FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w96 15/8 p. 2-3
  • Fitsidihana ny Tany Nampanantenaina

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fitsidihana ny Tany Nampanantenaina
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • Mitovitovy Aminy
  • ‘Zarao ho Lovanareo Ilay Tany’
    Naverin’i Jehovah Tamin’ny Laoniny ny Fivavahana Madio!
  • Afaka Hiaina ao Amin’ny Paradisa Tokoa ve Ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2004
  • Fianarana Azo Ampiharina avy Amin’ny Tany Nampanantenaina
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • Fianarana Voalohany — Fitsidihana ny Tany Nampanantenaina
    “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
w96 15/8 p. 2-3

Fitsidihana ny Tany Nampanantenaina

AOKA hatao hoe nilaza taminao ny namana iray fa nividy ho anao — ho fanomezana — trano vaovao iray eo anivon’ny toerana manodidina kanto sy milamina, izy. Hanontany tena ianao hoe: ‘Ohatra ny inona izy izany?’ Tsy isalasalana fa ho dodona ianao hahita amin’ny masonao io trano io, handehandeha ao anatiny ka hizaha ny efitra tsirairay. Raha dinihina tokoa mantsy dia io no fonenanao vaovao!

Tamin’ny 1473 al.f.i., dia nanome fonenana vaovao ho lova ho an’ny firenen’ny Isiraely fahiny i Jehovah — ny Tany Nampanantenaina, faritany lava iray mirefy tokony ho 500 kilaometatra avy any avaratra ka hatrany atsimo, ary 55 kilaometatra ny sakany amin’ny antsalany.a Ao amin’izay nantsoina hoe ny Volantsinana Lonaka (croissant fertile) no misy ny Tany Nampanantenaina, ary toeram-ponenana nahafinaritra, nohatsarain’ireo toetra nampiavaka azy tsy nanam-paharoa.

Nahoana anefa ianao amin’izao andro izao no tokony ho liana amin’ny “fonenana” iray izay nomena olon-kafa, indrindra fa olona izay niaina taloha ela tamin’ny lasa? Satria ny fahalalana an’io tany manan-tantara io dia afaka mampitombo ny fahatakaranao ireo fitantarana ao amin’ny Baiboly. “Ao amin’ny tanin’ny Baiboly”, hoy ny nosoratan’ilay Profesora nody mandry vao haingana atao hoe Yohanan Aharoni, “dia mifangaro amin’ny fomba lalina aoka izany ny jeografia sy ny tantara, hany ka tsy azo atao ny mahazo ny hevitr’ilay iray raha tsy misy fanampian’ilay hafa.” Ankoatra izany, fony izy teo amin’ny fara heriny, dia nanome ohatra tamin’ny ambaratonga kely ny amin’izay ho hevitry ny Paradisa eo ambanin’ny Fanjakan’Andriamanitra, ho an’ny olombelona haneran-tany, ny Tany Nampanantenaina! — Isaia 11:9.

Nandritra ny fanompoany teto an-tany, dia nampiasa ireo zavatra hita mahazatra tao amin’ny Tany Nampanantenaina i Jesosy Kristy mba hanomezana fianarana azo ampiharina. (Matio 13:24-32; 25:31-46; Lioka 13:6-9). Isika koa dia afaka miana-javatra be dia be avy amin’ny fandinihana ireo lafiny misongadina sasany nampiavaka an’i Palestina fahiny, amin’ny fomba izay azo ampiharana izany. Aoka isika handehandeha ao amin’ireo efitra sasany ao aminy, raha izany no ilazana azy, ka hizaha ireo toetra sasany mampiavaka io tany io, izay natao ho fonenan’ny vahoakan’Andriamanitra nandritra ny taonjato maro. Araka ny ho hitantsika, dia misy zavatra betsaka azontsika ianarana avy amin’ny Tany Nampanantenaina.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Ny fampiasana ny teny hoe “Tany Nampanantenaina” ato amin’ireto lahatsoratra ireto dia mihevitra ny toe-javatra amin’ny fomba fijery ny andro fahiny, araka ny aseho ao amin’ny Baiboly, ary tsy misy ifandraisana amin’ireo fitakiana maoderina ara-politika sy ara-pivavahana any amin’ilay faritra.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 2]

Fonony: Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 3]

Garo Nalbandian

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara