Fampianarana — Ampiasao Izy io mba Hiderana An’i Jehovah
“Izay miteny ho azy dia mitady ny voninahitry ny tenany; fa izay mitady ny voninahitr’Izay naniraka azy no marina”. — JAONA 7:18.
1. Oviana ary tamin’ny fomba ahoana no nanombohan’ny fampianarana?
EFA ela be no nanombohan’ny fampianarana. Tsy ela taorian’ny namoronan’i Jehovah Andriamanitra, ilay Mpampianatra Lehibe, an’ilay Zanany lahimatoa no nanombohan’ny fampianarana. (Isaia 30:20, NW; Kolosiana 1:15). Indro Persona iray afaka nianatra nivantana avy tamin’ilay Mpampianatra Lehibe mihitsy! Nandritra ny an’arivony taona tsy hita isa nifaneraserana akaiky tamin’ny Rainy, io Zanaka io — izay nanjary fantatra ho Jesosy Kristy — dia nahazo fampianarana tsy voavidim-bola aman-karena momba ny toetra sy ny asa ary ny fikasan’i Jehovah Andriamanitra. Tatỳ aoriana, fony izy olombelona teto an-tany, dia afaka nilaza i Jesosy hoe: “Tsy manao na inona na inona ho Ahy Aho, fa araka ny nampianarin’ny Raiko Ahy no ilazako izany zavatra izany.” — Jaona 8:28, izahay no manao sora-mandry.
2-4. a) Araka ny Jaona toko faha-7, inona avy ireo toe-javatra nanodidina ny fanatrehan’i Jesosy ny Andro Firavoravoana ny Amin’ny Tabernakely tamin’ny 32 am.f.i.? b) Nahoana ireo Jiosy no sanganehana noho ny fahaizan’i Jesosy nampianatra?
2 Tamin’ny fomba ahoana no nampiasan’i Jesosy ny fampianarana azony? Nandritra ny telo taona sy tapany nanompoany teto an-tany, dia tsy sasatra ny nizara tamin’ny hafa izay nianarany izy. Ny nanaovany izany anefa dia noho ny fananana zava-kendrena tena lehibe iray tao an-tsaina. Ary inona izany? Andeha isika handinika ireo tenin’i Jesosy ao amin’ny Jaona toko faha-7, izay nanazavany ny loharano sy ny zava-kendren’ny fampianarany.
3 Diniho ny tarehin-javatra tamin’izany. Fararanon’ny taona 32 am.f.i. (any amin’ny ila bolan-tany avaratra) tamin’izay, efa ho telo taona taorian’ny batisan’i Jesosy. Tafangona tao Jerosalema ireo Jiosy tamin’ny Andro Firavoravoana ny Amin’ny Tabernakely. Nandritra ireo andro vitsivitsy voalohany tamin’ilay andro firavoravoana, dia nisy resaka maro nandeha momba an’i Jesosy. Rehefa nisasaka ilay andro firavoravoana, dia tonga teo amin’ny tempoly i Jesosy ka nanomboka nampianatra. (Jaona 7:2, 10-14). Toy ny nitranga foana, dia hita ho Mpampianatra lehibe izy. — Matio 13:54; Lioka 4:22.
4 Hoy ny andininy faha-15 amin’ny Jaona toko faha-7: “Dia gaga ny Jiosy ka nanao hoe: Ahoana no nahaizan’Ilehity soratra, nefa tsy mba nianatra Izy?” Takatrao ve hoe nahoana izy ireo no sanganehana? Tsy nankany amin’ireo sekolin’ireo raby na taiza na taiza i Jesosy, ka noho izany dia olona tsy nahita fianarana firy — araka ny fihevitr’izy ireo! Kanefa i Jesosy dia afaka nahita sy namaky mora foana fizarana tao amin’ny Soratra Masina. (Lioka 4:16-21). Nampianatra ny Lalàn’i Mosesy tamin’izy ireo mihitsy aza io mpandrafitra galiliana io! (Jaona 7:19-23). Ahoana no netezan’izany?
5, 6. a) Ahoana no nanazavan’i Jesosy ny loharanon’ny fampianarany? b) Tamin’ny fomba ahoana no nampiasan’i Jesosy ny fianarana azony?
5 Nanazava toy izao i Jesosy, araka ny vakintsika eo amin’ny andininy faha-16 sy faha-17: “Tsy Ahy ny fampianarako, fa an’Izay naniraka Ahy. Raha misy olona ta-hanao ny sitrapony, dia hahalala ny amin’ny fampianarana izy, na avy amin’Andriamanitra izany, na miteny ho Ahy Aho.” Tian’izy ireo ho fantatra hoe iza no nampianatra an’i Jesosy, ary dia nilaza tamin’izy ireo mazava izy fa avy tamin’Andriamanitra ny fampianarany! — Jaona 12:49; 14:10.
6 Tamin’ny fomba ahoana no nampiasan’i Jesosy ny fianarana azony? Araka ny voarakitra ao amin’ny Jaona 7:18, dia hoy i Jesosy: “Izay miteny ho azy dia mitady ny voninahitry ny tenany; fa izay mitady ny voninahitr’Izay naniraka azy no marina, ary tsy misy tsi-fahamarinana ao aminy.” (Izahay no manao sora-mandry.) Mety tsara toy inona moa ny nampiasan’i Jesosy ny fianarana azony mba hanomezam-boninahitra an’i Jehovah, “Ilay tanteraka amin’ny fahalalana”! — Joba 37:16.
7, 8. a) Amin’ny fomba ahoana no tokony hampiasana ny fianarana azo? b) Inona avy ireo zava-kendrena fototra efatry ny fampianarana voalanjalanja?
7 Mianatra lesona sarobidy iray avy amin’i Jesosy isika amin’izany, dia ny hoe — ny fianarana azontsika dia tokony hampiasaina, tsy mba hanomezam-boninahitra ny tenantsika akory, fa mba hiderana an’i Jehovah. Tsy misy fomba tsara kokoa noho izany hampiasana ny fianarana azontsika. Amin’ny fomba ahoana anefa no azontsika ampiasana ny fianarana azontsika mba hiderana an’i Jehovah?
8 Ny dikan’ny hoe mampianatra dia hoe “mampiofana amin’ny alalan’ny fampianarana ofisialy sy ny fampiharana arahi-maso, indr[indra fa] eo amin’ny fahaiza-manao zavatra, ny asa tanana iray na ny asa iray”. Aoka isika izao handinika zava-kendrena fototra efatry ny fampianarana voalanjalanja sy ny fomba azo ampiasana ny tsirairay amin’izy ireo mba hiderana an’i Jehovah. Ny fampianarana voalanjalanja dia tokony hanampy antsika mba 1) hamaky teny tsara, 2) hanoratra mazava tsara, 3) hitombo ara-tsaina sy ara-pitondran-tena ary 4) hahazo fampiofanana azo ampiharina, izay ilaina amin’ny fiainana andavanandro.
Fianarana mamaky teny tsara
9. Nahoana no zava-dehibe ny ho mpamaky teny tsara?
9 Ny notanisaina voalohany dia ny fianarana mamaky teny tsara. Nahoana no zava-dehibe aoka izany ny ho mpamaky teny tsara? Hoy ny hazavain’ny The World Book Encyclopedia: “Ny famakian-teny (...) dia fototry ny fianarana ary iray amin’ireo fahaiza-manao zavatra lehibe indrindra eo amin’ny fiainana andavanandro. (...) Ireo mpamaky teny kinga dia anisan’ny miteraka fitambaran’olona miroborobo sy mamokatra. Etsy an-danin’izany koa, ny tenan’izy ireo mihitsy dia manana fiainana feno kokoa sy mahafa-po kokoa.”
10. Amin’ny ahoana ny famakiana ny Tenin’Andriamanitra no manampy antsika hanana fiainana feno kokoa sy mahafa-po kokoa?
10 Raha afaka manampy antsika hanana “fiainana feno kokoa sy mahafa-po kokoa” ny famakian-teny ankapobe, dia vao mainka marina toy inona moa izany raha ny amin’ny famakiana ny Tenin’Andriamanitra! Izany famakian-teny izany dia manokatra ny saintsika sy ny fontsika ho amin’ireo eritreritra sy fikasan’i Jehovah, ary ny fahatakarana mazava tsara azy ireo dia manome heviny ho an’ny fiainantsika. Fanampin’izany, dia “velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra”, hoy ny Hebreo 4:12. Arakaraka ny amakiantsika ny Tenin’Andriamanitra sy ny isaintsainantsika momba azy io, dia mihamanatona akaiky an’ilay Loharanon’izy io isika, ary voatosika hanao fiovana eo amin’ny fiainantsika mba hampifaly azy koa. (Galatiana 5:22, 23; Efesiana 4:22-24). Voatosika hizara amin’ny hafa ireo fahamarinana sarobidy vakintsika koa isika. Izany rehetra izany dia midera an’ilay Mpampianatra Lehibe, dia i Jehovah Andriamanitra. Azo antoka fa tsy misy fomba tsara kokoa noho izany hampiasana ny fahaizantsika mamaky teny!
