Tsy ho Tianao ny Tsy Hahavonjy Azy Io!
TSY hahavonjy ny inona? Ny Fivoriamben’ny Distrikan’ny Vavolombelon’i Jehovah hoe “Iraka Milaza Fiadanana Araka An’Andriamanitra”, izay mihamanatona haingana! Any amin’ny ankamaroan’ny toerana, ilay fivoriambe dia hanomboka amin’ny mozika amin’ny sivy ora sy sasany, ny zoma maraina. Rehefa avy nihaino fanadinadinana manatanjaka ny finoana, mandritra ilay anjara hoe “Fandrenesana Vaovao avy Amin’ireo Mpanambara Be Zotom-po ny Fiadanana”, ianao, dia ho faly hahare ilay lahateny mampahery hoe “Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika?”
Ny zavatra iray hisongadina amin’ny zoma tolakandro dia ilay lahateny fototra mandrisika hoe “Ny Anjara Asantsika Amin’ny Maha-Iraka Milaza Fiadanana Araka An’Andriamanitra Antsika”. Avy eo, ilay anjara hoe “Fanampiana ny Hafa Hianatra Ireo Zavatra Takin’Andriamanitra” dia hanolotra fanipazan-kevitra momba ny fampianarana ireo vaovao. Izy io dia harahin’ny fitohitohizan-dahateny amin’ny fotoana hilana azy hoe “Mitandrema Amin’ireo Fandrika Miafin’ny Fialam-boly”. Ny fandaharana ny zoma dia hifarana amin’ny lahateny hoe “Manohera ny Devoly — Aza Milefitra Amin’ny Fandrafiana”, sy hoe “Fanohanana Amim-panehoana Tsy Fivadihana ny Tsy Fiovan’ny Tenin’Andriamanitra”.
Ny fandaharana ny asabotsy maraina dia hanamafy ny maha-zava-dehibe ny asa fanaovana mpianatra, ao amin’ny fitohitohizan-dahateny mizara telo hoe “Iraka Mitondra Vaovao Tsara Momba ny Fiadanana”. Ilay fotoam-pivoriana dia hifarana amin’ny lahateny hoe “Fanomezana Amim-pifaliana eo Anivon’ny Fandaminan’i Jehovah”, sy hoe “Fiainana sy Fiadanana Amin’ny Alalan’ny Fanoloran-tena sy ny Batisa”, ary aorian’izay ireo mpianatra vaovao dia hanana fahafahana hatao batisa.
Ilay lahateny hoe “Diniho ny Fihevitr’i Jehovah Zavatra” amin’ny asabotsy tolakandro dia hamaly fanontaniana toy ny hoe ‘Moa ve ny Kristiana Mandray Anjara Amin’ny Asa Fanavahana Iray Amin’izao Andro Izao?’ sy hoe ‘Inona moa no Fomba Fihevitry ny Baiboly Momba ny Fanamelohana ho Faty?’ Ho faly koa ianao hahare ilay fitohitohizan-dahateny hanafana ny fo mizara roa hoe “Miahy Anao Ilay Andriamanitry ny Fiadanana” ary indrindra fa ilay lahateny famaranana hoe “Mikatsaha Fiadanana Araka An’Andriamanitra ao Amin’ny Fiainam-pianakaviana”.
Ho tafiditra ao amin’ny fandaharana ny alahady maraina ilay fitohitohizan-dahateny mizara telo hoe “Fahafantarana Ilay Karazana Iraka Tsara” sy ilay lahateny hoe “Henoy sy Ankatoavy ny Tenin’Andriamanitra”. Ny fandaharana ny maraina dia hifarana amin’ny fampisehoana tantara iray, hanaovan’ny mpilalao fitafiana tamin’ny andro fahiny, izay hisintonana fianarana sarobidy avy amin’ny tantara ara-baiboly momba an’i Gideona Mpitsara.
Ny fotoam-pivoriana faran’ny fivoriambe, amin’ny alahady tolakandro, dia hanasongadina ilay lahateny ampahibemaso mitondra ny lohateny hoe “Tena Fiadanana Rehefa Ela ny Ela! — Avy Aiza Moa?” Farany, dia hamarana ny fivoriambe ilay lahateny hanosika hanao zavatra, hoe “Fandrosoana Hatrany, Amin’ny Maha-Iraka Milaza Fiadanana Araka An’Andriamanitra Antsika”.
Manaova fandaharana mialoha dieny izao mba hanatrehana. Mba hahitana ilay toerana akaikin’ny misy anao indrindra, dia mifandraisa amin’ny Efitrano Fanjakanan’ny Vavolombelon’i Jehovah eo an-toerana, na manorata amin’ireo mpampanonta itỳ gazety itỳ. Ny Mifohaza! 8 Jona dia hanome ny lisitr’ireo toerana hanaovana ireo fivoriamben’ny distrika rehetra eto Madagasikara.