Hita Hatraiza Hatraiza ny Herisetra
RAHA nipetraka tao anaty fiarakodiany niandry ny hiovan’ny jiro ho an’ny fifamoivoizana ilay mpamily, dia nahamarika tampoka lehilahy ngezabe tamy nanatona azy, nikiakiaka niteny ratsy, nanangana sy nanetsiketsika ny totohondriny. Niolomay ilay mpamily nanamafy hidy ny varavarany sy nanidy ny varavarankeliny, nefa nanohy nanatona ilay lehilahy ngezabe. Rehefa tonga ilay lehilahy, dia nanozongozona ilay fiara sy nisintona ny varavarany. Tamin’ny farany, noho ny fahakiviana, dia nanainga ny totohondriny ngezabe izy ary namaky ny pare-brise, ka nanamontsamontsana azy.
Moa ve izany sary avy tamin’ny sarimihetsika mampitaintaina? Tsia! Ady teny amin’ny fifamoivoizana izany, tany amin’ny nosin’i Oahu, any Hawaii, fantatra amin’ny rivo-piainany tsy misy tabataba sy milamina.
Tsy mahagaga izany. Hidim-baravarana, tsivalan-kazo amin’ny varavarankely, mpitandro ny filaminana any amin’ireo trano lehibe, sy soratra amin’ny aotobisy mihitsy aza manao hoe: “Tsy mitondra lelavola ny mpamily” — izany rehetra izany dia manondro zavatra iray: Hita hatraiza hatraiza ny herisetra!
Herisetra any an-tokantrano
Ny tokantrano dia nankamamina nandritra ny fotoana lava ho toeram-pialofana hahitan’ny olona fiarovana. Miova haingana anefa izany sary tsotra sy mahafinaritra izany. Ny herisetra ao anatin’ny fianakaviana, tafiditra amin’izany ny fampijaliana ankizy, fikapohana vady, sy famonoana olona, dia nanjary matoam-baovao manerana izao tontolo izao.
Ohatra, “ankizy fara fahakeliny 750 000 any Grande-Bretagne no mety hijaly noho ny fikorontanana anaty maharitra satria izy ireo tsy voaro tamin’ny herisetra tao an-trano”, hoy ny nolazain’ny Manchester Guardian Weekly. Ilay tatitra dia niorina tamin’ny fanadihadiana iray izay nahita koa fa “vehivavy telo tamin’ny efatra nanontaniana no nilaza fa ny zanany dia efa nahita fisehoan-javatra feno herisetra, ary efa ho roa ampahatelon’ireo ankizy no efa nahita ny reniny nokapohina”. Mitovy amin’izany, araka ny U.S.News & World Report, ny Fikambanana Manolo-tsaina Amerikana Momba ny Fampijaliana sy ny Fanaovana Tsirambina ny Ankizy dia maminavina fa “ankizy 2 000, ny ankamaroany dia latsaka ny 4 taona, no maty isan-taona noho ny ataon’ny ray aman-dreny na mpitaiza.” Izany dia be kokoa noho ny fahafatesana ateraky ny lozam-pifamoivoizana, fahafatesana an-drano, na fianjerana, hoy ilay tatitra.
Tafiditra amin’ny herisetra ao an-trano koa ny fampijaliana vady, izay alahatra manomboka amin’ny fanosehana ka hatramin’ny fanatefahana, fandakana, fanakendana, fikapohana, fandrahonana amin’ny antsy na basy, na famonoana mihitsy aza. Ary amin’izao andro izao, io endrika herisetra io dia mihatra amin’ny andaniny roa. Ny fandinihana iray dia nahita fa tamin’ireo herisetra teo amin’ny mpivady nanaovana tatitra, dia tokony ho ampahefatry ny toe-javatra no natombok’ilay lehilahy, ampahefany hafa natombok’ilay vehivavy, ary ny ambiny dia azo lazalazaina tsara ho fifamaliana mafy izay samy azo anomezan-tsiny ny andaniny roa.
Herisetra any amin’ny toeram-piasana
Any ivelan’ny tokantrano dia ny toeram-piasana no toerana mahazatra ahitan’ny olona filaminana sy fanajana ary fahalalam-pomba. Toa hita fa tsy izany intsony anefa no izy. Ohatra, ny statistika navoakan’ny Sampan-draharaha Amerikana Momba ny Fitsarana dia mampiseho fa isan-taona dia olona maherin’ny 970 000 no niharan’ny heloka bevava feno herisetra tany amin’ny toeram-piasana. Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia “mpiasa iray ao anatin’ny efatra no mety hiharan’ny endrika herisetra iray any am-piasana”, araka ny tatitra tao amin’ny Professional Safety — Journal of the American Society of Safety Engineers.
Ny tena mampanahy dia hoe ny herisetra any amin’ny toeram-piasana dia tsy voafetra ho amin’ny fifamaliana mafy sy ny fanendrikendrehana. “Ny herisetra ataon’ny mpiasa amin’ny fomba voafaritra tsara mba hamelezana ireo mpampiasa na mpiasa hafa ankehitriny dia ny sokajina famonoana olona mitombo haingana indrindra eto Etazonia”, hoy ny nolazain’ilay tatitra teo ihany. Tamin’ny 1992, dia loza nahatonga fahafatesana 1 amin’ny 6 mifandray amin’ny asa no famonoana olona; ho an’ny vehivavy, ny isa dia efa ho 1 amin’ny 2. Tsy azo lavina fa misy onjan-kerisetra manenika ilay toeram-piasana nilamina teo aloha.