11. Inona no tokony ho tafiditra ao amin’ny fandaharam-pampianarana manokana voalanjalanja?
11 Na tanora isika na antitra, dia ampirisihina hianatra hamaky teny tsara, satria ny famakian-teny dia tapany lehibe iray amin’ny fiainantsika kristiana. Ho fanampin’ny famakiana ny Tenin’Andriamanitra tsy tapaka, dia tokony ho tafiditra ao amin’ny fandaharam-pampianarana manokana voalanjalanja ny fandinihana ny andinin-tenin’ny Baiboly avy ao amin’ny Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro, sy ny fandinihana amim-pitandremana Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza!, ary ny fanomanana ireo fivoriana kristiana. Ary ahoana ny amin’ny fanompoantsika kristiana? Mazava fa ny fitoriana ampahibemaso sy ny fanaovana fiverenana mitsidika an’ireo olona liana ary ny fitarihana fampianarana Baiboly any an-tokantrano dia samy mitaky fahaizana mamaky teny tsara avokoa.
Fianarana manoratra mazava tsara
12. a) Nahoana no zava-dehibe ny hianarana hanoratra mazava tsara? b) Inona ilay asa soratra lehibe indrindra natao hatramin’izay?
12 Ny zava-kendrena faharoa dia hoe ny fampianarana voalanjalanja dia tokony hanampy antsika hianatra hanoratra mazava tsara. Ny fanoratana dia tsy vitan’ny hoe mampita ny tenintsika sy ny hevitsika fa mitahiry azy ireo koa. Taonjato maro be lasa izay, dia nisy lehilahy jiosy 40 teo ho eo nanoratra tamin’ny taratasy zozoro na hodi-biby ireo teny izay nanjary nahaforona ireo Soratra ara-tsindrimandry. (2 Timoty 3:16). Azo antoka fa izany no asa soratra lehibe indrindra natao hatramin’izay! Tsy isalasalana fa nitarika ny fanaovana kopia niverimberina an’ireny teny masina ireny tao anatin’ireo taonjato i Jehovah, mba hahafahan’izy ireny ho tonga atỳ amintsika amin’ny endriny azo itokiana. Moa ve isika tsy velom-pisaorana noho i Jehovah nampanao an-tsoratra ny teniny, fa tsy niantehitra tamin’ny fampitana izany am-bava? — Ampitahao amin’ny Eksodosy 34:27, 28.
13. Inona no manaporofo fa nahay nanoratra ny Isiraelita?
13 Tamin’ny andro fahiny, dia ny ambony saranga ihany no nahay taratasy, toy ireo mpanora-dalàna tany Mezopotamia sy Egypta. Nifanohitra be tamin’ireo firenena kosa fa ny rehetra teo amin’ny Isiraely no nampirisihina hahay taratasy. Ilay baiko ao amin’ny Deoteronomia 6:8, 9 mba hanoratan’ny Isiraelita teo amin’ny tolam-baravaran’ny tranony, na dia miharihary aza fa tamin’ny heviny ara-panoharana, dia te hilaza fa nahay nanoratra izy ireo. Raha mbola kely dia kely ireo ankizy dia nampianarina hanoratra. Ny Kalandrien’i Gezer, iray amin’ireo sora-tanana hebreo tranainy indrindra, dia noheverin’ny manam-pahaizana sasany ho fanazaran-tena ho amin’ny fitadidiana ho an’ny zazalahy kely nankany an-tsekoly.
14, 15. Inona avy ireo fomba andraisan-tsoa sy madio hampiasana ny fahaizana manoratra?
