FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w96 15/7 p. 3-4
  • “Mampianara Anay Hivavaka”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Mampianara Anay Hivavaka”
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Sary sy “olo-masina mpiaro”
  • Ny niavian’ny sapile
  • Mety ve ny Mivavaka Amin’ny Olo-masina?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
  • Olo-masina
    Fandresen-dahatra Miorina Amin’ny Soratra Masina
  • Tokony Hivavaka Amin’i Maria Virjiny ve Ianao?
    Mifohaza!—2005
  • Mety ve ny Mivavaka Amin’ny “Olo-masina”?
    Mifohaza!—2010
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
w96 15/7 p. 3-4

“Mampianara Anay Hivavaka”

“TOMPOKO, mampianara anay hivavaka”. Nataon’ny iray tamin’ireo mpianatr’i Jesosy Kristy io fangatahana io. (Lioka 11:1). Niharihary fa lehilahy iray nankasitraka lalina ny vavaka ilay mpianatra tsy voatonona anarana. Toy izany koa fa miaiky ny maha-zava-dehibe ny vavaka ireo mpivavaka marina amin’izao andro izao. Raha dinihina tokoa mantsy, dia ny vavaka no fomba ahafahantsika miresaka amin’ilay Persona Ambony Indrindra eo amin’izao rehetra izao! Ary eritrereto fotsiny ange e! Manisy fiheverana manokana ny fanahiantsika sy ny fitebitebentsika ilay “Mpihaino vavaka”. (Salamo 65:2). Mbola zava-dehibe kokoa fa amin’ny alalan’ny vavaka no anolorantsika fisaorana sy fiderana an’Andriamanitra. — Filipiana 4:6.

Na dia izany aza, ny teny hoe “mampianara anay hivavaka” dia mampipoitra fanontaniana lehibe sasany. Manerana izao tontolo izao, dia misy fomba maro fanantonana an’Andriamanitra ampiasain’ireo fivavahana samy hafa. Misy ve anefa fomba fivavaka mety sy tsy mety? Ho valin’izany, dia aoka isika aloha hijery ny sasany amin’ireo fomba ara-pivavahana tiam-bahoaka izay mahatafiditra ny vavaka. Hifantoka amin’ireo atao any Amerika Latina isika.

Sary sy “olo-masina mpiaro”

Amin’ny ankapobeny, dia tia fivavahana be ireo tany any Amerika Latina. Manerana an’i Meksika, ohatra, dia azon’ny tena marihina ny fivavahana amin’ireo “olo-masina mpiaro”, izay fanao tiam-bahoaka. Marina tokoa fa fomba mahazatra an’ireo tanàna meksikana ny manana “olo-masina mpiaro” izay anaovana fety amin’ny andro sasany. Mivavaka amin’ny sary maro isan-karazany koa ireo Katolika meksikana. Miankina amin’izay karazana fangatahana irin’ilay mpivavaka hatao anefa ny hoe iza no “olo-masina” antsoina. Raha misy mitady olona hovadina, dia mety handrehitra labozia ho an’i “Masindahy” Antoine, izy. Ny olona iray handeha hanao dia lavitra amin’ny fiara dia mety hametraka ny tenany ho eo ambany fiarovan’i “Masindahy” Christophe, mpiaro ireo mpanao dia lavitra, indrindra fa ireo mpandeha fiara.

Avy taiza anefa no niavian’izany fomba izany? Asehon’ny tantara fa rehefa tonga tany Meksika ny Espaniola, dia nahita vahoaka be fandavan-tena teo amin’ny fanompoam-pivavahana tamin’ireo andriamanitry ny mpanompo sampy. Hoy i Victor Wolfgang von Hagen, ao amin’ilay bokiny hoe Los Aztecas, Hombre y Tribu, (Ireo Aztèques, Ilay Olona sy Ilay Foko): “Nisy ireo andriamanitra manokana, ny zavatra famboly tsirairay dia nanana ny andriamaniny, ny asa tsirairay dia nanana ny andriamaniny na ny andriamani-baviny, na dia ny famonoan-tena aza dia nanana iray. I Yacatecuhtli no andriamanitr’ireo mpanao raharaham-barotra. Tao amin’io tontolo nanana andriamanitra maro io, ireo andriamanitra rehetra dia nanana fironana sy asa voafaritra mazava tsara.”

Nanaitra aoka izany ny fitovian’ireny andriamanitra ireny tamin’ireo “olo-masina” katolika, hany ka, rehefa nanandrana “nanova ho Kristiana” ny tera-tany ireo mpandresy espaniola, dia namindra fotsiny ny fifikirany tamin’ireo sampiny nankamin’ireo ‘olo-masin’ny’ Eglizy ireny tera-tany ireny. Ny lahatsoratra iray tao amin’ny The Wall Street Journal dia niaiky ny fiaviana avy amin’ny mpanompo sampy ananan’ny Fivavahana Katolika tany amin’ny faritra sasany amin’i Meksika. Nomarihiny fa tany amin’ny faritra iray, ny ankamaroan’ireo “olo-masina” 64 nankamasinin’ny vahoaka dia nifanandrify tamin’ireo “andriamanitra Maya voafaritra tsara”.

Manandrana manaporofo ny New Catholic Encyclopedia fa “misy fatoram-pitokiana sy fifankazarana miorina eo amin’ny olo-masina sy ireo izay eto an-tany, (...) dia fatorana izay, tsy manaisotra velively ny fifandraisana amin’i Kristy sy Andriamanitra, fa manatsara sy mandalina azy io kosa”. Ahoana anefa no ahafahan’ny fatorana iray, izay mazava tsara fa sisan-javatra tany amin’ny fanompoan-tsampy, handalina ny fifandraisan’ny tena amin’ilay Andriamanitra marina? Tena afaka mampifaly tokoa an’Andriamanitra ve ireo vavaka atao amin’ny “olo-masina” toy izany?

Ny niavian’ny sapile

Mahatafiditra ny fampiasana sapile ny fomba tiam-bahoaka hafa iray. Ny Diccionario Enciclopédico Hispano-Americano (Diksionera Momba ny Firaketana Espaniola-Amerikana) dia milazalaza ny sapile ho “kofehy iray misy vakana dimampolo na dimampolo amby zato sarahina tsifolofolo amin’ny hafa lehibe kokoa ary akamban’ny lakroa eo amin’ny tendrony, ialohavan’ny vakana telo amin’izao fotoana izao”.

Raha nanazava ny fomba ampiasana ny sapile ny zavatra vita an-tsoratra katolika iray, dia nilaza hoe: “Ny Sapile Masina dia endriny iray amin’ny vavaka am-bava sy an-tsaina momba ireo Misterin’ny fanavotana antsika. Voaforon’ny fizarana dimy ambin’ny folo izy io. Ny fizarana tsirairay dia voaforon’ny fanaovana tsianjery ny Vavaka Nampianarin’ny Tompo, Arahaba ry Maria impolo, ary Voninahitra. Mistery iray no saintsainina mandritra ny fizarana tsirairay.” Ireo mistery dia foto-pampianarana, na fampianarana, izay tokony ho fantatry ny Katolika, ka amin’io tarehin-javatra io, dia manondro ny fiainana sy ny fijaliana ary ny fahafatesan’i Kristy Jesosy.

Hoy ny The World Book Encyclopedia: “Ireo endri-pivavahana tamin’ny sapile tany am-boalohany dia nanomboka tao amin’ny Kristianisma nandritra ny Moyen Âge, kanefa tsy nanjary niely patrana raha tsy tamin’ireo taona 1400 sy 1500.” Voafetra ho an’ny Fivavahana Katolika ihany ve ny fampiasana sapile? Tsia. Milaza toy izao ny Diccionario Enciclopédico Hispano-Americano: “Misy vakana toy izany ampiasaina any amin’ireo fanompoam-pivavahana silamo sy lamaista ary bodista.” Manao izao fanamarihana izao tokoa ny Encyclopedia of Religion and Religions: “Misy mandroso hevitra fa ny Mohamedana dia nandray ny Sapile avy tamin’ny Bodista, ary ny Kristiana avy tamin’ny Mohamedana tamin’ny fotoan’ny Kroazada.”

Misy manandrana manaporofo fa ny sapile dia natao fotsiny ho fanampiana amin’ny fitadidiana rehefa misy isam-bavaka takina haverimberina. Kanefa mahafaly an’Andriamanitra ve ny fampiasana azy io?

Tsy ilaintsika ny manombantombana na manao ady hevitra ny amin’ny maha-mety na ny maha-marim-pototra izany fomba izany. I Jesosy dia nanome valiny mendrika ekena ho an’ilay fangatahana hampianatra ireo mpanara-dia azy ny fomba fivavaka. Izay nolazaina dia hanazava ary angamba hahagaga ny mpamaky sasany.

[Sary, pejy 3]

Mampiasa sapile amin’ny ankapobeny ny Katolika. Taiza no niavian’izany?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara