Tafaray ao Amin’ny Fanompoana An’Andriamanitra na Amin’ny Mora na Amin’ny Sarotra
Notantarain’i Michel sy i Babette Muller
“MANANA vaovao ratsy ho anareo aho”, hoy ilay dokotera. “Azonareo hadinoina ny fiainana misionera nanananareo tany Afrika.” Raha nijery tany amin’i Babette vadiko izy dia niteny hoe: “Voan’ny kanseran’ny nono ianao.”
Tankina izahay. Zavatra maro be no nifamahofaho tao an-tsainay. Nihevitra izahay fa ho fizahana farany fotsiny io fitsidihana tany amin’ny dokotera io. Efa voavidy ny billet hiverenana teto Bénin, atỳ Afrika Andrefana. Nanantena izahay fa ho tafaverina teto, tao anatin’ny herinandro. Nandritra ireo 23 taona nivadianay, dia nandalo tamin’ny mora sy ny sarotra izahay. Noho izahay sahiran-tsaina sy feno tahotra, dia tapa-kevitra mafy ny hiady tamin’ny kansera izahay izao.
Aoka isika hanomboka hatrany am-piandohany. Teraka tamin’ny Septambra 1947 i Michel, ary i Babette tamin’ny Aogositra 1945. Nihalehibe tany Frantsa izahay ary nivady tamin’ny 1967. Nipetraka tao Paris izahay. Indray maraina, tany am-piandohan’ny 1968, dia tara i Babette tamin’ny fandehanana hiasa. Nisy ramatoa tonga teo am-baravarana ka nanolotra azy bokikely ara-pivavahana iray; noraisiny ilay izy. Hoy ilay ramatoa avy eo: “Afaka miverina miaraka amin’ny vadiko ve aho mba hiresaka aminao sy ny vadinao?”
Nieritreritra ny amin’ny asany i Babette. Naniry ny handehanan’ilay vehivavy izy ka niteny hoe: “Eny e! Eny e!”
Mitantara toy izao i Michel: “Tsy liana tamin’ny fivavahana mihitsy aho, fa nanintona ny masoko ilay bokikely ka namaky azy aho. Andro vitsivitsy taorian’izay dia niverina niaraka tamin’i Claude vadiny ilay ramatoa, dia i Joceline Lemoine. Tena kinga teo amin’ny fampiasany ny Baiboly i Claude. Nanana valiny ho an’ny fanontaniako rehetra izy. Talanjona aho.
“Katolika tsara i Babette, saingy tsy nanana Baiboly izy, ka izany dia tsy nahalana ho an’ny Katolika. Tena nientam-po izy nahita sy namaky ny Tenin’Andriamanitra. Avy tamin’ny fianaranay, dia fantatray fa diso ny maro tamin’ireo hevitra ara-pivavahana izay nampianarina anay. Nanomboka niresaka tamin’ireo havana aman-tsakaizanay ny amin’ireo zavatra nianaranay izahay. Tamin’ny Janoary 1969, dia tonga Vavolombelon’i Jehovah vita batisa izahay. Sivy tamin’ireo havana aman-tsakaizanay no natao batisa tsy ela taorian’izay.”
Fanompoana tany amin’izay nilana mpitory
Tsy ela taorian’ny batisanay, dia nieritreritra izahay hoe: ‘Tsy manan-janaka isika. Nahoana raha manao ny fanompoana manontolo andro?’ Tamin’ny 1970 àry dia niala tamin’ny asanay izahay, nirotsaka ho mpisava lalana maharitra, ary nifindra nankany amin’ny tanàna kelin’i Magny-Lormes, any akaikin’i Nevers, ao afovoan’i Frantsa.
Fanendrena sarotra ilay izy. Sarotra ny nahita olona izay naniry hianatra ny Baiboly. Tsy afaka nahita asa fivelomana izahay ka kely vola. Indraindray dia tsy nanana afa-tsy ovy hohanina izahay. Nandritra ny ririnina, dia nidina be ambanin’ny zero ny hatsiaka. Nantsoinay hoe fotoan’ireo ombivavy fito mahia ilay fotoana nolaninay tany. — Genesisy 41:3.
Nanohana anay anefa i Jehovah. Indray andro, rehefa kely sisa dia tsy hanan-tsakafo intsony izahay, dia nanatitra boaty lehibe iray nisy foromazy avy tamin’ny rahavavin’i Babette, ny faktera. Indray andro hafa, dia tonga tao an-trano izahay rehefa avy nitory ary nahita namanay sasany izay nandeha fiara 500 kilaometatra mba hitsidihana anay. Noho ny nandrenesany ny hasarotan’ny toe-javatra, dia nameno hipoka ny fiarany roa tamin’ny sakafo ho anay, ireo rahalahy ireo.
Rehefa afaka herintaona sy tapany, dia nanendry anay ho mpisava lalana manokana ny Fikambanana. Nandritra ireo efa-taona nanaraka, dia nanompo tany Nevers izahay, avy eo tany Troyes, ary farany tany Montigny-lès-Metz. Voatendry hanompo tamin’ny naha-mpiandraikitra ny fizaran-tany tany atsimo-andrefan’i Frantsa i Michel tamin’ny 1976.
Roa taona tatỳ aoriana, nandritra ny sekoly iray ho an’ireo mpiandraikitra ny fizaran-tany, dia nahazo taratasy avy tamin’ny Fikambanana Watch Tower izahay, nanasa anay hankany ivelany amin’ny maha-misionera; nilaza ilay taratasy hoe afaka nifidy izahay na i Tchad, na i Burkina Faso (Haute-Volta tamin’izay). Nifidy an’i Tchad izahay. Tsy ela izahay dia naharay taratasy hafa iray, nanendry anay mba hiasa teo ambanin’ny fitantanan’ny sampana tao Tahiti. Nangataka ho atỳ Afrika, kontinenta goavana iray izahay, kanjo tsy ela dia nahita ny tenanay teo amin’ny nosy kely iray!
Fanompoana tany Pasifika Atsimo
Nosy tropikaly kanto ao Pasifika Atsimo i Tahiti. Rehefa tonga izahay, dia rahalahy tokony ho zato no teo mba hitsena anay teo amin’ny seranam-piaramanidina. Niarahaba anay tonga soa tamin’ny voninkazo natao vakana izy ireo, ary na dia vizana aza izahay taorian’ny dia lavitra nataonay avy tany Frantsa, dia tena faly.
Efa-bolana taorian’ny nahatongavanay tany Tahiti, dia niondrana an-tsambo kely feno entana voaniho maina, izahay. Dimy andro tatỳ aoriana, dia tody tany amin’ilay fanendrena anay vaovao izahay — ny nosy Nuku Hiva, any amin’ireo Nosy Marquises. Olona tokony ho 1 500 no nipetraka teo amin’ilay nosy, saingy tsy nisy rahalahy tany. Izahay ihany.
Tsotra ny toe-piainana tamin’izany fotoana izany. Nipetraka tao amin’ny trano kely iray vita tamin’ny rihibato sy volotsangana izahay. Tsy nisy herinaratra. Nanana raobine izay nandeha indraindray izahay, saingy namotaka ilay rano. Tamin’ny ankamaroan’ny fotoana dia nampiasa ranonorana izay nihandrona tao anaty fitoeran-drano izahay. Tsy nisy lalana voamboatra fa lala-masaka maloto fotsiny.
Mba hahatratrarana ireo tapany lavitra amin’ilay nosy, dia voatery nanofa soavaly izahay. Vita tamin’ny hazo ny lasely — tena tsy nahazoana aina, indrindra fa ho an’i Babette izay mbola tsy nitaingin-tsoavaly mihitsy taloha. Nitondra antsy kalaza izahay mba hikapana ireo volotsangana izay nianjera nitsivalana teo amin’ny lalana. Fiovana lehibe tamin’ny fiainana tany Frantsa izany.
Nanao fivoriana ny alahady izahay na dia izahay roa monja aza no nanatrika. Tamin’ny voalohany dia tsy nanao ireo fivoriana hafa izahay satria tsy nisy afa-tsy izahay roa. Niara-namaky ireo zavatra atao amin’ny fivoriana kosa izahay.
Rehefa afaka volana vitsivitsy, dia nanapa-kevitra izahay fa tsy tsara ny hanohizana toy izany. Mitantara toy izao i Michel: “Niteny tamin’i Babette aho hoe: ‘Tsy maintsy miakanjo araka ny tokony ho izy isika. Ianao mipetraka etsy, ary izaho hipetraka eto. Hanomboka amin’ny vavaka aho, ary avy eo dia hanao ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika sy ny Fivoriana Momba ny Fanompoana isika. Hametraka ireo fanontaniana aho, ary ianao hamaly, na dia ianao ihany aza no hany olon-kafa ato amin’ny efitrano.’ Tsara ny nanaovanay izany satria mora ny manjary migoragora ara-panahy rehefa tsy misy kongregasiona.”
Naka fotoana ny nanaovana izay hahatongavan’ny olona tany amin’ireo fivoriana kristiana nataonay. Izahay roa irery no tao nandritra ireo valo volana voalohany. Tatỳ aoriana, dia nisy iray, roa, na telo hafa indraindray, niaraka taminay. Indray taona, dia izahay roa monja no nanomboka ny fankalazana isan-taona ny Sakafo Harivan’ny Tompo. Rehefa afaka folo minitra, dia tonga ny olona sasany, koa niato aho ary dia nanomboka indray ilay lahateny.
Amin’izao andro izao, dia misy mpitory 42 sy kongregasiona telo any amin’ireo Nosy Marquises. Na dia nataon’ireo nandimby anay aza ny ampahany lehibe indrindra tamin’ilay asa, dia misy olona sasany izay nifandraisanay tamin’izay, vita batisa ankehitriny.
Sarobidy ireo rahalahintsika
Nianatra faharetana izahay tany Nuku Hiva. Voatery niandry ny zava-drehetra izahay afa-tsy ireo zavatra fototra faran’izay ilaina ihany. Raha nila boky ianao, ohatra, dia voatery nanoratra mba hahazoana azy io ianao, avy eo dia niandry nandritra ny roa na telo volana alohan’ny hahatongavany.
Lesona hafa iray nianaranay ny hoe sarobidy ireo rahalahintsika. Rehefa nitsidika an’i Tahiti izahay ka nanatrika fivoriana ary nandre ireo rahalahy nihira, dia latsa-dranomaso izahay. Mety ho marina fa misy rahalahy sasany sarotra ifankahazoana, kanefa rehefa irery ianao, dia takatrao ny hatsaran’izany hoe miaraka amin’ireo rahalahy. Tamin’ny 1980 ny Fikambanana dia nanapaka ny tokony hiverenanay tany Tahiti ka hanompoanay tao amin’ny asan’ny fizaran-tany. Tany izahay dia nahazo fampaherezana lehibe tamin’ny fandraisam-bahiny mafana nataon’ireo rahalahy sy tamin’ny fitiavan’izy ireo ny asa fitoriana. Nandany telo taona tao amin’ny asan’ny fizaran-tany tao Tahiti izahay.
Fitetezana nosy
Nanaraka izany izahay dia voatendry tany amin’ny tranon’ny misionera tany Raïatéa, nosy hafa iray ao Pasifika, ary nijanona tany tokony ho roa taona izahay. Taorian’i Raïatéa, dia voatendry ho amin’ny asan’ny fizaran-tany tany amin’ny vondro-nosy Tuamotu izahay. Nitsidika ny 25 tamin’ireo nosy 80 izahay, nandeha sambo. Sarotra izany ho an’i Babette. Isaky ny nandeha an-tsambo izy, dia nisalebolebo tsy nahazaka.
Hoy i Babette: “Mafy izany an! Nisalebolebo tsy nahazaka aho nandritra ny fotoana rehetra nolaninay teny ambony sambo. Raha teny an-dranomasina dimy andro izahay, dia nisalebolebo tsy nahazaka aho dimy andro. Tsy nisy fanafody nandaitra tamiko. Kanefa na dia teo aza ny salebolebo noho ny tsy fahazakako, dia nihevitra aho fa kanto ny oseana. Faritra taza-maso mahatalanjona ilay izy. Ireo lambon-driaka dia nifaninana hazakazaka tamin’ilay sambo. Matetika izy ireo dia niantsambotra avy tao anaty rano raha nitehaka ianao!”
Rehefa afaka dimy taona tao amin’ny asan’ny fizaran-tany, dia voatendry indray ho any Tahiti nandritra ny roa taona izahay, ary nandany fotoana nahafinaritra indray teo amin’ny asa fitoriana. Nitombo avo roa heny ny kongregasionanay, nisy mpitory 35 tonga 70 tao anatin’ny herintaona sy tapany. Ny roa ambin’ny folo tamin’ireo olona niara-nianatra ny Baiboly taminay dia natao batisa talohan’ny niainganay indrindra. Loholona ao amin’ny kongregasiona izao ny sasany amin’izy ireo.
Tamin’ny fitambarany, dia nandany 12 taona tany Pasifika Atsimo izahay. Avy eo dia naharay taratasy avy tamin’ny Fikambanana izahay, nilaza fa tsy nila misionera tany amin’ireo nosy intsony izy ireo satria efa natanjaka izao ireo kongregasiona. Nisy mpitory tokony ho 450 fony izahay tonga tany Tahiti, ary maherin’ny 1 000 rehefa niainga izahay.
Afrika, rehefa ela ny ela!
Niverina nankany Frantsa izahay, ary rehefa afaka iray volana sy tapany, dia nanome anay fanendrena vaovao ny Fikambanana — Bénin, Afrika Andrefana. Efa naniry ny hankatỳ Afrika izahay, 13 taona talohan’izay, koa faly dia faly izahay.
Tonga teto Bénin ny 3 Novambra 1990 izahay, ary anisan’ireo misionera voalohany tonga taorian’ny nanafoanana ny fandrarana ny asa fitoriana ilay Fanjakana naharitra 14 taona. Tena nampientam-po ilay izy. Tsy nanan-java-nanahirana izahay niorim-ponenana satria mitovy amin’ny any amin’ireo nosin’i Pasifika ihany ny fiainana. Tena sariaka sy tia mandray vahiny ny olona. Afaka mijanona ianao ary miresaka na amin’iza na amin’iza eny amin’ny arabe.
Herinandro vitsivitsy monja taorian’ny nahatongavanay teto Bénin, dia nahamarika fivontosana kely teo amin’ny nonony i Babette. Koa nankany amin’ny toeram-pitsaboana kely iray teo akaikin’ilay biraon’ny sampana vao niorina izahay. Nizaha azy ny dokotera ary nilaza fa nila fandidiana haingana dia haingana izy. Ny ampitson’iny izahay dia nankany amin’ny toeram-pitsaboana hafa izay nahitanay dokotera eoropeana iray, mpitsabo aretim-behivavy, avy tany Frantsa. Nilaza koa izy io fa tsy maintsy mankany Frantsa haingana izahay mba hahafahana handidy an’i Babette. Roa andro taorian’izay, dia teny ambony fiaramanidina hankany Frantsa izahay.
Nalahelo izahay nandao an’i Bénin. Noho ny fahafahana ara-pivavahana tafaverina indray teto, dia nientam-po ireo rahalahy nahazo misionera vaovao, ary ravoravo izahay tonga teto. Koa nikorontan-tsaina izahay fa tsy maintsy niainga rehefa avy teto herinandro vitsivitsy monja.
Rehefa tonga tany Frantsa izahay, dia nizaha an’i Babette ny mpandidy ary dia nanamafy fa nila fandidiana izy. Nanao zavatra haingana ireo dokotera, nanao fandidiana kely, ary dia namoaka an’i Babette avy tao amin’ny hopitaly ny ampitson’iny. Nihevitra izahay fa izay no faran’ilay raharaha.
Valo andro tatỳ aoriana, dia nihaona tamin’ilay mpandidy izahay. Tamin’izay no nilazany ilay vaovao hoe voan’ny kanseran’ny nono i Babette.
Raha nieritreritra ny amin’izay tsapany tamin’izay fotoana izay i Babette, dia niteny hoe: “Tamin’ny voalohany, dia tsy dia nikorontan-tsaina loatra sahala amin’i Michel aho. Ny andro taorian’ilay vaovao ratsy anefa, dia tsy nanana fihetseham-po aho. Tsy nahatomany aho. Tsy nahatsiky aho. Nihevitra aho fa ho faty. Tamiko, ny kansera dia nitovy tamin’ny fahafatesana. Ny fihetsiko dia hoe: Tsy maintsy manao izay rehetra azonay atao izahay.”
Ny ady tamin’ny kansera
Nandre ilay vaovao ratsy izahay ny zoma, ary nomena fotoana hodidiana fanindroany i Babette ny talata. Nipetraka tany amin’ny rahavavin’i Babette izahay, kanefa narary koa izy io, koa tsy afaka nanohy nipetraka tao amin’ny trano kely nisy azy izahay.
Nanontany tena ny amin’izay toerana ho azonay aleha izahay. Tamin’izay, dia tsaroanay i Yves sy i Brigitte Merda, mpivady nipetrahanay teo aloha. Nampiseho tena fitiavana mandray vahiny taminay io mpivady io. Koa dia niantso an-telefaonina an’i Yves izahay ary nilaza taminy fa nila fandidiana i Babette ary tsy nahita toerana hipetrahana izahay. Nilaza taminy koa izahay fa nila asa i Michel.
Nanome asa an’i Michel tetsy sy teroa tao an-tranony, i Yves. Nanohana sy nampahery anay tamin’ny asa feno hatsaram-panahy maro ireo rahalahy. Nanampy anay ara-bola koa izy ireo. Nandoa ny vola nitsaboana an’i Babette ny Fikambanana.
Lehibe ilay fandidiana. Tsy maintsy nanaisotra ilay atodintarina sy ilay nono ireo dokotera. Natombok’izy ireo avy hatrany ny fitsaboana tamin’ny alalan’ny fanafody. Rehefa afaka herinandro, dia afaka nivoaka ny hopitaly i Babette, saingy tsy maintsy niverina isaky ny roa tokom-bolana izy ho fitsaboana mitohy.
Nandritra ny fotoana nahazoan’i Babette fitsaboana, dia tena nanampy ireo rahalahy tao amin’ny kongregasiona. Fampaherezana lehibe ny anabavy iray izay efa voan’ny kanseran’ny nono koa. Nilaza tamin’i Babette izay tokony hampoizina izy ary nanome azy fampiononana be.
Na dia izany aza, dia nanahy mafy ny amin’ny hoavinay izahay. Nahatsikaritra izany i Michel sy i Jeanette Cellerier, ka nitondra anay nankany amin’ny restaurant mba hisakafo.
Nilaza tamin’izy ireo izahay fa voatery hiala tamin’ny fanompoana amin’ny maha-misionera sy tsy ho afaka hiverina intsony atỳ Afrika. Kanefa hoy ny Rahalahy Cellerier: “Ahoana hoe? Iza no milaza fa voatery hiala ianareo? Ny Fitambara-mpitantana ve? Ireo rahalahy eto Frantsa ve? Iza no nilaza izany?”
“Tsy nisy nilaza izany”, hoy aho namaly, “fa ny tenako no milaza izany.”
“An, an, an!” hoy ny Rahalahy Cellerier. “Hiverina any ianareo!”
Narahin’ny fandefasana taratra ny fitsaboana tamin’ny alalan’ny fanafody, ka izany dia vita tamin’ny faran’ny Aogositra 1991. Nilaza ireo dokotera fa tsy hitany izay zava-manahirana amin’ny fiverenanay any Afrika, raha toa ka niverina tany Frantsa hanao fizahana tsy tapaka i Babette.
Tafaverina teto Bénin
Koa nanoratra tany amin’ny foibe any Brooklyn izahay, nangataka fahazoan-dalana hiverina tao amin’ny fanompoana amin’ny maha-misionera. Nanahy mafy izahay handre ny valin-tenin’izy ireo. Niadam-pandeha ireo andro. Farany, dia tsy nahandry intsony i Michel, ka niantso an-telefaonina ny tany Brooklyn, ary nanontany raha efa naharay ny taratasinay izy ireo. Nilaza izy ireo fa efa nandinika azy io izy ireo — afaka niverina teto Bénin izahay! Velom-pankasitrahana an’i Jehovah toy inona moa izahay!
Nandamina fiaraha-mikorana lehibe ny fianakaviana Merda mba hankalazana ilay vaovao. Tamin’ny Novambra 1991, dia niverina teto Bénin izahay, ary niarahaba anay tonga soa tamin’ny fanasana ireo rahalahy!
Toa tsara izao i Babette. Efa niverina tsy ara-potoana tany Frantsa izahay mba hanao fizahana feno, ary tsy nahita soritry ny kansera ireo dokotera. Ravoravo izahay tafaverina ao amin’ny fanendrena anay ho misionera. Mahatsiaro tena ho ilaina izahay eto Bénin, ary mitahy ny asanay i Jehovah. Hatramin’ny niverenanay dia efa nanampy olona 14 ho amin’ny batisa izahay. Mpisava lalana maharitra ny dimy amin’izy ireo izao, ary ny iray dia voatendry ho mpanampy amin’ny fanompoana. Izahay koa dia nahita ny kongregasiona kelinay nitombo ary avy eo dia nizara ho kongregasiona roa.
Nandritra ireo taona, dia nanompo an’i Jehovah tamin’ny naha-mpivady izahay ary nankafy fitahiana maro no sady nanjary nahafantatra olona mahafinaritra maro. Nampiofanin’i Jehovah sy nohatanjahiny koa anefa izahay mba hiaritra zava-tsarotra amim-pahombiazana. Sahala amin’i Joba, dia tsy takatray foana ny antony nitrangan’ireo zavatra toy ny itrangany, kanefa dia tena fantatray kosa fa teo foana i Jehovah mba hanampy anay. Izany dia araka ny lazain’ny Tenin’Andriamanitra hoe: “Indro, ny tànan’i Jehovah tsy fohy, fa mahavonjy, ary ny sofiny tsy lalodalovana, fa mahare”. — Isaia 59:1.
[Sary, pejy 23]
I Michel sy i Babette Muller manao fomba fitafy mahazatra any Bénin
[Sary, pejy 25]
Asa misionera eo amin’ireo Polyneziana any Tahiti tropikaly