FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w96 1/9 p. 30-31
  • Fanontanian’ny Mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanontanian’ny Mpamaky
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • Mitovitovy Aminy
  • Inona no Tokony ho Fantatrao Momba ny Aretin-tsaina?
    Mifohaza!—2014
  • Ny kristiana eo anoloan’ny fikorontanan-tsaina
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Ahoana Raha Tsy Salama Saina ny Havan-tianao?
    Mifohaza!—2004
  • “Teny araka ny fanahy” ho fanoherana ny fikorontanan-tsaina
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
w96 1/9 p. 30-31

Fanontanian’ny Mpamaky

Fahendrena ho an’ny Kristiana iray ve ny manatona mpitsabo aretin-tsaina?

Misy tatitra avy any amin’ny tany sasany manondro fa nisy fitomboana ny aretina ara-pihetseham-po sy ara-tsaina amin’izao “andro farany” izao. (2 Timoty 3:1, NW ). Mahatsapa fangorahana lalina ny Kristiana rehefa misy mpiray finoana voan’izany, nefa eken’izy ireo fa ny tsirairay no tsy maintsy manapa-kevitra ho an’ny tenany raha hitady fitsaboana ny aretiny izy na tsia, ary raha hanao izany izy, dia karazana fitsaboana inona.a “Samy hitondra ny entany avy ny olona rehetra.” (Galatiana 6:5). Ny sasany, izay nijaly mafy tamin’ny schizophrénie, ny psychose maniaco-dépressive, ny fahaketrahana lalina hita soritra ho aretina, ny fikorontanana vokatry ny fanahiana tafahoatra sy ny fanerena anaty (trouble obsessionnel compulsif), ny fanapatapahan’ny tena rantsambatana amin’ny tena ihany, sy ny fikorontanana hafa mampahory, dia afaka nanana fiainana azo lazaina ho ara-dalàna, taorian’ny nahazoany fanampiana sahaza avy tamin’ny manam-pahaizana manokana.

Any amin’ny toerana sasany, dia nanjary tena lamaody ny mitady fitsaboana. Amin’ny toe-javatra maro, dia tsy hoe azon’ny fikorontanan-tsaina mafy ilay marary, saingy mahita fahasahiranana eo amin’ny fiatrehana tarehin-javatra sasany eo amin’ny fiainana. Kanefa dia ny Baiboly no manome ny fanampiana mandaitra indrindra raha ny amin’ny fiatrehana olana sarotra eo amin’ny fiainana. (Salamo 119:28, 143). Amin’ny alalan’ny Baiboly, i Jehovah dia manome fahendrena, fisainana mazava, sy fahalalana marina — zavatra izay manatanjaka antsika ara-tsaina sy ara-pihetseham-po. (Ohabolana 2:1-11; Hebreo 13:6). Indraindray dia misy mpanompon’Andriamanitra mahatoky mety hanao teny tsy voahevitra noho ny fikorontanana mafy anaty. (Joba 6:2, 3). Mampirisika ny olona toy izany ny Jakoba 5:13-16 mba hampaka ny loholona mba hahazoana fanampiana sy torohevitra. Mety harary ara-panahy ny Kristiana iray, na mety ho ory noho ny toe-javatra tsy azo ovana na noho ny fihenjanana mampahory, na mety hahatsiaro izy fa ianjadian’ny tsy rariny. (Mpitoriteny 7:7; Isaia 32:2; 2 Korintiana 12:7-10). Ny olona toy izany dia afaka mahita fanampiana amin’ireo loholona, izay “hanosotra diloilo azy” — izany hoe, hampita amim-pahakingana torohevitra ara-baiboly mampionona — ary koa “hivavaka eo aminy”. Ny vokany? “Ny fivavaky ny finoana dia hamonjy ilay marary, fa ny Tompo hanangana azy [avy amin’ny famoizam-pony na ny fahatsapany ho nafoin’Andriamanitra]”.

Ahoana anefa raha maharitra ny fahorian-tsaina sy ny fisafotofotoan-tsain’ny olona iray na dia eo aza ny fanampiana amim-pahakingana avy amin’ireo mpiandry ara-panahy? Ny sasany tao anatin’ny tarehin-javatra toy izany dia nifidy ny hampanao fizahana ny toe-pahasalaman’ny vatany manontolo. (Ampitahao amin’ny Ohabolana 14:30; 16:24; 1 Korintiana 12:26.) Ny zava-manahirana iray ara-batana no mety hahatonga ny fahoriana ara-pihetseham-po na ara-tsaina. Tamin’ny toe-javatra sasany, ny fitsaboana ny zava-manahirana toy izany dia nanome fanamaivanana ho an’ilay olona marary ara-pihetseham-po.b Raha tsy misy zava-manahirana ara-batana hita, dia mety hanolo-kevitra ny hanatonana manam-pahaizana manokana momba ny fahasalaman’ny saina ny dokotera, raha mangataka izany ilay marary. Inona amin’izay no tokony hatao? Araka ny efa nambara, izany dia fanapahan-kevitra izay tsy maintsy ny isam-batan’olona ihany no mandanjalanja azy. Ny hafa dia tsy tokony hitsikera na hitsara. — Romana 14:4.

Na dia izany aza, dia tsy maintsy ampiasaina ny tena fahendrena ary tsy maintsy asiana fitandremana mba tsy hanadinoana ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly. (Ohabolana 3:21; Mpitoriteny 12:13). Raha ny amin’ny aretina ara-batana, ny marary dia miatrika safidy maro samihafa momba ny fitsaboana, manomboka amin’ny fitsaboana mahazatra ka hatramin’ny naturopathie (fitsaboana tsy ampiasana fanafody), acupuncture (fitsaboana amin’ny alalan’ny karazam-panjaitra atsindrona ny vatana) sy ny homéopathie. Misy karazany samy hafa koa ireo mpitsabo aretin-tsaina. Anisan’izy ireny ny psychothérapeutes manao famakafakana sy ny hafa, izay mety hanadihady ny tantaran’ilay marary mba hiezahana hahita ny anton’ny fitondran-tena tsy ara-dalàna na fihetseham-po mampahory. Ny psychothérapeutes momba ny fitondran-tena dia mety hiezaka hanampy ny marary hianatra toe-pitondran-tena vaovao. Mino ny mpitsabo aretin-tsaina sasany fa tokony hotsaboina amin’ny fanafody ny ankamaroan’ny aretin-tsaina.c Ny hafa dia voalaza fa manolo-kevitra ny amin’ny hanarahana fitandremana ara-tsakafo sy vitamina.

Tokony haneho fitandremana ny marary sy ireo fianakaviany rehefa mandinika ireny safidy ireny. (Ohabolana 14:15). Manambara zavatra ny nilazan’ny Profesora Paul McHugh, talen’ny Sampan-draharahan’ny Fitsaboana Aretin-tsaina sy ny Siansa Momba ny Fitondran-tena ao amin’ny Oniversite Johns Hopkins Fianarana ho Mpitsabo, fa ny asa fitsaboana aretin-tsaina dia “sampam-pitsaboana tsizarizary. Izy io dia tsy ahitana porofo mibaribary raha ny amin’ireo tolo-kevitra omeny, sady amin’izay indray itsaboana lafiny sarotra indrindra amin’ny lafim-piainan’olombelona — ny saina sy ny fitondran-tena”. Izany tarehin-javatra izany dia manome vahana ny fanaovan-javatra hafahafa sy ny hosoka, ary koa ny fitsaboana atao noho ny fananana fikasana tsara, kanefa mety ho bebe kokoa noho ny soa raisina aminy ny fanimbana entiny.

Tokony holazaina koa fa na dia misy aza mpitsabo aretin-tsaina sy psikology manana diplaomana manam-pahaizana manokana nahavita fianarana ambony, dia misy maro hafa tsy manana mari-pahaizana, manao ny asan’ny mpanolo-tsaina na mpitsabo, tsy misy fanaraha-maso. Nandany vola be ny olona sasany nanatonana ireny olona tsy mahay ireny.

Na dia amin’ny manam-pahaizana manokana momba ny fitsaboana aretin-tsaina, izay nahazo fiofanana sy mahay, aza, dia misy zavatra tokony hodinihina. Rehefa mifidy dokotera na mpandidy, dia tsy maintsy mahazo antoka isika fa hanaja ny fihevitsika miorina amin’ny Baiboly izy. Amin’ny fomba mitovy amin’izany, dia hampidi-doza ny hanatonana manam-pahaizana manokana momba ny aretin-tsaina, izay tsy manaja ny fihevitsika ara-pivavahana sy ara-pitondran-tena. Kristiana maro no miezaka mafy, na dia eo aza ny fisafotofotoana ara-tsaina sy ara-pihetseham-po, mba hanana “ny toe-tsaina mitovy amin’izay nananan’i Kristy Jesosy”. (Romana 15:5, NW ). Izy ireny dia miahy ara-drariny ny amin’ny toe-tsain’olona na iza na iza, izay mety hisy fiantraikany eo amin’ny fisainana sy ny fitondran-tenan’izy ireo. Ny mpitsabo sasany dia mihevitra izay rehetra mety ho fameperana takin’ny zavatra inoana araka ny Soratra Masina, ho tsy tena ilaina sy mety hanimba ny fahasalamana ara-tsaina. Mety hankasitraka, na hanolo-kevitra mihitsy aza, fanao izay melohina ao amin’ny Baiboly, toy ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy na fivadihana amim-bady, izy ireny.

Ireny hevitra ireny dia tafiditra amin’izay nantsoin’ny apostoly Paoly hoe “ny fanoherana avy amin’izay atao hoe fahalalana, kanjo tsy izy”. (1 Timoty 6:20). Manohitra ny fahamarinana momba an’i Kristy izy ireny ary anisan’ny ‘filozofia sy ny famitahana foana’ izay an’itỳ tontolo itỳ. (Kolosiana 2:8). Mazava ny fari-pitsipiky ny Baiboly: “Tsy misy fahendrena, na fahalalana, na fisainana mahaleo an’i Jehovah.” (Ohabolana 21:30). “Fifaneraserana ratsy” ny mpitsabo aretin-tsaina izay milaza ‘ny tsara ho ratsy ary ny ratsy ho tsara’. Tsy manampy hanasitrana ny saina tsy mitombina izy ireny fa ‘hanimba ny fahazarana mahasoa’ kosa. — Isaia 5:20; 1 Korintiana 15:33, NW.

Koa ny Kristiana iray izay mihevitra fa tena ilaina ny manatona manam-pahaizana manokana momba ny aretin-tsaina dia tokony handinika akaiky ny fahaizana sy ny toe-tsaina ary ny lazan’ilay mpitsabo sy ny mety ho vokatr’izay rehetra mety ho fitsaboana anoloran-kevitra. Raha tsy afaka manao izany ilay Kristiana ory, dia angamba mety ho afaka ny hanampy azy ny namana akaiky na havana, matotra. Ny Kristiana iray izay tsy mahazo antoka ny amin’ny maha-fahendrena ny fitsaboana manokana iray dia mety hahita fa manampy ny firesahana amin’ireo loholon’ny kongregasiona — na dia azy (na an’ny ray aman-dreniny, na fanapahan-kevitra iarahan’ny mpivady manao) aza ny fanapahan-kevitra farany.d

Afaka manao zavatra betsaka kokoa noho ny tamin’ny lasa ny siansa mba hanamaivanana ny fahoriana. Na izany aza, dia misy aretina maro — na ara-batana izany na ara-tsaina — izay tsy azo sitranina ankehitriny ka tsy maintsy hiaretana mandritra itỳ fandehan-javatra itỳ. (Jakoba 5:11, NW ). Mandritra izany, ny “mpanompo mahatoky sy malina” sy ireo loholona ary ny hafa rehetra ao anatin’ny kongregasiona dia manolo-tanana feno fangorahana sy fanohanana amin’ireo marary. Ary i Jehovah mihitsy no hanatanjaka azy ireo mba hiaritra hatramin’ilay fotoana be voninahitra izay tsy hisian’ny aretina intsony. — Matio 24:45, NW; Salamo 41:1-3; Isaia 33:24.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Indraindray ny olona iray dia mety hangatahina hanao fitsapana mba hanombanana ny toe-pahasalaman’ny sainy, angamba rehefa eritreretina hampanaovina asa ambony iray. Fanapahan-kevitry ny tena manokana ny hanekena na tsia ny fanombanana toy izany, nefa tokony homarihina fa tsy fitsaboana aretin-tsaina akory ny fanombanana ny toe-pahasalaman’ny saina.

b Jereo “Ny Fomba Handresena Amin’ny Ady Atao Amin’ny Fahaketrahana”, ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Jona 1990.

c Toa mandaitra tsara amin’ny aretin-tsaina sasany ny fanafody araka ny tokony ho izy. Tsy maintsy ampiasaina amim-pitandremana eo ambany fitarihan’ny dokotera na ny mpitsabo aretin-tsaina mahay sy za-draharaha anefa ireny fanafody ireny, satria afaka ny hisy vokany ratsy dia ratsy izy ireny raha tsy mifanentana araka ny tokony ho izy ny fatrany.

d Jereo ilay lahatsoratra hoe “Ny Kristiana eo Anoloan’ny Fikorontanan-tsaina”, ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Janoary 1989.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara