Gamaliela — Nampianatra An’i Saoly avy any Tarsosy Izy
NIJAJIRIKA ilay vahoaka, tankina. Fotoana kely talohan’izay fotsiny, dia efa saika nahafaty ny apostoly Paoly izy ireo. Fantatra koa tamin’ny hoe Saoly avy any Tarsosy izy raha novonjen’ny andian-tafika romana, ary izao izy dia niatrika ilay vahoaka avy teo amin’ny tohatra iray akaikin’ny tempoly tao Jerosalema.
Raha nanao fihetsehana tamin’ny tanany i Paoly mba hangatahana fanginana, dia nanomboka niteny hebreo, tamin’ny filazana hoe: “Ry rahalahy sy hianareo ray, henoy ny teny halahatro aminareo ankehitriny hanalana tsiny ny tenako. (...) Izaho lehilahy Jiosy, teraka tany Tarsosy any Kilikia, fa teto amin’ity tanàna ity no nahabe ahy teo anilan’ny tongotr’i Gamaliela, dia nampianarina tsara ny lalàna avy tamin’ny razana aho, ary nazoto indrindra ho an’Andriamanitra tahaka anareo rehetra ankehitriny.” — Asan’ny Apostoly 22:1-3.
Nahoana i Paoly no nanomboka ny fiarovan-tenany tamin’ny filazana fa nampianarin’i Gamaliela ny tenany, kanefa ny ainy no notandindomin-doza? Iza moa i Gamaliela, ary inona no tafiditra tamin’ny hoe nampianariny? Moa ve io fampiofanana io nisy heriny teo amin’i Saoly na dia taorian’ny nahatongavany ho Paoly apostoly kristiana aza?
Iza moa i Gamaliela?
Fariseo fanta-bahoaka i Gamaliela. Izy dia zafikelin’i Hillel Loholona, izay nanorina ny iray tamin’ireo sekoly roa lehibe indrindra tao anatin’ny Jodaisman’ireo Fariseo.a Ny fomba fampianatr’i Hillel dia noheverina ho nilefitra kokoa noho ny an’i Shammai, rafiny. Taorian’ny naharavan’ny tempolin’i Jerosalema tamin’ny 70 am.f.i., dia tian’ny olona kokoa ny Bet Hillel (ny Ankohonan’i Hillel) toy izay ny Bet Shammai (ny Ankohonan’i Shammai). Ny Ankohonan’i Hillel no nanjary ny fomba ofisialy nampisehoana ny Jodaisma satria nanjavona niaraka tamin’ny faharavan’ny tempoly ireo antokom-pivavahana hafa rehetra. Matetika no fototry ny lalàna jiosy ao amin’ny Mishnah, izay tonga fiorenan’ny Talmoda, ireo fanapahan-kevitry ny Bet Hillel, ary toa anton-javatra lehibe teo amin’ny fanapahan’izy io ny fitaomana nananan’i Gamaliela.
Nankamamina aoka izany i Gamaliela, hany ka izy no voalohany nantsoina hoe raban, anaram-boninahitra ambony kokoa noho ny an’ny raby. Raha ny marina, dia nanjary nohajaina fatratra aoka izany i Gamaliela ka milaza ny aminy toy izao ny Mishnah: “Rehefa maty ny Raban Gamaliela loholona, dia nitsahatra ny voninahitry ny Torah, ary maty ny fahadiovana sy ny fahamasinana [ara-bakiteny: “fisarahana”].” — Sotah 9:15.
Nampianarin’i Gamaliela — Ahoana?
Rehefa nilaza tamin’ilay vahoaka tao Jerosalema ny apostoly Paoly fa ‘nobeazina teo anilan’ny tongotr’i Gamaliela’ ny tenany, inona no tiany holazaina? Inona no tafiditra tamin’ny hoe mpianatry ny mpampianatra iray sahala amin’i Gamaliela?
Momba izany fampiofanana izany, dia nanoratra toy izao ny Profesora Dov Zlotnick ao amin’ny Semineran’ny Teolojia Jiosy any Amerika: “Ny maha-araka ny marina ny lalàna am-bava, ny maha-azo ianteherana azy, araka izany, dia saika miankina tanteraka amin’ny fifandraisana eo amin’ny mpampianatra sy ny mpianatra: ny fitandreman’ilay mpampianatra eo amin’ny fampianarany ny lalàna sy ny fahavononan’ilay mpianatra hianatra izany. (...) Noho izany, ireo mpianatra dia nampirisihina mafy mba hipetraka eo an-tongotr’ireo manam-pahaizana manokana (...) ‘ary higoka ny tenin’izy ireo’.” — Avot 1:4, ny Mishnah.
Ao amin’ny bokiny hoe A History of the Jewish People in the Time of Jesus Christ, i Emil Schürer dia nanazava ny fomba fiasan’ireo mpampianatra raby tamin’ny taonjato voalohany. Nanoratra toy izao izy: “Ireo Raby malaza kokoa matetika dia manangona manodidina azy, tanora maro be liam-pianarana, noho ny fikendrena hampifankazatra azy ireo tanteraka amin’ny ‘lalàna am-bava’ marorantsana kokoa sy tondraka kokoa. (...) Ilay fampianarana dia voaforon’ny fanazarana ny fitadidiana mitohy tsy misy fijanonany. (...) Ilay mpampianatra dia nitondra teo anoloan’ireo mpianany fanontaniana maro momba ny lalàna mba hotapahin’izy ireo, ary avelany izy ireo hamaly izany na ny tenany ihany no namaly izany. Navela hanolotra fanontaniana ho an’ny mpampianatra koa ireo mpianatra.”
Araka ny fiheveran’ireo raby, ny zavatra mety hafoin’ireo mpianatra, dia zavatra ambony kokoa noho ny fahazoana naoty ahafaham-panadinana fotsiny. Nampitandremana toy izao ireo izay nianatra tamin’ny mpampianatra toy izany: “Na iza na iza manadino zavatra tokana avy amin’izay nianarany — araka ny Soratra dia raharaha iankinan’ny aina izany.” (Avot 3:8). Ny fiderana lehibe indrindra dia nomena ny mpianatra iray sahala amin’ny “fantsakana voalalotra tsara, izay tsy manary na dia rano indray mitete aza”. (Avot 2:8). Toy izany no karazana fampiofanana avy tamin’i Gamaliela azon’i Paoly, izay fantatra tamin’izany tamin’ny anarany hebreo hoe Saoly avy any Tarsosy.
Ny tena hevitry ny fampianaran’i Gamaliela
Nifanaraka tamin’ny fampianaran’ny Fariseo, dia nampandroso ny finoana an’ireo lalàna am-bava, i Gamaliela. Tamin’izany no nanantitranterany mafy kokoa ireo lovantsofin’ny raby noho ny Soratra Masina ara-tsindrimandry. (Matio 15:3-9). Milaza an’i Gamaliela ho niteny toy izao ny Mishnah: “Makà mpampianatra [raby iray] ho anao, ary aoka ianao ho afaka amin’ny fisalasalana, satria tsy tokony hanome ampahafolon-karena mihoatra ianao, amin’ny alalan’ny asa atao anjoanjo.” (Avot 1:16). Nidika izany fa, rehefa tsy nilaza mazava tsara izay tokony hatao ny Soratra Hebreo, ny olona iray dia tsy tokony hampiasa ny fanjohian-keviny manokana na hanaraka ny feon’ny fieritreretany mba hanaovana fanapahan-kevitra, fa tokony hitady raby ampy fahaizana izay hanao ilay fanapahan-kevitra ho azy kosa izy. Araka ny nolazain’i Gamaliela, dia amin’izany fomba izany ihany no hanalaviran’ny olona iray ny fahotana. — Ampitahao amin’ny Romana 14:1-12.
Tamin’ny ankapobeny anefa, i Gamaliela dia voamarika noho ny fihetsiny milefitra sy malala-tsaina kokoa teo amin’ireo fanapahan-keviny momba ny lalàna ara-pivavahana. Ohatra, nanisy fiheverana ny vehivavy izy fony nanapaka fa “hamela ny vehivavy hanambady indray amin’ny fanambaran’ny vavolombelona iray [ny amin’ny nahafatesan’ny vadiny]”, izy. (Yevamot 16:7, ny Mishnah). Fanampin’izany, mba hiarovana ny vehivavy iray nisara-panambadiana, i Gamaliela dia nampiditra fameperana maromaro tao anatin’ny famoahana taratasy fisaraham-panambadiana.
Io toe-tsaina io dia hita koa teo amin’ny fifampiraharahan’i Gamaliela tamin’ireo mpanara-dia an’i Jesosy Kristy tany am-boalohany. Mitantara ny bokin’ny Asan’ny Apostoly fa rehefa nitady hamono ireo apostolin’i Jesosy izay nosamboriny noho ny fitoriana ireo mpitarika jiosy hafa, dia “nitsangana teo amin’ny Synedriona ny Fariseo anankiray atao hoe Gamaliela, mpampiana-dalàna, izay nalaza teo amin’ny olona rehetra, ary nasainy navoaka kely ireo olona ireo. Dia hoy izy tamin’ny namany: Ry lehilahy Isiraely, tandremo tsara izay hataonareo amin’ireo olona ireo. (...) Lazaiko aminareo: Mandefera amin’ireo olona ireo, ka avelao ihany izy; (...) sao dia miseho ho mpiady amin’Andriamanitra hianareo”. Narahina ny torohevitr’i Gamaliela, ary dia nafahana ireo apostoly. — Asan’ny Apostoly 5:34-40.
Nidika ho inona ho an’i Paoly izany
I Paoly dia nampiofanina sy nampianarin’ny iray tamin’ireo mpampianatra raby lehibe indrindra tamin’ny taonjato voalohany am.f.i. Tsy isalasalana fa ny fanisian’ilay apostoly firesahana ny amin’i Gamaliela no nahatonga ilay vahoaka tao Jerosalema hanongilan-tsofina manokana tamin’ny teniny. Kanefa dia niresaka tamin’izy ireo ny amin’ny Mpampianatra ambony lavitra noho i Gamaliela izy — dia i Jesosy, ilay Mesia. Tamin’ny naha-mpianatr’i Jesosy azy fa tsy an’i Gamaliela izao no nitenenan’i Paoly tamin’ilay vahoaka. — Asan’ny Apostoly 22:4-21.
Moa ve ny fampiofanan’i Gamaliela nisy heriny teo amin’ny fampianaran’i Paoly tamin’ny naha-Kristiana azy? Azo inoana fa ilay fampianarana hentitra momba ny Soratra Masina sy ny lalàna jiosy dia hita fa nahasoa an’i Paoly tamin’ny naha-mpampianatra kristiana azy. Na dia izany aza, ireo taratasin’i Paoly ara-tsindrimandrin’Andriamanitra hita ao amin’ny Baiboly dia mampiseho mazava tsara fa nolaviny ny fampianarana fototra tamin’ireo zavatra ninoan’ny Fariseo nampianarin’i Gamaliela. I Paoly dia nitarika ireo Jiosy tahaka azy sy ny hafa rehetra, tsy ho any amin’ireo rabin’ny Jodaisma na ho any amin’ireo lovantsofina nataon’olombelona, fa ho any amin’i Jesosy Kristy. — Romana 10:1-4.
Raha nanohy tamin’ny naha-mpianatr’i Gamaliela azy i Paoly, dia ho nanan-daza lehibe izy. Ireo hafa niaraka tamin’i Gamaliela dia nanampy tamin’ny famaritana ny hoavin’ny Jodaisma. Ohatra, i Simeona zanakalahin’i Gamaliela, angamba niara-nianatra tamin’i Paoly, dia nanana anjara asa lehibe teo amin’ny fikomian’ny Jiosy tamin’i Roma. Taorian’ny naharavan’ny tempoly, i Gamaliela II, zafikelin’i Gamaliela, dia namerina tamin’ny laoniny ny fahefan’ny Synedriona, ka nafindrany tany Yavneh izany. I Judah Ha-Nasi, zafikelin’i Gamaliela II no mpanambatra ny Mishnah, izay tonga vato fanorenana ny fisainana jiosy mandraka androany.
Tamin’ny naha-mpianatr’i Gamaliela azy, dia nety ho nanjary tena nalaza tao amin’ny Jodaisma i Saoly avy any Tarsosy. Kanefa dia izao no nosoratan’i Paoly mikasika ny anton’asa toy izany: “Izay azoko ho tombony dia nataoko fatiantoka kosa noho ny amin’i Kristy. Eny tokoa, fa ataoko ho fatiantoka avokoa ny zavatra rehetra noho ny fihoaran’ny hatsaran’ny fahalalana an’i Kristy Jesosy Tompoko, Izay niaretako ny fatiantoka ny zavatra rehetra, ka ataoko ho taimboraka ireny mba hahazoako an’i Kristy”. — Filipiana 3:7, 8.
Tamin’ny famelana tany ivohony ny fototr’asany tamin’ny naha-Fariseo, sy tamin’ny fahatongavana ho mpanara-dia an’i Jesosy Kristy, i Paoly dia tena nampihatra tokoa ny torohevitr’ilay mpampianatra azy teo aloha mba hitandrin-tena tsy ‘hiseho ho mpiady amin’Andriamanitra’. Tamin’ny fampitsaharany ny fanenjehany ireo mpianatr’i Jesosy, dia nitsahatra tsy niady tamin’Andriamanitra i Paoly. Tamin’ny fahatongavana ho mpanara-dia an’i Kristy kosa, dia tonga “mpiara-miasa amin’Andriamanitra” izy. — 1 Korintiana 3:9.
Mbola ambaran’ny Vavolombelon’i Jehovah be zotom-po hatrany ilay hafatra momba ny Kristianisma marina, amin’izao androntsika izao. Sahala amin’i Paoly, dia maro amin’izy ireo no nanao fiovana nampitolagaga teo amin’ny fiainany. Ny sasany aza namela mihitsy anton’asa nahazoana tombony mba hahafahana handray anjara bebe kokoa amin’ny asa fitoriana ilay Fanjakana, izay asa “avy amin’Andriamanitra” marina tokoa. (Asan’ny Apostoly 5:39). Faly toy inona moa izy ireo noho ny nanarahany ny ohatr’i Paoly fa tsy ny an’ilay mpampianatra azy taloha, dia i Gamaliela!
[Fanamarihana ambany pejy]
a Misy loharanon-kevitra sasany milaza fa zanak’i Hillel i Gamaliela. Tsy mazava ny Talmoda raha ny amin’io raharaha io.
[Sary, pejy 28]
Tamin’ny naha-apostoly Paoly azy, dia nanambara ny vaovao tsara tamin’ny olona avy tamin’ny firenena rehetra i Saoly avy any Tarsosy