14 Amin’ny ahoana anefa no ahafahantsika mampiasa amin’ny fomba andraisan-tsoa sy madio ny fahaizana manoratra? Izany dia azo antoka fa amin’ny fandraisana an-tsoratra any amin’ireo fivoriana kristiana sy fivoriamben’ny fizaran-tany ary fivoriamben’ny distrika. Ny taratasy iray, na dia soratana amin’ny “teny vitsivitsy” aza, dia afaka manolotra fampaherezana ho an’ny olona marary iray, na milaza fisaorana amin’ny rahalahy na anabavy ara-panahy iray izay naneho hatsaram-panahy na fahaiza-mampiantrano vahiny tamintsika. (1 Petera 5:12). Raha misy namoy olon-tiana iray tamin’ny fahafatesana ao amin’ny kongregasiona, ny taratasy fohy na carte kely iray dia afaka misolo toerana antsika mba ‘hanome toky’ azy. (1 Tesaloniana 5:14). Hoy ny nohazavain’ny anabavy kristiana iray izay namoy ny reniny noho ny kansera: “Nanoratra taratasy nahafinaritra iray ho ahy ny namako iray. Tena nanampy ahy ilay izy, satria afaka namerimberina namaky azy aho.”
15 Ny fomba iray faran’izay tsara ampiasana ny fahaizana manoratra dia mba hiderana an’i Jehovah amin’ny fanoratana taratasy mba hitoriana momba ilay Fanjakana. Indraindray, dia mety ho tena ilaina ny manohy mifandray amin’ireo olona vao liana monina any amin’ny faritra mitokana. Ny aretina dia mety hanasarotra vetivety ny handehananao isan-trano. Amin’izay angamba ny taratasy iray dia afaka milaza an-tsoratra izay ho nolazainao mivantana, raha ny ara-dalàna.
16, 17. a) Fanandraman-javatra inona no manaporofo ny hasarobidin’ny fanoratana taratasy mba hitoriana momba ilay Fanjakana? b) Afaka mitantara fanandraman-javatra mitovy amin’izany ve ianao?
16 Diniho izao fanandraman-javatra izao. Taona maro lasa izay, dia nanoratra taratasy iray ny Vavolombelona iray mba hitoriana momba ilay Fanjakana tamin’ny vehivavy iray maty vady, izay nambara tao amin’ny gazety teo an-toerana ny nahafatesan’ny vadiny. Tsy nisy valiny. Avy eo, tamin’ny Novambra 1994, 21 taona mahery tatỳ aoriana, ilay Vavolombelona dia nahazo taratasy avy tamin’ny zanakavavin’ilay ramatoa nanoratany. Hoy ny nosoratan’ilay zanakavavy:
17 “Tamin’ny Aprily 1973, dia nanoratra tamin’ny reniko ianao mba hampiononana azy taorian’ny nahafatesan’ny raiko. Sivy taona aho tamin’izay. Nianatra ny Baiboly tokoa ny reniko, hatramin’izao anefa izy dia mbola tsy mpanompon’i Jehovah. Kanefa, ny fianarany tamin’ny farany dia nitarika ahy hifandray tamin’ny fahamarinana. Tamin’ny 1988, dia nanomboka ny fianarako ny Baiboly aho — 15 taona taorian’ny nahazoana ny taratasinao. Tamin’ny 9 Martsa 1990, dia natao batisa aho. Velom-pisaorana aoka izany aho noho ilay taratasinao tamin’ny taona maro lasa, sady faly aoka izany mampahafantatra aminao fa ireny voa nambolenao ireny dia tena nitombo tokoa, noho ny fanampian’i Jehovah. Nomen’ny reniko ahy ny taratasinao mba hotahiriziko, ary maniry hahafantatra anao aho. Manantena aho fa ho tonga any aminao itỳ taratasy itỳ.” Ny taratasin’ilay zanakavavy, izay nisy ny adiresiny sy ny nomeraon’ny telefaoniny, dia tena tonga tany amin’ilay Vavolombelona nanoratra taona maro lasa izay. Alao sary an-tsaina ny fahagagan’io vehivavy tanora io rehefa nahazo antso an-telefaonina avy tamin’ilay Vavolombelona izy — ilay Vavolombelona izay mbola manoratra taratasy ihany mba hizarana ny fanantenana ny amin’ilay Fanjakana amin’ny hafa!
