Moa ve Ianao Mpisava Lalana Mahay Mandanjalanja?
MAMIRAPIRATRA erỳ ny mason’ilay ray, maninjitra ny tanany eo am-piandrasana itỳ zanany vavikely vao miana-mamindra miahotrahotra. Rehefa nironjina tampoka izy, dia nampirisika azy hanandrana indray ny rainy. Fantany fa tsy ho ela dia hahay hijoro tsara sy hatanjaka izy.
Amin’ny fomba mitovy amin’izany, dia mety hila fotoana sy fampaherezana ny mpisava lalana vaovao iray alohan’ny hahazoany ny fahaiza-mandanjalanja ilaina mba hahombiazana amin’ny maha-mpitory ilay Fanjakana manontolo andro. Mpisava lalana maro no manohy manompo amim-pifaliana hatramin’ny am-polony taona maro. Misy vitsy namoy ny fahaizany mandanjalanja noho ireo fiovana tsy nampoizina teo amin’ny toe-javatra nisy azy. Namoy ny fifaliany aza ny sasany. Tany amin’ny tany iray, dia 20 isan-jato tamin’ireo nanomboka ny asan’ny mpisava lalana no nijanona tao anatin’ireo roa taona voalohany nanaovany ny fanompoany manontolo andro. Inona no mety hahatonga ny mpisava lalana iray hiala amin’io fanompoana mahafaly indrindra io? Misy azo atao ve mba hanalavirana ireny fijanonana ireny?
Na dia mety hahatonga ny sasany hiala amin’ny fanompoana manontolo andro aza ny tsy fahasalamana, ny tsy fahampiana ara-bola, sy ireo andraikitra ara-pianakaviana, dia vato misakana iray ho an’ny hafa ny tsy fahaizana mihazona ny fahaiza-mandanjalanja tsara eo amin’ireo adidy kristiana samihafa. Ny fahaiza-mandanjalanja dia mahafaoka ny “toetran-javatra tsy isian’ny tapany iray na foto-javatra iray na anton-javatra iray na fitaomana iray mavesa-danja kokoa noho ny iray hafa na tsy mifanentana habe amin’ny hafa”.
Nasehon’i Jesosy Kristy ny mpianany ny fomba hanatontosana ny asa fitoriana sy fanaovana mpianatra. Nasehony mazava tsara tamin’ny fanompoana nataon’ny tenany koa ny fomba hihazonana ny fahaiza-mandanjalanja. Nasehon’i Jesosy fa tsy nanana fahaiza-nandanjalanja ireo mpitondra fivavahana jiosy, rehefa niteny tamin’izy ireo toy izao izy: “Mandoa ny fahafolon’ny solila sy ny aneta ary ny komina hianareo, nefa navelanareo izay lehibe amin’ny lalàna, dia ny rariny sy ny famindrampo ary ny finoana; ireto tokony ho nataonareo, nefa tsy tokony havelanareo ireroana.” — Matio 23:23.
Mihatra amin’ny fomba mitovy amin’izany io fotopoto-pitsipika io amin’izao andro izao, indrindra indrindra ho an’ny fanompoan’ny mpisava lalana. Voatosiky ny hafanam-po sy ny fikasana tsara ny sasany dia nanomboka ny asan’ny mpisava lalana, kanefa tsy niomana tanteraka ho amin’izy io na nihevitra izay rehetra tafiditra amin’izy io akory. (Lioka 14:27, 28). Nanjary variana tanteraka tamin’ny fanompoana teny amin’ny saha ny hafa, hany ka nanao tsirambina ireo lafiny lehibe hafa amin’ny Kristianisma. Ahoana no ahafahany hanatratra fahaiza-mandanjalanja sady hihazona izany?
Aoka ianao hatanjaka ara-panahy hatrany!
Tsy nanao tsirambina na oviana na oviana ny fahasalamany ara-panahy i Jesosy. Na dia nitaky be dia be tamin’ny fotoanany aza ireo vahoaka betsaka tonga mba handre azy sy hositraniny, dia naka fotoana izy mba hanaovana vavaka voamariky ny fisaintsainana. (Marka 1:35; Lioka 6:12). Ny fanaovana ny asan’ny mpisava lalana amim-pahaiza-mandanjalanja koa amin’izao andro izao dia mitaky ny hampiasana amin’ny fomba ampy tsara an’ireo fandaharana rehetra mba hitoerana ho matanjaka ara-panahy hatrany. Nanjohy hevitra toy izao i Paoly: “Moa hianao izay mampianatra ny sasany, tsy mba mampianatra ny tenanao koa va?” (Romana 2:21). Ho fahadisoana tokoa ny handaniana ny fotoan’ny tena rehetra hitoriana amin’ny hafa, kanefa tsy haka fotoana mba hanaovana fianarana manokana ampy sy hivavahana tsy tapaka.
Mpisava lalana nandritra ny roapolo taona i Kumiko. Na dia manan-janaka telo sy vady tsy mpino aza izy, dia hitany tamin’ny zavatra niainany fa ny fotoana tsara indrindra ho azy mba hamakiana sy hianarana ny Baiboly dia alohan’ny fotoana hatoriany. Rehefa mianatra izy, dia marihiny indrindra ireo hevitra izay azony ampiasaina amin’ny fanompoana eny amin’ny saha, mba hihazonana ny fanompoany isan’andro ho vaovao sy mahaliana. Mifoha alohan’ny mpianakaviny hafa ny mpisava lalana mahomby hafa mba hanavaozana indray ny fahatanjahana ara-panahy amin’ireo fotoana mangina amin’ny maraina. Mety hanana fotoana hafa mifanentana hatokana mba hiomanana ho amin’ireo fivoriana sy hahafahana haharaka ireo zavatra vita an-tsoratra kristiana farany indrindra ianao. Raha tianao ny hihazona ny fifalianao amin’ny fanompoana, dia zavatra tsy azo atao maimaika na atao tsirambina ny fianarana manokana.
Fahaiza-mandanjalanja ireo andraikitra ara-pianakaviana
Mila mitadidy ao an-tsaina koa ireo ray aman-dreny manao ny asan’ny mpisava lalana fa ny tapany lehibe iray amin’ny “sitrapon’i Jehovah” ny amin’izy ireo dia mahafaoka ny fiahiana ny zavatra ilaina ara-batana, ara-pihetseham-po sy ara-panahin’ny fianakavian’ny tenany. (Efesiana 5:17, NW; 6:1-4; 1 Timoty 5:8). Na dia ny vady sy ny mpianakavy mpino aza indraindray dia manahy sao tsy hahazo ny fampirisihana sy ny fanohanana avy amin’ilay vady sy reny izy ireo rehefa manomboka ny asan’ny mpisava lalana izy io. Miteraka fihetsika mangatsiatsiaka asetry ny faniriany ho tonga mpisava lalana ny fihetseham-po toy izany. Amin’ny fanaovana fandaharana sy amin’ny fisaintsainana tsara mialoha anefa, dia azo atao ny mihazona ny fahaiza-mandanjalanja.
Mpisava lalana maro no mikezaka mafy manao ny asa fitoriany rehetra rehefa tsy ao an-trano ny mpianakaviny. I Kumiko, voalaza tetsy aloha, dia miara-mihinana ny sakafo maraina amin’ny fianakaviany, manao veloma ny vady aman-janany eo am-piaingan’izy ireo amin’ny maraina, ary miverina ao an-trano alohan’ny hodian’izy ireo. Mampiasa ny alatsinainy izy mba handrahoana mialoha sakafo maromaro, mba ho afa-boly sy ho afaka hiara-misakafo amin’ny fianakaviany fa tsy ho be hatao ao an-dakozia kosa. Ny fanaovana raharaha ao an-tokantrano mihoatra ny iray isaky ny manao, toy ny asa fikarakarana tokantrano hafa eo am-panomanana sakafo, dia manampy koa. Tamin’izany fomba izany, dia nahita fotoana mihitsy aza i Kumiko hanasana ny naman’ireo zanany sy hanomanana lalao manokana tsy nampoizina ho azy ireo.
Mila fiheverana bebe kokoa avy amin’ny ray aman-dreniny ny ankizy matetika rehefa mitombo ho amin’ireo taona maha-zatovo, mba hiatrehany amim-pahombiazana ireo fihetseham-po, faniriana, fisalasalana sy tahotra vaovao manototra azy ireny. Mitaky ny hahamailo ny ray na ny reny iray mpisava lalana izany sy ny hitondrany fanitsiana amin’ny fandaharam-potoanany. Raiso i Hisako, izay mpisava lalana sady renim-pianakaviana manan-janaka telo. Inona no nataony rehefa nanomboka tsy nampiseho fifaliana sy hafanam-po ho an’ireo fivoriana kristiana sy ny fanompoana eny amin’ny saha ny zanany vavimatoa noho ny fitaoman’ireo namany eo amin’izao tontolo izao any an-tsekoly? Ny tena nilain’ilay zanany vavy dia ny handray ny fahamarinana ho an’ny tenany ary hanjary hiaiky tanteraka fa ny fisarahana amin’izao tontolo izao no lalana tsara indrindra. — Jakoba 4:4.
Nilaza toy izao i Hisako: “Nanapa-kevitra aho ny hiara-handinika aminy isan’andro indray ireo foto-pampianarana ao amin’ny boky Hiaina Mandrakizay. Tamin’ny voalohany izahay dia tsy afa-niara-nianatra afa-tsy nandritra ny minitra vitsivitsy monja, noho ny zanako vavy nitaraina matetika ho narary vavony sy narary an-doha mafy rehefa tonga ny fotoana hianarana. Nataoko tsy tapaka anefa ilay fianarana. Taorian’ny volana vitsivitsy, dia tsapa ho nihatsara aoka izany ny toe-tsainy, ka nitarika azy ho amin’ny fanoloran-tena sy ny batisa tao anatin’ny fotoana fohy.” Ankehitriny i Hisako dia mahita fahafaham-po amin’ny fanompoana manontolo andro miaraka amin’ny zanany vavy.
Ireo raim-pianakaviana izay mpisava lalana koa dia mila mitandrina mba tsy hanjary ho variana tanteraka amin’ny fiahiana ireo olona liana eny amin’ny saha sy ireo asany ao anatin’ny kongregasiona, ka tsy hanome ho an’ireo zanany eo am-pitomboana ny fanohanana sy fitarihan-dalana mafy ara-pihetseham-po tokony ho azy ireny. Tsy zavatra tokony hailiky ny lehilahy amin’ny vadiny izany. Ny loholona kristiana be hatao iray izay efa mpisava lalana hatramin’ny ela sady mitantana raharaham-barotra kely iray koa, dia maka fotoana hiaraha-mianatra amin’ny tsirairay amin’ireo zanany efatra. (Efesiana 6:4). Fanampin’izany, dia miara-manomana amin’ny fianakaviany ireo fivoriana isan-kerinandro izy. Tsy manao tsirambina ny fianakaviany eo amin’ny lafiny ara-nofo sy ara-panahy ny mpisava lalana mahay mandanjalanja.
Fahaiza-mandanjalanja ara-bola
Ny fomba fihevitra mety momba ny zavatra ilaina isan’andro dia lafiny hafa iray izay tokony hiezahan’ireo mpisava lalana mafy hihazonana fahaiza-mandanjalanja tsara. Eto indray, dia afaka mianatra zavatra betsaka avy amin’ny ohatra tsara dia tsara sy ny torohevitra nomen’i Jesosy isika. Nampitandrina ny amin’ny fanahiana tafahoatra momba ireo zavatra ara-nofo izy. Nampirisika ny mpianany kosa izy hametraka eo amin’ny toerana voalohany ilay Fanjakana, ary nampanantena fa hikarakara azy ireo toy ny ataony ho an’ny sisa amin’ny zavatra noforoniny Andriamanitra. (Matio 6:25-34, NW ). Tamin’ny fanarahana io torohevitra tsara io, dia afaka nijanona an-taonany maro tao amin’ny fanompoana manontolo andro ny mpisava lalana maro, ary nitahy ny ezaka nataon’izy ireo mba hahazoana ny ‘hanina sahaza isan’andro’, i Jehovah. — Matio 6:11.
Nanoro hevitra ireo Kristiana tahaka azy ny apostoly Paoly mba hamela ‘ny fahalalan’izy ireo ny antonona ho fantatry ny olona rehetra’. (Filipiana 4:5, NW ). Azo antoka fa mitaky ny hikarakarantsika amin’ny fomba mety ny fahasalamantsika ny fahalalana ny antonona. Manao ny ezaka rehetra mba hanehoana fahalalana ny antonona eo amin’ny fomba fiainany sy eo amin’ny fihetsiny eo anoloan’ny zavatra ara-nofo ny mpisava lalana mahay mandanjalanja, ka mahalala fa mandinika ny fitondran-tenany ny hafa. — Ampitahao amin’ny 1 Korintiana 4:9.
Ireo tanora izay manomboka manao ny fanompoan’ny mpisava lalana dia tokony tsy hanararaotra loatra ny fahalalahan-tanan’ny ray aman-dreniny. Raha mipetraka ao an-tokantranon-dray aman-dreniny izy, dia ho fanehoana fahaiza-mandanjalanja tsara sy fankasitrahana ny handraisana anjara amin’ny raharaha ao an-tokantrano sy ny hananana asa tapa-potoana izay hahafahany handray anjara amin’ny lany amin’ny fampandehanana ny tokantrano. — 2 Tesaloniana 3:10.
Tena fitahiana ny fisian’ny mpisava lalana mahay mandanjalanja
Mety ho mpisava lalana iray izay miasa mafy mba hihazonana fahaiza-mandanjalanja mety ianao. Aoka ianao hatoky fa afaka mahatratra ny fahaiza-mandanjalanja. Toy ny ilan’ny zazakely iray fotoana mba hianarana mijoro tsara sy mandeha, dia mpisava lalana matotra maro no milaza fa nila fotoana izy ireo mba hanatratrarana ny fahaiza-mandanjalanja amin’ny fisahanana ireo adidiny rehetra.
Ny fanaovana ny fianarana manokana, ny fiahiana ny mpianakavy, sy ny fikarakarana ny zavatra ilain’ny tenany ara-nofo dia anisan’ireo lafiny iezahan’ireo mpisava lalana mafy hahazoana fahaiza-mandanjalanja. Asehon’ireo tatitra fa mpisava lalana maro no manatanteraka ny andraikiny amin’ny fomba miavaka. Tena fitahiana marina ho an’ny fiaraha-monina izy ireo ary manome laza tsara ho an’i Jehovah sy ny fandaminany.