Voaporofo fa Nomba Ahy i Jehovah
NOTANTARAIN’I MAX HENNING
Tamin’ny 1933 tamin’izay, ary vao avy nandray ny fahefana tany Alemaina i Adolf Hitler. Tsy nihontsina anefa ireo Vavolombelon’i Jehovah 500 teo ho eo tao amin’ny faritr’i Berlin. Tanora maro no tonga mpisava lalana, na mpanompo manontolo andro, ary ny sasany aza nanaiky mihitsy fanendrena tany amin’ireo tany eoropeana hafa. Nifanontany izahay sy i Werner Flatten, namako, hoe: “Nahoana isika no misalasala fotsiny, mandanilany foana ny fotoanantsika? Nahoana isika no tsy mivoaka ka manao ny asan’ny mpisava lalana?”
VALO andro taorian’ny nahaterahako tamin’ny 1909, dia tonga teo ambany fikarakaran’ny ray aman-dreny be fitiavana nanangana ahy aho. Tamin’ny 1918, dia difotry ny alahelo ny fianakavianay rehefa maty tampoka ilay anabavikeliko tsy iray tam-po tamiko. Fotoana fohy taorian’izay, dia nitsidika teo am-baravaranay ireo Mpianatra ny Baiboly, araka ny nahafantarana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany, ary nisokatra nibanabana ny fon’ireo ray aman-dreny nanangana ahy mba handray ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Nampianatra ahy hankasitraka zavatra ara-panahy koa izy ireo.
Nilofo mafy tamin’ny fianarako tsy ara-pivavahana aho ka tonga mpametaka fantson-drano. Zava-dehibe kokoa anefa ny nandraisako ny fijoroako ara-panahy. Nanomboka nanao ny asan’ny mpisava lalana izahay sy i Werner tamin’ny 5 May 1933. Nandeha am-bisikilety nankany amin’ny tanàna iray tokony ho 100 kilaometatra tany ivelan’i Berlin izahay, ka nijanona sy nitory tany nandritra ny tapa-bolana. Avy eo izahay dia niverina nankany Berlin mba hikarakara ireo raharaha tena nilaina. Taorian’izay dia nandeha niverina tany amin’ny faritany nitorianay izahay nandritra ny tapa-bolana hafa iray.
Nangataka ny hanompo tany an-tany hafa izahay, ka tamin’ny Desambra 1933, dia nahazo fanendrena izahay hankany Iogoslavia tamin’izany. Kanefa, talohan’ny nahafahanay niainga, dia novana ho tany Utrecht, teto Holandy, ny fanendrena anay. Fotoana fohy taorian’izay dia natao batisa aho. Tamin’izany andro izany, dia kely kokoa ny fanantitranterana ny amin’ny batisa; ny fanompoana no zava-dehibe. Tonga lafiny lehibe tsy tapaka teo amin’ny fiainako izao ny fianteherana tamin’i Jehovah. Nahita fampiononana be aho tao amin’ireo tenin’ny mpanao salamo ao amin’ny Baiboly manao hoe: “Indro, Andriamanitra no Mpamonjy ahy; [Jehovah, NW ] no Mpanohana ny fanahiko.” — Salamo 54:4.
Mpisava lalana teto Holandy
Tsy ela taorian’ny nahatongavanay teto Holandy, dia notendrena indray ho ao amin’ny tanànan’i Rotterdam, izahay. Samy mpisava lalana koa ny ray sy ny zanakalahy iray tao amin’ilay fianakaviana nilasianay. Volana vitsivitsy tatỳ aoriana, dia novidina ho fonenan’ny mpisava lalana ny trano lehibe iray tany Leersum, tanàna iray tsy lavitra an’i Utrecht, ary dia nifindra tany izahay sy i Werner.
Raha mbola nipetraka tao amin’io tranon’ny mpisava lalàna io izahay, dia nandeha am-bisikilety nankany amin’ireo faritany akaiky, ary nampiasa fiarakodia antonona olona fito kosa ho an’ireo faritany lavitra kokoa. Tamin’izany fotoana izany, dia tsy nisy afa-tsy Vavolombelona zato nanerana an’i Holandy. Amin’izao andro izao, 60 taona atỳ aoriana, ilay faritany izay niasanay avy tao amin’io tranon’ny mpisava lalàna io dia manana mpitory maherin’ny 4 000 any amin’ny kongregasiona tokony ho 50!
Niasa mafy izahay, hatramin’ny 14 ora isan’andro teny amin’ny fanompoana, ary nitana anay ho sambatra izany. Ny zava-nokendrena lehibe indrindra dia ny hametraka zavatra vita an-tsoratra betsaka araka izay azo atao. Matetika izahay no nametraka bokikely maherin’ny zato indray andro, tamin’ireo olona liana. Mbola tsy anisan’ny asa fanaonay tsy tapaka tamin’izany ny fiverenana mitsidika sy ny fitarihana fampianarana ny Baiboly.
Indray mandeha, dia niasa tany amin’ny tanànan’i Vreeswijk, izaho sy ilay namako. Raha teo am-panaovana fanambarana tamin’ny lehilahy iray teo am-bavahadin’ny toby miaramila iray izy, dia nampiasa ilay fotoana aho mba hamakiana ny Baiboliko. Voatsipitsipika be tamin’ny mena sy ny manga izy io. Tatỳ aoriana, ny mpandrafitra iray izay niasa teo amin’ny tafon-trano teo akaiky teo dia nampitandrina ilay lehilahy teo am-bavahady fa azo inoana ho karazana mpitsikilo, hono, aho. Ho vokatr’izany dia nosamborina aho iny andro iny, raha teo am-panaovana fanambarana tamin’ny mpivarotra iray, ary nalaina an-keriny tamiko ny Baiboliko.
Nentina tany amin’ny fitsarana aho. Tany dia nampangaina fa ireo marika tao amin’ny Baiboliko dia ezaka hanaovana sary an’ilay toby miaramila. Nambara fa meloka aho, ary dia nanameloka ahy roa taona an-tranomaizina ilay mpitsara. Nampakarina fitsarana ambony anefa ilay raharaha, ary dia afaka nadiodio aho. Toy inona moa ny hafaliako fa afaka, kanefa dia mbola faly kokoa aho rehefa naverina tamiko ny Baiboliko niaraka tamin’ireo fanamarihana rehetra tao anatiny!
Nandritra ny fahavaratra tamin’ny 1936, dia nandany ny fitoriana fahavaratra tany avaratr’ilay tany izahay sy i Richard Brauning, iray tamin’ireo mpisava lalana tao amin’ilay trano. Tamin’ilay volana voalohany, dia nandany 240 ora teo amin’ny fanompoana izahay sady nahapetraka zavatra vita an-tsoratra maro be. Nipetraka tao amin’ny trano lay izahay, ary nikarakara izay rehetra nilainay, nanasa ny lambanay, nahandro ny sakafonay sy ny toy izany.
Tatỳ aoriana aho dia nafindra nankamin’ny sambo iray nantsoina hoe Lightbearer, izay nanjary be mpahalala tany avaratr’i Holandy. Mpisava lalana dimy no nipetraka tao amin’ilay sambo, ary avy tao amin’io no nahafahanay nanatratra faritany mitokana maro be.
Tombontsoa fanampiny
Tamin’ny 1938 aho dia voatendry ho mpikarakara ny zone, araka ny niantsoana ny mpiandraikitra ny fizaran-tanin’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany. Koa nandao ny Lightbearer aho, ka nanomboka nitsidika kongregasiona sy Vavolombelona nitokana tany amin’ny provansa telo tany atsimo.
Ny bisikilety no hany fomba fitaterana nanananay. Matetika no naka iray andro maninjitra ny fandehanana avy tamin’ny kongregasiona iray na antokon’olona liana nankany amin’ilay manaraka. Anisan’ireo tanàn-dehibe notsidihiko i Breda, izay toerana ipetrahako ankehitriny. Tamin’izany fotoana izany, dia tsy nanana kongregasiona i Breda fa mpivady Vavolombelona efa zokiolona fotsiny.
Raha teo am-panompoana ireo rahalahy tany Limburg aho, dia nasaina mba hamaly fanontaniana maro naroson’ny mpiasan’ny toeram-pitrandrahana iray nantsoina hoe Johan Pieper. Niandany mafy tamin’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly izy ary tonga mpitory be herim-po. Efa-taona tatỳ aoriana dia niafara tany amin’ny toby fitanana izy, ka nandany telo taona sy tapany tany. Taorian’ny nivoahany dia nanomboka tamin-jotom-po indray ny fitoriana izy, ary amin’izao andro izao izy dia mbola loholona mahatoky. Io kongregasiona kely nisy Vavolombelona 12 tao Limburg io ankehitriny dia nitombo ho kongregasiona 17 misy mpitory 1 550 eo ho eo!
Teo ambanin’ny fahefana nazia
Tamin’ny May 1940 dia nanafika an’i Holandy ny Nazia. Nahazo fanendrena tao amin’ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower tao Amsterdam, aho. Voatery nanohy ny asanay tamim-pitandremana fatratra izahay, ka izany dia nahatonga anay hankasitraka ilay ohabolana ao amin’ny Baiboly manao hoe: “Izay tena sakaiza tokoa dia (...) miseho ho rahalahy hamonjy amin’ny fahoriana.” (Ohabolana 17:17). Nisy vokany lalina teo amin’ny fitomboako ara-panahy ny fehy nampiray nahafinaritra izay nihamafy nandritra io fotoam-pihenjanana io, ary izany dia namolavola ahy ho amin’ireo andro mbola sarotra kokoa ho avy.
Ny fanendrena ahy dia ny hanara-maso ny fanaterana zavatra vita an-tsoratra tany amin’ireo kongregasiona, zavatra izay mazàna nataon’ny mpitondra hafatra. Nitady mandrakariva ireo lehilahy tanora mba hanao asa an-tery vozona tany Alemaina ny Gestapo, hany ka nampiasa anabavy kristiana ho toy ny mpitondra hafatra izahay. Rehefa nandeha ny fotoana, dia nalefa tany aminay avy tany La Haye i Wilhelmina Bakker, fantatra tamin’ny anarana hoe Nonnie, ary nentiko tany amin’ny fiafenan’i Arthur Winkler, mpiandraikitra ny sampanay, izy. Mba hiezahana ny tsy ho mora voamarika araka izay azo atao, dia niakanjo toy ny mpamboly holandey aho, nanao kiraro hazo sy ny sisa rehetra, ary dia nanatitra an’i Nonnie nandeha tramway. Tatỳ aoriana aho dia nahafantatra fa sarotra tamin’i Nonnie ny nitana ny fihomehezany satria nihevitra izy fa vao mainka mora voamarika be aho.
Tamin’ny 21 Oktobra 1941, dia nisy namadika ka nilaza tany amin’ny fahavalo ny toerana fitobian’ireo zavatra vita an-tsoratra sy taratasy tao Amsterdam. Nandritra ny fanaovan’ny Gestapo bemidina, dia voasambotra i Winkler sy i Nonnie. Rehefa nalefa tany an-tranomaizina izy ireo, dia sendra nandre masoivohon’ny Gestapo roa niresaka ny amin’ny fomba nanenjehana “zalahy fohifohy iray mainty volo” izay tsy voarak’izy ireo teny amin’ny arabe feno olona. Niharihary fa niresaka momba ahy izy ireo, koa vitan’i Winkler ny nandefa hafatra nankany amin’ireo rahalahy. Avy hatrany aho dia nafindra nankany La Haye.
