ihany aho.
Tombanako fa nandritra ny taona maro, dia nanana fifaliana nanampy olona 50 teo ho eo aho teo amin’ny lalana mankany amin’ny fiainana. Ao amin’ny fahamarinana ny ankamaroan’ireo zanako. Manompo amin’ny maha-mpisava lalana maharitra ny roa amin’ireo zanako vavy. Manompo any amin’ny foibe maneran-tanin’ny Vavolombelon’i Jehovah any Brooklyn, any New York, i Louise Blanton, zanako vavy hafa, miaraka amin’i George vadiny, ary nanompo tamin’ny naha-loholona hatramin’ny taona maro ny iray amin’ireo zanako lahy.
Mazava ho azy fa noho ny tsy fahatanterahana nolovana avy tamin’ny ray aman-drenintsika voalohany, dia iharan’ny aretina sy ny fahafatesana isika rehetra. (Romana 5:12). Azo antoka fa tsy hoe afaka tamin’ny fangotsongotsohana sy ny fanaintainana ny fiainako. Mijaly noho ny arthrite (aretin’ny tonon-taolana) eo amin’ny ranjoko havia aho amin’izao fotoana izao. Indraindray dia nitondra fanorisorena be ho ahy ilay izy, kanefa tsy nahasakana ahy tsy hanao zavatra izany. Ary mivavaka aho mba tsy hahasakana ahy izany. Tiako ny hiroso hatrany. Ny faniriako lehibe indrindra dia ny hanohy amin’ny fanompoan’ny mpisava lalana hatramin’ny farany mihitsy, hanao izay rehetra azoko atao mba hampahafantarana ny anaran’i Jehovah sy ny fikasany.
[Sary, pejy 23]
Miaraka amin’i Rita zanako vavy