FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w96 1/7 p. 28-31
  • Iza no Mendrika Hantsoina hoe Raby?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Iza no Mendrika Hantsoina hoe Raby?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Raby ve i Mosesy?
  • Fanahafana ilay mpampianatra
  • Ireo raby nandritra ireo taonjato
  • ‘Ianareo kosa aza mba mety hantsoina hoe raby’
  • Araho ilay Modely
  • Raby
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Nahoana no Natao An-tsoratra ny Lalàna Am-bava?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Inona no Atao hoe Torah?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Avy Tamin’ny Tsindrimandrin’Andriamanitra ve ny Baiboly?
    Hisy Tontolo Iray Tsy Hisian’ny Ady ve Indray Andro Any?
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
w96 1/7 p. 28-31

Iza no Mendrika Hantsoina hoe Raby?

TSY nanana fanantenana firy ny ho tonga ara-potoana tany amin’ny seranam-piaramanidina ny mpizaha tany iray tsy nanampo na inona na inona. Nisy polisy an-jatony maro niezaka handrindra ny fifamoivoizana no sady niambina mpandevina maherin’ny 300 000 izay nameno ireo arabe tao Jerosalema. Ny The Jerusalem Post dia niantso azy io hoe “filahara-mpandevina izay natokana ho an’ny prezidà, ny mpanjaka na ny mpitondra tsy refesi-mandidy ihany, amin’ny ankapobeny, ny halehibeny”. Iza no ho afaka nahatonga fanehoam-pifikirana tafahoatra toy izany ka nampikatso ny renivohitr’i Israely nandritra ny ora maro? Raby nohajaina iray. Nahoana ny toerana tanan’ny raby no mahazo fanajana sy fifikirana toy izany eo amin’ny Jiosy? Oviana no nampiasana voalohany ny teny hoe “raby”? Amin’iza no ampiharina araka ny marina izy io?

Raby ve i Mosesy?

Ny anarana hajaina indrindra ao amin’ny Jodaisma dia i Mosesy, ilay mpanalalana tamin’ny feneken’ny Lalàna an’ny Isiraely. Misy Jiosy tia fivavahana miantso azy hoe “Mosesy ‘Rabinay’ ”. Kanefa, na aiza na aiza ao amin’ny Baiboly dia tsy resahina amin’ny anaram-boninahitra hoe “Raby” i Mosesy. Raha ny marina, dia tsy miseho mihitsy ao amin’ny Soratra Hebreo ny teny hoe “raby”. Ahoana àry no nanombohan’ny Jiosy niresaka an’i Mosesy tamin’izany fomba izany?

Araka ny Soratra Hebreo, ny andraikitra sy ny fahefana hampianatra sy hanazava ny Lalàna dia nomena an’ireo taranak’i Arona, ireo mpisorona avy tamin’ny fokon’i Levy. (Levitikosy 10:8-11; Deoteronomia 24:8; Malakia 2:7). Kanefa, tamin’ny taonjato faharoa al.f.i., dia nanomboka teo anivon’ny Jodaisma ny fiovana ifotony iray nisoko nangina, ka nisy fiantraikany naharitra teo amin’ny fisainan’ny Jiosy, nanomboka tamin’io fotoana io.

Momba an’io fiovana ara-panahy io, dia nanoratra toy izao tao amin’ilay boky hoe A History of Judaism i Daniel Jeremy Silver: “Tamin’[io] fotoana [io] dia nisy kilasina mpanora-dalàna sy manam-pahaizana manokana tsy mpisorona nanomboka nihaika ny naha-ara-dalàna ny fitanan’ny mpisorona ho azy samirery ny filazana ny hevitry ny Torah [Lalàn’i Mosesy]. Niombon-kevitra ny rehetra fa tena nilaina ny mpisorona tamin’ny naha-mpiasa tao amin’ny Tempoly azy, nefa nahoana no izy ireo no tokony hanana ny teny farany raha ny amin’ny raharaha momba ny Torah?” Iza no rangory fototry ny afo tamin’io fihaikana ny fahefan’ny kilasin’ny mpisorona io? Antokon’olona vaovao teo anivon’ny Jodaisma, antokon’olona nantsoina hoe Fariseo. Manohy ny teniny toy izao i Silver: “Naorin’ny Fariseo tamin’ny fahaizana, fa tsy tamin’ny razana niaviana [tarana-mpisorona], ny famelana hiditra tao amin’ireo sekoliny ambony, ka nitondra Jiosy nahaforona kilasy vaovao ho amin’ny toeran’ny mpitarika ara-pivavahana izy ireo.”

Tamin’ny taonjato voalohany am.f.i., ireo nahazo diplaoma tao amin’ireny sekoly ambony an’ny Fariseo ireny dia nanjary fantatra hoe mpampianatra ny lalàna jiosy. Ho mari-panajana, dia nisy Jiosy hafa nanomboka niresaka azy ireo ho “mpampianatro”, rabbi amin’ny teny hebreo.

Tsy nisy na inona na inona afaka nahatonga an’io anaram-boninahitra vaovao io ho ara-dalàna kokoa noho ny fampiharana azy io tamin’ilay heverina ho ilay mpampianatra lehibe indrindra teo amin’ny tantara jiosy, dia i Mosesy. Ny vokany dia nampihena kokoa ny fanantitranterana ny amin’ny fisoronana fa nanamafy kosa ny fiheveran’ny besinimaro ny amin’ny toeran’ny mpitarika notanan’ny Fariseo nanan-kery tsy nitsaha-nitombo. Araka izany, maherin’ny 1 500 taona taorian’ny nahafatesany vao nantsoina hoe “Raby” i Mosesy.

Fanahafana ilay mpampianatra

Na dia nampiasain’ny sarambabem-bahoaka hiresahana mpampianatra hafa izay nanehoany fanajana aza ny teny hoe “raby” (“mpampianatro”) indraindray, ilay teny dia mazàna no nampiharina tamin’ireo mpampianatra nalaza teo amin’ireo Fariseo, “ireo olon-kendry”. Koa satria saika namarana tanteraka ny fahefan’ny mpisorona ny fandravana ny tempoly tamin’ny taona 70 am.f.i., dia nanjary mpitarika tsy azo nolavina teo amin’ny Jodaisma ireo raby fariseo. Nampirisika ny fitomboan’ny karazana fimatimatesana nifantoka tamin’ireo olon-kendry rabinika ny toerana fara tampony notanan’izy ireo.

Miresaka momba an’io fe-potoana tetezamita tamin’ny taonjato voalohany am.f.i. io ny Profesora Dov Zlotnick, ka milaza hoe: “ ‘Ny fampifantohana ny saina tamin’ireo olon-kendry’, dia nanjary zava-dehibe kokoa noho ny fianarana ny Torah.” Manazava bebe kokoa toy izao ilay Jiosy manam-pahaizana manokana atao hoe Jacob Neusner: “Ilay ‘mpianatr’ireo olon-kendry’ dia mpianatra izay nifikitra tamin’ny raby iray. Manao izany izy satria te hianatra ny ‘Torah’. (...) Ny Torah dia tsy ianarana amin’ny alalan’ny lalàna, fa amin’ny alalan’ny fijerena ny lalàna hita mivaingana eo amin’ireo fihetsika sy zavatra ataon’ireo olon-kendry velona. Mampianatra ny lalàna amin’izay ataony izy ireo, fa tsy hoe fotsiny amin’izay lazainy.”

Manamafy izany ilay manam-pahaizana manokana momba ny Talmoda atao hoe Adin Steinsaltz, amin’ny fanoratana hoe: “Ireo olon-kendry mihitsy no nilaza hoe: ‘Tokony hianarana ny resaka ankapobe, ny vazivazy, na ny fanambarana tsotra ataon’ireo olon-kendry.’ ” Hatraiza no azo nampiharana an’izany? Manamarika toy izao i Steinsaltz: “Ny ohatra iray tafahoatra ny amin’izany dia ny mpianatra iray izay voalaza fa niafina tao ambany farafaran’ilay mpampianatra lehibe azy mba hahitany ny fomba nanaovan’io firaisana tamin’ny vadiny. Rehefa nanontaniana ny amin’ny fitiavany ta hahalala zavatra tsy araka ny tokony ho izy ilay mpianatra tanora, dia namaly hoe: ‘Izany no Torah ary mendrika hianarana’ — fomba fijery eken’ny raby sy ny mpianatra ho toy ny marim-pototra.”

Noho ny fanantitranterana momba ny raby fa tsy momba ny Torah — fianarana ny Torah tamin’ny alalan’ny raby — dia nanjary fivavahana nirona tamin’ny raby ny Jodaisma nanomboka tamin’ny taonjato voalohany am.f.i. Nanatona an’Andriamanitra ny olona iray, tsy tamin’ny alalan’ny Teny voasoratra ara-tsindrimandry, fa tamin’ny alalan’ny modely iray ho an’ny tenany manokana, mpampianatra iray, dia ny raby. Araka izany, dia nifindra ho azy avy tamin’ny Soratra ara-tsindrimandry ho amin’ny lalàna am-bava sy ny lovantsofina nampianarin’ireny raby ireny ny zavatra noantitranterina. Nanomboka teo, ny asa soratra jiosy, toy ny Talmoda, dia nifantoka bebe kokoa tamin’ny resaka sy ny tantara kely ary ny fitondran-tenan’ireo raby fa tsy tamin’ireo fanambaran’Andriamanitra.

Ireo raby nandritra ireo taonjato

Na dia nanana fahefana sy hery lehibe dia lehibe aza ireo raby tany am-boalohany, dia tsy ny asany ara-pivavahana no fivelomany. Manambara toy izao ny Encyclopaedia Judaica: “Ny rabin’ny Talmoda dia (...) hafa tanteraka amin’izay mitondra ilay anaram-boninahitra amin’izao fotoana izao. Ny raby talmodika dia mpilaza ny hevitry ny Baiboly sy ny Lalàna Am-bava sady mpivaofy azy ireo, ary saika nanana foana anton’asa nahazoany fivelomana. Vao tamin’ny Moyen Âge no nanjary (...) mpampianatra sy mpitory ary loha ara-panahin’ny kongregasiona na ny fiaraha-monina jiosy ny raby.”

Rehefa nanomboka nanova ny toerana notanany ho anton’asa andraisan-karama ny raby, dia nisy sasany taminy nanandra-peo nanohitra izany. I Maimonides, ilay raby fanta-daza tamin’ny taonjato faha-12 izay dokotera no fivelomany, dia nanakiana mafy ny raby toy izany. “Nanorina ho an’ny tenany fitakiana ara-bola tamin’ny isam-batan’olona sy ny fiaraha-monina [izy ireo] ary nahatonga ny olona hieritreritra, tamin-kadalana tanteraka, fa zavatra tsy maintsy atao sy araka ny tokony ho izy ny manampy [ara-bola] ireo olon-kendry sy manam-pahaizana manokana ary olona mianatra ny Torah, ka noho izany dia ny Torah-n’izy ireo no anton’asany. Ratsy anefa izany rehetra izany. Tsy misy teny tokana, na ao amin’ny Torah na ao amin’ny tenin’ireo olon-kendry mahatonga hino izany.” (Commentary on the Mishnah, Avot 4:5). Tsy nohenoin’ireo taranaka raby ho avy anefa ny fanamelohan’i Maimonides.

Rehefa niditra tamin’ny andro maoderina ny Jodaisma, dia nizara ho antokom-pinoana tia fanavaozana, mitana ny nentin-drazana, sy ortodoksa. Ho an’ny Jiosy maro, dia nanjary tsy dia lehibe noho ny raharaha hafa ny zavatra inoana sy ny fanao ara-pivavahana. Vokatr’izany, dia nihen-danja ny toerana notanan’ny raby. Ny raby, tamin’ny ankapobeny, dia nanjary voatokana ho lohan’ny kongregasiona, nanao zavatra tamin’ny naha-mpampianatra sy mpanolo-tsaina matihanina nokaramaina ho an’ny mpikambana tao amin’ny antokon’olona nentiny. Kanefa, teo amin’ireo antokon’olona hasidika ortodoksa tafahoatra, ny fiheverana ny raby ho mpampianatra sy modely dia lasa lavitra kokoa aza.

Mariho ireo tenin’i Edward Hoffman tao amin’ilay bokiny momba ny fihetsiketsehana Chabad-Loubavitch hasidika: “Ireo Hassidim tany am-boalohany koa dia nanamafy fa isaky ny taranaka dia misy mpitarika tokana jiosy, zaddik [olo-marina] iray, ilay ‘Mosesy’ amin’ny androny, izay tsy manam-paharoa ny fahaizany manokana sy ny fahafoizan-tenany ho an’ny hafa. Tamin’ny alalan’ny fitiavam-pivavahana tsy fahita firy nananany, ny antokona Hassidim tsirairay dia nihevitra fa ny Rebbe [“raby” amin’ny teny yiddish] an’izy ireo dia ho afaka ny hanan-kery eo amin’ny didim-pitsaran’ny Tsitoha mihitsy aza. Tsy vitan’ny hoe nomena fanajana ara-pivavahana izy tamin’ny naha-modely azy nandritra ny lahateniny nisy fanambarana, fa ny fomba fiainany (‘ny fomba famatony ny tadin-kirarony’, araka ny filazana azy) koa dia nojerena mba hanandratana ny maha-olona sy hampitana fanondroana an-kolaka ny lalana ho amin’Andriamanitra.”

‘Ianareo kosa aza mba mety hantsoina hoe raby’

I Jesosy, ilay Jiosy tamin’ny taonjato voalohany izay nanorina ny Kristianisma, dia niaina tamin’ny fotoana nisian’ny hoe nanomboka nahatratra ny Jodaisma ny fiheveran’ny Fariseo ny amin’ny raby. Tsy Fariseo izy no sady tsy nofanina tany amin’ireo sekoliny ambony, nefa dia nantsoina koa hoe Raby. — Marka 9:5; Jaona 1:38; 3:2.

Nanameloka ilay fironana rabinika tao amin’ny Jodaisma i Jesosy ka nilaza hoe: “Eo amin’ny fipetrahan’i Mosesy no ipetrahan’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo (...). Ary tia ny fitoerana aloha eo amin’ny fanasana izy, sy ny fipetrahana aloha eo amin’ny synagoga sy ny hoharabain’ny olona eny an-tsena ary ny [hantsoin’ny, DIEM ] olona hoe: Raby ô! Fa hianareo kosa aza mba mety [hantsoina, DIEM ] hoe: Raby ô; fa iray ihany no Mpampianatra anareo, ary hianareo rehetra dia mpirahalahy avokoa.” — Matio 23:2, 6-8.

Nampitandrina ny amin’ny fanavahana ny klerjy amin’ny lahika, fanavahana izay nahazo vahana teo anivon’ny Jodaisma, i Jesosy. Nanameloka ny fanomezan-daza tafahoatra toy izany ho an’olombelona izy. “Iray ihany ny Mpampianatra anareo”, hoy ny fanambarany tamim-pahasahiana. Iza moa Izy io?

I Mosesy, “izay fantatr’i Jehovah nifanatrika” ary nantsoin’ireo olon-kendry hoe “Rabinay”, dia olombelona tsy tanteraka. Na dia izy aza dia nanao fahadisoana. (Deoteronomia 32:48-51; 34:10; Mpitoriteny 7:20). Tsy nanasongadina an’i Mosesy ho toy ny ohatra fara tampony i Jehovah fa nilaza taminy kosa hoe: “Mpaminany no hatsangako ho azy avy amin’ny rahalahiny, tahaka anao, ka hataoko ao am-bavany ny teniko, ary holazainy aminy izay rehetra handidiako azy. Ary izay rehetra tsy mihaino ny teniko, izay holazainy amin’ny anarako, dia Izaho no hitsara azy.” — Deoteronomia 18:18, 19.

Manaporofo ny faminanian’ny Baiboly fa manana ny fahatanterahany amin’i Jesosy, ilay Mesia, ireo teny ireo.a Tsy hoe “tahaka” an’i Mosesy fotsiny i Jesosy; lehibe kokoa noho i Mosesy izy. (Hebreo 3:1-3). Manambara ny Soratra Masina fa teraka tamin’ny naha-olombelona tanteraka i Jesosy, ary tsy tahaka an’i Mosesy izy fa nanompo an’Andriamanitra ‘tamin’ny tsy fananana ota’. — Hebreo 4:15.

Araho ilay Modely

Ny fianarana mafy ny zavatra rehetra atao sy lazain’ny raby dia tsy nahatonga ny Jiosy ho akaiky kokoa an’Andriamanitra. Na dia mety ho oha-pahatokiana aza ny olombelona tsy tanteraka iray, raha mianatra sy manahaka ny zavatra ataony rehetra isika, dia hanahaka ny fahadisoany sy ny tsy fahatanterahany ary koa ireo toetrany tsara. Hanome voninahitra tafahoatra ny zavatra natao isika fa tsy ny Mpanao. — Romana 1:25.

Nanome Modely ho an’ny olombelona anefa i Jehovah. Araka ny Soratra Masina, i Jesosy dia efa nisy talohan’ny naha-olombelona azy. Raha ny marina, dia antsoina hoe “endrik’Andriamanitra tsy hita, ny Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao” izy. (Kolosiana 1:15). Noho izy nanompo tany an-danitra nandritra ny an’arivony taona maro tsy hita isa tamin’ny naha-‘mpità-marik’Andriamanitra’ azy, dia i Jesosy no tsara toerana indrindra mba hanampy antsika ho tonga amin’ny fahalalana an’i Jehovah. — Ohabolana 8:22-30; Jaona 14:9, 10.

Noho izany, dia afaka nanoratra toy izao i Petera: “Kristy (...) efa nijaly hamonjy anareo ka namela [modely, NW ] ho anareo, mba hanarahanareo ny diany”. (1 Petera 2:21). Nampirisika ny Kristiana ny apostoly Paoly mba ‘hijery an’i Jesosy Tompon’ny finoantsika sy Mpanefa azy’. Nanazava koa izy fa ‘iafenan’ny rakitry ny fahendrena sy ny fahalalana rehetra ao aminy’. (Hebreo 12:2; Kolosiana 2:3). Tsy misy olon-kafa — na i Mosesy na izay olon-kendry rabinika rehetra — mendrika an’izany fiheverana izany. Raha misy olona tokony hotahafina akaiky, dia i Jesosy. Tsy mila anaram-boninahitra toy ny hoe raby ny mpanompon’Andriamanitra, indrindra rehefa heverina ilay hevitra fonosin’izy io amin’izao andro maoderina izao, nefa raha misy olona mendrika hantsoina hoe Raby, dia i Jesosy.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Mba hahazoana fanazavana bebe kokoa momba ny porofo fa i Jesosy no ilay Mesia nampanantenaina, dia jereo ilay bokikely hoe Hisy Tontolo Iray Tsy Hisian’ny Ady ve Indray Andro Any?, pejy 24-30, navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 28]

© Brian Hendler 1995. All Rights Reserved

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara