Fanontanian’ny Mpamaky
Hoy i Jesosy: “Ny fahotana izay havelanareo, dia ho voavela, ary izay hotananareo dia ho voatana.” Milaza ve ireo teny ireo fa afaka mamela ny fahotana ny Kristiana?
Tsy misy fototra araka ny Soratra Masina ahafahana manatsoaka hevitra fa manana fahefana avy amin’Andriamanitra hamela fahotana ny Kristiana amin’ny ankapobeny, ary na dia ireo loholona voatendry ao amin’ny kongregasiona aza. Izay nolazain’i Jesosy tamin’ny mpianany ao amin’ny Joany 20:23 (Fandikan-teny Katolika), voalaza etsy ambony anefa, dia manondro fa nanaiky hanome fahefana manokana ho an’ireo apostoly Andriamanitra tamin’io lafiny io. Ary ny filazan’i Jesosy eto dia mety hifandray amin’izay nolazainy tao amin’ny Matio 18:18 momba ireo fanapahan-kevitra raisina any an-danitra.
Afaka mamela heloka sasany ny Kristiana, mifanaraka amin’ny torohevitry ny apostoly Paoly voarakitra ao amin’ny Efesiana 4:32 toy izao: “Aoka samy halemy fanahy amin’ny namany avy hianareo, ka hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka ny namelan’Andriamanitra ny helokareo ao amin’i Kristy.” Teto i Paoly dia niresaka momba ireo zava-manahirana manokana nisy teo amin’ireo Kristiana, toy ny resaka tsy mampiseho fiheverana. Tokony hiezaka mafy mba handamina ireny raharaha ireny izy ireo, ka hifamela heloka. Tsarovy ny tenin’i Jesosy hoe: “Ary amin’izany, raha mitondra ny fanatitrao ho eo amin’ny alitara hianao, ary eo no mahatsiaro fa ny rahalahinao manana alahelo aminao, dia avelao eo anoloan’ny alitara ny fanatitrao, ka mandehana aloha, ataovy izay hihavananao amin’ny rahalahinao, ary rehefa miverina, dia vao atero ny fanatitrao.” — Matio 5:23, 24; 1 Petera 4:8.
Kanefa, ny teny manodidina ny Jaona 20:23 dia mahatonga hihevitra fa nanisy firesahana ny amin’ny fahotana lehibe kokoa i Jesosy, araka ny tondroin’izay mbola nolazainy avy eo tamin’io antokon’olona voafaritra tsara nihaino azy io. Ho hitantsika ny antony.
Tamin’ny andro nitsanganany tamin’ny maty, dia niseho tamin’ny mpianatra tao amin’ny efitrano voarindrina iray tao Jerosalema, i Jesosy. Hoy ny fitantarana: “Dia hoy indray izy [Jesosy] tamin’izy ireo: Ho aminareo anie ny fiadanana! Tahaka ny nanirahan’ny Raiko ahy no anirahako anareo koa. Rahefa nilaza izany izy, dia nitsoka [teo aminy, NW ] ka nanao tamin’izy ireo hoe: Raiso ny Fanahy Masina: ny fahotana izay havelanareo dia ho voavela, ary izay hotananareo dia ho voatana.” — Joany 20:21-23, Kat.
Azo inoana fa ny mpianatra voalaza eto indrindra dia ireo apostoly nahatoky. (Ampitahao amin’ny andininy faha-24.) Tamin’ny fitsofana teo amin’izy ireo sy tamin’ny filazana taminy hoe: “Raiso ny Fanahy Masina”, dia nampiomana azy ireo ara-panoharana i Jesosy fa tsy ho ela dia halatsaka eo amin’izy ireo ny fanahy masina. Nanohy niteny i Jesosy fa hanana fahefana mifandray amin’ny famelan-keloka izy ireo. Azon’ny saina ekena àry fa mifampitohy ny fanambarana roa nataony, ny iray mitarika ho amin’ilay manaraka.
