FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w96 1/8 p. 4-8
  • Fanantenana Tsara Kokoa ho An’ny Fanahy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanantenana Tsara Kokoa ho An’ny Fanahy
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny fanahy (âme) ao amin’ny Soratra Hebreo
  • Ny hery mitaona nananan’ny Grika
  • Ny fihevitr’ireo Kristiana voalohany ny fanahy (âme)
  • Ny tena loharano nipoiran’io foto-pampianarana io
  • Velona hatrany aorian’ny fahafatesana ve ny fanahy?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Fiainana Aorian’ny Fahafatesana — Inona no Lazain’ny Baiboly?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Misy heriny eo amin’ny fiainanao ny fomba fiheveranao ny fanahy (âme)
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Toy Inona ny Hamafin’ny Finoanao ny Fitsanganana Amin’ny Maty?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
w96 1/8 p. 4-8

Fanantenana Tsara Kokoa ho An’ny Fanahy

TSY nanampo ilay izy ny miaramila romana. Teo am-panaovan’izy ireo fanafihana nahery vaika hidirana tao Masada, tanàna fiarovana tany an-tendrombohitra, izay toeram-pamaharana farany ho an’ny andiana Jiosy mpioko, dia nanoman-tena ho amin’ny fanafihana tsy nifaditra ovana hataon’ireo fahavalony sy ho amin’ny antsoantson’ireo mpiady ary ho amin’ny kiakiakan’ireo zaza amam-behivavy, izy ireo. Tsy izany anefa no izy fa afo nitsetsatsetsa no hany reny. Teo am-pandinihana ilay tanàna mimanda nirehitra no nahafantaran’ny Romana ilay fahamarinana mampitsangam-bolo hoe: Ireo fahavalo — tokony ho olona 960 — dia efa maty! Tamin’ny fomba efa maty paika, ireo mpiady jiosy dia namono ny fianakavian’ny tenany, avy eo dia izy samy izy. Namono ny tenany ilay lehilahy farany.a Inona no nitarika azy ireo ho amin’io famonoana olona sy famonoan-tena tambabe nahatsiravina io?

Araka ny filazan’i Josèphe, mpanoratra tantara sady niara-belona tamin’izy ireo, dia anton-javatra iray lehibe ny finoana ny fanahy (âme) tsy mety maty. I Eleazar Ben Jair, ilay mpitarika ny Zelota tao Masada, dia niezaka nandresy lahatra ny olony aloha hoe hanan-kaja kokoa noho ny fahafatesana na ny fanandevozana eo an-tanan’ny Romana ny famonoan-tena. Nahita azy ireo nisalasala izy ka roboka nanao lahateny nirehidrehitra momba ny fanahy (âme). Nilaza tamin’izy ireo izy fa zavatra manakantsakana fotsiny ny vatana, fonja ho an’ny fanahy (âme). “Fa rehefa afaka amin’ilay vesatra izay mitarika azy hidina etỳ an-tany sy mampihiboka azy izy”, hoy izy nanohy ny teniny, “dia miverina any amin’ny toerany ny fanahy [âme], ka amin’izay izy io raha ny marina dia manana hery ombam-pitahiana sy tanjaka tsy voafehy tanteraka, mitoetra ho tsy hitan’ny mason’olombelona, tahaka an’Andriamanitra Mihitsy.”

Ny akony? Manao tatitra i Josèphe fa rehefa avy niresaka ny amin’izany tamin’ny fomba feno i Eleazar, dia “notapahin’ireo rehetra nihaino azy ny teniny ary feno risi-po tsy tana izy ireo ka may hanao ilay zavatra”. Manampy teny toy izao i Josèphe: “Toy ny hoe tsy tompon’ny tenany intsony izy ireo ka niolomay, mendimendy erỳ ny rehetra ny ho haingana kokoa noho ilay lehilahy nanaraka azy, (...) azon’ny faniriana tsy hay tohaina aoka izany hamono ny vadiny sy ny zanany ary ny tenany izy ireo.”