Fitomboana ara-tsaina sy ara-pitondran-tena ary ara-panahy
18. Tamin’ny andron’ny Baiboly, ahoana no nikarakaran’ny ray aman-dreny ny fanabeazana ara-tsaina sy ara-pitondran-tenan’ireo zanany?
18 Ny zava-kendrena fahatelo dia hoe ny fampianarana voalanjalanja dia tokony hanampy antsika hitombo ara-tsaina sy ara-pitondran-tena. Tamin’ny andron’ny Baiboly, ny fanabeazana ara-tsaina sy ara-pitondran-tena ny ankizy dia noheverina ho toy ny iray tamin’ireo adidy lehibe indrindran’ny ray aman-dreny. Ireo ankizy dia tsy vitan’ny hoe nampianarina hamaky teny sy hanoratra fotsiny, fa ny zava-dehibe kokoa, dia nampianarina ny Lalàn’Andriamanitra koa, ka tafiditra tamin’izany ny zavatra rehetra nataony teo amin’ny fiainana. Araka izany, dia tafiditra tamin’ny fanabeazana ny fampianarana momba ireo adidiny ara-pivavahana, ireo fotopoto-pitsipika nanapaka ny fanambadiana sy ny fifandraisan’ny mpianakavy ary ny fari-pitondran-tena teo amin’ny lahy sy ny vavy, ary koa momba ireo adidiny teo anatrehan’ny mpiara-belona taminy. Ny fanabeazana toy izany dia nanampy azy ireo hitombo, tsy ara-tsaina sy ara-pitondran-tena ihany, fa ara-panahy koa. — Deoteronomia 6:4-9, 20, 21; 11:18-21.
19. Aiza no mety hahitantsika fanabeazana izay hampiseho amintsika ireo fari-pitsipika ara-pitondran-tena tsara indrindra mba harahina eo amin’ny fiainana, sy hanampy antsika hitombo ara-panahy?
19 Ahoana ny amin’izao andro izao? Zava-dehibe ny fanabeazana tsy ara-pivavahana tsara. Manampy antsika hitombo ara-tsaina izy io. Aiza anefa no azontsika itodihana mba hahazoana fanabeazana izay hampiseho amintsika ireo fari-pitsipika ara-pitondran-tena tsara indrindra mba harahina eo amin’ny fiainana, sy hanampy antsika hitombo ara-panahy? Ao anatin’ny kongregasiona kristiana isika dia afaka mahazo fandaharam-pampianarana teokratika izay tsy azo any an-toeran-kafa na aiza na aiza eto ambonin’itỳ tany itỳ. Amin’ny alalan’ny fianarantsika manokana ny Baiboly sy ireo zavatra vita an-tsoratra miorina amin’ny Baiboly, ary koa amin’ny alalan’ny fampianarana omena any amin’ireo fivorian’ny kongregasiona sy fivoriamben’ny fizaran-tany ary fivoriamben’ny distrika, isika dia afaka mandray izao fampianarana tsy voavidim-bola aman-karena sy mitohy izao — fampianarana araka an’Andriamanitra — maimaim-poana! Inona no ampianarin’izy io antsika?
20. Inona no ampianarin’ny fampianarana araka an’Andriamanitra antsika, ary inona no vokatra azo avy amin’izany?
20 Rehefa manomboka mianatra ny Baiboly isika, dia mianatra fampianarana fototra araka ny Soratra Masina, dia “ny abidim-pianarana”. (Hebreo 6:1). Arakaraka ny anohizantsika izany, dia mandray “ventin-kanina” isika — izany hoe fahamarinana lalina kokoa. (Hebreo 5:14). Mihoatra noho izany anefa fa mianatra fotopoto-pitsipika araka an’Andriamanitra izay mampianatra antsika ny fomba fiaina araka ny itiavan’Andriamanitra azy, isika. Ohatra, mianatra manalavitra fahazarana sy fanao izay ‘mandoto ny nofo’ isika, sy hanana fanajana ny fahefana sy fanajana ny tenan’ny olona sy ny fananan’ny hafa. (2 Korintiana 7:1; Titosy 3:1, 2; Hebreo 13:4). Fanampin’izany, dia manjary takatsika ny maha-zava-dehibe ny fanaovana ny marina, sy ny fahazotoana eo amin’ny asantsika, ary ny hasarobidin’ny fananana fiainana mifanaraka amin’ireo baikon’ny Baiboly momba ny fari-pitondran-tena eo amin’ny lahy sy ny vavy. (1 Korintiana 6:9, 10; Efesiana 4:28). Arakaraka ny anaovantsika fandrosoana eo amin’ny fampiharana ireo fotopoto-pitsipika ireo eo amin’ny fiainantsika, dia mitombo ara-panahy isika, ary mihalalina ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra. Ambonin’izany, ny fitondran-tena araka an’Andriamanitra ananantsika dia mahatonga antsika ho olom-pirenena tsara, na aiza na aiza toerana onenantsika. Ary izany dia mety hanosika ny hafa hidera ilay Loharanon’io fampianarana araka an’Andriamanitra io — i Jehovah Andriamanitra. — 1 Petera 2:12.
Fampiofanana azo ampiharina eo amin’ny fiainana andavanandro
21. Fampiofanana azo nampiharina inona no azon’ireo ankizy tamin’ny andron’ny Baiboly?
21 Ny tanjona fahefatry ny fampianarana voalanjalanja dia ny hanome ho an’ny olona iray ny fampiofanana azo ampiharina izay ilaina eo amin’ny fiainana andavanandro. Tafiditra tao amin’ny fanabeazana nataon’ny ray aman-dreny tamin’ny andron’ny Baiboly ny fampiofanana azo nampiharina. Ireo zazavavy dia nampianarina fahaiza-manao zavatra tao an-tokantrano. Ny toko farany ao amin’ny Ohabolana dia mampiseho fa tsy maintsy ho maro sy samy hafa izy ireny. Araka izany, ireo zazavavy dia nanjary voaomana hanao ny famolesana sy ny fanenomana ary ny fahandroan-tsakafo, sy hikarakara ny fitantanana ankapobe ny ankohonana sy ny raharaham-barotra ary ny momba ny fivarotana na fividianan-tany. Ireo zazalahy mazàna dia nampianarina ny asan’ny rainy, na fambolena izany na asa tanana. I Jesosy dia nianatra ny fandrafetana tamin’i Josefa, rainy nitaiza azy; ka noho izany izy dia tsy nantsoina hoe “ilay Zanaky ny mpandrafitra” fotsiny, fa “ilay mpandrafitra” koa. — Matio 13:55; Marka 6:3.
22, 23. a) Tokony hanomana ny ankizy ho amin’inona ny fampianarana? b) Inona no tokony ho antony manosika antsika eo am-pisafidianana fianarana fanampiny rehefa mety ho toa tena ilaina izany?
22 Amin’izao andro izao koa, dia tafiditra ao amin’ny fanabeazana voalanjalanja ny fanomanana ho amin’ny fikarakarana izay ilain’ny fianakaviana indray andro any. Ireo tenin’ny apostoly Paoly ao amin’ny 1 Timoty 5:8, dia milaza fa andraikitra masina ny fanomezana izay ilain’ny fianakavian’ny tena. Hoy ny nosoratany: “Fa raha misy tsy mamelona ny azy, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nanda ny finoana izy ka ratsy noho ny tsy mino aza.” Ny fanabeazana àry dia tokony hanomana ny ankizy ho amin’ireo andraikitra hiantsorohany eo amin’ny fiainana ary koa hanomana azy mba ho tonga mpikambana miasa mafy eo amin’ny fiaraha-monina hisy azy.
23 Toy inona ny habetsahan’ny fampianarana tsy ara-pivavahana tokony hokatsahintsika? Mety hiova arakaraka ny tany izany. Kanefa, raha mitaky fampiofanana ho fanampin’ny faran’izay kely takin’ny lalàna ny tsenan’asa, dia anjaran’ny ray aman-dreny ny manoro lalana ny zanany eo am-panaovana fanapahan-kevitra momba ny fampianarana na fampiofanana fanampiny, ka hotombanany ireo soa mety horaisina ary koa ireo sorona hotakin’ny fianarana fanampiny toy izany. Inona anefa no antony tokony hanosika ny olona iray eo am-pisafidianana fianarana fanampiny, rehefa mety ho toa tena ilaina izany? Azo inoana fa tsy ny harena, na ny voninahitra aman-daza ho an’ny tena. (Ohabolana 15:25; 1 Timoty 6:17). Tadidio ilay lesona nianarantsika avy tamin’ny ohatr’i Jesosy dia ny hoe — ny fampianarana dia tokony hampiasaina mba hiderana an’i Jehovah. Raha mifidy ny hahazo fianarana fanampiny isika, ny antony manosika antsika dia tokony ho ny faniriana hahavelon-tena araka ny antonona mba hahafahantsika hanompo an’i Jehovah amin’ny fomba feno araka izay azo atao eo amin’ny fanompoana kristiana. — Kolosiana 3:23, 24.
24. Lesona inona nianarana avy tamin’i Jesosy no tsy tokony hohadinointsika na oviana na oviana?
24 Aoka àry isika hazoto eo amin’ny ezaka ataontsika mba hahazoana fampianarana tsy ara-pivavahana voalanjalanja. Enga anie isika hanararaotra amin’ny fomba feno ilay fandaharam-pampianarana araka an’Andriamanitra mitohy izay omena ao anatin’ny fandaminan’i Jehovah. Ary enga anie isika tsy hanadino na oviana na oviana ilay lesona sarobidy nianarantsika avy tamin’i Jesosy Kristy, ilay lehilahy nahazo fampianarana tsara indrindra ka nandia itỳ tany itỳ — ny fampianarana dia tokony hampiasaina, tsy hanomezam-boninahitra ny tenantsika, fa mba hiderana ilay Mpampianatra lehibe indrindra amin’ny rehetra, dia i Jehovah Andriamanitra!
Inona no valin-teninao?
◻ Tamin’ny fomba ahoana no nampiasan’i Jesosy ny fampianarana azony?
◻ Nahoana no zava-dehibe ny hahaizana mamaky teny tsara?
◻ Ahoana no mety hampiasantsika ny fahaizantsika manoratra mba hiderana an’i Jehovah?
◻ Ahoana no anampian’ny fampianarana araka an’Andriamanitra antsika mba hitombo ara-pitondran-tena sy ara-panahy?
◻ Fampiofanana azo ampiharina inona no tokony ho tafiditra ao amin’ny fanabeazana voalanjalanja?
[Efajoro, pejy 13]
Fanampiana Mahasoa ho An’ireo Mpanabe
Tamin’ny Fivoriamben’ny Distrika “Mpidera An’Andriamanitra Amim-pifaliana”, nandritra ny 1995/1996, ny Fikambanana Watch Tower dia namoaka bokikely vaovao iray nitondra ny lohateny hoe Ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny Fampianarana. Io bokikely 32 pejy miloko io, dia navoaka manokana ho an’ireo mpanabe. Hatramin’izao izy io dia efa nadika tamin’ny fiteny 58.
Nahoana no misy bokikely iray ho an’ireo mpanabe? Mba hanampiana azy ireo hahatakatra tsara kokoa ny zavatra inoan’ireo mpianatra izay zanaka Vavolombelon’i Jehovah. Inona no raketin’ilay bokikely? Amin’ny fomba mora azo sy mampiorina, izy io dia manazava ny fomba fihevitray ireo raharaha iadian-kevitra toy ny fianarana fanampiny, ny fitsingerenan’ny andro nahaterahana sy ny Krismasy ary ny fiarahabana saina. Ilay bokikely koa dia manome antoka indray an’ireo mpanabe fa irinay ny handraisan’ny zanakay soa faran’izay betsaka amin’ny fianarana ataony ary tianay ny hiara-miasa amim-pahatsorana amin’ireo mpanabe, amin’ny fanehoana fahalianana amin’ny fomba marisika amin’ny fianaran-janakay.
Ahoana no azo ampiasana ny bokikely Fampianarana? Koa satria nomanina ho an’ny mpanabe izy io, dia aoka isika hizara azy io amin’ireo mpampianatra, tale sy manam-pahefana hafa any an-tsekoly. Enga anie itỳ bokikely vaovao itỳ hanampy ireny mpanabe rehetra ireny mba hahatakatra ny fihevitray sy ny zavatra inoanay ary ny antony hitakianay indraindray ny zo tsy hitovy amin’ny hafa. Ampirisihina ny ray aman-dreny hampiasa ilay bokikely ho toy ny fototra ho an’ny fiaraha-midinika manokana atao amin’ireo mpanabe ny zanany.
[Sary, pejy 10]
Teo amin’ny Isiraely fahiny, dia noheverina ho tena zava-dehibe ny fampianarana