Dimampolo andro isaina nanomboka tamin’ny nitsanganany tamin’ny maty, tamin’ny andro Pentekosta, dia nandatsaka ny fanahy masina i Jesosy. Inona no notanterahin’izany? Ny fahatanterahany iray dia hoe nateraka indray ho zanak’Andriamanitra ara-panahy ireo izay nandray ny fanahy sady manana fanantenana ny ho tonga mpiara-manapaka amin’i Kristy any an-danitra. (Jaona 3:3-5; Romana 8:15-17; 2 Korintiana 1:22). Nanao mihoatra noho izany anefa io filatsahan’ny fanahy io. Nahazo fahefana mahagaga ny sasany izay nandray azy io. Tamin’izany fomba izany no nahafahan’ny sasany niteny tamin’ny fiteny vahiny izay tsy hainy akory. Ny hafa, afaka naminany. Nisy hafa koa afaka nanasitrana ny marary na nanangana ny maty ho amin’ny fiainana. — 1 Korintiana 12:4-11.
Koa satria ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Jaona 20:22 nanondro io filatsahan’ny fanahy masina teo amin’ny mpianatra io, ny teny mifandray nataony momba ny famelana fahotana dia toa midika fa notoloran’Andriamanitra fahefana tsy manam-paharoa hamela na tsy hamela fahotana ny apostoly tamin’ny alalan’ny fiasan’ny fanahy. — Jereo ny Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) tamin’ny 1 Martsa 1949, pejy faha-78.
Ny Baiboly dia tsy manome antsika fitantarana feno ny amin’ny tarehin-javatra rehetra nampiasan’ny apostoly izany fahefana izany, nefa izy io koa dia tsy mirakitra an-tsoratra ny toe-javatra rehetra izay nampiasan’izy ireo ny fanomezana mahagaga hiteny amin’ny fiteny tsy fantatra na haminany na hanasitrana. — 2 Korintiana 12:12; Galatiana 3:5; Hebreo 2:4.
Ny toe-javatra iray izay nahatafiditra ny fahefan’ny apostoly hamela na tsy hamela fahotana dia nahakasika an’i Ananiasy sy i Safira, izay nandainga tamin’ny fanahy. I Petera izay nandre an’i Jesosy nanonona izay vakintsika ao amin’ny Jaona 20:22, 23, dia namaky bantsilana an’i Ananiasy sy i Safira. I Petera aloha dia niresaka tamin’i Ananiasy, izay maty teo no ho eo. Rehefa niditra i Safira tato aoriana sady nikiry tamin’ilay lainga dia nanambara ny fanamelohana azy i Petera. Tsy namela ny fahotany i Petera fa nilaza kosa hoe: “Indro, eo am-baravarana ny tongotr’izay nandevina ny vadinao, ary hitondra anao hivoaka koa izy”. Maty teo no ho eo koa izy. — Asan’ny Apostoly 5:1-11.
Tamin’io toe-javatra io, dia nampiasa fahefana manokana ny apostoly Petera mba hilazana ny tsy famelana fahotana voafaritra tsara, fahalalana mahagaga fa tsy namela ny fahotan’i Ananiasy sy i Safira Andriamanitra. Ireo apostoly koa dia hita fa nanana fahaiza-mahataka-javatra ambony noho ny an’ny olona tamin’ireo toe-javatra izay nahazoany antoka fa navela ny fahotana tamin’ny fiorenana tamin’ny soron’i Kristy. Koa ireny apostoly nomena ny herin’ny fanahy ireny àry dia afaka nanambara ny famelana na tsy famelana fahotana.a
Tsy milaza akory izany fa ny loholona rehetra voahosotry ny fanahy tamin’izay dia nanana izany fahefana mahagaga izany. Azontsika atao ny mahita izany avy amin’izay nolazain’i Paoly momba ilay lehilahy voaroaka tao amin’ny kongregasiona tany Korinto. Tsy nilaza i Paoly hoe: ‘Mamela ny fahotan’io lehilahy io aho’ na hoe: ‘Fantatro fa efa voavela ny helok’ilay lehilahy tany an-danitra, koa raiso izy hiverina.’ Tsia, nampirisika mafy ny kongregasiona manontolo kosa i Paoly mba hamela heloka sy haneho fitiavana an’io lehilahy voaray indray io. Nanampy teny toy izao izy: “Izay avelanareo heloka dia mba avelako heloka koa”. — 2 Korintiana 2:5-11.
Rehefa voaray indray ho ao amin’ny kongregasiona ilay lehilahy, dia afaka namela ny helony ny rahalahy sy anabavy kristiana rehetra amin’ny heviny hoe tsy nitana lolompo taminy. Voalohany anefa, dia tsy maintsy nibebaka izy ary tsy maintsy voaray indray. Ahoana no nitrangan’izany?
Misy fahotana lehibe izay tsy maintsy alamin’ny loholona ao amin’ny kongregasiona, toy ny halatra, ny lainga, na fahalotoam-pitondran-tena mibaribary. Miezaka izy ireo manitsy sy mananatra ireo izay manao ratsy toy izany, manosika azy ireny hibebaka. Raha misy anefa olona zatra manao fahotana lehibe nefa tsy mibebaka, dia mampihatra ny fitarihan-dalana avy amin’Andriamanitra mba handroahana ilay nanao ratsy, ireny loholona ireny. (1 Korintiana 5:1-5, 11-13). Izay nolazain’i Jesosy ao amin’ny Jaona 20:23 dia tsy mihatra amin’ny toe-javatra toy izany. Ireny loholona ireny dia tsy nahazo fanomezana mahagaga avy tamin’ny fanahy, toy ny hoe fahaizana manasitrana ny marary na manangana ny maty; nahavita izay nikendrena azy ireny fanomezana ireny tamin’ny taonjato voalohany ary avy eo dia nifarana. (1 Korintiana 13:8-10). Ankoatra izany, dia tsy manana fahefana avy amin’Andriamanitra hamela fanaovan-dratsy lehibe ny loholona amin’izao andro izao amin’ny heviny hoe hanambara fa madio eo imason’i Jehovah ny mpanota be iray. Izany karazana famelan-keloka izany dia tsy maintsy hatao mifototra amin’ny sorom-panavotana, ary tsy misy afa-tsy i Jehovah ihany no afaka mamela heloka mifototra amin’izany. — Salamo 32:5; Matio 6:9, 12; 1 Jaona 1:9.
Toy ny tamin’ilay lehilahy tany Korinto fahiny, rehefa tsy mety mibebaka ny mpanota be iray, dia tsy maintsy roahina izy. Raha toa izy ka mibebaka any aoriana ary mamokatra asa mendrika ny fibebahana, dia mety hisy ny famelan-keloka avy amin’Andriamanitra. (Asan’ny Apostoly 26:20). Amin’ny tarehin-javatra toy izany, ny Soratra Masina dia manome antony ho an’ireo loholona mba hinoana fa namela heloka ilay nanao ratsy tokoa i Jehovah. Avy eo, rehefa voaray indray ilay olona, dia afaka manampy azy amin’ny lafiny ara-panahy ny loholona mba hanjary ho mafy orina ao amin’ny finoana izy. Afaka mamela heloka kosa ny hafa ao amin’ny kongregasiona, amin’ny fomba mitovy amin’ny namelan’ireo Kristiana tany Korinto heloka an’ilay lehilahy voaroaka izay voaray indray tamin’izay.
Rehefa mikarakara ireo raharaha amin’izany fomba izany ny loholona, dia tsy manorina ny fari-pitsipi-pitsaran’ny tenany. Mampihatra ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly kosa izy ireo ary manaraka akaiky ny fomba fanaovan-javatra araka ny Soratra Masina, izay nolazain’i Jehovah. Noho izany, izay navela na tsy navelan’ireo loholona heloka dia ho araka ny hevitr’ireo teny nataon’i Jesosy ao amin’ny Matio 18:18 hoe: “Lazaiko aminareo marina tokoa: Na inona na inona fehezinareo etỳ ambonin’ny tany dia hofehezina any an-danitra; ary na inona na inona vahanareo etỳ ambonin’ny tany dia hovahana any an-danitra.” Ny zavatra ataon’izy ireo dia hanome taratra fotsiny ny fomba fihevitr’i Jehovah zavatra, araka izay aseho ao amin’ny Baiboly.
Noho izany, izay nolazain’i Jesosy, araka ny voarakitra ao amin’ny Jaona 20:23, dia tsy mifanohitra amin’ny sisa amin’ny Soratra Masina, fa manondro kosa fa ireo apostoly dia nomena fahefana manokana momba ny famelan-keloka, nifanaraka tamin’ny anjara asany manokana fony vao niandoha ny kongregasiona kristiana.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Na dia talohan’ny nahafatesan’i Jesosy sy nanolorany ny avotra aza, dia efa nanana fahefana hilaza tamin’olona izy fa voavela ny helony. — Matio 9:2-6; ampitahao amin’ny “Fanontanian’ny Mpamaky” ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Jona 1995.