Io ohatra mahatsiravina io dia natao mba hanazavana ny hoe toy inona marina ny halalin’ny fanovana ateraky ny foto-pampianarana momba ny fanahy (âme) tsy mety maty eo amin’ny fomba fijery ara-dalàna ananan’ny olona momba ny fahafatesana. Ireo mpino azy io dia ampianarina mba hihevitra hoe tsy ny fahavalon’olombelona ratsy indrindra akory ny fahafatesana, fa vavahady fotsiny izay manafaka ny fanahy (âme) mba hanana fiainana ambony kokoa. Nahoana anefa ireo Zelota jiosy no nino izany? Olona maro no hihevitra fa ny soratra masin’izy ireo, ny Soratra Hebreo, dia mampianatra fa manana fanahy mahatsiaro tena ao anatiny ny olombelona, fanahy (âme) izay miala ao mba hiaina hatrany aorian’ny fahafatesana. Tena izany ve no izy?

Ny fanahy (âme) ao amin’ny Soratra Hebreo

Raha atao bango tokana dia tsia. Ao amin’ny Genesisy indrindra, ilay boky voalohany mihitsy ao amin’ny Baiboly, dia lazaina amintsika fa ny fanahy (âme) dia tsy hoe zavatra anananao, fa ianao. Toy izao no vakintsika momba ny famoronana an’i Adama, ilay olombelona voalohany: “Tonga [fanahy (âme) velona, NW ] izy.” (Genesisy 2:7, izahay no manao sora-mandry.) Ilay teny hebreo hoe neʹphesh, ampiasaina eto mba hilazana ny hoe fanahy (âme), dia miseho mahery lavitra ny im-700 ao amin’ny Soratra Hebreo. Tsy mampita hevitra ny amin’ny tapany iray mahaleo tena sy tsy azo tsapain-tanana ary ara-panahy ao amin’ny olombelona mihitsy izy io na indray mandeha aza. Mifanohitra amin’izany fa azo tsapain-tanana sy mivaingana ary ara-batana ny fanahy (âme).

Jereo ao amin’ny Baibolinao manokana ireto andalan-teny tononina manaraka ireto, satria hita ao amin’ny tsirairay amin’izy ireo ilay teny hebreo hoe neʹphesh. Asehon’izy ireo mazava fa ny fanahy (âme) dia afaka misetra fahavoazana mety hitranga sy loza, ary azo angalarina aza. (Deoteronomia 24:7; Mpitsara 9:17; 1 Samoela 19:11); afaka mikasika zavatra (Joba 6:7); azo gadrana vy (Salamo 105:18); maniry hihinana, afaka ny ho ory amin’ny fifadian-kanina, malemin’ny hanoanana sy ny hetaheta; ary mijaly noho ny aretina mahasaozanina na noho ny tsy fahitan-tory mihitsy aza, vokatry ny alahelo. (Deoteronomia 12:20; Salamo 35:13; 69:10; 106:15; 107:9; 119:28). Raha atao amin’ny teny hafa dia hoe: Satria ianao no fanahinao (âme), izany hoe ny tenanao mihitsy, dia afaka mandia izay rehetra mety hodiavinao ny fanahinao (âme).b

Midika àry ve izany fa tena afaka ny ho faty tokoa ny fanahy (âme)? Eny. Tsy resahina ho tsy mety maty velively ny fanahy (âme) olombelona, fa ao amin’ny Soratra Hebreo kosa, izy io dia resahina ho ‘fongorana’, na vonoina ho faty, noho ny fanaovan-dratsy, atao maty, ringanina, sy viraviraina. (Eksodosy 31:14; Deoteronomia 19:6; 22:26; Salamo 7:2). “Ny fanahy [âme] izay manota no ho faty”, hoy ny Ezekiela 18:4. Mazava fa ny fahafatesana no fiafarana iombonan’ny fanahy (âme) olombelona, satria samy manota isika rehetra. (Salamo 51:5). Nolazaina tamin’i Adama, lehilahy voalohany, fa fahafatesana no sazy amin’ny ota — fa tsy famindrana ho any amin’ny faritra ara-panahy sy ny tsy fetezan-ko faty. (Genesisy 2:17). Ary rehefa nanota izy, dia notononina ny didim-pitsarana hoe: “Fa vovoka hianao, ary hiverina ho amin’ny vovoka indray hianao.” (Genesisy 3:19). Rehefa maty i Adama sy i Eva, dia nanjary izay resahin’ny Baiboly matetika ho ‘fanahy [âme] maty’ na ‘fanahy [âme] nody mandry’ tsotra fotsiny. — Nomery 5:2, NW; 6:6, NW.

Tsy mahagaga firy raha milaza toy izao momba ny fanahy (âme) ao amin’ny Soratra Hebreo ny The Encyclopedia Americana: “Ny hevitry ny Testamenta Taloha ny amin’ny olombelona dia ny amin’ny maha-iray azy io, fa tsy fitambaran’ny fanahy [âme] sy ny vatana.” Manampy teny toy izao izy io: “Ny nefesh (...) dia tsy heverina mihitsy ho miasa amim-pahaleovan-tena, misaraka amin’ny vatana.”

Koa inona àry no ninoan’ny Jiosy nahatoky ny amin’izay atao hoe fahafatesana? Raha lazaina tsotra, dia nino izy ireo fa ny mifanohitra amin’ny fiainana ny fahafatesana. Ny Salamo 146:4 dia milaza toy izao ny amin’izay mitranga rehefa mandao ny olona iray ny fanahy (esprit), na herim-piainana: “Miala ny [fanahiny (esprit), NW ], ka miverina ho amin’ny taniny izy; ary amin’izay indrindra no hahafoanan’ny fikasany.”c Mitovy amin’izany ihany, i Solomona Mpanjaka dia nanoratra fa “tsy mba mahalala na inona na inona” ny maty. — Mpitoriteny 9:5.

Nahoana àry no Jiosy maro tamin’ny taonjato voalohany, toy ireo Zelota tao Masada, no niaiky mafy ny amin’ny tsy fetezan-ko fatin’ny fanahy (âme)?

Ny hery mitaona nananan’ny Grika

Nandray io hevitra io ireo Jiosy, tsy avy tamin’ny Baiboly fa avy tamin’ireo Grika. Teo anelanelan’ny taonjato fahafito sy fahadimy al.f.i., io hevitra io dia toa niainga avy tamin’ny fombam-pivavahana grika mifono zava-miafina ka niafara tamin’ny filozofia grika. Nanintona efa hatramin’ny ela ilay hevitra ny amin’ny fiainana aorian’ny fahafatesana izay handraisan’ny fanahy (âme) ratsy valin’asa mampahory, ka niorina sy niely ilay fiheverana. Nisy filozofa nanao ady hevitra tsy nisy farany ny amin’izay tena atao hoe fanahy (âme). I Homère dia nilaza fa ny fanahy (âme) dia nitsoriaka nivoaka tamin’ny fotoan’ny fahafatesana, ka re nisamonimonina, namoaka feo toy ny siokam-boronkely, na feo nikasaotsaoka. I Épicure dia nilaza fa tena manana lanja ny fanahy (âme) ka noho izany dia tenan-javatra bitika dia bitika.d

I Platon, filozofa grika tamin’ny taonjato fahefatra al.f.i. angamba anefa no mpanohana niavaka indrindra ny fanahy (âme) tsy mety maty. Ny filazalazany ny amin’ny fahafatesan’i Socrate mpampianatra azy dia mampiharihary hevitra ekena mafy misy itoviana be amin’ny an’ireo Zelota tao Masada, taonjato maromaro tatỳ aoriana. Toy izao no ilazan’ilay manam-pahaizana atao hoe Oscar Cullmann azy: “I Platon dia milaza amintsika ny fomba nahafatesan’i Socrate tao anatin’ny fiadanana sy ny fahatoniana tanteraka. Fahafatesana mahafinaritra ny fahafatesan’i Socrate. Tsy misy ahitana ny horohoron’ny fahafatesana eto. Tsy natahotra fahafatesana i Socrate, satria manafaka tokoa antsika amin’ny vatana izy io. (...) Ny fahafatesana no namana tena akaiky ny fanahy [âme]. Izany no nampianariny; ary mifanaraka tsara amin’ny fampianarany, dia izany no nahafatesany.”

Miharihary fa nandritra ny andron’ireo Maccabées, tamin’ny taonjato faharoa talohan’i Kristy, no nanombohan’ny Jiosy nandray io fampianarana io avy tamin’ny Grika. Tamin’ny taonjato voalohany am.f.i., i Josèphe dia milaza amintsika fa nandray io foto-pampianarana io ireo Fariseo sy Eseniana — antokom-pivavahana jiosy natanjaka. Ny tononkalo sasany izay angamba nosoratana tamin’io vanim-potoana io dia manome taratra an’io zavatra inoana io.

Ahoana anefa ny amin’i Jesosy Kristy? Moa ve izy sy ireo mpanara-dia azy nampianatra an’io hevitra avy tamin’ny fivavahana grika io toy izany koa?

Ny fihevitr’ireo Kristiana voalohany ny fanahy (âme)

Ireo Kristiana tamin’ny taonjato voalohany dia tsy nihevitra ny fanahy (âme) toy izay niheveran’ny Grika azy io. Diniho, ohatra, ny fahafatesan’i Lazarosy, naman’i Jesosy. Raha toa i Lazarosy ka nanana fanahy (âme) tsy mety maty izay nitsoriaka nivoaka, afaka sy sambatra, tamin’ny fotoana nahafatesany, moa ve tsy ho hafa be ny hamakiana ny tantara ao amin’ny Jaona toko faha-11? Azo inoana fa ho nilaza tamin’ireo mpanara-dia azy i Jesosy raha velona sy salama ary nahatsiaro tena tany an-danitra i Lazarosy; mifanohitra amin’izany fa nanaiky ny Soratra Hebreo izy ka nilaza tamin’izy ireo fa natory, tsy nahatsiaro tena, i Lazarosy. (Andininy faha-11). Azo antoka fa ho niravoravo i Jesosy raha nanana fiainana vaovao nahatalanjona ilay namany; tsy izany anefa no izy fa hitantsika nitomany ampahibemaso noho io fahafatesana io izy. (Andininy faha-35). Azo antoka fa raha tany an-danitra ny fanahin’i Lazarosy, nigalabina tamin’ny tsy fetezan-ko faty feno fahatretrehana, na oviana na oviana i Jesosy dia tsy ho lozabe aoka izany ka hampiantso azy hiverina hiaina taona vitsivitsy fanampiny etỳ an-tany, ao anatin’ny “fonja”, dia ny vatana ara-bakiteny tsy tanteraka, eo anivon’ny olombelona marary sy maty.

Moa ve i Lazarosy niverina avy tamin’ny fahafatesana, nanana tantara nahagaga holazaina momba ireo efatra andro nahatalanjona naha-zavaniaina ara-panahy afaka sy tsy nisy vatana azy? Tsia, tsy nanao izany izy. Hamaly ireo mpino ny fanahy (âme) tsy mety maty fa izany dia satria nampahatahotra loatra ka tsy hita holazaina ny zavatra nodiavin’io lehilahy io. Tsy mampiaiky anefa io fanaporoan-kevitra io; rehefa dinihina tokoa, moa ve na izany aza tsy ho nitantara momba izany tamin’ireo olo-malalany i Lazarosy, na dia izao fotsiny aza fara faharatsiny: Nandia fanandraman-javatra mahagaga loatra tsy hita holazalazaina izy? Tsy izany anefa no izy fa tsy nilaza na inona na inona momba izay rehetra mety ho fanandraman-javatra nodiaviny fony izy maty, i Lazarosy. Eritrereto ange ny amin’izany e — nangina tamin’ilay foto-kevitra iray izay ifantohan’ny fitiavana ta hahalala zavatra ao amin’ny olombelona, mihoatra noho ny foto-kevitra hafa rehetra, dia ny hoe: toy inona izany fahafatesana! Tsy azo hazavaina afa-tsy amin’ny fomba iray izany fanginana izany. Tsy misy na inona na inona holazaina. Matory sy tsy mahatsiaro tena ny maty.

Noho izany, moa ve ny Baiboly mampiseho ny fahafatesana ho naman’ny fanahy (âme), ho fombafomba fotsiny hidirana ho amin’ireo ambaratongam-piainana? Tsia! Ho an’ny Kristiana marina toy ny apostoly Paoly, dia tsy namana ny fahafatesana; “fahavalo farany” izy io. (1 Korintiana 15:26). Ny fijerin’ny Kristiana ny fahafatesana dia tsy hoe voajanahary, fa mahatsiravina, tsy voajanahary, satria vokatra mivantan’ny ota sy ny fikomiana tamin’Andriamanitra. (Romana 5:12; 6:23). Tsy anisan’ny fikasan’Andriamanitra tany am-boalohany ho an’ny olombelona na oviana na oviana izy io.

Kanefa tsy hoe tsy manana fanantenana ny Kristiana marina raha ny amin’ny fahafatesan’ny fanahy (âme). Ny fitsanganan’i Lazarosy tamin’ny maty no iray amin’ny fitantarana maro ao amin’ny Baiboly izay mampiseho amintsika amin’ny fomba toa hitan’ny maso erỳ, ny amin’ny fanantenana marina sy araka ny Soratra Masina ho an’ny fanahy (âme) maty — ny fitsanganana amin’ny maty. Mampianatra karazana fitsanganana amin’ny maty roa ny Baiboly. Ho an’ny ankamaroan’ny olombelona izay matory ao am-pasana, na marina izy na tsy marina, dia misy ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty ho amin’ny fiainana mandrakizay ao amin’ny Paradisa eto an-tany. (Lioka 23:43, NW; Jaona 5:28, 29; Asan’ny Apostoly 24:15, NW ). Ho an’ny antokon’olom-bitsy izay noresahin’i Jesosy ho “ondry vitsy”, dia misy fitsanganana ho amin’ny fiainana tsy ahitam-pahafatesana amin’ny maha-zavamiaina ara-panahy any an-danitra. Izy ireny, anisan’izany ireo apostolin’i Kristy, dia hiara-manapaka amin’i Kristy Jesosy eo amin’ny olombelona ka hamerina indray azy ireo ho amin’ny fahatanterahana. — Lioka 12:32; 1 Korintiana 15:53, 54; Apokalypsy 20:6.

Nahoana àry isika no mahita ireo fiangonana ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana mampianatra, tsy ny fitsanganana amin’ny maty, fa ny tsy fetezan-ko fatin’ny fanahy (âme) olombelona? Diniho ny valiny omen’ilay teolojiana atao hoe Werner Jaeger, ao amin’ny The Harvard Theological Review tamin’ny 1959, manao hoe: “Ny zava-misy lehibe indrindra teo amin’ny tantaran’ny foto-pampianarana kristiana dia ny hoe i Origène, rain’ny teolojia kristiana, dia filozofa platonika tany amin’ny sekolin’i Aleksandria. Natsofony tao amin’ny foto-pampianarana kristiana izao tantara be momba ny fanahy [âme] rehetra izao, izay nalainy avy tamin’i Platon.” Koa nanao tsy nisy valaka tamin’izay nataon’ireo Jiosy taonjato maro tany alohany àry ny fiangonana! Namela ny fampianaran’ny Baiboly izy ireo ka naleony ny filozofia grika.

Ny tena loharano nipoiran’io foto-pampianarana io

Mety hanontany izao ny sasany, ho fiarovana ny foto-pampianarana ny amin’ny tsy fetezan-ko fatin’ny fanahy (âme), hoe: Nahoana ny endriny samihafa amin’io foto-pampianarana io no ampianarin’ny maro aoka izany amin’ireo fivavahana eo amin’izao tontolo izao? Ny Soratra Masina dia manolotra antony marim-pototra mahatonga an’io fampianarana io hiely patrana aoka izany ao amin’ireo antokom-pivavahana eo amin’itỳ tontolo itỳ.

Milaza amintsika ny Baiboly fa “izao tontolo izao (...) dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa” ary mampahafantatra manokana an’i Satana ho “andrianan’izao tontolo izao” izy io. (1 Jaona 5:19; Jaona 12:31). Miharihary fa tsy hoe vita fanefitra amin’ny hery mitaona ananan’i Satana ireo fivavahana eo amin’izao tontolo izao. Mifanohitra amin’izany fa nandray anjara betsaka tamin’ny fikorontanana sy ady lahy teo amin’izao tontolo izao ankehitriny izy ireo. Ary raha ny amin’ny raharaha momba ny fanahy (âme), dia toa manome taratry ny toe-tsain’i Satana amin’ny fomba tena mazava izy ireo. Ahoana izany?

Tadidio ilay lainga voalohany indrindra nolazaina. Nilaza tamin’i Adama sy i Eva Andriamanitra fa fahafatesana no ho vokany raha nanota tamin’Andriamanitra izy ireo. Nanome toky an’i Eva anefa i Satana hoe: “Tsy ho faty tsy akory hianareo”. (Genesisy 3:4). Mazava ho azy fa tena maty i Adama sy i Eva; niverina ho vovoka araka ny nolazain’Andriamanitra izy ireo. I Satana, “rain’ny lainga” dia tsy namela na oviana na oviana ilay laingany voalohany. (Jaona 8:44). Ao amin’ireo fivavahana tsy tambo isaina izay mihataka amin’ny foto-pampianaran’ny Baiboly na tsy miraharaha azy io an-kitsirano, dia mbola mihanaka ilay hevitra hoe: ‘Tsy ho faty tsy akory ianareo. Mety ho faty ny vatanareo, fa ny fanahinareo dia ho velona hatrany, mandrakizay — tahaka an’Andriamanitra!’ Mahaliana fa nilaza tamin’i Eva koa i Satana fa ho “tahaka an’Andriamanitra” izy! — Genesisy 3:5.

Tsara lavitra toy inona moa ny manana fanantenana izay miorina, tsy amin’ny lainga na amin’ny filozofian’olombelona, fa amin’ny fahamarinana. Tsara lavitra toy inona moa ny matoky fa ireo olo-malalantsika maty dia tsy mahatsiaro tena any am-pasana, toy izay hanahy ny amin’ny toerana misy ny fanahy tsy mety maty! Izany torimason’ny maty izany dia tsy voatery hampihoron-koditra antsika na hahaketraka antsika. Raha jerena amin’ny lafiny iray, dia mety hihevitra ny maty ho toy ny ao anatin’ny toeram-pialan-tsasatra tsy ananana ahiahy isika. Nahoana no hoe tsy ananana ahiahy? Satria manome toky antsika ny Baiboly fa ny maty izay tian’i Jehovah dia velona amin’ny heviny manokana. (Lioka 20:38). Velona ao amin’ny fitadidiany izy ireo. Hevitra mampionona amin’ny fomba lalina izany satria tsy manam-petra ny fitadidiany. Dodona ny hamelona olo-malala an-tapitrisany maro tsy tambo isaina izy ka hanome azy ireo fahafahana hiaina mandrakizay eo amin’ny tany zary paradisa. — Ampitahao amin’ny Joba 14:14, 15.

Ho tonga ny andro be voninahitr’i Jehovah hananganana ny maty, satria tsy maintsy tanteraka ny fampanantenan’i Jehovah rehetra. (Isaia 55:10, 11). Eritrereto fotsiny ny amin’itỳ faminaniana ho tanteraka itỳ: “Ho velona indray ny olonao izay efa maty, ny fatin’ny oloko hitsangana; koa mifohaza sy mihobia, hianareo izay mandry ao amin’ny vovoka; fa ny andonao dia tahaka ny andon’ny fahazavana, ary ny tany hiteraka ny maty.” (Isaia 26:19). Koa ny maty izay matory ao am-pasana àry dia tsy manana ahiahy toy ny zazakely iray ao an-kibon-dreniny. Tsy ho ela izy ireo dia ho ‘teraka’, hovelomina indray eo amin’ny tany zary paradisa!

Fanantenana inona no ho tsara kokoa noho izany?

[Fanamarihana ambany pejy]

a Vehivavy roa sy ankizy dimy no voalaza fa tafita velona noho izy ireo niafina. Tatỳ aoriana dia nitantara ireo tsipiriany tamin’ireo mpamabo azy romana ireo vehivavy ireo.

b Mazava ho azy fa toy ny teny maro izay malalaka be ny fampiasana azy, ny teny hoe neʹphesh koa dia manana heviny hafa izay misy fahasamihafany kely. Ohatra, afaka manondro ilay olona anaty izy io, indrindra fa ny mifandray amin’ireo fihetseham-po lalina. (1 Samoela 18:1). Afaka manondro ny aina ananan’ny olona iray amin’ny maha-fanahy (âme) koa izy io. — 1 Mpanjaka 17:21-23.

c Ny teny hebreo hoe ruʹach, izay natao hilazana ny hoe “fanahy [esprit]” dia midika hoe “fofonaina” na “rivotra”. Raha mifandray amin’ny olombelona izy io, dia tsy manondro zavatra ara-panahy mahatsiaro tena, fa, araka ny ilazan’ny The New International Dictionary of New Testament Theology azy kosa dia manondro ny “herim-piainan’ny isam-batan’olona”.

d Tsy izy no farany nieritreritra an’izany fiheverana somary hafahafa izany. Teo am-piandohan’itỳ taonjato itỳ, dia nisy mpahay siansa iray tena nilaza ho nandanja ny fanahin’ny olona maromaro, tamin’ny fampifanalana ny lanjan’izy ireo iny izy ho faty iny indrindra sy ny lanjany iny izy vao maty iny indrindra.

[Sary, pejy 7]

Nino ireo Zelota jiosy tao Masada fa hanafaka ny fanahin’izy ireo ny fahafatesana

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara