Afaka Tena ho Tia An’Andriamanitra Tokoa ve Ianao?
“TSY misy olona mahita Ahy ka ho velona”, hoy Andriamanitra. (Eksodosy 33:20). Ankoatra izany, hatramin’ny nahavitan’ny Baiboly, dia tsy misy porofo ny amin’ny nananan’ny olombelona na iza na iza fifandraisana nivantana taminy. Tsy hekenao ve fa toa sarotra — tsy azo atao mihitsy aza — ny hampitombo firaiketam-po lalina ho an’olona iray izay tsy hitanao na renao mivantana mihitsy? Tena tsy azo atao tokoa ve ny manana fifandraisana feno fitiavana amin’ilay Mpamorona an’izao rehetra izao?
Tsy tokony hisalasalana fa azo atao ny mampitombo firaiketam-po mafana sy manokana amin’Andriamanitra. Eo amin’ny Deoteronomia 6:5, dia mamaky isika fa nodidiana toy izao ny firenen’ny Isiraely: “Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny herinao rehetra.” Nohamafisin’i Jesosy Kristy indray tamin’ny mpianany io lalàna io tatỳ aoriana, ary nanampy teny toy izao izy: “Izany no didy lehibe sady voalohany.” (Matio 22:37, 38). Hampirisika mafy antsika ho tia an’Andriamanitra ve ny Baiboly raha toa ka tsy azo tratrarina ny fifandraisana toy izany?
Antenain’i Jehovah ve anefa ny hitiavantsika azy satria fotsiny izy mandidy izany? Tsia. Andriamanitra dia namorona ny mpivady olombelona voalohany nanana fahaizana ny ho tia azy. Tsy noterena hiditra tamin’ny fifandraisana feno fitiavana tamin’ny Mpamorona azy i Adama sy i Eva. Tsy izany, fa nametraka azy ireo kosa tao anatin’ny toe-javatra tsara indrindra Andriamanitra mba hitomboan’ny firaiketam-po lalina ho azy. Azy ireo ny safidy — hanatona akaiky kokoa an’Andriamanitra na hanalavitra azy.
Nisafidy ny hikomy i Adama sy i Eva. (Genesisy 2:16, 17; 3:6, 7). Ny taranak’izy ireo anefa, dia hanana fahafahana ho amin’ny fampitomboana fifandraisana feno fitiavana amin’ilay Mpamorona.
Fiarahana mandeha amin’ilay Andriamanitra marina
Ohatra, ao amin’ny Baiboly, dia resahina ho toy ny “sakaizan’Andriamanitra” i Abrahama. (Jakoba 2:23). Kanefa, azo antoka fa tsy i Abrahama irery no hany nanana fifandraisana tena akaiky tamin’Andriamanitra. Miresaka ny amin’ny olombelona maro hafa tsy lavorary izay nampiseho firaiketam-po marina ho an’i Jehovah ka ‘niara-nandeha tamin’ilay Andriamanitra marina’ ny Baiboly. — Genesisy 5:24; 6:9, NW; Joba 29:4; Salamo 25:14, NW; Ohabolana 3:32, NW.
Ireo mpanompon’Andriamanitra fahiny dia tsy teraka nanana fitiavana sy firaiketam-po ho an’Andriamanitra. Tsy maintsy nampitombo azy io izy ireo. Tamin’ny fomba ahoana? Tamin’ny fanombohana nahalala azy tamin’ny anarany manokana hoe Jehovah. (Eksodosy 3:13-15; 6:2, 3). Tamin’ny fahatakarana ny fisiany sy ny maha-Andriamanitra azy. (Hebreo 11:6). Tamin’ny fisaintsainana matetika ireo asany feno fitiavana (Salamo 63:6). Tamin’ny filazana tao amin’ny vavaka ho an’Andriamanitra ny hevitr’izy ireo lalina indrindra tao anatiny. (Salamo 39:12). Tamin’ny fianarana ny hatsaram-pony. (Zakaria 9:17, NW ). Tamin’ny fampitomboana tahotra mahasoa sao mandika ny lalàny. — Ohabolana 16:6.
Afaka ny ho tonga sakaizan’Andriamanitra sy hiara-mandeha aminy ve ianao? Marina fa tsy afaka mahita an’Andriamanitra na mandre ny feony ianao. Na dia izany aza, dia manasa anao i Jehovah ‘hitoetra ao amin’ny tabernakeliny’, ho tonga sakaizany. (Salamo 15:1-5). Araka izany, dia azonao atao ny ho tia an’Andriamanitra. Ahoana anefa no ahafahanao mampitombo fifandraisana tena akaiky sy feno firaiketam-po aminy?