Herisetra amin’ny fanatanjahan-tena sy ny fialam-boly
Narahina ho toy ny fomba fialana voly na fanariana dia mba hamelombelomana olona iray noho ny raharaha lehibe kokoa atao eo amin’ny fiainana ny fanatanjahan-tena sy ny fialam-boly. Amin’izao andro izao, ny fialam-boly dia indostria mampiditra dolara an-tapitrisany maro. Mba hahazoana ampahany lehibe araka izay azo atao avy amin’izany tsena ahazoan-tombony be izany, dia tsy mahatsiaro rikoriko ireo mpamatsy entana mampiasa izay fomba rehetra eo am-pelatanany. Ary iray amin’ireny fomba ireny ny herisetra.
Ohatra, ny gazety momba ny fandraharahana iray antsoina hoe Forbes, dia nanao tatitra fa ny mpamokatra lalao vidéo iray dia nanana lalao be mpitia misy ady izay anongotan’ny mpiady iray ny loha sy ny hazondamosin’ilay mpifanandrina aminy raha mbola mihirahira ireo mpijery hoe: “Tapero ny ainy! Tapero ny ainy!” Ny endriny iray tamin’ilay lalao teo ihany natao ho an’ny kompania mpifaninana iray anefa dia tsy nisy izany ra mandriaka izany. Ny vokany? Ilay feno herisetra kokoa dia nahalafo betsaka kokoa noho ilay mpifaninana taminy, tamin’ny ara-keviny 3 amin’ny 2. Ary izany dia midika ho vola be. Rehefa tonga teny amin’ny tsena ny endriny azo lalaovina any an-trano tamin’ireny lalao ireny, ireo kompania dia nahazo tombony afa-karatsaka 65 tapitrisa dolara (275 860 000 000 FMG) maneran-tany tao anatin’ny tapa-bolana voalohany! Rehefa tafiditra ny fahazoan-tombony, ny herisetra dia fandrika iray hafa anjonoana ny mpividy.
Ny herisetra amin’ny fanatanjahan-tena dia raharaha hafa tanteraka. Ireo mpilalao mazàna dia mirehareha amin’izay fahasimbana azon’izy ireo zaraina. Tamin’ny lalao hockey iray natao tamin’ny 1990, ohatra, dia nisy pénalités niisa 86 — isa ambony indrindra hatramin’izay. Ilay lalao dia naato noho ny korontana naharitra adiny telo sy sasany. Notsaboina noho ny fahavakian’ny taolana tamin’ny karandoha sy ny kiaka teo amin’ny sarontapotsimaso ary ny ratra ny mpilalao iray. Nahoana no misy herisetra toy izany? Nanazava toy izao ny mpilalao iray: “Rehefa mandresy amin’ny lalao tena nampihetsi-po sy misy ady be dia be ianao, dia mody any an-trano ary mahatsapa ny tenanao ho akaiky kely kokoa an’ireo mpiara-milalao aminao. Heveriko fa ireo ady no nahatonga azy ho lalao tena ara-panahy.” Ao amin’ny fanatanjahan-tena maro be amin’izao andro izao, ny herisetra dia toa, tsy ny fomba ahatongavana amin’ny zava-kendrena fotsiny, fa ilay zava-kendrena mihitsy.
Herisetra any an-tsekoly
Ny sekoly dia noheverina foana ho toeram-piarovana izay ahafahan’ny tanora mamela any aoriany ny fanahiany rehetra sy mifantoka amin’ny fampitomboana ny sainy sy ny vatany. Amin’izao andro izao anefa, ny sekoly dia tsy izany toerana misy fiarovana sy tsy fananana ahiahy izany intsony. Ny fitsapan-kevitra Gallup natao tamin’ny 1994 dia nahitana fa ny herisetra sy ny andian-jiolahim-boto dia mahaforona ny zava-manahirana voalohany any amin’ireo sekolim-panjakana any Etazonia, mihoatra noho ny zava-manahirana ara-bola, izay loha laharana tamin’ny taona teo aloha. Ratsy toy inona moa ny toe-javatra?
Tamin’ilay fanontaniana hoe: “Mba efa niharan’ny asa feno herisetra izay nitranga tao anatiny na nanodidina ny sekoly ve ianao?” dia mpianatra efa ho 1 isaky ny 4 tao amin’ilay fanadihadiana no namaly hoe eny. Maherin’ny ampahafolon’ny mpampianatra koa no namaly hoe eny. Io fanadihadiana io ihany no nahita fa 13 isan-jaton’ny mpianatra, zazalahy sy zazavavy, no niaiky fa efa nitondra fitaovam-piadiana tany an-tsekoly tamin’ny fotoana iray na tamin’ny fotoana hafa. Ny ankamaroan’izy ireo dia nilaza fa nanao izany mba hanairana ny hafa fotsiny na mba hiarovan-tena. Ny mpianatra iray 17 taona, anefa, dia nitifitra ny mpampianatra azy teo amin’ny tratrany rehefa niezaka nanala ny basiny itỳ farany.
Kolontsaina feno herisetra iray
Tsy azo lavina fa hita hatraiza hatraiza ny herisetra amin’izao andro izao. Ao an-tokantrano, any am-piasana, any an-tsekoly, sy ao amin’ny fialam-boly, dia miatrika kolontsaina feno herisetra iray isika. Koa satria iainana isan’andro izy io, dia manjary manaiky azy ho toy ny zavatra ara-dalàna ny maro — mandra-pahavoa azy ireo. Amin’izay fotoana izay izy ireo dia manontany hoe: Hifarana ve izy io indray andro any? Tianao koa ve ny hahafantatra ny valiny? Raha izany dia vakio, aza fady, ny lahatsoratra manaraka.