Tamin’izay fotoana izay dia navoaka avy tany an-tranomaizina i Nonnie, ary niverina tany La Haye izy mba hanao ny asan’ny mpisava lalana. Nihaona taminy indray aho tany. Rehefa voasambotra anefa ilay mpikarakara kongregasiona tao Rotterdam, dia nalefa haka ny toerany aho. Tatỳ aoriana, dia voasambotra ilay mpikarakara kongregasiona tao amin’ny Kongregasiona Gouda, ary dia nafindra tany aho mba hisolo azy. Farany, tamin’ny 29 Martsa 1943, dia tratra aho. Teo am-pizahana ny tahirin-javatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly nanananay aho no tra-tehaky ny Gestapo nanao bemidina tampoka.
Ankoatra ireo zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly izay naparitaka teo ambonin’ny latabatra, dia teo koa ny lisitra iray nisy ny anaran’ireo rahalahy sy anabavy kristiana, na dia tamin’ny endri-tsoratra tsy nahafantarana azy aza izy ireo. Tamin-tebiteby fatratra no nivavahako mba hanomezan’i Jehovah ahy fomba hiarovako an’ireo izay mbola afaka nitory. Tsy nisy nahatsikaritra, fa vitako ny nametraka ny tanako nivelatra teo ambonin’ilay lisitra nisy anarana sy namoriporitra azy io tao amin’ny felatanako. Avy eo aho dia nangata-dalana hankany amin’ny toerana fivoahana, ka tany dia norovidrovitiko ilay lisitra ary navalako rano tao an-dava-piringa.
Rehefa tao anatin’ny fahoriana faran’izay mafy toy izany aho dia nianatra nanovo tanjaka avy tamin’ny fifampiraharahan’i Jehovah tamin’ny vahoakany tamin’ny lasa, sy avy tamin’ireo fampanantenany fanafahana. Itỳ dia fanomezan-toky ara-tsindrimandry iray izay niraikitra mafy tao an-tsaiko foana: ‘Raha tsy Jehovah no nomba antsika, raha nitsangana hamely antsika ny olona, dia nitelina antsika velona izy’. — Salamo 124:2, 3.
Tranomaizina sy toby fitanana
Nentina tany amin’ny tranomaizin’i Rotterdam aho, ka velom-pisaorana aho tany fa nanana ny Baiboliko niaraka tamiko. Nananako koa ilay boky hoe Salut, sy tapany tamin’ilay boky hoe Enfants, ary fotoana be dia be mba hamakiana ireo zavatra vita an-tsoratra rehetra ireo. Rehefa afaka enim-bolana, dia nanjary narary mafy aho ka voatery nankany amin’ny hopitaly iray. Talohan’ny nandaozako ilay tranomaizina, dia nafeniko tao ambany kidoroko ireo zavatra vita an-tsoratra. Tatỳ aoriana dia reko fa nisy Vavolombelona hafa iray, i Piet Broertjes, nafindra tao amin’ilay efitrano kely nisy ahy ary nahita azy ireo. Araka izany dia nampiasaina mba hanatanjahana olon-kafa tao amin’ny finoana koa ireo zavatra vita an-tsoratra.
Rehefa sitrana aho dia nafindra tany amin’ny tranomaizin’i La Haye. Raha mbola tany aho, dia nihaona tamin’i Leo C. van der Tas, mpianatra momba ny lalàna, izay tany an-tranomaizina noho ny fanoherany ny fakana an-keriny tanin’olona nataon’ny Nazia. Mbola tsy nandre mihitsy ny amin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy, ary nanana fahafahana hanao fanambarana taminy aho. Indraindray dia namoha ahy tamin’ny misasak’alina izy ary nametraka fanontaniana maro. Tsy afaka nanafina ny fiderany ny Vavolombelona izy, indrindra fa taorian’ny nahafantarany fa afaka nahazo fanafahana izahay raha nanao sonia fotsiny taratasy iray milaza fa hiala tamin’ny finoanay. Taorian’ny ady, dia nanjary mpahay lalàna i Leo ary niady raharaha ara-pitsarana am-polony maro ho an’ny Fikambanana Watch Tower, dia raharaha nahatafiditra fahalalahana hanao fanompoam-pivavahana.
Tamin’ny 29 Aprily 1944, dia naondrana tao anatin’ny lamasinina iray aho mba hanao dia lavitra nahafadiranovana fatratra nandritra ny 18 andro nankany Alemaina. Nikatona teo ivohoko ny vavahadin’ny toby fitanana Buchenwald tamin’ny 18 May. Mandra-panafaky ny tafiky ny Mpiray Dina anay efa ho herintaona tatỳ aoriana, dia nahatsiravina tamin’ny fomba tsy hay lazaina ny fiainana. An’arivony maro no maty, ka teo imasonay ny maro. Koa satria aho tsy nety niasa tao amin’ilay orinasa teo akaiky teo izay namokatra fitaovana ho an’ny ady, dia nasaina niasa nanao fivarinan-drano maloto, aho.
Indray andro dia voan’ny zera baomba ilay orinasa. Maro no nitsoriaka nankao amin’ireo trano fonenana mba hahita fialofana, fa ny hafa kosa nihazakazaka nankany anaty ala. Nisy baomba sendra nivily nahavoa ireo trano fonenana, ary baomba mandoro nampirehitra ilay ala. Fahitan-javatra nahatsiravina ilay izy! Maro no nirehitra velona! Nahita fiafenana tsy nahitan-doza iray aho, ary rehefa nihena ny afo, dia nandalo ireo faty tsy tambo isaina aho niverina nankany amin’ilay toby.
Ny ankamaroan’ny olona amin’izao andro izao dia mahafantatra tsara ireo zava-mahatsiravina tamin’ilay Fandripahana Tambabe nataon’ny Nazia. Velom-pisaorana an’i Jehovah aho fa nanatanjaka ny fahaizako mieritreritra izy, hany ka tsy nanapaka ny eritreritro nandritra ireo taona rehetra ny zava-nahatsiravina izay niainako. Rehefa mieritreritra ny amin’ilay fe-potoana naha-tany an-tranomaizina ahy aho, ny fihetseham-poko voalohany indrindra dia fifaliana noho ny nitanako tsy fivadihana tamin’i Jehovah ho voninahitry ny anarany. — Salamo 124:6-8.
Asa taorian’ny ady
Taorian’ny nanafahana ahy sy ny niverenako tany Amsterdam, dia niseho avy hatrany tany amin’ny biraon’ny sampana aho ho amin’ny fanendrena iray. Niriko mafy ny hampahafantarina ny amin’izay nitranga nandritra ny tsy naha-teo ahy. Efa niasa tao sahady i Nonnie. Nandritra ilay taona farany tamin’ny ady, dia nanompo tamin’ny naha-mpitondra hafatra mpanatitra zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly tany amin’ireo kongregasiona izy. Tsy voasambotra indray izy na dia efa impolo kely aza no saika tratra.
Nanao ny asan’ny mpisava lalana nandritra ny fotoana kelikely tany Haarlem aho, kanefa tamin’ny 1946, dia nasaina nankany amin’ny sampana tany Amsterdam mba hiasa tao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fandefasana Entana. Tany amin’ny faramparan’ny 1948, dia nivady izahay sy i Nonnie, ary dia nandao ny sampana izahay mba hiara-manao ny asan’ny mpisava lalana. I Assen no toerana nanendrena anay tamin’ny naha-mpisava lalana. Roa ambin’ny folo taona talohan’izay, izahay sy i Richard Brauning dia nandany ny fahavaratra tany, nipetraka tao anaty trano lay ary nitory. Reko fa i Richard dia notifirina ho faty teny an-dalana hankany amin’ny toby fitanana iray.
Niharihary fa nanimba ny fahasalamako ny fe-potoana naha-tany an-tranomaizina ahy. Enin-taona taorian’ny nanafahana ahy tany Buchenwald, dia nitana ahy teo am-pandriana nandritra ny efa-bolana ny aretina. Taona maro tatỳ aoriana, tamin’ny 1957, dia nararin’ny raboka aho nandritra ny herintaona maninjitra. Lany hery tanteraka ny vatako, kanefa dia mbola natanjaka ny toe-tsain’ny mpisava lalana nananako. Nandritra ny faharariako, dia nanararaotra ny fahafahana rehetra aho mba hanaovana fanambarana. Heveriko fa io toe-tsain’ny mpisava lalana io no anton-javatra iray lehibe tsy nahafahan’ireo fisehoan’aretina teo amiko nahatonga ahy ho lehilahy narary nidonana-poana. Tapa-kevitra izahay sy i Nonnie fa hifikitra amin’ny fanompoana manontolo andro raha mbola mamela anay hanao izany koa ny fahasalamanay.
Taorian’ny nahasitranako, dia voatendry hankany amin’ny tanànan’i Breda izahay. Izany dia 21 taona taorian’ny nitsidihako voalohany ilay tanàn-dehibe, tamin’ny naha-mpikarakara ny zone ahy. Fony izahay tonga tany tamin’ny 1959, dia kongregasiona kely iray nisy Vavolombelona 34 no tao. Amin’izao andro izao, 37 taona atỳ aoriana, izy io dia nitombo ho kongregasiona enina misy Vavolombelona maherin’ny 500 izay mivory ao amin’ny Efitrano Fanjakana telo! Ao amin’ireo fivoriana sy fivoriambe ataonay eto an-toerana izahay dia mahita olona maro izay tonga tamin’ny fahalalana ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly, vokatry ny fiezahana nataonay. Matetika izahay no nitovy fihetseham-po tamin’ny apostoly Jaona fony izy nanoratra hoe: “Tsy manana fifaliana mihoatra noho izao aho, dia ny andrenesako fa mandeha araka ny fahamarinana ny zanako.” — 3 Jaona 4.
Efa antitra izahay izao. Enina amby valopolo taona aho, ary i Nonnie 78 taona, kanefa dia tsy maintsy milaza aho fa fanaovan-javatra mahasalama ny asan’ny mpisava lalana. Hatramin’ny naha-teto Breda ahy, dia resiko avokoa ny ankamaroan’ireo zava-nanahirana ara-pahasalamana izay azoko nandritra ny naha-tany an-tranomaizina ahy. Nankafy taona maro nahitam-bokatra teo amin’ny fanompoana an’i Jehovah koa aho.
Loharanom-pifaliana ho anay roa ny fanaovana jery todika ireo taona maro nanaovana fanompoana nahitam-bokatra. Vavaka ataonay isan’andro ny mba hanomezan’i Jehovah anay ny toe-tsaina sy ny hery hanohizana eo amin’ny fanompoana azy raha mbola velon’aina koa izahay. Amin-toky no ilazanay ny hevitray amin’ny tenin’ny mpanao salamo hoe: “Indro, Andriamanitra no Mpamonjy ahy; [Jehovah, NW ] no Mpanohana ny fanahiko.” — Salamo 54:4.
[Sary, pejy 23]
Mijoro eo anilan’ilay trano lay nampiasaina teo am-panaovana ny asan’ny mpisava lalana tamin’ireo taona 1930
[Sary, pejy 23]
Ilay sambo nampiasaina mba hanatratrarana faritany mitokana
[Sary, pejy 23]
Nadinadinina tamin’ny fandaharan’ny fivoriambe tamin’ny 1957
[Sary, pejy 24]
Miaraka amin’ny vadiko amin’izao andro izao