FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w96 1/5 p. 3-4
  • Andriamanitra sy ny Fitondrana ary Ianao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Andriamanitra sy ny Fitondrana ary Ianao
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • Mitovitovy Aminy
  • Manaiky ny fisaraham-panambadiana sa tsia?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Ny Fomba Nahatongavan’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana ho Naman’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Ny Kristianisma Tany Am-boalohany sy ny Fitondrana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • Andriamanitra sy Kaisara
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
w96 1/5 p. 3-4

Andriamanitra sy ny Fitondrana ary Ianao

“Mifanandrina ny Eglizy sy ny Fitondrana ao Amin’ny Fitsapan-kevi-bahoaka Momba ny Fisaraham-panambadiana any Irlande”

IO MATOAN-DAHATSORATRA tao amin’ny The New York Times io dia mampiseho hoe amin’ny ahoana ny olona amin’izao andro izao no mety hifanandrina amin’ny safidy ny amin’izay irin’ny Fitondrana sy izay ampianarin’ny eglizin’izy ireo.

Nilaza toy izao ilay lahatsoratra: “Tao anatin’ny iray volana latsaka talohan’ny fitsapan-kevi-bahoaka iray momba ny hanafoanana na tsia ny fandrarana ny fisaraham-panambadiana izay ao amin’ny lalàm-panorenany, i Irlande, izay Katolika ny ankamaroan’ny mponina eo aminy, dia vavolombelon’ny fifandirana mafy tsy fahita eo amin’ireo mpitarika ny Fitondram-panjakany sy ireo mpitarika ny egliziny.” Nanolo-kevitra ny hanafoanana an’ilay fandrarana ny fisaraham-panambadiana ny Fitondrana, raha nanohitra mafy ny fisaraham-panambadiana sy ny fanambadiana indray kosa ny Eglizy Katolika. Voatery nisafidy teo amin’ny Eglizy sy ny Fitondrana ireo katolika irlanday. Tamin’ny farany, dia nandresy tamin’ny elanelan’isa kely dia kely ny Fitondrana.

Manaitra kokoa fa efa hatramin’ny taona maro, ny vahoaka tany Irlande Avaratra dia nifanandrina tamin’ny tsy fifanarahan-kevitra mafy momba ny fiandrianam-pirenena. Maro no novonoina. Nanana fomba fijery nifanohitra ny Katolika sy ny Protestanta ny amin’ny hoe Fitondrana inona no ekena: fanapahana britanika mitohy any Irlande Avaratra sa fitondram-panjakana foibe iray ho an’i Irlande manontolo.

Mitovy amin’izany koa, tany Iogoslavia teo aloha, ny fahefana manapaka dia nitaky tamin’ny mpikambana amin’ny finoana samy hafa, anisan’izany ny Katolika sy ny Ortodoksa, mba hiady ao amin’ny ady iray momba ny faritany. Ho an’ny olom-pirenena tsotra, inona no adidiny voalohany indrindra? Tokony hanaraka ireo izay mihambo ho misolo tena ny Fitondrana ve izy ireo, sa tokony hankato an’Andriamanitra, izay milaza hoe: “Aza mamono olona (...), tiava ny namanao tahaka ny tenanao”? — Romana 13:9.

Mety hieritreritra ianao fa tsy mety hisy fiantraikany eo aminao mihitsy ny karazana tarehin-javatra toy io. Nefa dia mety hisy fiantraikany tokoa. Raha ny marina, dia mety hahakasika anao izy io na dia ankehitriny aza. Tao amin’ilay bokiny hoe The State in the New Testament, ilay teolojiana atao hoe Oscar Cullmann, dia niteny momba ny “fanapahan-kevitra iankinan’ny aina izay tsy maintsy, na mety hasaina, hataon’ireo kristiana amin’ny andro maoderina ao amin’ny tarehin-javatra mampamoy fo rehefa rahonan’ny fitondram-panjakana tsy refesi-mandidy”. Kanefa, niteny koa izy momba ny “andraikitra tena izy sy lehibe mitovy amin’izany, eo amin’ny kristiana rehetra — anisan’izy ireo ny kristiana miaina ao anatin’ny toe-piainana ‘andavanandro’ lazaina fa ‘ara-dalàna’ — dia ny hiatrika sy ny handamina zava-manahirana lehibe iray, izay mifanandrina aminy satria fotsiny hoe izy dia kristiana”.

Koa tokony hahaliana ireo Kristiana amin’izao andro izao àry ve ny fifandraisana misy eo amin’ny fivavahana sy ny Fitondrana? Izany tokoa. Hatrany am-boalohany indrindra, ireo kristiana dia nanandrana namboly fomba fijery voalanjalanja momba ireo fahefana tsy ara-pivavahana. I Jesosy Kristy, Mpitarika azy ireo, dia notsaraina sy nomelohina ary novonoin’ny Fitondrana romana. Ireo mpianany dia voatery nampifandrindra ny adidiny kristiana tamin’ny andraikiny tamin’ny Empira Romana. Ny fandinihana ny fifandraisan’izy ireo tamin’ny fahefana, araka izany, dia hanome toro lalana ho an’ireo Kristiana amin’izao andro izao.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 3]

Tom Haley/Sipa Press

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara